2023
Loholona Christophe G. Giraud-Carrier
Mey 2023


“Loholona Christophe G. Giraud-Carrier,” Liahona, mey 2023.

Loholona Christophe G. Giraud-Carrier

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Rehefa niditra ny sehatry ny maha-olon-dehibe ny Loholona Christophe G. Giraud-Carrier dia nanana drafitra lehibe, dia ny hanomboka handranto fianarana matotra eny amin’ny oniversite, haka fanemorana ny fanombohana ny fianarana mba hitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno sy hanambady ny olon-tiany hatramin’ny naha-zatovo azy ary ny ho injeniera any Frantsa, toerana niaviany.

Raha nizotra araka ny drafitra ny asa fitoriana sy ny fanambadiana, dia tsy toy izany kosa ny tamin’ireo fikasana hafa. Tsy nitranga ilay fanemorana ny fanombohana ny fianarana fa nisy kosa ny famindrana tany Brigham Young University (BYU) ary nanaraka izany ny faniriana ny hampianatra amin’ny oniversite. Zara raha misy asa any amin’ny oniversite any Frantsa ho an’olona izay nianatra tany ivelany, koa tonga dia lasa tany amin’ny firenena maro samihafa sy tamin’ny fotoan’ny Tompo ny fanorenana ankohonana sy ny fananana anton’asa hafa.

“Ny hoe zavatra vitsy monja no nitranga araka ny drafitray dia nanome anay roa fahafahana hahatakatra fa raha avelanay manao izay ataony sy mitondra anay na aiza na aiza ny Tompo, dia any no tiany hisy anay ary any no azonay hanompoana,” hoy ny Loholona Giraud-Carrier. “Nanampy anay hianatra ny hatoky Azy izany sy hatoky fa afaka ny hanao ny fiainanay ho tsara lavitra mihoatra izay vitanay Izy.”

I Christophe Gérard Giraud-Carrier dia naterak’i Gérard Giraud-Carrier sy i Annie Giraud-Carrier tamin’ny 21 janoary 1966 tany Lyon, France. Taorian’ny asa fitoriana ny filazantsara tamin’ny fotoana feno nataony tany amin’ny Misiônan’i Montréal Canada, dia nanambady an’i Isabelle Sophie Mauclair izy tamin’ny 1988 tany Cholet, France. Nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Berne Suisse izy ireo telo andro taorian’izay. Manan-janaka valo izy ireo.

Taorian’ny nahazoany ny mari-pahaizana licence sy maîtrise ary doctorat en science informatique avy amin’ny BYU ny Loholona Giraud-Carrier dia niasa ho mpampianatra ambony tao amin’ny University of Bristol tany Angleterre sy mpitantana ambony tao amin’ny ELCA Informatique tany Suisse talohan’ny naha-prôfesora mpampianatra science informatique azy tao BYU nandritra ny 19 taona.

Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony, dia filohan’ny tsatòka faha-16 an’ny Tanora tokan-tena an’i Provo Utah izy. Anisan’ireo antsony taloha tato am-piangonana ireto: filohan’ny Misiônan’i Lyon France, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo ary eveka.

Hamoaka printy