2023
Nanambara fanorenana tempoly vaovao miisa 15 ny mpaminany
Mey 2023


Nanambara fanorenana tempoly vaovao miisa 15 ny mpaminany

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2023, dia nanambara fanorenana tempoly any amin’ireto toerana manaraka ireto ny Filoha Russell M. Nelson:

  • Retalhuleu, Guatemala

  • Iquitos, Pérou

  • Teresina, Brézil

  • Natal, Brézil

  • Tuguegarao City, Philippines

  • Iloilo, Philippines

  • Jakarta, Indonésie

  • Hamburg, Allemagne

  • Lethbridge, Alberta, Canada

  • San Jose, Californie, États-Unis

  • Bakersfield, Californie, États-Unis

  • Springfield, Missouri, États-Unis

  • Charlotte, Caroline du Nord, États-Unis

  • Winchester, Virginie, États-Unis

  • Harrisburg, Pennsylvanie, États-Unis

Mitohy ny fivoaran’ny fiorenan’ireo tempoly vaovao

Ireto tempoly manaraka ireto dia notokanana na naverina notokanana hatramin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany tamin’ny ôktôbra:

  • Naverina notokanana tamin’ny 17 ôktôbra 2022 ny Tempolin’i Hamilton Nouvelle Zélande.

  • Notokanana tamin’ny 20 nôvambra ny Tempolin’i Quito Équateur.

  • Notokanana tamin’ny 20 nôvambra ny Tempolin’i Bélem Brésil.

  • Notokanana tamin’ny 15 janoary 2023 ny Tempolin’i San Juan Porto Rico.

Natokana tamin’ny 7 mey ny Tempolin’i Richmond Virginie.

Natao ny fiadiana fototra ho an’ireto tempoly manaraka ireto: Tempolin’i Querétaro Mexique, Tempolin’i Managua Nicaragua, Tempolin’i Willamette Valley Oregon (États-Unis), Tempolin’i Torreón Mexique, Tempolin’i Miraflores Guatemala City Guatemala, Tempolin’i Port Vila Vanuatu ary ny Tempolin’i Heber Valley Utah (États-Unis).

Vaovao farany mahakasika ny fanavaozana atao eo amin’ny Temple Square

Vao haingana izay ny tetikasa fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake no nahatratra ny fahatelo taona nanaovana izany. Tamin’ny taona 2022 no nitranga ireto asa lehibe manaraka ireto:

  • Fametrahana ny foto-drafitr’asa tsy tantera-drano sy ny zaridaina eo amin’ny Main Street Plaza.

  • Fananganana fanamafisana ny andry vita amin’ny varafasy eo ambanin’ny fototry ny tempoly efa misy ankehitriny.

  • Fametrahana foto-drafitr’asa tsy tantera-drano sy fantsona manafana ny ranomandry mba hitsonika eo an-tokotanin’ny Tranobe misy ny biraon’ny Fiangonana; natomboka ny asa fametrahana rarivato vaovao.

  • Nanomboka ny fanamboarana ilay trano heva fipetrapetrahan’ny mpitsidika sy ny fanamboarana ao amin’ireo rihana telo ambany fanampiny ao amin’ny fanitarana ny tempoly, izay ahitana dobo fanaovana batisa roa, efitrano famehezana sy efitrano fiankanjoana ary birao fitantanan-draharaha.

Hamoaka printy