2023
Rahalahy Bradley R. Wilcox
Mey 2023


“Rahalahy Bradley R. Wilcox,” Liahona, mey 2023.

Rahalahy Bradley R. Wilcox

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany

Taona maro talohan’ny naha-mpanolotsaina azy ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany, ny Rahalahy Bradley R. Wilcox sy i Debi vadiny dia nandefa ny zanakalahin’izy ireo izay tsy nazoto hamonjy ny Especially for Youth (EFY) [fandaharan’asa ho an’ny zatovo] tao amin’ny Brigham Young University.

Nanahy izy ireo hoe “tsy nanana fiainam-panahy” izy. Niova ilay zatovolahy rehefa nody. Lasa nifantoka sy andairan’ny zavatra ara-panahy kokoa izy. Ankehitriny, taona maro taty aoriana, dia manompo ao amin’ny episkôpà iray izy ary manoro hevitra ireo zatovo ao amin’ny paroasy misy azy.

Izany no tsikaritry ny Rahalahy Wilcox ombieny ombieny tamin’ny fahavaratra lasa teo raha nandray anjara tamin’ireo fivoriambe Ho Zatovo Mahery! (HZM) ny zatovo maneran-tany. Ombieny ombieny, ireo “izay nisalasala raha te handeha na tsia” dia lasa niova sy tsaratsara koa rehefa nody.

Ny Rahalahy Wilcox, izay Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany hatramin’ny 2020 ary notohanana ho Mpanolotsaina Voalohany nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023, dia nilaza fa fotoana nampientanentana foana hatrizay ny manompo zatovo Olomasin’ny Andro Farany. Miara-miasa tsy tapaka ny Fiadidian’ny Zatovolahy sy ny an’ny Zatovovavy maneran-tany ary “ireo fivoriambe HZM sy ny torolalana ary ny gazetiboky dia manampy ny zatovo tsy misy ohatra izany.”

I Bradley Ray Wilcox izay 63 taona dia naterak’i Ray T. Wilcox sy i Val. C. Wilcox tamin’ny 25 desambra 1959, tao Provo, Utah, États-Unis. Lehibe tao Provo izy fa niaina nandritra ny taona vitsivitsy tany Éthiopie nandritra ny fahazazany.

Rehefa avy nanompo tamin’ny fotoana feno tany amin’ny misiônan’i Viña del Mar, Chili ny Rahalahy Wilcox dia nanambady an’i Deborah Gunnell tao amin’ny Tempolin’i Provo Utah tamin’ny ôktôbra 1982. Manan-janaka efatra izy ireo ary mipetraka any Provo, Utah.

Ny Rahalahy Wilcox dia nahazo mari-pahaizana licence sy maîtrise avy ao amin’ny Brigham Young University (BYU) ary doctorat en éducation avy tao amin’ny University of Wyoming. Prôfesora ao amin’ny Departemanta misahana ny Soratra Masina Fahiny ao BYU izy. Hatramin’ny 1985, izy dia nanokana ny fotoam-pahavaratra rehetra tamin’ny fandaharan’asa EFY tao BYU;

Ny Rahalahy Wilcox dia efa eveka sy nanompo tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, efa filohan’ny Misiônan’i Santiago Atsinanana Chili ary efa tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Sekoly Alahady maneran-tany.

Hamoaka printy