Hosana ho an’ Andriamanitra Avo Indrindra
Ny fidiran’i Jesoa Kristy tamim-pandresena tao Jerosalema sy ireo zava-nitranga tamin’ny herinandro nanaraka izany dia maneho fotopampianarana azontsika ampiharina eo amin’ny fiainantsika ankehitriny.
Anio, araka ny efa voalaza, dia miara-miombona amin’ny Kristianina maneran-tany isika hanome voninahitra an’i Jesoa Kristy amin’izao Alahadin’ny Sampan-kazo izao. Efa ho 2000 taona lasa izay no nanamarika ny fiandohan’ny herinandro farany tamin’ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany ny Alahadin’ny Sampan-kazo. Io no herinandro lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona.
Izay niantomboka tamin’ny fiantsoantsoana an’i Jesoa ho ilay Mesia nampanantenaina tamin’ny fidirany tamim-pandresena tao Jerosalema dia nifarana tamin’ny Fanomboana Azy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.1 Tamin’ny alalan’ny fikasan’ Andriamanitra dia namarana ny asa fanompoany teto an-tany ny sorompanavotany, ka mahatonga antsika ho afaka ny hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra mandrakizay.
Milaza amintsika ny soratra masina fa ilay herinandro dia niantomboka tamin’ny vahoaka nijoro teo am-bavahadin’ny tanàna mba hijery an’i “Jesosy mpaminany avy any Nazareta any Galilia”2 “Naka sampan-drofia izy ireo, dia nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ny Isiraely, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah.”3
Io fitantarana ara-Baiboly taloha ela be io dia mampahatsiahy ahy ny nandehanako namita iraka avy amin’ny Fiangonana tany Takoradi, Ghana. Mahavariana fa tany aho tamin’ny Alahadin’ny Sampan-kazo.
Hizara ny tsatòkan’i Takoradi Ghana mba hananganana ny tsatòkan’i Mpintsin Ghana no anton-diako. Ankehitriny dia misy mpikamban’ny Fiangonana maherin’ny 100.000 ao Ghana.4 (Faly isika mandray ny Ga Mantse, Ny Mpanjaka Nii Tackie Teiko Tsuru II avy ao Accra Ghana, izay miaraka amintsika eto androany.) Rehefa nihaona tamin’ireo Olomasina ireo aho dia nahatsapa ny fitiavan’izy ireo lalina sy ny fanoloran-tenany ho an’ny Tompo. Naneho ny fitiavana lehibe tsapako ho azy ireo aho, ary nilaza koa hoe tia azy ireo ny Filohan’ny Fiangonana. Noresahako ny tenin’ny Mpamonjy izay noraketin’i Jaona manao hoe: “Mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.”5 Noraisin’izy ireo hoe ilay “Fihaonambe tiako ianao”6 izany.
Rehefa nijery ambony ambany ny laharan’ireo rahalahy sy anabavy malala ireo sy ny fianakaviany tao amin’ilay trano fiangonana aho dia hitako teo amin’ny endrik’izy ireo ny famirapiratan’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny finoana an’i Jesoa Kristy. Tsapako ny fanirian’izy ireo ho isan’ny Fiangonany mipaka lavitra. Ary rehefa nihira ny amboarampeo dia nihira toy ny anjely izy ireo.
Toy ny tamin’ny alahadin’ny Sampan-kazo fahiny, ireo olona ireo dia mpianatr’i Jesoa Kristy nivory mba hanome voninahitra Azy tahaka ny nataon’ireo izay teo am-bavahadin’i Jerosalema izay nihazona sampan-drofia teny an-tanany, ka niantsoantso hoe: “Hosana … : Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah.”7
Na ireo mpiangona tao amin’ny fiangonana teo akaiky teo aza dia nanome voninahitra ny alahadin’ny Sampan-kazo. Raha niresaka teo amin’ny polipitra aho, dia nahatsikaritra azy ireo avy teo am-baravarankely nandeha tamim-pifaliana teny amin’ny arabe nanofahofa sampan-drofia teny an-tanany, mitovy amin’ireo hita amin’ity sary ity. Fahitana tsy hohadinoiko mihitsy izany, izahay rehetra tamin’izay andro izay nitsaoka ilay Mpanjakan’ny mpanjaka.
Ny Filoha Russell M. Nelson dia nananatra antsika mba hanao ny Alahadin’ny Sampan-kazo ho “tena masina amin’ny alalan’ny fahatsiarovana, tsy ireo sampan-drofia izay nahofahofa ho fanomezam-boninahitra ny fidiran’i Jesoa tao Jerosalema ihany, fa amin’ny fahatsiarovana ny felatanany.” Avy eo ny Filoha Nelson dia niresaka momba an’i Isaia, izay “niresaka momba ny fampanantenan’ny Mpamonjy hoe: “Tsy hanadino anao na oviana na oviana Aho,” tamin’ireto teny ireto: “Indro, efa voasokitra teo am-pelatanako ianao.”8
Fantatry ny Tompo hatrany am-boalohany fa sarotra ny fiainana an-tany. Ny ratrany dia mampahatsiahy antsika fa Izy dia “nidina tamban’[ny] … rehetra”9 mba hahafahany manampy antsika rehefa mijaly isika ary ho ohatra ho antsika mba “[hihazona] ny lalanao,”10 ny lalany, fa “homba [antsika] mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.”11
Tsy zava-niseho fotsiny, na pejy iray hafa teo amin’ny tantara misy daty sy ora ary toerana ny Alahadin’ny Sampan-kazo. Ny fidiran’i Jesoa Kristy tamim-pandresena tao Jerosalema sy ireo zava-nitranga tamin’ny herinandro nanaraka dia maneho fotopampianarana azontsika ampiharina eo amin’ny fiainantsika ankehitriny.
Andeha hojerentsika ny sasany amin’ireo fotopampianarana mandrakizay izay nanorina ny fanompoana nataony izay nifarana tao Jerosalema.
Voalohany, faminaniana. Ohatra, i Zakaria mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha dia naminany ny amin’ny fidiran’i Jesoa Kristy amim-pandresena ao Jerosalema, ary nilaza mihitsy aza fa hitaingina ampondra Izy.12 Nambaran’i Jesoa mialoha ny Fitsanganany tamin’ny maty raha niomana hiditra tao an-tanàna Izy ka nanao hoe:
“Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy,
“Ka hatolony amin’ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin’ny hazo fijaliana; ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.”13
Faharoa, ny fananana ny Fanahy Masina ho namana. Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Tsy misy mahalala hoe Jesoa no Tompo raha tsy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina”14 Nampanantena ny mpianany15 ny Mpamonjy nandritra ny Fanasana farany16 tao amin’ny efitrano ambony,17 nanao hoe “Tsy hamela anareo ho kamboty Aho.”18 Tsy ho irery izy ireo hitondra ny fahamarinan’ny filazantsara handroso fa hanana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina hitarika azy ireo. “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo.”19 Manana izany fahatokiana izany koa isika miaraka amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina; mba “hahazoantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka [antsika]”20ary “amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina no hahafantarantsika ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”21
Fahatelo, ny maha-mpianatra. Ny tena maha-mpianatra dia fanoloran-tena tsy tapaka, fankatoavana ny lalàna mandrakizay ary fitiavana an’ Andriamanitra, voalohany sy manan-danja indrindra. Tsy misy fisalasalana. Ny vahoaka izay nanome voninahitra tamin’ny sampan-drofia dia niantsoantso Azy ho ilay Mesia. Izany indrindra Izy. Voasarika hanatona Azy sy ny fahagagana nataony ary ny fampianarany izy ireo. Saingy tsy naharitra ny fiderana ho an’ny maro. Ny sasany izay niantsoantso teo aloha hoe “Hosana”22 dia tsy ela akory dia nihiaka hoe: “Homboy Izy.”23
Fahefatra, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.24 Tamin’ireo andro farany niainany, taorian’ny Alahadin’ny Sampan-kazo, dia nanatanteraka ny Sorompanavotany miavaka Izy, nanomboka tamin’ny fijaliana tao Getsemane ka hatramin’ny fanesoana tamin’ny fitsarana Azy, ny fampijaliana Azy teo amin’ny hazofijaliana, ary ny fandevenana Azy tao amin’ny fasana nindramina. Tsy nijanona teo anefa izany. Tamin’ny halehiben’ny antsony ho Mpanavotra ny zanaky ny Rainy any An-danitra rehetra, dia nivoaka avy tao amin’io fasana io Izy telo andro taorian’izay, ary nitsangana tamin’ny maty25 araka ny efa naminaniany.
Moa ve isika mankasitraka lalandava noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy tsy manam-paharoa? Tsapantsika ve ny heriny manadio, amin’izao ankehitriny izao? Izany no nahatonga an’i Jesoa Kristy Tompo, ilay Mpamorona sy Mpamita ny famonjena antsika, nankany Jerosalema, mba hamonjy antsika rehetra. Mikasika ny fontsika ve ireto teny ao amin’ny Almà ireto: “Ary ankehitriny, indro lazaiko aminareo ry rahalahiko, fa raha efa nandalo fiovam-po ianareo ary raha efa nahatsiaro ny hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra ianareo, dia hanontany aho, tsapanareo ve izany ankehitriny?”26 Tena azoko lazaina fa ny amboarampeo tao Takoradi dia nihira “ny hiran’ny fitiavana manavotra” tamin’io Alahadin’ny Sampan-kazo io.
Tamin’io herinandro farany tamin’ny asa fanompoany teto an-tany io dia nanome ny fanoharana momba ny virijiny folo i Jesoa Kristy.27 Nampianatra momba ny fiverenany amin’ireo izay niomana handray Azy Izy, tsy tamin’ny sampan-drofia teny an-tanany fa tamin’ny fahazavan’ny filazantsara tao anatin’izy ireo. Nampiasainy ny sarin’ny jiro narehitra sy nirehitra, niaraka tamin’ny solika fanampiny mba handrehitra ny lelafo, ho fanoritsoritana ny fahavononana hiaina ny lalany sy hanaiky ny fahamarinany ary hizara ny fahazavany.
Efa fantatrareo ilay tantara. Ireo virijiny folo dia maneho ny mpikamban’ny Fiangonana, ary ny mpampakatra dia maneho an’i Jesoa Kristy.
Ireo virijiny folo dia nitondra ny fanalany ary “nivoaka hitsena ny mpampakatra.”28 Ny dimy dia hendry, niomana niaraka tamin’ny solika tao amin’ny fanalany sy fanampiny ho fiambenana, ary ny dimy adala, jiro maizina tsy misy solika notehirizina. Rehefa tonga ny antso hoe: “Indro, avy ny mpampakatra; mivoaha hitsena Azy,”29 ireo dimy izay “hendry sy [efa] nandray ny fahamarinana ary nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana azy,”30 dia vonona ho amin’ny “mpanjakany sy ny mpanome lalàna azy”31 mba “ho amin’izy ireo ny voninahiny.”32 Nikoropaka nitady solika ny dimy ambiny. Saingy tara loatra izany. Nandroso tsy nisy azy ireo ny filaharana. Rehefa nandondòna sy nitalaho mba hiditra izy ireo dia namaly ny Tompo hoe: “Tsy fantatro ianareo.”33
Hanao ahoana ny fihetseham-pontsika raha miteny amintsika Izy hoe: “Tsy fantatro ianareo!”
Isika, tahaka ireo virijiny folo, dia manana jiro; fa manana solika ve isika? Manahy aho fa misy ny sasany izay mionona fotsiny amin’ny solika manify, be atao loatra amin’ny faneren’izao tontolo izao ka tsy miomana araka ny tokony ho izy. Ny solika dia avy amin’ny finoana sy ny fanatanterahana ny faminaniana sy ny tenin’ireo mpaminany velona, indrindra ny Filoha Nelson, sy ireo mpanolotsainy ary ireo Apôstôly Roambinifolo. Mameno ny fanahintsika ny solika rehefa mandre sy mahatsapa ny Fanahy Masina isika ary miasa araka izany fitarihana masina izany. Mirotsaka ao am-pontsika ny solika rehefa mampiseho fa tia ny Tompo isika ary tia izay tiany. Ny solika dia avy amin’ny fibebahana sy ny fikatsahana ny fanasitranan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Raha mikasa ny hameno ilay antsoin’ny sasany hoe “lisitra amin’ny endrika siny mitanisa ny zavatra tsy maintsy mba hatao eo amin’ny fiainana” ny sasany aminareo, dia izao hatao: fenoy amin’ny solika miendrika rano velon’i Jesoa Kristy ny sininareo,34 izay maneho ny fiainany sy ny fampianarany. Raha ampitahaina, tsy hahatonga ny fanahinao hahatsiaro ho feno na ho afa-po na oviana na oviana ny fitsidihana toerana lavitra na ny fijerena hetsika mahatalanjona. Fa ny fiainana ny fotopampianarana nampianarin’i Jesoa Kristy kosa no hahatonga izany. Nilaza ohatra aho teo aloha teo hoe: manaiky ny faminaniana sy ny fampianarana ara-paminaniana, manao asa araka ny bitsiky ny Fanahy Masina, lasa mpianatra marina, ary mikatsaka ny hery manasitran’ny Sorompanavotan’ny Tompontsika. Izany lisitra amin’ny endrika siny izany dia hitondra anao any amin’ny toerana tianao haleha—hiverina any amin’ny Rainao any An-danitra.
Tena nahafinaritra ahy ilay Alahadin’ny Sampan-kazo tany Takoradi, satria nizara izany tamin’ny vondrona rahalahy sy anabavy mpiara-mivavaka nahatoky aho. Toy izany koa any amin’ireo kaontinanta sy nosy eran’izao tontolo izao. Ny foko sy ny fanahiko, tahaka ny anareo, dia maniry mafy ny hiantso hoe: “Hosana ho an’ Andriamanitra Avo Indrindra.”35
Na dia tsy mijoro eo am-bavahadin’i Jerosalema miaraka amin’ny sampan-drofia eny an-tanantsika aza isika anio, dia ho avy ny fotoana izay, araka ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy, fa “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny [hitsangana eo] anoloan’ny seza fiandrianana sy [eo] anatrehan’ny Zanak’ondry, [miakanjo] akanjo fotsy lava sady [mitana] sampan-drofia eny an-tànany.”36
Apetrako aminareo ny tsodranoko amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy ahy mba hiezahanareo amim-pahazotoana hiaina amim-pahamarinana sy mba ho anisan’ireo izay, hanambara miaraka amin’ny sampan-drofia eo an-tanany, ny Zanak’ Andriamanitra, ilay Mpanavotra lehibe antsika rehetra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.