Tsarovy izay zavatra manan-danja indrindra
Ny zavatra manan-danja indrindra dia ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy ilay Zanakalahy Malalany, ny fianakaviantsika sy ireo mpiara-belona amintsika, ary ny famelana ny Fanahin’ny Tompo hitarika antsika.
Eo am-pahatsiarovantsika amin’ity faran’ny herinandro ity an’ilay fidiran’ny Mpamonjy tamin’ny fomba nanetriketrika tao Jerosalema fotoana fohy talohan’ny Sorompanavotany, dia tsaroako ireo teny feno fanantenana sy fankaherezana nataony: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.”1
Tiako Izy. Mino Azy aho. Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no fananganana ny maty sy fiainana.
Nampionona sy nankahery ahy izany fijoroana ho vavolombelona izany tao anatin’ny efa-taona sy tapany lasa hatramin’ny nahafatesan’i Barbara vadiko. Manina azy aho.
Matetika aho no nisaintsaina ny fanambadianay mandrakizay sy ny fiainana niarahanay.
Efa nozaraiko tany aloha ny fomba nihaonako voalohany tamin’i Barbara sy ny fomba nampianaran’izany zavatra niainana izany ahy hampiasa ny fahaiza-manao mahakasika ny “fanaraha-maso” izay nianarako nandritra ny asa fitoriana nataoko. Tsy maintsy namerina niantso azy haingana aho taorian’ny nihaonanay voalohany satria tsara tarehy izy, nalaza ary nanana fandaharam-potoana ara-tsôsialy feno dia feno. Vetivety monja dia raiki-pitia taminy aho noho izy tsy niavona sy sariaka. Nahafinaritra ahy ny hatsaran-toetrany. Tsapako fa natao hiaraka izahay roa. Tsotra toy izany ilay izy tao an-tsaiko.
Naka fotoana nifankahafantarana izaho sy i Barbara, ary nanomboka nitombo ny fifandraisanay, saingy tsy azony antoka fa mety aminy ny hanambady ahy.
Tsy ampy ahy ny nahafantatra; nila nahafantatra ho an’ny tenany manokana i Barbara. Fantatro fa raha hanokana fotoana hifadiana hanina sy hivavahana momba ilay raharaha izahay dia afaka ny hahazo fanamafisana avy any an-danitra i Barbara.
Nandany faran’ny herinandro iray tsy nampiaraka izahay mba hahafahanay mifady hanina sy mivavaka samirery mba hahalalanay ho an’ny tenanay manokana. Tsara vintana aho fa nandray fanamafisana nitovy tamin’ilay voaraiko izy. Ny tohiny moa dia efa haintsika loatra.
Rehefa nodimandry i Barbara, ireo zanakay dia nametraka lesona maromaro teo amin’ny tsangambatom-pasany izay tian’i Barbara hotadidin’izy ireo. Iray amin’izany lesona izany ny hoe “izay zavatra maharitra indrindra no manan-danja indrindra.”
Androany aho dia hizara avy ao am-poko fahatsapana sy eritreritra vitsivitsy mahakasika ny zavatra manan-danja indrindra.
Voalohany, ny fifandraisana amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy Tompo, no zava-dehibe indrindra. Io fifandraisana io dia manan-danja ankehitriny ary any amin’ny mandrakizay.
Faharoa, anisan’ny zavatra manan-danja indrindra ny fifandraisan’ny fianakaviana.
Nandritra ny asa fanompoana nataoko dia nitsidika olona sy fianakaviana maro niharan’ny loza voajanahary nandravarava aho. Maro no nifindra toerana, noana ary tora-kovitra. Nila fanampiana ara-pitsaboana sy sakafo ary fialofana izy ireo.
Nila ny fianakaviany ihany koa izy ireo.
Manaiky aho fa ny sasany dia mety tsy manana fianakaviana akaiky, hany ka ampidiriko ho toy ny “fianakaviana” ny havana, ny namana, eny fa na dia ny fianakaviana amin’ny maha-iray paroasy aza. Ireo fifandraisana ireo dia tena ilaina amin’ny fahasalamana ara-pihetseham-po sy ara-batana.
Ireo fifandraisana ireo koa dia afaka manolotra fitiavana, fifaliana, fahasambarana ary fahatsapana ho manan-toerana.
Ny fikolokoloana ireo fifandraisana manan-danja ireo dia safidy. Ny safidy ho anisan’ny fianakaviana dia mitaky fanoloran-tena, fitiavana, faharetana, fifaneraserana ary fifamelana.2 Mety hisy fotoana tsy hitoviantsika hevitra amin’ny olona iray, saingy afaka manao izany tsy amin-karatsian-toetra isika. Eo amin’ny fiarahan’ny mpifankatia sy ny fanambadiana, isika dia tsy hoe miraiki-pitia na mandao ny fitiavana toy ireny hoe zavatra ahetsiketsika eo amin’ny hazofisaky ny lalao fanorona ireny. Misafidy ny hifankatia sy hifanohana isika. Manao toy izany koa isika amin’ny fifandraisana hafa eo anivon’ny fianakaviana sy amin’ireo namana izay raisintsika ho toy ny fianakaviana.
Ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia milaza fa “ny drafitra masin’ny fahasambarana no ahafahan’ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana haharitra mandrakizay any ankoatry ny fasana. Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina misy any amin’ny tempoly masina no ahafahan’ny tsirairay hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy ahafahan’ny fianakaviana ho iray mandrakizay.”3
Zavatra iray hafa manan-danja indrindra koa ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy ao amin’ireo fifandraisantsika manan-danja indrindra ary ao amin’ny ezaka ataontsika mba hitiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika, tafiditra ao anatin’izany ny asa fanompoana ataontsika manokana sy ampahibemaso. Nianatra io lesona io aho tany am-piandohan’ny fiainako fony aho eveka.
Indray hariva ririnina mangatsiaka sy feno oram-panala, raha teo am-pivoahana ny birao nisy ahy tamin’ny maha-eveka ahy aho dia nanana fahatsapana mahery vaika hitsidika mananotena efa nahazo taona iray tao amin’ny paroasy. Nijery ny famantaranandroko aho ary efa tamin’ny 10 ora alina tamin’izay. Nieritreritra aho hoe tara loatra ny hanaovana fitsidihana toy izany. Ary ankoatra izany, nilatsaka ny oram-panala. Nanapa-kevitra aho fa ny maraina no hitsidika io anabavy malala io fa tsy hanelingelina azy amin’ny ora tara be toy izany. Nandeha fiara nody aho ary nandeha natory saingy nivadibadika teo am-pandriana nandritra ny alina satria notaitairin’ny Fanahy aho.
Ny ampitson’izany vao maraina, dia nandeha nitondra fiara nankany an-tranon’ilay mananotena avy hatrany aho. Namoha ny varavarana ny zanany vavy ary niteny tamin-dranomaso hoe: “Misaotra anao tonga ry Eveka! Adiny roa lasa izay no nodimandry i Neny.” Nivarahontsana aho. Tsy hohadinoiko mihitsy ny zavatra tsapako tao anatiko. Nitomany aho. Iza mihoatra noho io mananotena malala io no mendrika ny hanana ny evekany hihazona ny tanany sy hampionona azy ary angamba hanome azy tsodrano farany? Very izany fahafahana izany satria tsy nanaraka ilay bitsika mahery vaika avy amin’ny Fanahy aho.4
Ry rahalahy sy anabavy, zatovolahy sy zatovovavy ary ankizy ao amin’ny Kilonga, mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy dia iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra eo amin’ireo fifandraisantsika rehetra.
Farany, amin’izao faran’ny herinandro izay Alahadin’ny Sampan-kazo izao dia mijoro ho vavolombelona aho fa ny fiovam-po ho an’ny Tompo sy ny fijoroana ho vavolombelona momba Azy ary ny fanompoana Azy dia anisan’ireo zavatra manan-danja indrindra.
Ny finoana an’i Jesoa Kristy no fototry ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Ny tenivavolombelona dia fijoroana ho vavolombelona na fanamafisana ny fahamarinana mandrakizay miraikitra ao amin’ny fo sy fanahy tsirairay avy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, izay teraka avy amin’ny Fanahy sy nohamafisin’ny Fanahy, dia manova fiainana. Manova ny fomba fisainantsika sy ny fomba fiainantsika izany. Ny fijoroana ho vavolombelona dia mampitodika antsika mankany amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany masina.
Nampianatra i Almà hoe:
“Indro manambara aminareo aho satria fantatro fa ireny zavatra izay efa voalazako ireny dia marina. Ary ahoana no iheveranareo fa fantatro ny maha-azo antoka ireny zavatra ireny?
“Indro lazaiko aminareo fa ampahafantarina ahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ Andriamanitra ireny. Indro, efa nifady hanina sy nivavaka andro maro aho mba hahazoan’ny tenako mahafantatra ireny zavatra ireny. Ary ankehitriny, mahalala ny tenako fa marina ireny; fa ny Tompo Andriamanitra dia efa naneho ireny tamiko tamin’ny alalan’ny Fanahy Masiny.”5
Tsy ampy ny fananana fijoroana ho vavolombelona fotsiny ihany. Rehefa mitombo ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy dia te hijoro ho vavolombelona ho azy momba Azy isika, momba ny hatsarany sy ny fitiavany ary ny hatsaram-panahiny.
Matetika isika mandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona amin’ny alahady fifadian-kanina no mandre ny andian-teny hoe “Izaho dia feno fankasitrahana” sy “Tiako” mihoatra noho ny andrenesantsika ny andian-teny hoe “Fantatro” sy “Izaho dia mino.”
Manasa anareo aho mba hijoro ho vavolombelona matetika kokoa momba an’i Jesoa Kristy. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo zavatra izay fantatrao sy inoanao ary izay tsapanao, fa tsy ny amin’ny zavatra izay maha-feno fankasitrahana anao fotsiny. Mijoroa ho vavolombelona momba ny zavatra niainanao manokana izay nahatonga anao ho nahafantatra sy nitia ny Mpamonjy, ny zavatra niainanao manokana teo amin’ny fiainana ireo fampianarany, ary ny zavatra niainanao manokana mahakasika ny heriny manavotra sy manafaka eo amin’ny fiainanao. Rehefa mijoro ho vavolombelona momba ny zavatra izay fantatrao, sy inoanao, ary tsapanao ianao, dia hanamafy ny fahamarinana amin’ireo izay mihaino fatratra ny fijoroanao ho vavolombelona ny Fanahy Masina. Hanao izany izy ireo satria efa nahita anao lasa mpanara-dia feno fiadanam-po an’i Jesoa Kristy. Ho hitan’izy ireo ny dikan’izany hoe mpanara-dia Azy izany. Hahatsapa zavatra izay mety tsy mbola tsapany teo aloha ihany koa izy ireo. Ny fijoroana ho vavolombelona madio dia tonga avy amin’ny fo niova ary azo entina amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ao am-pon’ny hafa izay misokatra handray izany.
Avy eo ireo izay mahatsapa zavatra vokatry ny fijoroana ho vavolombelona anananao dia afaka mangataka amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka mba hanamarina ny fahamarinan’ny fijoroana ho vavolombelona nozarainao. Aorian’izany dia afaka ny hahafantatra ho an’ny tenan’izy ireo manokana izy ireo.
Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa fantatro fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao. Velona Izy. Izy no Zanakalahin’ Andriamanitra nitsangana tamin’ny maty, ary ity no Fiangonany izay tarihin’ny mpaminaniny sy ny apôstôliny. Mivavaka aho mba indray andro any rehefa tonga any amin’ny tontolo manaraka dia ho afaka hanao izany miaraka amin’ny fijoroako ho vavolombelona miredareda.
Tao anatin’ny asa fanompoako dia nianatra aho fa ny zavatra manan-danja indrindra dia ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy ilay Zanakalahy Malalany, ny fianakaviantsika sy ireo mpiara-belona amintsika, ary ny famelana ny Fanahin’ny Tompo hitarika antsika ao anatin’ireo fifandraisana ireo mba hahafahantsika mijoro ho vavolombelona momba ireo zavatra manan-danja indrindra sy maharitra ela indrindra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.