2023
Rahavavy Andrea Muñoz Spannaus
Mey 2023


“Rahavavy Andrea Muñoz Spannaus,” Liahona, mey 2023.

Rahavavy Andrea Muñoz Spannaus

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany

Fony izy ireo nipetraka tany Argentine tamin’ny mbola kely, ny Rahavavy Andrea Muñoz Spannaus sy ny zokiny vavy dia nianatra tany amina sekoly Katôlika. Tsy mbola nahafantatra fampianarana ara-pivavahana hafa izy ireo raha tsy efa feno sivy taona i Andrea. Tamin’izany no nanombohan’ireo misiônera Olomasin’ny Andro Farany nampianatra ny fianakaviany momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

Vantany vao vita ny lesona nampianarin’ireo misiônera ary lasa izy ireo dia nanazava ny renin’i Andrea fa misy antokom-pivavahana mihoatra ny iray. Nanontany an-dreniny i Andrea hoe inona no fiangonana heveriny fa maneho tsara indrindra an’ Andriamanitra. Namaly ny reniny hoe, “Amiko dia ity iray ity,” dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany, araka izay vao nampianarin’ny misiônera azy ireo.

Nandritra ny androm-piainany i Andrea dia “naniry ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra” hatrany, ka nampanahy azy ny hiditra ao amina antokom-pivavahana vaovao. Minitra vitsy ihany anefa no nahatsapany izany anefa ary faniriana ny hianatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana no nanolo izany.

Natao batisa ny fianakaviana “ary nanomboka fiainam-baovao izahay,” hoy ny Rahavavy Spannaus. “Nahavariana tokoa ny fomba niovan’ny fiainanay rehetra.”

I Andrea Veronica Muñoz dia naterak’i Carlos Alberto Muñoz sy i Elida Menicucci tamin’ny 18 mey 1968 tany Buenos Aires, Argentine. Lehibe tao Béccar, Argentine izy. Nanambady an’i Alin Spannaus tao amin’ny Tempolin’i Buenos Aires Argentina izy tamin’ny ôktôbra 1992. Manan-janaka roa vavy izy ireo.

Nahazo diplaoma momba ny fampianarana ankizy kely ny Rahavavy Spannaus ary nianatra momba ny zavakanto sy ny tefibikan’ny ati-trano izy. Manompo ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany izy ankehitriny. Taloha izy dia nanompo tao amin’ny Kômity miandraikitra ny fihaonambe Ho Zatovo Mahery! an’ny Vondromparitra Atsimon’i Amerika Atsimo, sy tao amin’ny Kômity miandraikitra ny fihaonambe HZM ho an’i Utah Latino ary mpitarika niaraka tamin’ny vadiny tao amin’ny Misiônan’i Cuernavaca Mexique.

Izy ihany koa dia efa filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy filohan’ny Zatovovavy ary filohan’ny Kilonga teo anivon’ny paroasy, mpampianatra seminera vao maraina, mpanoro hevitra tao amin’ny paroasin’ny tanora tokan-tena miteny espaniôla ary misiônera tany amin’ny Misiônan’i Resistencia Argentine.

Hamoaka printy