2023
Nitsidika an’i Afrika ny Filoha Johnson sy ny Filoha Cordon
Mey 2023


Nitsidika an’i Afrika ny Filoha Johnson sy ny Filoha Cordon

Nankany Afrika atsinanana sy afovoany ny Filohan’ny Zatovovavy sy ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany mba hihaona amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany sy ireo mpitondra fanjakana ary hitsidika ireo toerana fanaovana asa fanampiana olona. Natombok’i Camille N. Johnson, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, sy i Bonnie H. Cordon, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany, tany Nairobi, Kenya ny fitsidihana nifono fanompoana naharitra sivy andro nataon’izy ireo.

Nandeha tany Kenya, Ouganda sy ny République Démocratique du Congo ary ny République du Congo ny Filoha Cordon. “Niresaka tamin’ireo mpitarika teo anivon’ny fanjakana izay nanam-pikasana ny hanampy fianakaviana izahay ary nahatalanjona anay tokoa ireo mpitarika izay naniry ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy,” hoy ny Filoha Cordon. “Amin’ny maha-mpitarika ara-pivavahana anay dia iray tanjona izahay tamin’ny fanampiana amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviana. Koa dia niavaka izany.”

Nandeha tany amin’ny avaratra atsinanan’i Ouganda niaraka tamin’ny UNICEF (izay nantsoina fahiny hoe Fonds international d’urgence pour l’enfance des Nations unies, izay Fonds des Nations unies pour l’enfance [Tahirin’ny Firenena Mikambana Misahana ny Ankizy] ankehitriny) ny Filoha Johnson ary nihaona tamin’ireo Olomasina tao Lubumbashi, République Démocratique du Congo. “Ity no ezaka izay hanampiana olona ankoatra ireo mpikambana mba handraisana an-tanana ireo zavatra ilaina hanampiana ny ankizy maneran-tany, ary hitanay izany. Tena nahafinaritra izany,” hoy ny Filoha Johnson mikasika ilay dia niarahana tamin’ny UNICEF. “Nanafana ny fo sady nahavaky fo izany, saingy nahatsapa fanantenana aho rehefa niala tany.”

Hamoaka printy