Liahona
Mampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny Azy
Nôvambra 2024


15:20

Mampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny Azy

Ny fanarahana ny sitrapon’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika dia hanome fahafahana antsika hahita ilay vatosoa faran’izay sarobidy, dia ny fanjakan’ny lanitra izany.

Nisy fotoana ny Mpamonjy niresaka mikasika ilay mpandranto iray izay nitady “vato soa.” Tao anatin’ny fikarohana nataon’ilay mpandranto dia nahita anankiray izay “sarobidy” izy. Saingy mba hahazoana ilay vatosoa tsara tarehy dia tsy maintsy nivarotra ny fananany rehetra io lehilahy io izay tonga dia nataony avy hatrany ary tamim-pifaliana.

Tamin’ny alalan’io fanoharana fohy sy voahevitra tsara io no nampianaran’ny Mpamonjy fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny vatosoa sarobidy, izay zavatra faran’izay sarobidy marina tokoa tokony hirintsika mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra. Ny fivarotan’ilay mpandranto avy hatrany ny fananany mba hahazoana ilay vatosoa sarobidy dia maneho mazava fa tokony hampifanaraka ny saintsika sy ny faniriantsika amin’ny sitrapon’ny Tompo isika ary tokony hanao amim-pahavononana izay azontsika atao eto amin’ny fiainantsika an-tany mba hahazoana ireo fitahiana mandrakizain’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Mba ho mendrika izany valisoa lehibe izany, dia tena ilaintsika, ankoatra ny zavatra hafa, ny manao ny ezaka tsara indrindra avy amintsika mba hanilihana ireo fikatsahan-javatra rehetra izay mifono fitiavan-tena ary mba hialana amin’izay mety ho zavatra mamatopatotra ka manakana antsika tsy hanolo-tena tanteraka amin’ny Tompo sy amin’ilay lalany ambony sy masina kokoa. Ireo fikatsahana zavatra masina ireo dia nantsoin’ny Apôstôly Paoly hoe “[fahafantarana] ny sain’ny Tompo.” Izany dia midika, araka ny nanehoan’i Jesoa Kristy izany tamin’ny alalan’ny ohatra, hoe “[manao] izay sitraky [ny Tompo] mandrakariva” eo amin’ny fiainantsika, na raha ny filazan’ny olona sasantsasany azy amin’izao fotoana izao dia hoe “manao izay mety amin’ny Tompo.”

Raha jerena amin’ny heviny ara-pilazantsara, ny hoe “[manao] izay sitraky [ny Tompo] mandrakariva” dia misy ifandraisany amin’ny fampandeferantsika ny sitrapontsika eo anatrehan’ny sitrapony. Ny Mpamonjy dia nampianatra tamim-pisainana tsara ny maha-zava-dehibe an’io fitsipika io rehefa nampianatra ny mpianany Izy:

“Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ Izay naniraka Ahy.

“Ary izao no sitrapon’ Izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ny andro farany izy.

“Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.”

Ny Mpamonjy dia nahatratra haavom-panoavana tonga lafatra sy masina ny Rainy tamin’ny alalan’ny famelana ny hitelemana ny sitrapony ao amin’ny sitrapon’ny Ray. Nilaza Izy indray mandeha hoe: “Ary izay naniraka Ahy dia eto Amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.” Rehefa nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith momba ny fijaliana sy ny fanaintainana tsapany tao anatin’ny Sorompanavotana nataony ny Mpamonjy dia nilaza izao:

“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka; …

“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy—ary niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra—

“Kanefa, voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ny zanak’olombelona.”

Mandritra ny fiainantsika ety an-tany dia matetika isika no mitolona amin’ny zavatra eritreretintsika fa fantatsika, sy ny zavatra eritreretintsika fa tena tsara, ary ny zavatra heverintsika fa mety amintsika, toy izay hanakatra ny zavatra fantatry ny Ray marina, sy ny zavatra izay tena tsara mandrakizay ary ny zavatra faran’izay mety ho an’ny zanany ao anatin’ny drafiny. Mety ho lasa tena sarotra io fitolomana lehibe io, indrindra raha dinihina ireo faminaniana hita ao amin’ny soratra masina ho an’izao androntsika izao: “Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any[,] … ny olona ho tia tena, … tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra.”

Ny famantarana iray maneho ny fahatanterahan’io faminaniana io dia ilay fironana mihamitombo eto amin’izao tontolo izao amin’izao fotoana izao, izay arahin’ny olona maro dia maro, izay ahitana olona lasa tsy mahafantatra afa-tsy ny tenany ihany sy manambara tsy tapaka hoe, “Na inona na inona mitranga, dia hiaina mifanaraka amin’izay heveriko fa marina aho na hataoko izay zavatra mety amiko.” Nilaza ny Apôstôly Paoly hoe: izy ireo dia “samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy.” Io fomba fisainana io dia matetika tohanana hoe “tena izy” ho an’ireo olona izay manaram-po amin’ny fikatsahan-javatra mifono fitiavan-tena sy amin’ny zavatra tian’ny tena manokana, na ho an’ireo olona te hanome rariny ny karazana fitondrantena sasantsasany izay matetika tsy mifanaraka amin’ilay drafitr’ Andriamanitra izay feno fitiavana sy ilay sitrapony ho azy ireo. Raha avelantsika hanaraka io fomba fisainana io ny fontsika sy ny saintsika, dia mety hamorona sakana lehibe ho an’ny tenantsika isika eo amin’ny fahazoana ilay vatosoa faran’izay sarobidy izay efa nomanin’ Andriamanitra ho an’ny zanany, dia ny fiainana mandrakizay izany.

Marina fa isika tsirairay dia samy manao dia manokana amin’ny maha-mpianatra eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana ary miezaka ny mampifantoka ny fontsika sy ny saintsika amin’i Jesoa Kristy, saingy mila mitandrina sy malina hatrany isika mba tsy ho tratran’ny fakam-panahy hanaraka io karazana fomba fihevitr’izao tontolo izao io eo amin’ny fiainantsika. Hoy ny Loholona Quentin L. Cook: “Ny hoe tena tahaka an’i Kristy dia mbola tanjona manan-danja kokoa noho ny hoe milaza ny marina fotsiny.”

Ry namako malala, raha misafidy ny hamela an’ Andriamanitra ho ilay hery mitarika mahery vaika eo amin’ny fiainantsika isika eo anatrehan’ireo fikatsahan-javatra feno fitiavan-tena ataontsika, dia afaka mivoatra isika amin’ny maha-mpianatra antsika ary afaka mampitombo ny fahafahantsika mampiray ny saintsika sy ny fontsika amin’ny Mpamponjy. Etsy ankilany, rehefa tsy avelantsika hanjaka eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra, dia ho tavela irery isika, ary rehefa tsy manana ilay fitarihana feno fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo dia afaka manamarin-tena eo anatrehan’ny ankamaroan’ny zavatra izay ataontsika na tsy ataontsika isika. Afaka manao fialana fondro ho an’ny tenantsika koa isika eo anatrehan’ny fanaovan-javatra araka ny fombantsika amin’ny alalan’ny filazana hoe, raha ny marina dia “Manao zavatra araka ny fombako fotsiny aho”.

Indray mandeha raha nanambara ny fotopampianarany ny Mpamonjy dia nisy olona sasantsasany, indrindra indrindra ireo Fariseo mihevi-tena ho marin-toetra, nandà ny hafany ary nanambara tamim-pahasahiana fa zanak’i Abrahama izy ireo izay midika hoe ny rohim-pirazanany dia hanome tombontsoa manokana azy ireo eo imason’ Andriamanitra. Io fomba fisainana io dia nitarika azy ireo hiankina amin’ny fahalalany sy tsy hino izay nampianarin’ny Mpamonjy. Ny fihetsika nasehon’ireo Fariseo teo anatrehan’i Jesoa dia porofo mazava fa ilay toetran’izy ireo feno avonavona dia tsy namela toerana tao am-pon’izy ireo ho an’ny tenin’ny Mpamonjy sy ny fomban’ Andriamanitra. Ho setrin’izany dia nanambara tamim-pahendrena sy tamin-kerimpo i Jesoa fa raha tena zanak’i Abrahama ao anatin’ny fanekempihavanana marina izy ireo dia hanao ny asan’i Abrahama, indrindra rehefa dinihina dia nijoro teo anoloan’izy ireo ilay Andriamanitr’i Abrahama ary nampianatra azy ireo ny fahamarinana tamin’io fotoana io mihitsy.

Ry rahalahy sy anabavy, araka ny hitanareo, ny fanaovana zavatra eo anatrehan’ilay fiasan’ny saina hanao ny “zavatra mety amiko” toy izay hanao ny “zavatra izay mahafaly ny Tompo mandrakariva” dia tsy fironana vaovao izay mampiavaka an’izao androntsika izao. Fomba fisainana efa ela dia ela izany izay namakivaky taonjato maro ary matetika manajamba ny mason’ireo mihevi-tena ho hendry ary mampikorontan-tsaina sy mampivalaketraka ny maro amin’ireo zanak’ Andriamanitra. Io fomba fisainana io raha ny marina dia hafetsena efa ela ampiasain’ilay fahavalo. Lalana iray mifono fitaka izay mampiala tsimoramora ny zanak’ Andriamanitra eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana marina sy mahatoky. Na dia eo aza ireo toe-javatra iainana toy ireo olana ara-pototarazo, ara-jeôgrafika, sy ara-batana ary ara-tsaina izay misy fiantraikany eo amin’ilay dia ataontsika, raha ny mahakasika ireo zavatra manan-danja indrindra, dia misy toerana ao anaty ao izay ahafahantsika misafidy na hanapa-kevitra hanaraka ilay lamina izay nomanin’ny Tompo ho an’ny fiainantsika isika na tsia. Marina tokoa fa “nomeny ohatra isika, lalana mazava.”

Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia maniry ny handeha eo amin’ilay lalana izay nosoritany ho antsika nandritra ny asa fanompoany teto an-tany isika. Tsy maniry fotsiny ny hanao ny sitrapony sy hanao ny zavatra rehetra izay hahafaly Azy isika fa hikatsaka ny haka tahaka Azy. Rehefa miezaka ny tsy hivadika amin’ireo fanekempihavanana rehetra nataontsika isika ary hanaja “ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra,” dia ho voaro mba tsy ho lasa ianjadian’ny vokatra ateraky ny fahotana sy ireo fahadisoana eto amin’izao tontolo izao—fahadisoan’ny filôzôfia sy ny fotopampianarana izay hampanalavitra antsika amin’ireo vatosoa faran’izay sarobidy.

Nanentana manokana ny fanahiko ny fomba fiantraikan’ny fanoavana ara-panahy an’ Andriamanitra toy izany teo amin’ny fiainan’ireo mpianatra mahatokin’i Kristy, noho izy ireo nisafidy ny hanao ireo zavatra izay mety sy mahafaly eo imason’ny Tompo. Mahafantatra tovolahy iray aho izay sahiran-tsaina mikasika ny fandehanana hanao asa fitoriana saingy notaomim-panahy handeha sy hanompo ny Tompo rehefa nihaino manampahefana ambony iray tao amin’ny Fiangonana izay nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany manokana sy ny zavatra masina niainany fony izy misiônera.

Hoy ity tovolahy izay efa niverina avy nanao asa fitoriana ity tamin’ny tenin’ny manokana: “Rehefa nihaino ny fijoroana ho vavolombelona nananan’ny Apôstôly iray momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy aho, dia afaka nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ahy ary nanapa-kevitra ny hizara izany fitiavana izany amin’ny hafa. Fantatro tamin’izay fotoana izay fa tokony handeha hanao asa fitoriana aho na dia eo aza ny tahotro sy ny fisalasalako ary ny ahiahiko. Nahatsapa fahatokiana tanteraka momba ireo fitahiana sy fampanantenana avy amin’ Andriamanitra ho an’ny zanany aho. Olom-baovao aho amin’izao fotoana izao. Manana fijoroana ho vavolombelona aho fa marina ity filazantsara ity ary naverina eto an-tany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.” Nisafidy ny lalan’ny Tompo io tovolahy io ary lasa ohatra iray amin’ny maha-mpianatra marina eo amin’ny lafin-javatra rehetra.

Nisy tovovavy mahatoky iray izay nanapa-kevitra ny tsy hampandefitra ireo fenitra arahiny rehefa nangatahina izy mba hanao fitafiana tsy maotina mba hananany ny toerany ao amin’ny sampana misahana ny fandraharahana ao amin’ilay orinasa misehatra amin’ny lamaody izay niasany. Noho ny fahatakarany fa fanomezana masina avy amin’ny Raintsika any An-danitra ny vatany ary toerana iray izay ahafahan’ny Fanahy mitoetra, dia nentanim-panahy izy hiaina fitsipika ambony kokoa noho ny an’izao tontolo izao. Tsy vitan’ny hoe nahazo ny fitokian’ireo izay nahita azy niaina ny fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy fotsiny izy fa voatazony koa ny asany izay notandindomin-doza nadritry ny fotoana vitsivitsy. Ny fahavononany hanao ny zavatra mahafaly eo imason’ny Tompo toy izay hanao zavatra izay mety ho an’izao tontolo izao dia nanome azy fahatokiana ny fanekempihavanana nataony tao anatin’ireo safidy sarotra.

Ry rahalahy sy anabavy, miatrika fanapahan-kevitra mitovy amin’izany tsy tapaka isika ao anatin’ny dia ataontsika isan’andro. Mitaky herimpo sy fo feno faharisihana ny miato sy manao fanombantombanana amin-kitsimpo sy amim-pahalemem-panahy mba hamantarana ny fisian’ny fahalemen’ny nofo eo amin’ny fiainantsika izay mety hanakantsakana ny fahafahantsika mampanoa ny tenantsika amin’ Andriamanitra ary manapa-kevitra amin’ny farany fa hanaraka ny lalany fa tsy ny antsika. Ny fisedrana faratampony ny maha-mpianatra antsika dia hita ao anatin’ny fahavononantsika hampitsahatra sy hamoy ilay isika taloha ka hampanoa ny fontsika sy ny fanahintsika manontolo an’ Andriamanitra mba ho lasa sitrapontsika ny sitrapony.

Ny iray amin’ireo fotoana faran’izay lehibe eto amin’ny fiainana an-tany dia miseho rehefa hitantsika ilay fifaliana avy amin’ny fahatongavan’ny fanaovana mandrakariva ireo zavatra izay “mety amin’ny Tompo sy mahafaly Azy” sy ny “zavatra mety amintsika” ho lasa zavatra iray sy mitovy ihany! Mitaky an’ilay maha-mpianatra andrian-toetra sy be herimpo ny fanekena amin’ny fomba hentitra sy tsy amim-piahiahiana ny sitrapon’ny Tompo ho toy ny sitrapontsika! Amin’izany fotoana tena mahafinaritra izany dia lasa manokan-tena ho an’ny Tompo isika ary afointsika tanteraka ho Azy ny sitrapontsika. Ny fanoavana ara-panahy toy izany, raha izay no ilazana azy, dia tena tsara sy mahery vaika ary mitondra fiovana.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny fanarahana ny sitrapon’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika dia hanome fahafahana antsika hahita ilay vatosoa faran’izay sarobidy, dia ny fanjakan’ny lanitra izany. Mivavaka aho mba rehefa tonga ny fotoanantsika sy ny anjarantsika, dia ho afaka isika tsirairay ny hanambara amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy, miaraka amin’ny fananana fahatokiana ny fanekempihavanana natao, hoe “izay mety Aminao dia mety amiko”. Lazaiko ireo zavatra ireo amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Mpamonjy, amena.