2023
Topimaso amin’ireo dimy taona nanompoan’ny Filoha Russell M. Nelson amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy
Mey 2023


Vaovaom-piangonana

Fandinihana ireo dimy taona nanompoan’ny Filoha Russell M. Nelson amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy

Nandritra ny lahateny ampahibemaso nataony voalohany, dimy taona lasa izay, amin’ny maha-Filoha faha-17 an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany azy, ny Filoha Russell M. Nelson dia nanadino ny tenany ka nampifantoka ny eritreritra tamin’i Jesoa Kristy ary niandrandra ny hoavy avy eo.

Nanambara izy hoe: “Ny Tompo dia nanome torolalana sy nanentana ny fanahin’ireo mpaminaniny foana ary mbola hanome torolalana sy hanentana ny fanahin’izy ireo foana.” “Ny Tompo no mitarika. Izahay izay notendrena mba hijoro ho vavolombelona momba ny Anarany Masina manerana an’izao tontolo izao dia hanohy hikatsaka ny hamantatra ny sitrapony sy hanaraka izany” (“Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Liahona, apr. 2018, 6).

Mandray fanambarana hoenti-mitarika ny Fiangonana

Nanaraka ny toromariky ny Tompo ny Filoha Nelson raha nitety firenena miisa 35, nanavao ny lamin’ny Fiangonana, nampiasa teknôlôjia hizarana ny filazantsara, nitarika ny Fiangonana hamakivaky ny valanaretina, nanao fanasana manan-tantara ary nikolokolo fifandraisana mba hisian’ny fahatakarana an-tsaina.

Hatrizay naha-Filohan’ny Fiangonana azy ny Filoha Nelson dia niresaka tamina Olomasin’ny Andro Farany tsy tambo isaina sy nifampiresaka tamina mpanjaka sy filoham-pirenena ary praiministra. Nitondra fampiononana an’ireo izay niharan’ny heloka bebava sy ireo hafa izay nidonam-pahoriana izy ary nampiorim-paka ny fifandraisana amin’ireo mpitarika ambony eo anivon’ny National Association for the Advancement of Colored People (NAACP (Fikambanana nasiônaly ho an’ny fampandrosoana ny olona samy hafa volon-koditra)), ka nandray fanasana mba haneho hevitra tamin’ny fifanarahana teo anivon’ny NAACP 2019, tany Detroit, Michigan, États-Unis.

Tamin’ny alalan’ny fanambarana sy nomban’ny fanohanana feno avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no nampiharany fiovana maro mahakasika ny lalàna eo anivon’ny Fiangonana.

Teo ambanin’ny fitarihany azo avy amin’ny fanentanam-panahy, ireo mpitarika Olomasin’ny Andro Farany dia nanolo ny famangiana sy fampianarana isan-tokantrano ho fanompoana; nanova ny fandaharam-potoana mandritra ireo fivoriana isaky ny Alahady mba hanomezana vahana ny fandalinana ny filazantsara izay mifantoka amin’ny ao an-tokantrano sy tohanan’ny Fiangonana; ary nangataka ny mpikambana mba hampiasa ny anarana fenon’ny Fiangonana sy ny anarany marina. Ny Fiangonana dia nametraka lalàna izay nanome lalana ireo mpivady vita fanambadiana ara-dalàna mba ho voavehy any amin’ny tempoly faran’izay haingana indrindra maha-vonona azy ireo; nanova ny dinidinika momba ny fahafolonkarena ho fanambarana fahafolonkarena; ary nametraka lalàna izay manome fahafahana ny vehivavy hanompo ao amin’ny tempoly mba ho vavolombelona amin’ireo famehezana ao amin’ny tempoly ary ny vehivavy sy zatovo ary ankizy izay mpikamban’ny Fiangonana mendrika mba ho vavolombelon’ny batisa.

“Anisan’ireo zavatra napetraky ny Fanahy imbetsaka tato an-tsaiko hatramin’ny nahazoako ny antsoko vaovao ho Filohan’ny Fiangonana ny hoe hatraiza ny fahavononan’ny Tompo hanambara ny sainy sy ny sitrapony,” hoy ny Filoha Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2108 (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 94).

Tamin’ny 2020 ny Fiangonana dia nankalaza ny faha-roanjato taona ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith, tsy tamin’ny alalana fety manetriketrika fa tamin’ny alalan’ny fanasan’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana an’ireo Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao mba hianatra hihaino ny feon’ny Tompo tsara kokoa sy matetika kokoa. Tao amin’ny lahateniny iray nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2020 ny Filoha Russell M. Nelson dia nanolotra fanambarana manan-tantara iray, dia ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao noho ny fankalazana ny faha-roanjato taona” izany (jereo ny “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 91–92).

Nitarika ny Fiangonana namakivaky ny COVID-19

Niaraka tamin’ny traikefany amin’ny maha-anisan’ny mpandidy fo voalohany azy fa indrindra indrindra tamin’ny maha-mpaminan’ny Tompo ary mpitarikana fiangonana misy maneran-tany azy no nitarihan’ny Filoha Nelson ny Fiangonana namakivaky ny valanaretina COVID-19 izay nanomboka tamin’ny 2020.

Ny fanampiana nataon’ny Fikambanana mpanao asa soa Latter-day Saint Charities nanoloana ilay valanaretina no lasa fanampiana lehibe indrindra nisy teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana hatrizay, tamin’ny alalan’ny fanomezana fanampiana tany amin’ny firenena mihoatra ny 150.

Nilaza izao ny Filoha Nelson nandritra ny tafatafa nataony tamin’ny Church News (Vaovaom-piangonana): “Na dia eo aza ny rahom-pahoriana lalovantsika dia afaka ny hisy lafy tsarany izany,” (ao amin’ny Sarah Jane Weaver, “Video: President Nelson Talks about the ‘Painful’ Decision to Close Temples amid COVID-19,” Church News, 27 jolay 2020, thechurchnews.com). Ny lafy tsaran’ilay valanaretina, hoy izy, dia ny nahitana fomba maro hifaneraserana amin’ny Olomasin’ny Andro Farany kanefa tsy voatery mandeha fiaramanidina. Tamin’ny alalan’ny teknôlôjia no niresahan’ny Filoha Nelson tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany tany Venezuela sy Europe ary koa ny tany Californie sy Canada ary Oklahoma. Niresaka tamin’ireo tanora maneran-tany koa izy.

Tamin’ny aogositra 2022 no nanaovan’ny Filoha Nelson dia voalohany nivoaka an’i Utah hatramin’ny firongatr’ilay valanaretina tamin’ny martsa 2020 tamin’ny famerenana ny fanokanana ny Tempolin’i Washington D.C. izay nohavaozina.

Nandray ny Gandhi-King-Mandela Peace Prize (Loka Gandhi-King-Mandela ho an’ny Fandriampahalemana)

Nanambara ny Morehouse College, izay fantatra ara-tantara ho oniversite ho an’ireo Olona mainty hoditra ao Georgia, États-Unis, fa hanome ny Filoha Nelson ny Gandhi-King-Mandela Peace Prize voalohany indrindra azony. Nomen’ilay sekoly ny mpaminany izay 98 taona io mari-boninahitra vaovao io tamin’ny 13 aprily 2023, nanditra ny fivoriambe iraisam-pinoana sy tsy manavaka antokom-pivavahana tao amin’ny ivon-toerana Martin Luther King Jr. International Chapel tany Atlanta.

Io loka io dia mitondra ny anaran’i Mahatma Gandhi, i Martin Luther King Jr., ary i Nelson Mandela. Araka ny nolazain’ny sekoly, izy io dia natao ho an’ny olona izay manandratra ny fiadanana sy ny fanovana ho amin’ny tsara ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny fomba izay tsy mampiasa herisetra ary mampiasa ny maha-mpitarika maneran-tany azy mba hampanjakana ny fandriampahalemana, ny fahamarinana, sy ny fahasamihafana ary ny fahaiza-miara-monina ao anatin’ny fahasamihafana.

Tamin’ny alalan’ny visioconférence no naneken’ny Filoha Nelson ilay loka ary nihira tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ihany koa ny Amboaram-peon’ny Tabernakely avy ao Temple Square.

Henika fanairana mba hitia sy hanaja ny olon-drehetra izay dimy taona nanompoan’ny mpaminany izay. Nandritra ny seho iray tamin’ny 2018 izay nankalazana ny faha-40 taonan’ilay fanambarana azo tamin’ny 1978 momba ny fahafahan’ny olona avy amin’ny firazanana rehetra mandray ny fisoronana, dia nampianatra ny Olomasin’ny Andro Farany izy mba “hanorina tetezan’ny fiaraha-miasa toy izay rindrin’ny fanavakavahana” (“Building Bridges,” New Era, Aug. 2018, 6).

Hamoaka printy