Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony
Ry rahalahy sy anabavy, tombontsoa lehibe ho ahy izao ny hanolotra ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana mba hotohananareo.
Miangavy anareo izahay mba haneho ny fanohananareo amin’ny fomba mahazatra na aiza na aiza mety misy anareo. Raha misy aminareo manohitra na iza na iza amin’ireo hatolotra eto, dia mangataka anareo izahay mba hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkanareo.
Aroso amintsika ny hanohanana an’i Russell Marion Nelson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; i Dallin Harris Oaks amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary i Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.
Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.
Izay manohitra, raha misy, aoka haneho izany.
Aroso amintsika ny hanohanana an’i Dallin H. Oaks ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary i Jeffrey R. Holland ho Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.
Ireo izay manohana aoka haneho izany.
Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.
Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: Jeffrey R. Holland, Dieter F. Uchtdorf, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, Dale G. Renlund, Gerrit W. Gong, Ulisses Soares, ary Patrick Kearon.
Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.
Izay manohitra dia aoka haneho izany.
Aroso amintsika ny hanohanana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.
Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.
Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany koa.
Marihinay fa Fitopololahin’ny Vondromparitra vaovao miisa enina no notohanana nandritra ny fivoriana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ho an’ny mpitarika tamin’ny alakamisy 3 ôktôbra ary avy eo dia nambara tao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana. Manasa anareo izahay hanohana ireo rahalahy ireo amin’ny andraikitra vaovao nanendrena azy ireo.
Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.
Izay manohitra dia hanao toy izany koa.
Aroso amintsika ny hanohanana ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony hafa araka izay misy ankehitriny.
Ireo izay manohana dia afaka maneho izany amin’ny alalan’ny fananganana ny tanana.
Izay manohitra, raha misy.
Misaotra anareo ry rahalahy sy anabavy noho ny finoana sy ny vavaka tsy tapaka ataonareo ho an’ireo mpitarika eo anivon’ny Fiangonana.
Fanovana eo amin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra
Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia notohanana nandritra ny fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika izay notanterahina niaraka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany:
Miguel A. Avila, Jean Pierre A. L. Haboko, Ramiro Ibarra Sanchez, George Katembo Njogu Munene, A. Enrique Texeira, Francisco Villanueva Rojas.