2023
Loholona Alan T. Phillips
Mey 2023


“Loholona Alan T. Phillips,” Liahona, mey 2023.

Loholona Alan T. Phillips

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Mbola kely ny Loholona Alan T. Phillips dia nahatsapa fa marina ny Fiangonana saingy nanantena ny hahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana kokoa momba ny Mpamonjy izy nialoha ny hanaovany asa fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno.

“Nifady hanina, nivavaka, ary nankany anaty ala kely aho,” hoy izy. “Nitady valiny lehibe aho.”

Avy eo, indray herinandro raha nandeha lavitra nanatanteraka iraka ny fianakaviany, dia nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo irery izy.

“Tsy nikatsaka na inona na inona aho. Teo fotsiny aho, niomana handray ny fanasan’ny Tompo sy niara-nihira tamin’ny daholobe,” hoy izy. “Sambany ireo teny sy hevitra fonosin’ny hoe -nofantsihan’Izy ka afa-trosa aho re-1 no nisongadina tamiko ary niditra tao am-poko. Tsapako ny tena fisian’ny fifandraisany amiko, tsy honohono intsony, tsy zavatra saro-takarina intsony. Mpamonjy ahy Izy, tamin’io fotoana io.”

Nivavaka ny Loholona Phillips taorian’izay, nisaotra ny Ray any An-danitra ka nanambara Taminy fa tsy hivadika amin’io fahalalana vaovao nomen’ Andriamanitra azy io izy mandritra ny andro sisa iainany.

Izany no fotoana nanamifasana taminy ny maha-tena misy ny Mpamonjy. Nilaza izy avy fa eo ambonin’io “fototra azo antoka” (Helamàna 5:12) io no iorenan’ny zavatra hafa rehetra ao amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

I Alan Thomas Phillips dia teraka tany Kent, Angleterre tamin’ny volana jona 1970 ary lehibe tany Buckhinghamshire, Angleterre. Nanambady an’i Lindsey Iorg izy tamin’ny jolay 2005 tao amin’ny Tempolin’i Mesa Arizona. Manan-janaka efatra izy ireo ary mpikambana ao amin’ny Tsatòkan’i Hyde Park ao Londres, izay tsatòka manan-tantara amin’ny Fiangonana.

Nahazo mari-pahaizana licence sy maîtrise avy amin’ny London School of Economics and Political Science izy. Efa niasa tamina fikambanana samihafa misahana ny fandraharahana sy ny fitantanam-bola ary ny fanabeazana izy, tafiditra ao anatin’izany ireo efa-taona lasa naha-tale misahana ny fampianarana ao amin’ny ivon-toeran’ny Brigham Young University ao Londres azy.

Nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Manchester Angleterre ny Loholona Phillips. Izy koa dia efa mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Eorôpa Avaratra, Fitopololahin’ny Vondromparitra, filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka sy mpikambana tao amin’ny filankevitra avo ary mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà.

Fanamarihana

  1. “Endrey mahagaga ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. faha-44.

Hamoaka printy