Liahona
Raiso tanteraka ilay fanomezana avy amin’ny Tompo, dia ny fibebahana
Nôvambra 2024


11:35

Raiso tanteraka ilay fanomezana avy amin’ny Tompo, dia ny fibebahana

Aoka isika tsy hiandry fahasarotana vao hitodika amin’ Andriamanitra. Aoka isika tsy hiandry ny fiafaran’ny fiainantsika an-tany vao hibebaka marina.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ilay Ray any An-danitra be fitiavana aho. Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny aprily 2019, fotoana fohy taorian’ny nanohanana ahy amin’ny andraikitro vaovao amin’ny maha Fitopololahy Manampahefana Ambony ahy, dia nihira ny “Endrey mahagaga ahy” izay nanindrona ny foko sy ny fanahiko ny amboarampeo.

Mahagaga, nandao ny lapan’Izy ho ahy,

Mba hamonjena ireo toa ahy ratsy fanahy,

Natolony ho ahy ‘lay fitiavan-dehibe,

Ampy hanamarin’ahy ny fanavotany.

Rehefa nandre ireo teny ireo aho dia tena talanjona. Nahatsapa aho fa na dia teo aza ny tsy fahaizako sy ny tsy fahatanterahako dia nitahy ahy ny Tompo mba hahafantatra fa “amin’ny heriny no ahafahako manao ny zava-drehetra.”

Ny fahatsapana mahazatra momba ny tsy fahaiza-manao, ny fahalemena, na ny tsy fahamendrehana mihitsy aza dia zavatra iray izay atrehan’ny maro amintsika indraindray. Mbola manana olana amin’izany aho; nahatsapa an’izany aho tamin’ny andro niantsoana ahy. Efa nahatsapa izany imbetsaka aho ary mbola mahatsapa izany amin’izao fotoana izao eto am-piresahana aminareo. Na izany aza anefa dia nianatra aho fa tsy izaho irery no manana ireo fahatsapana ireo. Raha ny marina dia misy tantara maro ao amin’ny soratra masina momba ireo izay toa nanana fahatsapana mitovy amin’izany. Ohatra, tsaroantsika amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo mahatoky sy be herimpo azy i Nefia. Indraindray, na dia izy aza, dia nanana olana tamin’ny fahatsapana ho tsy mendrika sy fahalemena ary tsy fahaizana.

Hoy izy: “Na dia eo aza ny halehiben’ny hatsaram-pon’ny Tompo tamin’ny nanehoany tamiko ny asany lehibe sy mahatalanjona, dia niantsoantso ny foko hoe: Indrisy olona fadiranovana aho! Eny, malahelo ny foko noho ny nofoko; ory ny fanahiko noho ny heloko.”

Nilaza ny Mpaminany Joseph Smith fa nahatsiaro tena “ho meloka [matetika],” tamin’ny fahatanorany, “noho ny fahaleme[ny] sy ny tsy fahatanteraha[ny].” Saingy ny fahatsapan’i Joseph ny tsy fahaizany ary ny fanahiany dia anisan’ny nitarika azy hisaintsaina, handalina, hianatra ary hivavaka. Mety ho tsaroanareo angamba fa nandeha nivavaka tao anatin’ny ala kely iray akaikin’ny tranony izy mba hitady fahamarinana sy fiadanam-po ary famelan-keloka. Naheno ny Tompo niteny izy nanao hoe, “Ry Joseph zanako, voavela ny helokao. Mandehana, araho ny lalàko, ary tandremo ny didiko. Indro, izaho no Tompon’ny Voninahitra. Nohomboina teo amin’ny hazofijaliana ho an’izao tontolo izao aho mba hahazoan’izay rehetra mino ny anarako ny fiainana mandrakizay.”

Ny fanirian’i Joseph tamin-kitsimpo hibebaka sy hikatsaka ny famonjena ny fanahiny dia nanampy azy hanatona an’i Jesoa Kristy sy handray ny famelana ny fahotany. Nanokatra ny varavarana ho an’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany izany ezaka tsy tapaka izany.

Io traikefa mahatalanjona niainan’ny Mpaminany Joseph Smith io dia maneho ny fomba ahafahan’ny fahatsapana fahalemena sy tsy fahaizana manampy antsika hamantatra ny toetoetrantsika lavo. Raha toa ka manetry tena isika dia afaka hanampy antsika hahafantatra ny fianteherantsika amin’i Jesoa Kristy izany ary afaka mamporisika ao am-pontsika faniriana amin-kitsimpo hitodika amin’ny Mpamonjy sy hibebaka amin’ireo fahotantsika izany.

Ry namako, fifaliana ny fibebahana! Ny fibebahana tsara dia ampahany amin’ny dingana atao isan’andro izay ampianaran’ny Tompo antsika, “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika,” mba hiainana fiainana mifototra amin’ny fampianarany. Tahaka an’i Joseph sy Nefia, isika dia afaka “hitalaho amin’ [Andriamanitra mba hahazo] famindrampo; fa mahery Izy ka mahavonjy.” Afaka manatanteraka izay faniriana na hetraheta feno fahamarinana rehetra Izy ary afaka manasitrana izay ratra rehetra eo amin’ny fiainantsika Izy.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy dia mahita tantara tsy hay ho isaina momba ny olona izay nianatra ny fomba hanatonana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana amin-kitsimpo izaho sy ianao.

Te hizara ohatra iray amin’ny famindram-po feno fitiavana an’ny Tompo aminareo aho amin’ny alalan’ny zavatra niainako iray izay nitranga tany Porto Rico izay nosy niaviako.

Tao amin’ny tanàna niaviako tao Ponce no nisy an’i Celia Cruz, rahavavy iray tao amin’ny Fiangonana, izay nanapa-kevitra fa hanome ny Bokin’i Môrmôna ny namana iray. Nofonosiny ilay izy ary nandeha nanatitra an’io fanomezana io izy, izay sarobidy kokoa aminy noho ny diamondra na ny robia, hoy izy. Nony teny an-dalana dia nisy mpangalatra nanatona azy, naka ny pôketrany, ary nandositra nitondra ilay fanomezana manokana tao anatiny.

Rehefa nizara an’io tantara io tany am-piangonana izy dia hoy ny namany hoe: “Iza no mahalala? Angamba fahafahanao nizara ny filazantsara izany!”

Fantatrao ve hoe inona no nitranga andro vitsivitsy taty aoriana? Naharay taratasy iray i Célia. Inty an-tanako ilay taratasy izay nozarain’i Célia tamiko. Izao no lazainy:

“Ramatoa Cruz:

“Mamelà ny heloko, mamelà ny heloko. Tsy ho fantatrao mihitsy ny haben’ny alaheloko noho ny fanafihana anao. Saingy noho io zavatra io dia niova ny fiainako ary mbola hiova hatrany.

“Nanampy ahy teo amin’ny fiainako ilay boky [ny Bokin’i Môrmôna]. Nisy fiantraikany mafy tamiko ny nofin’ilay lehilahin’ Andriamanitra. … Averiko ny dimy [dôlaranao], fa tsy afaka mandany izany aho. Tiako ho fantatrao fa toa nanana famirapiratana nanodidina anao ianao. Toa nanakana ahy [tsy hanisy ratsy anao izany hazavana izany, ka] nandositra kosa aho.

“Tiako ho fantatrao fa hahita ahy indray ianao, saingy rehefa hahita ahy ianao, dia tsy ho fantatrao aho, satria ho rahalahinao aho. … Mila mitady ny Tompo aho eto amin’ny toerana misy ahy ary mankany amin’ny fiangonana misy anao.

“Nandraraka ny ranomasoko ny hafatra nosoratanao tao amin’ilay boky. Tsy afaka nitsahatra namaky azy aho hatramin’ny alarobia alina. Nivavaka aho ary nangataka tamin’ Andriamanitra mba hamela ahy [ary] mangataka aminao aho mba hamela ahy. … Noheveriko fa zavatra azoko hamidy ny fanomezana nofonosinao. Nahatonga ahy [kosa] haniry [hanova] ny fiainako ilay izy. … Mamelà ny heloko, mamelà ny heloko, miangavy anao aho.

“Ilay namanao tsy eo anilanao.”

Ry rahalahy sy ranabavy, mahatakatra antsika rehetra ny fahazavan’ny Mpamonjy, na inona na inona toe-javatra iainantsika. “Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao ka tsy ho tratran’ny hazavana tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotan’i Kristy,” hoy ny Filoha Jeffrey R. Holland.

Raha ny amin’ilay olona nahazo tsy nampoizina ny fanomezan’i Celia, ny Bokin’i Môrmôna, dia vavolombelona hatrany tamin’ny famindram-po sesehen’ny Tompo ity rahalahy ity. Na dia nila fotoana aza io rahalahy io vao namela ny tenany, dia nahita fifaliana tamin’ny fibebahana izy. Tena fahagagana izany! Rahavavy mahatoky iray, Bokin’i Môrmôna iray, fibebahana amin-kitsimpo, ary ny herin’ny Mpamonjy dia nitarika tamin’ny fankafizana ny fahafenoan’ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara sy ireo fanekempihavanana masina ao amin’ny tranon’ny Tompo. Nisy olona hafa tao amin’ny fianakaviana izay nanaraka sy nanaiky handray andraikitra masina tao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo, anisan’izany ny fandehanana manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno.

Rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hitondra antsika any amin’ny tempoly masin’ny Mpamonjy ny lalan’ny fibebahantsika amin-kitsimpo.

Tena hery manosika feno fahamarinana tokoa izany hoe miezaka ny ho madio izany—ny mba ho mendrika ny fahafenoan’ireo fitahiana azontsika ho raisina noho ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany tamin’ny alalan’ny fanekempihavanana masin’ny tempoly! Ny fanompoana tsy tapaka ao amin’ny tranon’ny Tompo sy ny fiezahana hitandrina ireo fanekempihavanana masina ataontsika any dia hampitombo ny faniriantsika sy ny fahafahantsika hiaina ny fiovam-po, hery, saina, ary fanahy ilaina mba hahatongavantsika kokoa tahaka ny Mpamonjy antsika. Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy misy hanokatra ny lanitra kokoa [noho ny fitsaohana ao amin’ny tempoly]. Tsy misy!”

Ry namako malala, mahatsiaro ho tsy mahay ve ianareo? Mahatsapa ho tsy mendrika ve ianareo? Tsy azonao antoka ve hoe mety ny hataonao? Angamba mety manahy ianao ary manontany hoe: maharaka aho ve? Tsy efa tara loatra ve raha ny momba ahy? Nahoana aho no tsy mahomby foana rehefa miezaka mafy manao izay fara-heriko?

Ry rahalahy sy ranabavy, azo antoka fa hanao fahadisoana isika eo amin’ny fiainantsika eny am-pandehanana eny. Nefa mba tsarovy fa, araka ny nampianarin’ny Loholona Gerrit W. Gong hoe: “Tsy manam-petra sy mandrakizay ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika. Samy mania sy mety lavo avokoa isika tsirairay avy. Indraindray isika dia mety ho very lalana. Manome toky am-pitiavana antsika Andriamanitra [fa] na aiza na aiza misy antsika na inona na inona zavatra nataontsika, fa tsy misy an’izany hoe tsy afaka miverina ilalana izany intsony. Miandry Izy ary vonona ny hamihina antsika.”

Araka ny nampianarin’i Cari Lu, vady malalako ahy koa dia mila mibebaka ary manodina sy mamerina ny fotoana ho ora “aotra” indray isan’andro isika rehetra.

Ho avy ireo fahasarotana. Aoka isika tsy hiandry fahasarotana vao hitodika amin’ Andriamanitra. Aoka isika tsy hiandry ny fiafaran’ny fiainantsika an-tany vao hibebaka marina. Fa izao kosa, aoka isika izao, na inona na inona ampahan’ny lalan’ny fanekempihavanana izay hizorantsika, hifantoka amin’ny hery manavotr’i Jesoa Kristy sy amin’ny fanirian’ny Ray any An-danitra ho antsika mba hiverina Aminy.

Ny tranon’ny Tompo sy ireo soratra masiny, ary ireo mpaminany sy apôstôliny masina dia mitaona antsika hiezaka mba hahatratra ny fahamasinan’ny tena manokana amin’ny alalan’ny fotopampianaran’i Kristy.

Ary hoy i Nefia: “Ary ankehitriny, indro ry rahalahiko malala, izany no lalana; ary tsy misy lalana na anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay hahazoana mamonjy ny olona ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary ankehitriny, indro izany no fotopampianaran’i Kristy, ary ny hany fotopampianarana marina an’ny Ray sy an’ny Zanaka ary an’ny Fanahy Masina.”

Mety ho fanamby amintsika ny fizotry ny “fahatongavana-ho-iray” amin’ Andriamanitra. Saingy afaka miato, manana fitoniana, mibanjina ny Mpamonjy, ary mikatsaka ny hahita sy hanao zavatra araka izay tiany hovaintsika izaho sy ianao. Raha manao izany amin’ny finiavana feno isika dia ho vavolombelon’ny fanasitranany isika. Ary eritrereto ny hitahiana izaitsizy ny taranatsika rehefa mandray tanteraka ny fanomezana avy amin’nyTompo, dia ny fibebahana isika!

Ilay Tompo Mpanefy Tanimanga, araka ny nampianarin-draiko ahy, no hamolavola sy hanadio antsika, izay mety ho dingana sarotra. Ary hanadio antsika ihany koa ilay Tompo Mpanasitrana. Efa niaina sy mbola miaina izany hery manasitrana izany aho. Mijoro ho vavolombelona aho fa tonga amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana isan’andro izany.

Endrey mahagaga re, fitiavan-dehibe

Nomeny ny ainy re.”

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny amin’ny hery tsy manam-petran’ny Sorompanavotan’ny Zanany. Afaka mahatsapa izany lalina isika rehefa mibebaka amin-kitsimpo sy amin’ny fo manontolo.

Ry namako, Izaho dia vavolombelon’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara feno voninahitra tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fitarihana masin’ny Mpamonjy amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny mpaminaniny sy mpitondra teniny, ny Filoha Russell M. Nelson. Fantatro fa velona i Jesoa Kristy ary Izy no Mpanasitrana Lehibe ny fanahintsika. Fantatro ary mijoro ho vavolombelona aho fa marina ireo zavatra ireo, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Endrey mahagaga ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44.

  2. Almà 26:12.

  3. 2 Nefia 4:17; jereo ihany koa ny andininy 18–19.

  4. Joseph Smith—Tantara 1:29.

  5. Joseph Smith, “History, circa Summer 18323, josephsmithpapers.org; natao manara-penitra ny fitsipi-panoratana sy ny mari-piatoana.

  6. Jereo ny Môzià 4:11–12.

  7. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe: “Rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. Misafidy ny hivoatra ara-panahy isika ary hahazo fifaliana, ilay fifalian’ny fanavotana ao Aminy. Rehefa misafidy ny hibebaka isika dia misafidy ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy!” (“Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67).

  8. 2 Nefia 28:30.

  9. Almà 34:18.

  10. “Ry rahalahy sy ranabaviko, inona no lanjan’ny Bokin’i Môrmôna ho anao? Raha tolorana diamondra sy vatosoa na ny Bokin’i Môrmôna ianao dia inona no ho safidianao? Lazao ny marina, inona no manan-danja kokoa aminao?” (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 61).

  11. Ao amin’ny F. Burton Howard, “Missionary Moments: ‘My Life Has Changed,’” Church News, Jan. 6, 1996, thechurchnews.com; jereo ihany koa ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 4, Sounded in Every Ear, 1955–2020 (2024), 472–74, 477–79.

  12. Jeffrey R. Holland, “Ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka,” Liahona, mey 2012, 33.

  13. Afaka mijanona iray segondra ve isika ary hieritreritra momba ny taranatsika? Noho ny fomba fijerintsika tsy mahita lavitra dia tsy hitantsika izany ankehitriny, saingy ny fahavononantsika hitodika amin’ny Tompo amin’ny fo manontolo—hiova; hibebaka sy handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy—dia afaka hitaona taranaka maro! Alaivo sary an-tsaina ireo fitahiana fanampiny izay mety hitsiry avy amin’ny fanetrentenan’ny fanahy iray sy ny halemem-panahy ary ny finoana an’i Jesoa Kristy na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra indrindra aza!

  14. Ireo antsipiriany ireo dia notantarain’ny Rahavavy Célia Cruz nandritra ny resadresaka manokana nifanaovana tamin’ny Loholona Jorge M. Alvarado tamin’ny 10 septambra 2024.

  15. Russell M. Nelson, “Mifalia amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny fanalahidin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2024, 122.

  16. Rehefa mametra-panontaniana toy izao isika dia zava-dehibe ny mahatsiaro ny tenin’ny Apôstôly Paoly:

    “Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? …

    “Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ Ilay tia antsika.

    “Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,

    “Na any ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jeso[a] Tompontsika” (Romana 8:35, 37–39).

  17. Gerrit W. Gong, “Afon-dasin’ny finoantsika,” Liahona, nôv. 2018, 41.

  18. Ohatra tsara maneho izany i Nefia. Nilaza izy hoe:

    “Mifohaza ry fanahiko! Aza milofika ao amin’ny fahotana intsony. Miravoravoa ry foko ary aza manome toerana intsony ho an’ny fahavalon’ny fanahiko. …

    “Tompo ô, hanavotra ny fanahiko va Ianao? Hanafaka ahy eo an-tanan’ny fahavaloko va Ianao? Hanao izay hahatora-kovitra ahy amin’ny fisehoan’ny fahotana va Ianao?” (2 Nefia 4:28, 31).

  19. Ny Filoha Dallin H. ​​Oaks dia nampianatra hoe: “Rehefa nandalo ny dingan’ny fibebahana ny olona iray … dia tsy vitan’ny hoe manadio izany olona izany amin’ny fahotana ny Mpamonjy. Manome tanjaka vaovao ho azy koa Izy. Manan-danja izany fampatanjahana izany mba hahafantarantsika ny tanjon’ny fanadiovana, dia ny hiverenana amin’ny Raintsika any An-danitra. Tokony ho mihoatra noho ny madio isika mba havela ho eo anatrehany. Isika ihany koa dia tsy maintsy novaina avy tamin’ny hoe olona iray malemy ara-pitondrantena izay nanota mankamin’ny olona iray matanjaka manana ny fenitra ara-panahy hijoroana eo anatrehan’ Andriamanitra” (“The Atonement and Faith,” Ensign, apr. 2010, 33–34).

  20. 2 Nefia 31:21.

  21. Manaja ny fianakaviantsika sy ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fanekena ny hibebaka sy hiezaka hiaina fiainana tsara.

  22. Fihirana sy hiran’ny Ankizy, lah. 44.