Liahona
Tia ny zanany rehetra Andriamanitra
Nôvambra 2024


9:37

Tia ny zanany rehetra Andriamanitra

Miantso antsika mandrakariva ary mampiasa antsika izay mpanompony tsotra i Jesoa Kristy mba hanampy hitondra ireo zanany hankany Aminy.

Inona no irin’ny Raintsika any An-danitra avy aminao? Moa ve takatrao fa fony ianao tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia nanomana anao ho amin’ny fiainanao eto an-tany ny Ray any An-danitra? Raha niresaka manokana tamin’ireo zatovo ny Filoha Russell M. Nelson, dia nampianatra izy hoe: “Natokan’ny Raintsika any An-danitra ny maro amin’ireo fanahiny mahery indrindra—aleo angamba ataoko hoe ny ekipany mahery indrindra—ho an’ity dingana farany ity.” Koa satria natokana ho an’izao andro farany izao isika dia zava-dehibe ho antsika ny mianatra ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy.

Ny Tompo Jesoa Kristy no ilay Mpiandry Tsara ary fantany ny ondriny ary ireo ondry dia mahafantatra ny Mpiandry azy ireo satria “izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany.” Miantso antsika mandrakariva ary mampiasa antsika izay mpanompony tsotra Izy mba hanampy hitondra ireo zanany hankany Aminy.

Fotoana elaela lasa izay dia nitsidika mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny tanàna iray teo an-toerana izaho sy ny filohan’ny tsatòka iray. Rehefa nahavita ireo fitsidihana voarindra mialoha izahay dia nanontany ahy ny filohan’ny tsatòka raha toa ka mbola afaka mitsidika fianakaviana iray hafa izahay. Nahatsapa izy fa tokony hiresaka tamin’izy ireo izahay.

Nandondona ny varavarana izahay dia nisy rahavavy iray nanokatra izany. Nijery ahy izy saingy tsy fantany aho ka dia tsy naneho fihetsika firy izy. Nonondro ny filohan’ny tsatòka aho izay niarahaba azy tamin’ny anarany. Vantany vao nandre sy nahita azy izy dia faly. Nifamihina sy niara-nitomany izy ireo raha nijoro teo am-baravarana. Izany dia nanomana ny lalana ho an’ilay fitsidihana nataonay. Tsy nahafantatra izahay fa ny andro talohan’io dia nanao chimiothérapie ilay rahavavy. Nahatsapa ho reraka loatra izy ka tsy afaka nikarakara ilay zanany lahy efa lehibe. Ka noho izany dia nanampy ny filohan’ny tsatòka nampiakanjo ilay zanany lahy aho ary avy eo napetrakay teo amin’ny seza misy kodiarana izy. Nomenay azy ny sakafo izay noentin’ny rahavavy tsara fanahy iray hafa avy tao amin’ilay paroasy ary nanampy tamin’ireo asa hafa ihany koa izahay. Nanana fahafahana nanome tsodrano azy ireo izahay nialoha ny nandaozanay ny tokantranon’izy ireo.

Ny hany zavatra nandalo tao an-tsaiko nandritra ilay fitsidihana dia ny fanamafisana fa tena tia azy ireo i Jesoa Kristy. Mahatakatra azy ireo Izy ary fantany manokana ny fanaintainana misy ao anatin’ny toe-javatra miavaka iainan’izy ireo. Saika tao anaty fahanginana avokoa no nizoran’ilay fitsidihana. Tsy nanao toriteny goavana na nizara ny soratra masina tianay indrindra izahay tamin’io fotoana io kanefa nitahy anay tamin’ny Fanahiny tokoa ny Tompo.

Iray amin’ireo antony nandefasan’ny Rainao any An-danitra anao teto amin’izao fotoana izao ny mba hahatratraranao tanteraka ilay hery anaty anananao. Ny Torio Ny Filazantsarako dia mampianatra fa amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia tokony hiala amin’ny fampitahana ny tenantsika amin’ny hafa isika. Tena miavaka sy natao ho an’ny tenanao manokana ary voajanahary ireo fahaiza-manao ara-panahy anananao ary maniry ny hanampy anao hampitombo azy ireny ny Rainao any An-danitra. Misy foana ny olona iray azonao ampiana mba hahatsapa ny fitiavan’ny Rainao any An-danitra. Masina ilay hery anaty anananao. Na dia azo antoka aza fa manan-danja ny tokony hanomananao ny tenanao mba hahomby ao anatin’ity tontolo tia mifaninana ity dia isan’ireo iraka lehibe eo amin’ny fiainanao ny ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy sy hanaraka ny fitaoman’ny Fanahy. Rehefa manao izany ianao dia hitahy ny fiainanao sy hitahy ny fianakavianao ankehitriny sy rahatrizay ary hitahy ny fiainan’ireo zanany izay hifanehatra aminao Andriamanitra.

Miaina ao anatin’ny fotoana isian’ny tombontsoa lehibe isika. Na dia miatrika fahasarotana maro aza isika dia fantatro fa isan’ny antony isian’izany ny fanomezana antsika fahafahana hanampy ny hafa hahatsapa ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Amin’ny andro ho avy dia ho hitantsika ny fisehoan’ny hery lehibe indrindran’ny Mpamonjy izay tsy mbola hitan’izao tontolo izao hatrizay.” Manana ny tombontsoa manokana ny hiambina ireo olona izay mila fanampiana, fihina, fahatsapana ho misy mpampionona na ny fiarahantsika tsotra izao amin’izy ireo ao anatin’ny fahanginana isika. Raha afaka manampy manamaivana ny enta-mavesatra entin’izy ireo isika na dia mandritra ny fotoana fohy fotsiny aza dia hahita ny fanehoana goavana ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo, ny Olomasin’ny Andro Farany dia afaka mitondra fiovana amin’ny tsara eo amin’izao tontolo izao. Afaka manampy amin’ny fitondrana fifaliana izay hita taratra eny amin’ny tarehintsika isika; fifaliana izay zaraintsika amin’ny alalan’ny teny feno fitiavana sy fihetsika feno hatsaram-panahy. Aoka isika mba ho namana, mpampiasa, mpiasa tsara. Aoka isika mba ho Kristianina tsara amin’ny fotoana rehetra.

Naverin’ny Tompo amin’ny laonina ny filazantsarany mbamin’ireo ôrdônansy ilaina mba hahazoan’ireo zanaky ny Ray any An-danitra ireo fampanantenana rehetra izay mamatotra antsika Aminy. Amin’ny fanampiana ireo anabavintsika sy rahalahintsika amin’ny olan’izy ireo isan’andro dia aoka isika hahatsiaro ihany koa ny hanampy azy ireo hanao sy hitandrina fampanantenana masina amin’ny Rain’izy ireo any An-danitra mba hahafahany mampanantena azy ireo ireo fitahiana sarobidy indrindra eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny mandrakizay. Ireo fampanantenana ireo dia tanteraka amin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fanalahidin’ny fisoronany.

Raha lazaina amin’ny teny hafa dia afaka manampy ny hafa hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika. Ny sasany amintsika dia miala amin’ilay lalana indraindray ka tokony hotsaroantsika fa amin’ny Raintsika any An-danitra dia manana fahafahana ny hiverina foana isika. Eny fa na dia tsy dia ilay faran’izay tonga lafatra aza ny lalana arahintsika dia mampahatsiahy antsika mandrakariva ny Mpamonjy hoe: “Raha mbola [mibebaka] sy [mikatsaka] famelan-keloka amin’ny finiavana marina [isika dia ho] voavela heloka.”

Iray amin’ireo famitahana ampiasain’ilay fahavalo ankehitriny ny famporisihana antsika hieritreritra sy hino fa tsy misy fomba hahafahantsika miova na koa hoe lany fanantenana isika. Izany fomba fisainana manimba izany dia mitarika ny ankamaroantsika tsy hanao ezaka intsony. Ary amin’izay fotoana izay indrindra no hahafahan’ny fitiavantsika, ireo teny fankaherezana ataontsika, ny fanohanana sy ny fotoana omentsika ary ny fanampiantsika mampitsiry fanantenana ampy ao amin’ny olona iray mba hanaovany ezaka indray mandeha indray.

Mety mieritreritra ianao hoe: “Eny ary, fa iza indray izany no mba hanompo ahy?” Rehefa mitahy ny fiainan’ireo rahalahintsika sy anabavintsika isika dia hanangona fijoroana ho vavolombelona izay hameno ny fiainantsika amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, Tompo. Ireo fijoroana ho vavolombelona ireo dia hahavelom-bolo antsika indray mba hanaovantsika ezaka indray mandeha indray. Ny Fanahy Masina dia hamelombelona antsika indray ary hanampy antsika hanana fijoroana ho vavolombelona nohavaozina mba hahafahantsika manohy miatrika ireo fahasahiranana sy fisedrana lalovantsika manokana. Isaky ny mikatsaka ny hitahy ny fiainan’ny hafa isika dia mahatsapa famindram-po sesehena ho antsika ny Tompo; mampahatanjaka antsika sy manampy antsika eo amin’ny fiainantsika Izy.

Miangavy aho ny hahatsiarovanao fa i Jesoa Kristy, Tompo dia ilay Mpamonjy anao ary mahatakatra anao manokana Izy. Fantany izany hoe manana antso ka mahafoy zavatra izany mba hanampiana ireo zanak’ Andriamanitra. Manana ny hery hitahiana anao amin’ny zava-drehetra Izy raha mino Azy sy tsy miroanahana ianao.

Ry rahalahy sy anabavy malala, tamin’io andro io raha nahatsapa ho notaomim-panahy ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana mba hitsidihanay reny iray sy ny zanany lahy iray, izay tsy tao anatin’ny drafitra nataonay akory, dia manambara aho hoe fantatr’ Andriamanitra fa nila anay izy ireo. Ary tamin’ny farany dia izaho no ilay notompoina. Tamin’io andro io dia naharay iray tamin’ireo lesona lehibe indrindra momba ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika aho .

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no ilay Mpamonjy izao tontolo izao, fa velona Izy, fa niaina sy maty ho ahy sy ho anao Izy ary nitsangana tamin’ny maty ho ahy sy ho anao mba hahafahantsika miandrandra fihaonana selestialy feno fifaliana amin’ireo izay efa any amin’ny lafiny ilan’ny voaly. Fantatro fa mahatakatra ahy sy anao tanteraka Izy. Mahatakatra ireo fotoan-tsarotra lalovan’ny tsirairay amintsika Izy ary manana ny hery hanampiana antsika amin’ny fotoana izay ahatsapantsika ho tena marefo indrindra. Fantatro fa i Jesoa Kristy, Tompo sy ny Raintsika any An-danitra dia niseho tamin’i Joseph Smith mba hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara amin’izao andro izao. Fantatro fa ny Filoha Russell M. Nelson, mpaminany malalantsika, dia mpaminanin’ny Tompo ary ireo rehetra ireo no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.