2023
Filoha Emily Belle Freeman
Mey 2023


“Filoha Emily Belle Freeman,” Liahona, mey 2023.

Filoha Emily Belle Freeman

Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany

Mety efa maro ny olona mahafantatra an’i Emiy Belle Freeman amin’ny maha-mpandahateny, mpanoratra sy podcasteur ary mpampianatra azy. Saingy ho an’ireo izay tsy mahafantatra azy, ary na dia ho an’ireo izay mahafantatra azy aza, ny Filoha Freeman dia manantena fa ny zavatra voalohany fantatr’izy ireo momba azy dia ny hoe, manana finoana lalina sy maharitra an’i Jesoa Kristy izy.

“Amin’ny alalan’ireo zavatra iainako manokana miaraka Aminy no nahafantarako ny Ray any An-danitra sy nananako traikefa amin’ny fandraisana fanambarana,” hoy ny Filoha Freeman. “Singa nanan-danja teo amin’ny fiainako izany hatrizay, dia ilay fananana Azy ho namana mandritra ny androm-piainana izany.”

Rehefa nanomboka ny asany amin’ny maha-mpanoratra sy podcasteur azy izy dia nanontany ny tenany hoe inona no zavatra tiany hifantohana. Dia ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany no valiny.

Teraka tamin’ny 21 desambra 1969 tany Boston, Massachusetts, États-Unis izy nandritra ny fotoana izay nandrantoan’i McKinley McVichie Oswald, rainy, fianarana tany Harvard University. Ny Filoha Freeman hoy i Leslie James Oswald, reniny, dia karazana vehivavy “feno hery sy be fitiavana.”

Ny Filoha Freeman, izay zokiny indrindra amin’izy enina mianadahy, dia lehibe tany Sandy, Utah. Niova ny fiainany nandritra ny taona famaranana tany amin’ny lisea rehefa nantsoina hitarika ny Misiônan’i Ventura, Californie ny ray aman-dreniny. Niara-nandray anjara tamin’ny ray aman-dreniny izy sy ny iray tampo aminy isaky ny misy fihaonamben’ny misiôna sy fihaonamben’ny faritra ary ny fihaonamben’ny tsatòka. Rehefa vita ny fianarany tany amin’ny lisea dia nandao an’i Californie izy mba hianatra any Brigham Young University.

Rehefa niverina tao Bountiful, Utah i Gregory Garth Freeman, izay nanompo tany amin’ny Misiônan’i Ventura, Californie, dia nasain’ireo mpitarika azy tao amin’ny misiôna izy mba hijery ny zanakavavin’izy ireo mandaha-teny nandritra ny iray tamin’ireo kabary fandresen-dahatra nataony tany Utah. Nanomboka nifankahafantatra i Emily sy i Gregory tsy ela taorian’izay ary nivady tamin’ny volana desambra 1989 tao amin’ny Tempolin’i Los Angeles Californie. Manan-janaka dimy izy ireo.

Boky mihoatra ny roa ambin’ny folo no nosoratan’ny Filoha Freeman ary nandaha-teny tamina fivoriambe sy atrikasa ary fivoriana isan-karazany izy. Nampianatra an-taonany maro tao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana izy ary efa mpampianatra Fotopampianaran’ny filazantsara sy efa filohan’ny Zatovovavy sy ny Fikambanana Ifanampiana teo anivon’ny paroasy.

Hamoaka printy