Liahona
Ao anatin’ny taona tsy dia maro loatra
Nôvambra 2024


16:16

Ao anatin’ny taona tsy dia maro loatra

Raha tsy mahatoky sy mankatò isika, dia afaka manova ny fitahian’ny firoboroboana avy amin’ Andriamanitra ho ozona feno avonavona izay mamily sy mandrebireby antsika.

Ry rahalahy sy ranabavy malala, raha mipetraka ety amin’ny lampihazo ety aho dia mahita an’ity Ivontoeran’ny Fihaonambe ity feno tanteraka in-telo, izay voalohany indrindra hatramin’ny nisian’ny COVID. Mpanaradia an’i Jesoa Kristy feno fanoloran-tena tokoa ianareo, izay maniry mafy ny hianatra. Midera anareo aho noho ny fahatokianareo. Ary tiako ianareo.

Nanompo tamin’ny naha-Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany nanomboka tamin’ny nôvambra 1985 ka hatramin’ny mey 1994 i Ezra Taft Benson. 33 taona aho tamin’ny fotoana naha lasa Filohan’ny Fiangonana ny Filoha Benson ary 42 taona rehefa nodimandry izy. Ary ny fampianarany sy ny fijoroany ho vavolombelona dia nisy fiantraikany tamiko tamin’ny fomba lalina sy mahery vaika.

Iray amin’ireo zavatra nampiavaka ny asa fanompoan’ny Filoha Benson ny fifantohany tamin’ny tanjona sy ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna. Nohamafisiny ombieny ombieny fa “ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fivavahantsika—ny vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, ny vato ifaharan’ny fotopampianarantsika ary ny vato ifaharan’ny tenivavolombelona ananantsika momba ny Tompo sy Mpamonjy antsika.” Matetika koa izy no nanantitrantitra ireo fampianarana sy fampitandremana momba ny fahotana noho ny avonavona hita ao amin’ity testamenta momba an’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany ity.

Nisy fiantraikany lehibe tamiko ny fampianarana iray manokana nataon’ny Filoha Benson ary mbola misy fiantraikany amin’ny fandalinako ny Bokin’i Môrmôna. Hoy izy:

“Nosoratana ho an’ izao androntsika izao … ny Bokin’i Môrmôna. Tsy nanana izany boky izany na oviana na oviana ny Nefita, na koa ireo Lamanita tamin’ny andro fahiny. Natao ho antsika izany. Taty amin’ny faramparan’ny sivilizasiôna Nefita no nanoratra i Môrmôna. Namintina ireo rakitsoratra tao anatin’ny taonjato maro i [Môrmôna], nisafidy ireo tantara sy lahateny ary zava-nitranga izay hanampy antsika indrindra, notarihan’ny fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra, izay mahita ny zava-drehetra hatrany am-piandohana”.

Notohizan’ny Filoha Benson hoe: “Ny tsirairay avy tamin’ireo mpanoratra fototra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nijoro ho vavolombelona fa nanoratra ho an’ny taranaka ho avy izy. … Raha toa ka nahita ny androntsika izy ireo ary nisafidy ireo zavatra izay hanan-danja kokoa ho antsika, moa ve tsy toy izany no tokony handalinantsika ny Bokin’i Môrmôna? Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: -Nahoana ny Tompo no nanome fitaomam-panahy an’i Môrmôna mba hampiditra [an’io tantara io] ao amin’ny rakitsorany? Inona no lesona azoko ianarana avy amin’ [izany fampitandremana izany] mba hanampy ahy eo amin’ny fiainako amin’izao andro sy vanim-potoana izao?-”

Ny zavatra nolazain’ny Filoha Benson dia manampy antsika hahatakatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia tsy rakitsoratra ara-tantara izay mifantoka amin’ny lasa fotsiny ihany. Fa io boky soratra masina io dia mibanjina kosa ny ho avy ary mirakitra fitsipika sy fampitandremana ary lesona manan-danja natao ho an’ireo toe-javatra sy fanamby amin’izao androntsika izao. Noho izany, ny Bokin’i Môrmôna dia boky momba ny hoavintsika sy ny fotoana izay iainantsika ankehitriny sy mbola hiainantsika.

Mivavaka aho mba hahazo ny fanampian’ny Fanahy Masina rehefa hifantoka amin’ireo lesona manan-danja ho antsika ankehitriny avy ao amin’ny Bokin’i Helamàna ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika.

Ireo Nefita sy ireo Lamanita

Ny rakitsoratr’i Helamàna sy ireo zanany lahy dia mitantara vahoaka iray izay niandrandra ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Ny dimampolo taona voatantara ao amin’ilay rakitsoratry ny soratra masina dia manasongadina ny fiovam-po sy ny fahamarinan’ny Lamanita ary ny faharatsiana sy ny apôstazia ary ny fahavetavetan’ireo Nefita.

Tena mitondra fampianarana ho antsika ankehitriny ny andiana fampitahana sy fifanoherana teo amin’ireo Nefita sy ny Lamanita avy amin’io rakitsoratra fahiny io.

“Ny Lamanita dia efa tonga olo-marina ny ankamaroany, hany ka ny fahamarinany dia nihoatra ny an’ny Nefita, noho ny fiorenany sy ny fifotorany tao amin’ny finoana.

“[Ary] nisy maro tamin’ny Nefita no efa nanjary nihamafy fo sy tsy nivalo ary bontolo ratsy tokoa, hany ka notsipahiny ny tenin’ Andriamanitra sy ny fitoriana ary ny faminaniana rehetra izay tonga tany anivony.”

“Ary dia toy izany no ahitantsika fa ny Nefita dia nanomboka nihemotra tao amin’ny tsy finoana sy nitombo tao amin’ny faharatsiana sy ny fahavetavetana, raha nanomboka nitombo izaitsizy tokoa tao amin’ny fahalalana an’ Andriamaniny ny Lamanita; eny, izy dia nanomboka nitandrina ny fitsipiny sy ny didiny ary nandeha tamin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana teo anoloany.

“Ary dia toy izany no ahitantsika fa ny Fanahin’ny Tompo dia nanomboka niala tamin’ny Nefita, noho ny faharatsiana sy ny hamafin’ny fony.

“Ary dia toy izany no ahitantsika fa nanomboka nandrotsaka ny Fanahiny tamin’ny Lamanita ny Tompo, noho ny fahamorany sy ny finiavany hino ny teniny.”

Angamba ny lafiny mampitolagaga sy mampanontany tena indrindra amin’ity fitotongan’ny Nefita ho amin’ny apôstazia ity dia ny hoe “tonga taminy tao anatin’ny taona tsy dia maro loatra ireny heloka rehetra ireny.”

Nivadika tamin’ Andriamanitra ireo Nefita

Ahoana no nahatonga ny vahoaka iray izay efa marina taloha ho lasa manamafy fo sy olon-dratsy ao anatin’ny fotoana fohy toy izany? Ahoana no ahafahan’ny olona manadino haingana an’ilay Andriamanitra izay nitahy azy ireo izaitsizy tokoa?

Amin’ny fomba mahery vaika sy lalina, ny oha-dratsin’ny Nefita dia mampianatra antsika ankehitriny.

“Ny fiavonavonana … [dia] nanomboka niditra … tao am-pon’ ny olona kosa izay nihambo ho isan’ ny fiangonan’ Andriamanitra … noho ny hareny lehibe izaitsizy tokoa sy ny firoboroboany teo amin’ny tany.”

“[Izy ireo] dia efa nametraka ny fo[ny] tamin’ny harena sy ny zava-poanan’izao tontolo izao” “noho ity avonavona izay … efa navela[ny] hiditra ny fo[ny] ity, … , izay efa nanandratra [azy ireo] ho ambony mihoatra izay tsara noho ny harena[ny] betsaka izaitsizy tokoa!”

Ireo feo fahiny avy ao amin’ny vovoka dia miangavy antsika amin’izao fotoana izao mba hianatra ity lesona mandrakizay ity: ny firoboroboana, ny fananana, ary ny fiadanana dia fifangaroan-javatra mahery vaika izay mety hitarika na dia ny olo-marina aza hisotro ny poizina ara-panahin’ny avonavona.

Ny famelana ny avonavona hiditra ao am-pontsika dia mety hahatonga antsika hanaraby ny zavatra izay masina, tsy hino ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanambarana; hanosihosy ny didin’ Andriamanitra; handà ny tenin’ Andriamanitra, handroaka, haneso, ary hamingavinga ny mpaminany, sy hanadino ny Tompo Andriamanitsika, ary “tsy [haniry] ny Tompo Andriamani[tsika] izay efa nahary [antsika] mba hanapaka sy hanjaka [amintsika].”

Noho izany, raha tsy mahatoky sy mankatò isika, dia afaka manova ny fitahian’ny fanambinana avy amin’ Andriamanitra ho ozona feno avonavona izay mamily sy mandrebireby ny saintsika amin’ireo fahamarinana mandrakizay sy ireo laharam-pahamehana ara-panahy tena ilaina. Tsy maintsy mitandrina mandrakariva isika amin’ny avonavona diso tafahoatra ateraky ny fahatsapana ho manan-danja be noho ny hafa, ny fanombanana diso ny amin’ny fahavitan-tenantsika, ary ny fikatsahana izay ho an’ny tena toy izay ny fanompoana ny hafa.

Rehefa mifantoka amin’ny tenantsika amim-piavonavonana isika, dia tratran’ny fahajambana ara-panahy ihany koa ary maro ny zavatra izay tsy tsikaritsika, amin’ny ankabeazany, na angamba izay rehetra mitranga ao anatintsika sy manodidina antsika. Tsy afaka hijery sy hifantoka amin’i Jesoa Kristy mba ho ilay “tanjona” isika raha toa ka ny tenantsika ihany no hitantsika.

Ny fahajambana ara-panahy toy izany koa dia mety hahatonga antsika hivily hiala amin’ny lalan’ny fahamarinana, hianjera any amin’ ny lalana voarara, ka ho very. Rehefa “mivily an-jambany mankany amin’ny lalan[tsika]” isika ary manaraka ireo lalan-dratsy manimba, dia mirona hiankina amin’ny fahalalantsika isika, hirehareha amin’ny herintsika samirery, ary hiantehitra amin’ny fahendrentsika manokana.

Nofintinin’i Samoela ilay Lamanita tamin’ny teny fohy ny fivadihan’ireo Nefita tamin’ Andriamanitra: “Fa efa nikatsaka nandritra ny androm-piainanareo ianareo izay tsy nety ho azonareo; ary efa nikatsaka ny fahasambarana ianareo tamin’ny fanaovana heloka, izay zavatra mifanohitra amin’ny toetran’ity fahamarinana ity izay ao amin’ny Filohantsika lehibe sy mandrakizay ”

Nilaza ny mpaminany Môrmôna “fa ny ankamaroan’ny vahoaka dia nijanona tao amin’ny fiavonavonany sy ny faharatsiany, ary ny ankavitsiana kosa dia nandeha tamim-pahamalinana be tokoa teo anoloan’ Andriamanitra.”

Nitodika tamin’ Andriamanitra ireo Lamanita

Ao amin’ny Bokin’i Helamàna, ny fitomboan’ny fahamarinan’ny Lamanita dia manome fifanoherana tanteraka amin’ny fitotonganana ara-panahy haingana nisy teo amin’ireo Nefita.

Nitodika tamin’ Andriamanitra ny Lamanita ary nentina ho amin’ny fahalalana ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny finoana ny fampianarana ao amin’ny soratra masina sy ny an’ireo mpaminany, ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ny fibebahana tamin’ny fahotany, ary ny fahatsapana fiovam-po mahery vaika.

“Koa, izay rehetra tonga amin’izany, fantatry ny tenanareo ihany, fa miorina sy mifototra ao amin’ny finoana izy, sy ao amin’ny zavatra izay efa nanafahana azy.”

“Ary mba tiako ny hahitanareo fa ny ankamaroan’[ireo Lamanita] dia mby amin’ny lalan’ny adidiny ary izy dia mandeha amim-pahamalinana tokoa eo anoloan’ Andriamanitra, sy miezaka ny hitandrina ny didiny sy ny satany ary ny fitsarany. …

“… Milofo izy miaraka amin’ny fahazotoana tsy mety sasatra mba hahazoany mitondra ny sisa tavela amin’ny rahalahiny ho amin’ny fahalalana ny marina”.

Vokatr’izany, ny “fahamarinan’[ireo Lamanita] dia nihoatra ny an’ny Nefita, noho ny fiorenany sy ny fifotorany tao amin’ny finoana.”

Fampitandremana sy fampanantenana

Nanambara i Môrônia hoe: “Indro, ny Tompo dia efa naneho tamiko zavatra lehibe sy mahatalanjona momba izay tsy maintsy ho avy tsy ho ela, amin’izany andro izany rehefa hitranga eo anivonareo ireo zavatra ireo.

“Indro, miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo, ary tsy eto anefa ianareo. Nefa indro, efa nasehon’i Jesoa Kristy ahy ianareo, ary fantatro ny ataonareo.”

Mba tsarovy fa ny Bokin’i Môrmôna dia mibanjina ny ho avy ary mirakitra fitsipika sy fampitandremana ary lesona manan-danja natao ho ahy sy ho anao amin’ny toe-java-misy sy ny fanamby amin’izao androntsika izao.

Mety hitranga amin’ny ambaratonga fototra roa ny apôstazia—eo anivon’ny rafitra sy ny isam-batan’olona. Eo anivon’ny rafitra, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia tsy ho very amin’ny alalan’ny apôstazia na hoesorina hiala eto an-tany.

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nanambara hoe: “Tafatsangana ilay Fanevan’ny Fahamarinana; tsy misy tanana tsy masina afaka hampitsahatra ny asa tsy handroso; … ny fahamarinan’ Andriamanitra dia handroso amim-pahasahiana, amim-boninahitra ary tsy hiankina amin-javatra hafa, mandrapanenik’izany ireo kaontinanta rehetra, hitsidihan’izany ny havoana rehetra, handalovany ny firenena rehetra ary hokasihan’izany ny sofina rehetra, ka ho tanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ary hilaza ilay Jehovah Lehibe hoe vita ny asa.”

Eo amin’ny sehatry ny isam-batan’olona, ny tsirairay amintsika dia tsy maintsy “[mitandrina] amin’ny avonavona, fandrao hanjary ho toy ny Nefita fahiny [isika].”

Mamelà ahy hanoro hevitra fa raha toa ianao na izaho ka mino fa efa ampy ny hery ananantsika ary mafy orina isika mba hialana amin’ny fizahozahoan’ny avonavona, dia angamba efa tratran’io aretina ara-panahy mahafaty io sahady isika. Raha lazaina amin’ny teny tsotra, raha toa ianao na izaho tsy mino fa mety hanana sy handairan’ny avonavona isika, dia mora tohina sy tandindomin-doza ara-panahy isika. Ao anatin’ny andro, herinandro, volana, na taona tsy dia maro loatra, dia mety hanary ny fizokiana ara-panahintsika ho ana zavatra ambany lanja kokoa noho ny voanemba masaka isika.

Kanefa, raha toa ianao na izaho mino fa mety hanana sy handairan’ny avonavona isika, amin’izany isika dia hanao tsy tapaka ireo zava-madinika sy tsotra izay hiaro sy hanampy antsika ho tonga “tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina [antsika].” “Hotahiana izay manetry ny tenany, rehefa tsy terena hanetry tena.”

Rehefa manaraka ny torohevitry ny Filoha Benson isika ary manontany tena hoe nahoana ny Tompo no nanome fitaomam-panahy an’i Môrmôna mba hampiditra ao amin’ny famintinany ny Bokin’i Helamàna ireo tantara sy fananarana ary fampitandremana izay nataony, dia mampanantena aho fa ho takatsika ny fahafahana mampihatra ireo fampianarana ireo amin’ny toetoetra manokana momba ny fiainantsika tsirairay sy ny fianakaviantsika ankehitriny. Rehefa mandalina sy misaintsaina io rakitsoratra nentanim-panahy io isika dia hotahiana amin’ny fananana maso hahita, sofina handre ary saina sy fo hahatakatra ireo lesona tokony hianarantsika mba “[hitandrina] amin’ny fiavonavonana, fandrao hiditra ao amin’ny fakam-panahy [isika].”

Mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana aho fa Andriamanitra Ilay Ray Mandrakizay no Raintsika. I Jesoa Kristy no ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra sy Zanaka Malalany. Izy no Mpamonjintsika. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mandeha ao amin’ny fahalemem-panahin’ny Fanahin’ny Tompo isika dia hisoroka sy handresy ny avonavona ka hanana fiadanam-po ao Aminy. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.