“Mankalaza ny faha-100 taonany ny Filoha Nelson,” Liahona, nôv. 2024.
Vaovaom-piangonana
Mankalaza ny faha-100 taonany ny Filoha Nelson
Niaraka tamin’ny fianakaviana sy namana ireo mpitarika ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Ho An’Ny Olomasin’Ny Andro Farany tamin’ny 9 septambra 2024 mba hanome voninahitra ny mpaminany sy Filohan’ny Fiangonana Russell M. Nelson tamin’ny faha-100 taonany.
Natao tao Salt Lake City sy nampitaina mivantana manerana izao tontolo izao ilay hetsika. Izany dia nahitana hira nohiraina mivantana, horonan-tsary fanomezam-boninahitra avy amin’ireo mpitarika avy amin’ny finoana samihafa, lahateny nataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy nataon’ireo fianakavian’ny Filoha Nelson, ary horonan-tsary avy amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana mizara ny fomba nanompoan’izy ireo ilay iray.
Nisaotra ny fianakaviana sy ny namana ary ny Olomasin’Ny Andro Farany ny Filoha Nelson noho ny hatsaram-panahy sy ny fanohanan’izy ireo. Nizara ny fankasitrahany noho ireo hafatra fiarahabana tamin’ny tsingerintaona nahaterahana sy ny famalian’ny olona maneran-tany ilay fanasany hoe “99+1” izy, izay namporisihany ny olona mba “hanolo-tanana an’ ‘ilay iray’ eo amin’ny fiainantsika izay mety hahatsapa ho very na irery” (Facebook, 1 jona 2024, facebook.com/russell.m.nelson).
Noantitranterin’ny mpaminany ny maha-zava-dehibe ny finoana, ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay mahakasika ny fiainana, ary ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy. “Ry rahalahy sy anabavy malalako, tsy manan-danja tahaka ny karazana fiainana iainanareo ny faharetan’ny fiainanareo,” hoy ny Filoha Nelson. “Ho antsika tsirairay avy, na dia ho an’ny lehilahy 100 taona iray aza, dia mandalo haingana ny fiainana. Mivavaka aho mba hamelanareo an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanareo. Manaova fanekempihavanana Aminy. Mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Miomàna hiverina hiara-hiaina Aminy indray.”
Ny Filoha isany Dallin H. Oaks sy Henry B. Eyring, mpanolotsain’ny Filoha Nelson ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nizara ny hevitr’izy ireo avy amin’ny fahitany ny fiarahany miasa tamin’ny mpaminany nandritra ny enin-taona sy tapany. Nasongadin’izy ireo ny fitiavana sy ny fanajana ny hafa ary ny fitondrantena tahaka ny an’i Kristy nananan’ny Filoha Nelson.
“Ny fiarahana na ny fivoriana miaraka amin’i Filoha Nelson na ny firesahana aminy dia manome fahafahana hahatsapa hoe mety ho toy ny ahoana izany miaraka amin’ny Mpamonjy izany” hoy ny Filoha Oaks. “Izy no solontenan’ny Mpamonjy. Ary izy no ohatra fakan-tahaka ho antsika.”