“Any ambadiky ny sehatra: Fanomanana ny lampihazo ao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe,” Liahona, mey 2024.
Any ambadiky ny sehatry ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany: Fanomanana ny lampihazo ao amin’ny ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana
Rehefa maka sary an-tsaina ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany isika dia mety ny polipitra sy ireo sezan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana manoloana ireo fantson’ôrga no azontsika an-tsaina. Saingy tsy toy izany foana mandritry ny taona ny endriky ny lampihazo ao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe.
Ny Ivontoeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana dia handraisana hetsika maro izay mitaky lamina hafa, ary mandany ora maro ny fanomanana ny lampihazo (izay antsoina amin’ny fomba ôfisialy hoe “rostrum” [lampihazo ho an’ny mpandaha-teny]) ho an’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mandany manodidina ny telo herinandro eo ny ekipa iray ahitana olona 10 amin’ny fanomanana ny lampihazo sy ireo efitra malalaka eo amin’ny fidirana ary ireo trano sy fitaovana hafa ao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe mba hahafahan’ireo mpitsidika mianoka ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
Ireto misy zavatra mahaliana vitsivitsy:
-
Singa fanorenana lehibe miisa 18 no mandrafitra ny gorodona fototry ny lampihazo, ary milanja 1,5 ka hatramin’ny 4 taonina ny tsirairay amin’izany.
-
Akisaka amin’ny alalan’ny coussins d’air gonflable izay manosika manohitra ny tany ireo singa fanorenana mavesatra ireo, ka mahatonga ireo singa fanorenana ho mora afindra.
-
Misy singan-javatra madinika kokoa eo ho eo amin’ny 500 eo, toy ny rails sy panneaux ihany koa manampy izany.
-
Varavarana mirefy 24 m no sokafana mba ahafahana mampiditra ao an-toerana ireo singa fanorenana lehibe indrindra.
-
Manomana trano sy fitaovana ho an’ny fiantohana ny fiarovana, ho an’ny misiônera ary fampiantranoana ihany koa ny ekipa mpiandraikitra ny lampihazo, izay ahitana anjara asa 600 mahery ny fitambarany.
I Joel Wright, izay tompon’andraikitra mpanara-maso ny fanomanana ny lampihazo ho an’ilay ekipa, dia efa nanampy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany miisa 50. Antsoiny hoe “mahery fo tsy misy mpankalaza” ny ekipany, izay manao ezaka mahatalanjona. Hoy izy: “Tsy ahazoana voninahitra be loatra ny fametrahana seza na latabatra iray, na ny fampitambarana ireo fitaovana.” Saingy raha tsy misy azy ireo, hoy izy, dia tsy ho tahaka ireny ny fihaonambe.
Nanamarika i Brandon Urry izay mpitarika ny asa fanomanana ny lampihazo fa mila “olona maro samihafa manana andiana fahaiza-manao sy avy amin’ny sehetr’asa samihafa” ny fanatanterahana ny asan’izy ireo, “mba hampitana mivantana ny fitiavan’ny Tompo sy ny teny izay tiany hozaraina amin’ny olona rehetra.”
Nilaza i Brandon fa mila ny olona rehetra izay manana ireo fahaiza-manao samihafa ireo izy ireo mba “hitambatra ho iray hanatratra tanjona iraisana.” Koa satria mifantoka amin’i Jesoa Kristy izany tanjona izany, dia mahatsapa ny fanatrehany sy mahita ny fahagagany io ekipa mpisahana ny fanomanana ny lampihazo io.
I Robert Simpson, izay mpitarika ny asa fanomanana ny lampihazo ihany koa, dia niteny hoe: “Izaho … dia mahatsapa fa toa miditra ao manatrika ireo fivorianay ny Tompo ary eo Izy hanampy anay … hamita [ny asa]. … Indraindray izahay dia manontany tena hoe ahoana no hahavitanay izany rehetra izany. Saingy mivavaka sy mangataka ny fanampian’ny Rainay any An-danitra izahay.”
Ary nampian’i Joel hoe: “Rehefa maharitra, rehefa mikiry, rehefa manohy miasa mafy, dia mipetrapetraka tsara avokoa ny zavatra rehetra momba [ny fanomanana ny lampihazo], vonona ny ho ampiasaina ny marainan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.” Antsoin’i Joel hoe “mitaona fanahy” izany satria avy amin’i Jesoa Kristy no ahatongavan’ireo fahagagana.