2023
Mpihira avy amin’ny firenena maneran-tany niara-nihira tamin’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely nandritra ny fihaonambe
Mey 2023


Mpihira avy amin’ny firenena maneran-tany niara-nihira tamin’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely nandritra ny fihaonambe

Sambany no nisy mpandray anjara monina any ivelan’i États-Unis niara-nihira tamin’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely avy ao Temple Square nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Vao haingana ny amboaram-peo no nanitatra ny iraka tanterahany mba hipaka amin’ny olona maneran-tany, hoy i Michael O. Leavitt, filohan’ny amboaram-peo, izay nanoritsoritra ilay fandaharan’asa fitaratra ho toy ny fivoarana mandeha ho azy eo amin’ny fivoaran’ny amboaram-peo. “Amin’ny alalan’ilay hany fomba fantatray, izay dingana iray isaky ny mandeha, no itondranay azy, dia ny fianarana sy ny fivoarana ary ny fangatahana tari-dalana misimisy kokoa avy amin’ny Tompo,” hoy izy. “Isaky ny dingana atao, dia lasa mazava kokoa ilay izy amin’izao fa afaka mitranga izany.”

Noho ny fandaharam-potoana hentitra an’ny amboaram-peo momba ny fianaran-kira, dia notakina ireo mpikambana ao amin’ny amboaram-peo mba honina ao anatin’ny 160 km miala avy eo amin’ny Tabernakely manan-tantara ao Salt Lake City. Kanefa ilay fandaharan’asa fitaratra hoy Rahalahy Leavitt dia hanome fahafahana ireo olona hafa izay manana fahaiza-manao ara-kira miavaka mba handray anjara ihany koa tsindraindray.

Ankoatra ny fahaizan’izy ireo mihira, ireo mpandray anjara avy amin’ny firenena maneran-tany koa dia takina mba hahay fitsipika momba ny mozika sy teny anglisy mandritra ny dingana fifantenana.

Ireo voafantina niara-nihira tamin’ny amboaram-peo dia avy amin’ny firenena enina :

  • Alvaro Jorge Martins avy any Natal, Brézil, bariton

  • Rodrigo Domaredzky avy any Curitiba, Brézil, bariton

  • Thalita De Carvalho avy any Sao Paulo, Brézil, soprano 2

  • Tubo-Oreriba Joseph Elisha avy any Accra, Ghana, ténor

  • Jonathan How avy ao Kuala Lumpur, Malaisie, ténor 2

  • Denisse Elorza Avalos avy any Tijuana, Mexique, soprano 2

  • Georgina Montemayor Wong avy any Monterrey, Mexique, soprano 2

  • Ronald Baa avy any Cagayan de Oro, Philippines, ténor

  • Sundae Mae Indino avy any Cagayan de Oro, Philippines, soprano 1

  • Pei-Shan Chung (Kylie Zhong) avy any Taipei, Taiwan, alto 1

Niara-namerin-kira tamin’ny amboaram-peo ireo mpandray anjara avy amin’ny firenena maneran-tany, nanatrika fianaran-kiran’ny amboaram-peo sy nitsidika toerana manan-tantara maro an’ny Fiangonana ary nitsidika ny Foibe misahana ny fanampiana ataon’ny Fiangonana, ny Temple Square sy ny Ivon-teoran’ny trano fitehirizan’ny eveka.

Rehefa nifarana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia nihira ny “Omba anao hatrany anie ny Ray” ho an’ireo mpandray anjara mpitsidika ireo mpikamban’ny amboaram-peo avy ao Utah ho fanaovam-beloma azy ireo.

Naneho ny fitiavany sy ny fankasitrahany tamin’ireo mpandray anjara avy tamin’ny firenena maneran-tany ny Eveka Mpiahy, Eveka Gérald Caussé. “Manantena aho fa rehefa miverina any amin’ny firenenareo ianareo dia hijoro ho vavolombelona ny amin’ity zavatra niainana ity sy hanangana taranaka mpihira vaovao na aiza na aiza, manerana izao tontolo izao,” hoy izy.

Nanampy ireo mpandray anjara hahatsapa tena ho mifandray sy iray kokoa amin’ny fianakaviamben’ny Fiangonana ny zavatra niainan’izy ireo nandritra ny roa herinandro. “Nandany fotoana lava dia lava izahay niarahana tamin’ny departemantan’ny Fiangonana misahana ny hira. Nandritra ny fihaonanay tamin’izy ireo dia tena nahatsapa aho fa ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia manantena ny ahafahan’ny Olomasin’ny Andro Farany rehetra manerana izao tontolo izao hiaina zavatra ara-panahy lalina kokoa amin’ny alalan’ny hira,” hoy i Pei-Shan Chung.

Hamoaka printy