Liahona
“Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony”
Nôvambra 2024


13:29

“Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony”

Aingantsika ambony ny fahazavan’ny Tompo rehefa mifikitra mafy amin’ny fanekempihavanantsika sy rehefa manohana ny mpaminanintsika velona isika.

Anatevenako ireo fijoroana ho vavolombelona maro tamin’ity fihaonambe ity ny tenivavolombeloko amin’ny maha-Apôstôly ahy fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra, Tompo sy Mpamonjintsika, ilay Mpanavotra ny zanaky ny Raintsika rehetra. Nataon’i Jesoa Kristy azo tanterahina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany, raha mendrika isika, ny hiverintsika eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra sy hiarahantsika amin’ny fianakaviantsika mandrakizay.

Tsy hoe tsy eo akory ny Mpamonjy mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Nahare Azy niteny tamin’ny alalan’ireo mpitarika nofinidiny isika nandritra ny roa andro ka nahafahantsika nanakaiky Azy kokoa. Manohana antsika hatrany hatrany Izy, amin’ny fitiavana madio sy ny famindram-po, rehefa miatrika ireo zavatra tsy ampoizina sy ireo olana eo amin’ny fiainana isika. Nofariparitan’i Nefia hoe: “Andriamanitro no andriko; Izy no efa nitarika ahy namakivaky ny fahoriako. … Efa nofenoiny ny fitiavany aho.”

Mibaribary izany fitiavana izany rehefa mifanohana isika eo am-panaovana ny asany.

Mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia manohana ny mpaminanintsika velona, ny Fiadidiana Voalohany, ny Manampahefana Ambony, ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana isika. Ny hoe manohana dia midika hoe manampy olona hafa, mampifantoka amin’izy ireo ny saintsika, mahatoky amin’ny fitokisan’izy ireo, manatanteraka ny tenin’izy ireo. Miteny amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo izy ireo, mahatakatra ireo olana misy ankehitriny, ny fitotonganan’ny safidim-pitondrantena eo amin’ny fiarahamonina, ary ny ezaka tsy mitsaha-mitombo ataon’ny fahavalo mba hanakanana ny fahatanterahan’ny drafitry ny Ray. Rehefa manangana ny tanantsika isika, dia manolotra ny fanampiantsika, tsy amin’io fotoana io ihany fa mandritra ny fiainantsika andavanandro.

Tafiditra ao anatin’ny fanohanana ny fanampiana ny filohan’ny tsatòkantsika sy ny evekantsika, ireo mpitarika ao amin’ny kôlejy sy ny rafitra, ny mpampianatra, eny fa na dia ireo tale misahana ny lasy ao amin’ny paroasy sy ny tsatòkantsika aza. Mahakasika ny ankohonana, dia manohana ny vadintsika, ny zanatsika, ny ray aman-drenintsika, ny havantsika lavitra ary ny mpifanolo-bodirindrina amintsika isika. Rehefa mifanohana isika dia milaza hoe: “Eto aho ho anao, tsy hanainga ambony ny sandrinao sy ny tananao fotsiny rehefa -miraviravy- izy ireo fa ho fampaherezana sy tanjaka eo anilanao.”

Mifototra amin’ny soratra masina ilay hevitra hoe manohana. Ireo olona vao vita batisa teo amin’ny Ranon’i Môrmôna dia nanolo-tena ny “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany; … hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra, ary amin’ny toerana rehetra.”

Hoy i Jesoa tamin’ireo Nefita: “Aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratra eo amin’izao tontolo izao. Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony.” Aingantsika ambony ny fahazavan’ny Tompo rehefa mifikitra mafy amin’ny fanekempihavanantsika sy rehefa manohana ny mpaminanintsika velona isika rehefa milaza ny tenin’ Andriamanitra izy.

Hoy ny Filoha Rusell M. Nelson, fony izy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny fanohanantsika ireo mpaminany dia fanolorantena ataon’ny tena manokana fa hanao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hanohanana ireo laharam-pahamehan’izy ireo amin’ny maha-mpaminany azy.”

Asa masina ny manohana ny mpaminany. Tsy mipetraka fotsiny isika dia mangina fa miaro azy amim-pahavitrihana, manaraka ny toroheviny, mampianatra ny teniny, ary mivavaka ho azy.

Hoy ny Mpanjaka Benjamina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny vahoaka: “Izaho dia tahaka ny tenanareo andairan’ny karazany rehetra amin’ny rofin’ny vatana sy ny saina; kanefa dia efa [nofinidy] … aho, ary … navelan’ny tanan’ny Tompo …; ary dia efa notehirizina sy notsimbinina tamin’ny heriny tsy manan-tsahala aho mba hanompo anareo amin’ny hery sy saina ary tanjaka rehetra izay efa nomen’ny Tompo ahy.”

Manohana ny tanan’i Mosesy

Toy izany ihany, ny Filoha Nelson, amin’izao faha-100 taonany izao, dia notehirizina sy notsimbinin’ny Tompo. Ny Filoha Harold B. Lee, izay mpikambana tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia niresaka ny ohatra momba an’i Mosesy nijoro teo ambonin’ny tendrombohitra Refidima. “Mety hihareraka ny tanan’[ny Filohan’ny Fiangonana],” hoy izy. “Mety hitambotsotra izany indraindray noho ireo andraikitra mavesatra sahaniny. Kanefa rehefa manohana ny tanany isika ary mitarika eo ambanin’ny fitarihany, sy eo anilany, dia tsy haharesy anareo sy an’i Isiraely ny vavahadin’ny helo. Ny fiarovana anao sy fiarovana antsika dia miankina amin’ny hoe manaraka ireo olona izay napetraky ny Tompo hiahy ny fiangonany isika na tsia. Fantany izay tiany hiahy ity fiangonana ity, ary tsy hanao fahadisoana izy.”

Misintona zavatra avy amin’ireo taona maro nanompoana ny Filoha Nelson. Mety tsara amin’izao androntsika izao ny fahamatorany, ny traikefa maro isan-karazany azony, ny fahendreny ary ny fandraisany fanambarana tsy tapaka. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manomana izao tontolo izao amin’ilay andro izay hahatonga -ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah- (Isaia 11:9). … Io asa io dia mahazo vahana noho ny fanambarana iray nataon’ Andriamanitra 200 taona lasa izay. Nahitana teny enina monja izany: -Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!’ (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:17).”

Hoy koa ny Filoha Nelson: “Tsy mbola nisy velively fotoana teto amin’ny tantaran’izao tontolo izao ka nahatonga ilay fahalalana ny Mpamonjintsika ho manan-danja manokana sy zava-dehibe ho an’ny olombelona tsirairay mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao. Alaivy sary an-tsaina ny ho nampivaha haingana ireo ady mandravarava manerana an’izao tontolo izao, ary ireo ady atrehantsika eo amin’ny fiainantsika manokana, raha toa ka nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ny olona rehetra.”

Ry rahalahy sy anabavy, mila manolotra fanampiana misimisy kokoa isika fa tsy mimonomonona, fanohanana misimisy kokoa ny tenin’ny Tompo, ny fombany, ary ny mpaminaniny, izay nilaza hoe: “Iray amin’ireo olana tena sarotra atrehantsika amin’izao fotoana izao ny fanavahana ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra sy ny fitak’i Satana. Izany no nahatonga ny Tompo nampitandrina antsika hoe: ‘Mivavaha mandrakariva … mba hahazoa[ntsika] mandresy an’i Satana ary … mandositra ny tanan’ireo mpanompon’i Satana izay manohana ny asan’ [ilay fahavalo] [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5; nampiana fanamafisana].”

Famerenana ny fanokanana ny Tempolin’i Manti Utah.

Ny aprily lasa teo dia voninahitra ho ahy sy Rahavavy Rasband ny niaraka tamin’ny mpaminany malalantsika sy Rahavavy Nelson tamin’ny famerenana ny fanokanana ny Tempolin’i Manti Utah.

Nanampoka ny rehetra ny Filoha Nelson rehefa niditra ny efitrano. Vitsy dia vitsy taminay ihany no nahalala fa ho avy Izy. Rehefa teo anatrehany aho dia tsapako avy hatrany ny fahalalana sy ny andraikitra amin’ny maha-mpaminany izay ananany. Hotsaroako mandrakizay ny fifaliana nisoritra teo amin’ny endriky ny olona izay nahita mivantana ny mpaminany.

Tao anatin’ny vavaka famerenana ny fanokanana dia nangataka tamin’ny Tompo ny Filoha Nelson mba hanohanan’ny tranony masina manokana an’ireo rehetra izay miditra ny tempoly “mba hahafahan’izy ireo mandray ireo fitahiana masina sy mijanona ho mendrika sy mahatoky amin’ny fanekempihavanan’izy ireo … mba hahatonga izany ho tranon’ny fiadanana, tranon’ny fankaherezana, ary tranon’ny fanambarana ho an’ny tena manokana ho an’ireo rehetra izay miditra amim-pahamendrehana ireo varavarana ireo.”

Isika rehetra dia samy mila ankaherezin’ny Tompo amin’ny fiadanana, sy ny fankaherezana ary indrindra fa amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana mba hiadiana amin’ny tahotra, ny haizina ary ny fifandirana izay hita manerana izao tontolo izao.

Mialoha ilay fotoam-panokanana, dia nijoro teo ambany tara-masoandro niaraka tamin’ny Filoha sy Rahavavy Nelson izahay mba hijery ilay toerana kanto. Manana razambe marobe ao amin’io faritra io ny Filoha Nelson. Nanorim-ponenana teo amin’ireo lohasaha manodidina ny tempoly tahaka ny nataon’ny sasany tamin’ny ahy ireo ray aman-drenin’ireo ray aman-drenibeny miisa valo. I Andrew Anderson izay rain’ny raibeko avy amin’ny reniko dia nanompo tao amin’ny ekipa mpanorina trano tamin’ireo mpamaky lay tany aloha izay niasa 11 taona vao nahavita ny Tempolin’i Manti, izay fahatelo teo amin’ny Montagnes Rocheuses.

Rehefa niara-nijoro tamin’ny Filoha Nelson izahay dia nanana fahafahana hanohana sy hanampy ny mpaminanin’ Andriamanitra tamin’ny fankalazana ny famerenana ny fanokanana ilay trano masin’ny Tompo. Andro iray tsy hohadinoiko mihitsy izany.

“Manorina tempoly isika mba hanomezam-boninahitra ny Tompo,” hoy ny Filoha Nelson tamin’io andro masina io. “Aorina mba hitsaohana izy ireny fa tsy haseho mba hampitolagaga ny hafa. Manao fanekempihavanana masina manana lanjany mandrakizay isika ao anatin’ireo rindrina masina ireo.” Manangona an’i Isiraely isika.

Ny Filoha Nelson sy ireo mpaminany teo alohany dia tena miraharaha sy manome lanja ireo tempoly masina. Ankehitriny, manerana izao tontolo izao, dia manana trano masin’ny Tompo miisa 350 am-perinasa sy nambara ary eo an-dalam-panamboarana isika. Rehefa lasa mpaminany ny Filoha Nelson, nanomboka tamin’ny 2018, dia 168 no isan’ny tempoly nambarany.

“Amin’izao androntsika izao,” araka ny voalazany, dia “ilaina ny hisian’ny fifamatorana eo amin’ny firaisana feno sy tanteraka eo amin’ireo fotoampitantanana sy ny fanalahidy ary ny hery rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18). Noho ireo tanjona masina ireo dia hita maneran-tany ankehitriny ireo tempoly masina. Antitranteriko indray fa mety tsy hampiova ny fiainanareo ny fananganana ireo tempoly fa ny asa fanompoana ataonareo ao amin’ny tempoly kosa anefa dia hampiova izany.”

“Ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany no ampahany manan-danja indrindra amin’ny tempoly,” hoy ny Filoha. “Ny zavatra rehetra ampianarina any amin’ny tempoly, amin’ny alalan’ny fampianarana sy amin’ny alalan’ny Fanahy, dia mampitombo ny fahatakarantsika momba an’i Jesoa Kristy. Ireo ôrdônansy ilaina omeny dia mampifamatotra antsika Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny fisoronana. Avy eo, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia hotafiany amin’ny heriny manasitrana sy mampatanjaka.”

“Izay rehetra mitsaoka ao amin’ny tempoly,” hoy ny Filoha Nelson, “dia hanana ny herin’ Andriamanitra sy hanana anjely izay -[m]ikarakara azy ireo- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22]. Hatraiza ny fitomboan’ny fahatokian-tenanao noho ny fahafantarana, amin’ny maha vehivavy na lehilahy efa nandray ny fanafiana masina [na zatovo mpandeha any amin’ny tempoly] nampirongoana ho fiadiana ny herin’ Andriamanitra anao, fa ianao dia tsy voatery hiatrika samirery ny fiainana? Inona no herim-po azonao noho ny fahafantaranao fa tena hanampy anao tokoa ny anjely?”

Ireo anjely manolo-tanana mba hanohanana antsika dia nofariparitana ao amin’ny soratra masina tamin’ny fotoana izay nandohalihan’i Jesoa Kristy tamim-panetrentena tao amin’ny sahan’i Getsemane. Nanolotra Sorompanavotana tsy misy fetra tamin’ny alalan’ny fijaliany Izy. “Tao,” hoy ny Filoha Nelson, “no nitranga ny fanehoam-pitiavana tokana lehibe indrindra voarakitra tao anatin’ny tantara. … Tao Getsemane, ny Tompo dia -niaritra fahafatesana tamin’ny nofo; koa niaretany ny fangirifirian’ny olon-drehetra- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11].”

“Esory amiko ity kapoaka ity,” hoy i Jesoa Kristy nangataka, “nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.

“Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.”

Misy anjely manodidina antsika ankehitriny. Hoy ny Filoha Nelson: “Hianatra ny fomba hanokafana ny voaly manasaraka ny lanitra sy ny tany, sy ny fomba fangatahana ny fanampian’ny anjelin’ Andriamanitra, ary ny fomba tsaratsara kokoa mba handraisana fitarihana avy any an-danitra [ianao ao amin’ny tempoly].”

Mitondra fahazavana ny anjely. Ny fahazavan’ Andriamanitra. Hoy i Jesoa tamin’ireo Apôstôly Nefitany, “Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony.” Rehefa manohana ny mpaminanintsika isika dia mijoro ho vavolombelona fa izy dia nantsoin’ny Mpamonjintsika, izay “fahazava[n’] … izao tontolo izao.”

Ry Filoha Nelson, amin’ny anaran’ny mpikambana sy ny namana ato amin’ny Fiangonan’ny Tompo manerana izao tontolo izao no ilazako fa mahatsapa ho voatahy izahay manainga ambony ny fampianaranao, sy manohana ny ohatra asehonao amin’ny fananana fiainana tahaka ny an’i Kristy, ary manohana ny fijoroana ho vavolombelona amin-kafanam-po zarainao momba ny Tompo sy Mpamonjy ary Mpanavotra antsika rehetra.

“Mizara ny fijoroako ho vavolombelona amin’ny maha-Apôstôly ahy aho fa i Jesoa Kristy no “fahazava[n’] … izao tontolo izao.” Enga anie isika rehetra, amin’ny maha-mpianany antsika mba “hanainga ambony” ny fahazavany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.