Ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana—Asa iray sy mitovy ihany
Zavatra ifantohan’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ny fampiraisana ny fianakaviana eto amin’izao fiainana izao sy mandrakizay.
Feno fankasitrahana tokoa aho ny amin’ny fanorenana tempoly eo an-dalam-pitohizana ato anatin’ity “fitantanan’ny fotoam-pahafenoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18) ity. Hatramin’ny fotoana nanombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny no nanaovan’ny Olomasina mahatoky fahafoizana maro mba handraisana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly. Ho fanarahana ny ohatra lehibe nasehon’izy ireo, tamin’ny 1975, taorian’ny fahafoizana ara-bola maro mba hanaovana ny dia avy ao an-tanan-dehiben’i Meksika, ny tenako sy i Evelia vadiko, niaraka tamin’ireo ray aman-dreny malalanay, dia nofehezina ho mpivady mandrakizay tao amin’ny tempolin’i Mesa Arizona. Tamin’io andro io, raha nampiraisina tamin’ny fahefan’ny fisoronana tao amin’ny tranon’ny Tompo izahay, dia tena niaina sombin-danitra tokoa.
Ny asa sy tanjon’ireo tempoly
Izany zavatra niainana izany dia nahatonga ahy hankasitraka bebe kokoa ny namitan’ireo Olomasina tao Kirtland Ohio nony farany, taorian’ny telo taona niasana mafy sy namoizana zavatra maro, ilay tempolin’izy ireo tsara tarehy tamin’ny lohataonan’ny 1836—dia ny voalohany tamin’ity fotoampitantanana ity izany. Tamin’ny martsa tamin’io taona io ihany, olona an’arivony mahery no tafavory tao amin’ny tempoly sy teo amin’ny fidirana tao amin’ny tempoly nanatrika ny fotoam-pivavahana fanokanana. Nijoro ny Mpaminany Joseph Smith hanolotra ny vavaka fanokanana, izay noraisiny tamin’ny alalan’ny fanambarana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109). Namariparitra tao anatin’izany ireo fitahiana mahatalanjona maro izay atolotra ho an’ireo izay miditra am-pahamendrehana ao amin’ny tempolin’ny Tompo izy. Avy eo dia nihira ny fihirana “Fanahin’ny Ray” ny amboaram-peo dia nitsangana ny daholobe ka niara-niredona ny Fihobiana Hosana “tamin’ny tanjaka mafy tokoa hany ka ohatra an’ny hoe … nanainga ny tafon’ilay trano mihitsy” (Enseignements des présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 307).
Herinandro taty aoriana dia nanoritsoritra ny fisehoan’ny Tompo tao amin’ny tempoly ny Mpaminany, izay nilaza hoe:
“Fa indro efa nekeko ity trano ity ary ho eto ny anarako; ary Izaho haneho ny tenako amin’ny vahoakako amin’ny famindram-po, ao amin’ity trano ity. …
“Ary hiely any an-tany hafa ny lazan’ity trano ity; ary izany no fiandohan’ny fitahiana izay harotsaka eo ambonin’ny lohan’ny vahoakako. Izany tokoa. Amena” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:7, 10).
Taorian’izany sy taorian’ny fahitana hafa dia niseho teo anoloan’ny Mpaminany Joseph Smith sy Oliver Cowdery i Elia mpaminany izay nalaina ho any an-danitra ka tsy nanandrana fahafatesana, ka nanao hoe:
“Indro, efa migadona tanteraka ny fotoana izay efa notenenin’ny vavan’i Malakia—sady nijoroany ho vavolombelona fa izy [i Elia] [ilay mpaminany] dia hirahina mialoha ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra—
“Mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny ray, fandrao hasiana amin’ny ozona ny tany—
“Koa atolotro ho eo an-tananareo ny fanalahidin’ity fotoampitantanana ity; ary izany no ahafantaranareo fa ny andron’ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra, dia efa akaiky, mby eo am-baravarana aza” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:14–16).
Ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana
Taorian’ny namerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny famehezana tamin’i Joseph Smith dia nanomboka ny asa famonjena eo amin’ny lafy roan’ny voaly amin’ity fotoampitantanana misy antsika ity (jereo ny 1 Korintiana 15:22, 29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:8–18).
Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer fa “izany zava-nitranga miavaka izany dia tsy tsikaritr’izao tontolo izao, kanefa dia hanova ny fomba hiafaran’ny olona rehetra izay efa niaina teto an-tany hatrizay na izay rehetra mbola hiaina rahatrizay. Nanomboka nitranga tamim-pahanginana ny fandehan-javatra. Lasa fiangonana mpanorina tempoly ny Fiangonana.
“Nanomboka nipoitra tetsy sy teroa teto amin’izao tontolo izao, tamin’ny fomba izay heverin’ny olona fa nandeha ho azy, ireo olona sy fikambanana na vondron’olona liana amin’ny fikarohana tetiarana. Izany rehetra izany dia nitranga nanomboka tamin’ny nisehoan’i Elia tao amin’ny tempolin’i Kirtland” (The Holy Temple [1980], 141).
“Nanomboka tamin’io andro io mihitsy, ny 3 aprily 1836, no nanomboka nitodika tamin’ireo ray ny fon’ireo zanaka. Nanomboka tamin’io andro io dia tsy voafetra intsony ny faharetan’ireo ôrdônansy fa maharitra mandrakizay. Efa eto amintsika ny fahefana famehezana. Tsy misy hery na fahefana hafa mihoatra izany raha ny lanjany. Io fahefana io no mahatonga ireo ôrdônansy rehetra tanterahana amin’ny fahefana araka ny tokony ho izy, na ho an’ny velona na ho an’ny maty, hanan-kery sy haharitra mandrakizay” (Miomana ny hiditra ny tempoly masina [2002], 28).
Ry rahalahy sy anabavy malala, ny fananganana sy fampiasana araka ny tokony ho izy ny tempoly dia famantarana efa hatry ny fotoampitantanana rehetra ny maha Fiangonana marin’i Jesoa Kristy. Taorian’ny fanokanana ny tempolin’i Salt Lake tamin’ny 1893, dia namporisika ny mpikamban’ny Fiangonana ny Filoha Wilford Woodruff mba hikaroka ny firaketana momba ny razamben’izy ireo ary hirakitra ny tetiaran’izy ireo ka handeha lavitra araka izay azo atao mba hahafahana mitondra ireo anarana any amin’ny tempoly ary hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny Enseignements des présidents de l’Église: Wilford Woodruff [2004], 174).
Ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly—Asa iray
Herintaona taty aoriana (1894), ny Filoha Woodruff ihany dia nanara-maso ny fananganana ny Genealogical Society of Utah (Fikambanan’ireo mpanao tetiarana ao Utah). Zato taona taty aoriana tamin’ny 1994, ny Loholona Russell M. Nelson, izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, dia nilaza fa “ny zava-nitranga tamin’izany taona manan-tantara izany dia nametraka ny fikarohana ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ho asa iray ato amin’ny Fiangonana” (“The Spirit of Elijah,” Ensign, Nov. 1994, 85).
Ny asa atao amin’ny tantaram-pianakaviana
Ry rahalahy sy anabavy, mamporisika antsika ny Tompo amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonany antsika, mba hitahiry ny tantaram-pianakaviantsika manokana, hianatra avy amin’ireo razambetsika, ary hanao izay fandaminana ilaina rehetra ho azy ireo mba handraisan’izy ireo ny ôrdônansin’ny filazantsara any amin’ireo tempoly mba hanampiana azy ireo handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ka hahazoan’izy ireo fianakaviana mandrakizay. Izany no zavatra fototra ifantohan’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra: dia ny fampiraisana fianakaviana eto amin’izao fiainana izao sy mandrakizay.
Ho anareo izay mahatsapa hoe tsy manana ny fahaizana hanaovana ity asa ity, dia fantaro fa tsy irery ianareo. Afaka mitodika any amin’ireo fitaovana izay nomanin’ny Fiangonana sy misy any amin’ireo ivontoeran’ny FamilySearch isika rehetra, izay fantatsika teo aloha amin’ny hoe ivontoeran’ny tantaram-pianakaviana. Ireo ivontoeran’ny FamilySearch ireo dia novolavolaina mba hahafahan’ny olona, saika ny rehetra, miaraka amin’ny fanampiana kely, mikaroka ny mombamomba ny razambeny ary mandamina izany araka ny tokony ho izy mba hahafahan’izy ireo mitondra izany any amin’ny tranon’ny Tompo. Mba mifandraisa amin’ireo manam-pahaizana momba ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy na sampana misy anareo izay hitari-dalana anareo eo amin’ny dingana rehetra.
Rehefa manaraka ny fitarihan’ireo mpaminany isika ary mianatra ny fomba fanaovana ny tantaram-pianakaviantsika sy manatanteraka ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo razambetsika, dia hiaina fifaliana lehibe isika ka ho tonga amin’ny hoe tsy te hijanona intsony amin’ny fanaovana izany. Hanenika ny fontsika ny Fanahy, hamelombelona ny fahaizantsika hanao izany, ary hitarika antsika eo am-pikarohantsika ny anaran’ireo razambetsika. Saingy aoka isika hahatsiaro fa ny tantaram-pianakaviana dia mihoatra noho ny hoe mitady anarana sy daty ary toerana. Fampiraisana fianakaviana sy fahatsapana ny fifaliana izay tonga avy amin’ny fanolorana ho azy ireo ny ôrdônansin’ny filazantsara izany.
Tiako ny fampianarana entanim-panahy nomen’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson, izay nilaza hoe: “Ny tempoly no ivon’ny fanamafisana orina ny finoana sy ny tanjaka ara-panahy satria ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany no ampahany manan-danja indrindra amin’ny tempoly. Ny zavatra rehetra ianarana any amin’ny tempoly, amin’ny alalan’ny zavatra rehetra ampianarina any sy amin’ny alalan’ny Fanahy, dia mampitombo ny fahatakarantsika momba an’i Jesoa Kristy. Ireo ôrdônansy ilaina omeny dia mampifamatotra antsika Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny fisoronana. Avy eo, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia hotafiany amin’ny heriny manasitrana sy mampatanjaka.” (“ tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 93–94).
Dia tena marina tokoa fa ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana dia asa iray sy mitovy ato amin’ny Fiangonana.
Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ireo fahamarinana ireo aho. Fantatro fa ity no Fiangonan’ny Tompo Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, izay tsaroantsika sy hajaintsika amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao. Fantatro fa tia antsika Izy, ary rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika sy mametraka ny fahatokiantsika ao Aminy isika, dia hotafiany amin’ny heriny manasitrana sy mampatanjaka isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.