“Tsy mety hisy na inona na inona mahafinaritra sy mamy tokoa toy izay fifaliako izay”
Ny fibebahana isan’andro sy ny fanatonana an’i Jesoa Kristy no lalana mitondra any amin’ny fiainana fifaliana, fifaliana tsy takatry ny saintsika.
Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany, ny Mpamonjy dia nampiseho fangorahana lehibe ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra, indrindra indrindra ho an’ireo izay nijaly na koa lavo. Rehefa nokianin’ireo Fariseo noho ny fifaneraserana sy ny fiarahana nisakafo tamin’ireo mpanota i Jesoa, dia namaly izany tamin’ny alalan’ny fampianarana fanoharana telo mahazatra Izy.1 Tao anatin’ny tsirairay tamin’ireo fanoharana ireo Izy dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fitadiavana ireo izay nania sy ny fifaliana tsapa rehefa miverina izy ireo. Ohatra, ao amin’ilay fanoharana momba ilay ondry very dia nilaza Izy hoe: “Hisy fifaliana [lehibe] toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka.”2
Ny faniriako androany dia ny hanamafy ny fifandraisana misy eo amin’ny fifaliana sy ny fibebahana, indrindra indrindra, ny fifaliana izay tonga rehefa mibebaka isika ary koa ny fahatsapana fifaliana iainantsika rehefa manasa ny hafa hanatona an’i Kristy isika sy hampihatra ny sorona fanavotana nataony eo amin’ny fiainan’izy ireo.
Misy isika mba hahazo hifaliana
Ao amin’ny soratra masina, mazàna ny teny hoe fifaliana dia midika mihoatra lavitra noho ny hoe mandalo fotoana feno fahafaham-po na koa fahatsapana fahasambarana mihitsy aza. Ny fifaliana eto amin’ity sahan-kevitra ity dia toetra araka an’ Andriamanitra, izay hita ao amin’ny fahafenoany rehefa miverina mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra isika.3 Lalina sy mampisondrotra ary maharitra sy manova fiainana kokoa izany noho izay fahafinaretana na zavatra mampiadana mety atolotr’ity izao tontolo izao ity.
Nohariana isika mba hahazo fifaliana. Izany no anjara nokasaina ho antsika amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana antsika. Te hizara ny fifaliany amintsika Izy. Nampianatra i Lehia mpaminany fa ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika tsirairay avy dia “ny hahazoa[ntsika] fifaliana.”4 Noho isika miaina ao anatin’ny tontolo lavo, dia toy ny tsy ho tratrantsika ireny matetika ny fifaliana maharitra na fifaliana mandrakizay. Kanefa ao amin’ny andininy manaraka mihitsy, dia manohy amin’ny fanazavana i Lehia fa “[tonga] ny Mesia … , mba [hanavotra antsika] amin’ny fahalavoana.”5 Ny fanavotana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy no mahatonga ny fifaliana ho afaka ny ho azo.
Ny hafatry ny filazantsara dia hafatry ny fanantenana, ny “teny soa mahafaly dia fifaliana lehibe,”6 ary fomba ahafahan’ny rehetra miaina fiadanana sy fotoam-pifaliana eto amin’ity fiainana ity ary handray ny fahafenoan’ny fifaliana amin’ny fiainana ho avy.7
Ny fifaliana resahintsika dia fanomezana ho an’ny mahatoky, kanefa misy vidiny izany. Ilay fifaliana dia tsy mora vidy na tsy omena amin’ny fomba mora. Fa novidina “tamin’ny alalan’ny ra sarobidin’i [Jesoa] Kristy” izany.8 Raha takatsika marina tokoa ny hasarobidin’ny tena fifaliana araka an’ Andriamanitra, dia tsy hisalasala ny hahafoy ny fananan’izao tontolo izao na hanova izay zavatra ilaina ovaina eo amin’ny fiainana isika mba hahazoana izany.
Nahatakatra izany ny mpanjaka mahery iray nefa manetry tena ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. “Inona no hataoko,” hoy izy nanontany, “mba ho azo aterak’ Andriamanitra aho, rehefa hongotana hiala ao an-tratrako izao faharatsiam-panahy izao ka handraisako ny Fanahiny mba hahatonga ahy ho feno fifaliana … ? Indro, hoy izy, hilaozako izay rehetra ananako, eny, hafoiko ny fanjakako mba hahazoako mandray izany fifaliana lehibe izany.”9
Ho valin’ny fanontanian’ny mpanjaka, dia hoy ny misiônera Aharôna hoe: “Raha maniry izany zavatra izany ianao … dia [miankohofa] eo anoloan’ Andriamanitra … [ary mibebaha] amin’ny fahotanao rehetra.”10 Ny fibebahana no lalana mitondra any amin’ny fifaliana,11 satria izany no lalana mitondra mankany amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy.12
Tonga amin’ny alalan’ny fibebahana amin-kitsimpo ny fifaliana
Ho an’ny sasany, ny fiheverana ny fibebahana ho toy ny lalana mitondra mankany amin’ny fifaliana dia toa mifanohitra. Ny fibebahana, indraindray, dia mety maharary sy sarotra. Mitaky ny fanekena izany fa diso ny sasany amin’ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika, eny fa na dia ny sasany amin’ireo zavatra inoantsika aza. Mitaky fiovana ihany koa ny fibebahana, izay, indraindray, mety tsy mampahazo aina. Saingy ny fifaliana sy ny fahazoan’aina dia zavatra tsy mitovy. Mametra ny fifaliantsika ny ota, tafiditra ao anatin’izany ny ota mifono famalifaliana ny tena.
Nilaza ilay Mpanao Salamo hoe: “Misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.”13 Rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika isika dia tsy maintsy mifantoka amin’ilay fifaliana lehibe tonga aorian’izany. Mety ho toa lava ny alina, saingy tsy maintsy tonga ny maraina, ary, endrey, tena mahatalanjona ny fiadanana sy ny fifaliana tena miavaka izay tsapantsika rehefa nanafaka antsika tamin’ny fahotana sy ny fijaliana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.
Tsy mety hisy na inona na inona mahafinaritra sy mamy tokoa toy [izany]
Diniho ny zavatra niainan’i Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. “Nampijalian’ny fijaliana mandrakizay” izy, ary “norotidrotehana” ny fanahiny noho ny fahotany. Saingy rehefa nitodika tany amin’ny Mpamonjy izy mba hahazoany famindrampo, dia “tsy nety nahatsiaro ny fanaintaina[ny] intsony” izy.”14
“Ary ô, endrey fifaliana,” hoy izy, “ary endrey ny fahazavana mahagaga hitako; eny, … tsy mety hisy na inona na inona mahafinaritra sy mamy tokoa toy izay fifaliako izay.”15
Izany no karazana fifaliana azon’ireo izay manatona an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana.16 Araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
“Ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. …
“Rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. Misafidy ny hivoatra ara-panahy isika ary hahazo fifaliana, ilay fifalian’ny fanavotana ao Aminy. Rehefa misafidy ny hibebaka isika dia misafidy ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa!”17
Mitondra fifaliana ny fibebahana satria manomana ny fontsika handray ny fitaoman’ny Fanahy Masina izany. Ny hoe heniky ny Fanahy Masina dia midika hoe heniky ny fifaliana. Ary ny hoe heniky ny fifaliana dia midika hoe heniky ny Fanahy Masina.18 Mitombo ny fifaliantsika rehefa miasa isan’andro isika mba hitondra ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika. Nampianatra ny mpaminany Môrmôna hoe: “Nifady hanina sy nivavaka matetika izy, ary nihanahery kokoa hatrany hatrany tao amin’ny fietreny sy nihamafy kokoa hatrany hatrany tao amin’ny finoana an’i Kristy, hany ka heniky ny fifaliana sy ny fiononana ny fanahiny.”19 Mampanantena ireo rehetra izay miasa mba hanaraka Azy ny Tompo hoe: “Hanomezako amin’ny Fanahiko ianao, izay hanazava ny sainao, izay hameno fifaliana ny fanahinao.”20
Ny hafaliana amin’ny fanampiana ny hafa hibebaka
Rehefa avy nahatsapa ny fifaliana azo avy amin’ny fibebahana amin-kitsimpo isika, dia mazava ho azy fa te hizara izany fifaliana izany amin’ny hafa. Rehefa manao izany isika dia mitombo izaitsizy ny fifaliantsika. Izany indrindra no nitranga tamin’i Almà.
“Izao no reharehako,” hoy izy, “dia ny hahatonga ahy angamba ho fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra ka hitondra ny fanahy sasany hankamin’ny fibebahana; ary izany no fifaliako.”
“Ary indro, rehefa mahita ny maro amin’ny rahalahiko mivalo marina tokoa aho, sy manatona ny Tompo Andriamaniny, amin’izany ny fanahiko dia heniky ny fifaliana; amin’izany dia tsaroako izay efa nataon’ny Tompo tamiko, … eny, amin’izany dia tsaroako ny sandriny feno famindram-po, izay efa natsotrany tany amiko.”21
Ny fanampiana ny hafa hibebaka dia fanehoana voajanahary ny fankasitrahantsika ny Mpamonjy, ary loharanom-pifaliana lehibe izany. Nampanantena ny Tompo hoe:
“Ary raha toa aza ka miasa amin’ny andronareo rehetra ianareo … ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko!”
“Ary ankehitriny, raha lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ny fanahy iray izay nentinareo ho Ahy … , akory ny ho halehiben’ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!”22
Akory ny halehiben’ny fifaliany amin’ny olona izay mibebaka
Hitako fa manampy ny manandrana maka sary an-tsaina ny fifaliana tsy maintsy tsapan’ny Mpamonjy isaky ny mandray ireo fitahian’ny Sorompanavotany eo amin’ny fiainantsika isika.23 Araka ny voalazan’ny Filoha Nelson,24 ny Apôstôly Paoly ao amin’ny epistiliny ho an’ny Hebreo dia nizara izao fahatakarana feno fitiavana izao: “Aoka isika … hanaisotra … ny ota izay malaky mahazo antsika, … ary [mijery an’i Jesoa], Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy; izay [noho ny] fifaliana napetraka teo anoloany dia niaritra] ny hazo fijaliana … [ary] mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra.”25 Matetika isika no miresaka momba ny fanaintainana sy ny fijaliana tao Getsemane sy teo amin’ny Kalvary, saingy mahalana isika no miresaka momba ilay fifaliana lehibe izay tsy maintsy efa nandrandrain’ny Mpamonjy rehefa nanolotra ny ainy ho antsika Izy. Mazava ho azy fa ho antsika ny fanaintainany sy ny fijaliany mba hahafahantsika miaina ilay fifaliana amin’ny fiverenana miaraka Aminy eo anatrehan’ Andriamanitra.
Rehefa avy nampianatra ny vahoaka tany Amerika fahiny ny Mpamonjy dia naneho ny halehiben’ny fitiavany azy ireo tamin’ny alalan’ny filazana hoe:
“Ankehitriny, indro, lehibe ny fifaliako, hatramin’ny fahafenoana aza, noho ny aminareo … ; eny, ary na dia ny Ray aza dia mifaly, ary ny anjely masina rehetra koa. …
Ao [aminareo] no ananako [ny] fahafenoan’ny fifaliana.”26
Manatòna an’i Kristy ary raiso ny fifaliany
Ry rahalahy sy anabavy, faranako amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananako manokana, izay raisiko ho fanomezana masina. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao. Fantatro fa tia antsika tsirairay Izy. Ilay zavatra tokana ifantohan’ny sainy, ny “asany sy ny voninahiny,”27 dia ny hanampy antsika hahazo ny fahafenoan’ny fifaliana ao Aminy. Vavolombelona manokana aho fa ny fibebahana isan’andro sy ny fanatonana an’i Jesoa Kristy no lalana mitondra any amin’ny fiainana fifaliana, fifaliana tsy takatry ny saintsika.28 Izany no antony maha-eto an-tany antsika. Izany no antony nanomanan’ Andriamanitra ny drafitra lehiben’ny fahasambarana ho antsika. I Jesoa Kristy tokoa no “lalana sy fahamarinana ary fiainana”29 ary ilay hany “anarana nomena ambanin’ny lanitra izay hahazoan’ny olona famonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”30 Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.