Ny tian’ Andriamanitra indrindra
Rehefa fenon’ny fitiavan’ Andriamanitra isika dia ho voaro amin’ny tafio-drivotry ny fiainana nefa koa mahatonga ireo fotoana mahafaly ho mahafaly kokoa.
Mialoha ny hanombohako dia aleoko lazaina aminareo fa roa tamin’ireo zanako no torana raha niteny teo amin’ny polipitra, ary tsy mbola nahatsapa ho tahaka azy ireo mihitsy aho raha tsy amin’izao fotoana izao. Be dia be ny zavatra tonga ato an-tsaiko ankoatra ny faniriana te hisitrika anaty lavaka.
Manan-janaka enina ny ankohonanay izay matetika no mifananihany hoe izy no zanaka tiana indrindra. Samy manana ny antony mahatonga azy milaza ho tiana indrindra ny tsirairay amin’izy ireo. Ny fitiavanay an’ireo zanakay dia madio sy mahafeno ary feno. Tsy afaka ny hitia ny iray amin’izy ireo ambony kokoa noho ny iray hafa izahay, fitomboan’ny fitiavana tsara indrindra no tsapanay tamin’ny nahaterahan’ny zanakay tsirairay avy. Takatro tsara ny fitiavan’ny Raiko any An-danitra ahy amin’ny alalan’ny fitiavana ananako ho an’ireo zanako.
Rehefa samy mamerina ny mahatonga azy ireo ho zanaka tiana indrindra izy ireo dia mety ho nieritreritra ianareo fa tsy mbola nisy efitrano fatoriana nikorontana izany mihitsy tao amin’ny fianakavianay. Mihena ny fahatsapana ireo zavatra tsy tomombana eo amin’ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka rehefa mifantoka amin’ny fitiavana.
Misy fotoana, angamba rehefa hitako hoe mirona mankany amin’ny ady ao an-tokantrano izahay, dia miteny toy izao aho: “Eny ary, mandreraka ahy ianareo, saingy tsy hoteneniko ilay izy, fantatrareo hoe iza aminareo no tiako indrindra.” Ny tanjoko dia hoe mba samy hahatsapa ho nandresy izy enina ary voasoroka ny hanaovana izay handresena amin’ilay ady … farafaharatsiny hatramin’ny manaraka indray!
Ao amin’ny Filazantsarany i Jaona dia milaza ny tenany ho “mpianatra izay tian’i Jesoa,” toy ny hoe miavaka izany ilay filazana. Tiako ny mieritreritra hoe satria nahatsapa ho tena tian’i Jesoa loatra i Jaona. Nanome fahatsapana toy izany tao amiko i Nefia raha nanoratra hoe: “Mirehareha ny amin’i Jesoako aho.” Mazava ho azy fa tsy an’i Nefia ny Mpamonjy ary tsy an’i Jaona ihany koa, fa ny toetran’ny fifandraisana manokana nananan’i Nefia tamin’i Jesoa“ny” no nahatonga azy hanao io famariparitana feno fitiavana io.
Tsy mahafinaritra ve hoe misy fotoana isika mahatsapa ho tena voamarika sy tiana tanteraka sy manokana? Afaka niantso Azy hoe Jesoa“ny” i Nefia, ary isika koa dia afaka manao izany. Ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika no “ny avo indrindra, ny mihaja indrindra, ny mahery indrindra amin’ny karazam-pitiavana,” ary manolotra foana izy ambarapahatonga antsika ho “feno.” Ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy ho levona mandrakizay, ary samy maminy avokoa isika tsirairay avy. Ny fitiavan’ Andriamanitra no toerana mampiray antsika, toy ny amin’ireo faribolana amin’ny diagramme de Venn. Na misy ampahany amintsika aza miavaka dia ao amin’ny fitiavany no ahitantsika ny firaisana.
Dia mahagaga ve raha toa ka ny mitia an’ Andriamanitra sy ny mitia ny manodidina antsika no didy lehibe voalohany? Rehefa mahita olona maneho fitiavana ny hafa toy ny nataon’i Kristy aho dia amiko izany fitiavana izany dia toa misy zavatra mihoatra ny fitiavany fotsiny; fitiavana ahitana ny fitiavan’ Andriamanitra izany. Rehefa mifankatia toy izany isika, amin’ny fomba feno sy tanteraka araka izay vitantsika, dia miditra an-tsehatra ao amin’izany ihany koa ny fitaoman’ny lanitra.
Noho izany raha misy olona iray izay tiantsika toa lavitry ny fahatsapana ny fitiavan’ Andriamanitra dia azontsika arahina io lamina io—amin’ny fanaovana zavatra izay mahatonga antsika ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra, avy eo manao zavatra izay mahatonga antsika ho akaiky kokoa azy ireo—karazana antso iray ankolaka ny hanatona an’i Kristy.
Maniry aho ny hiara-mipetraka aminareo ary hanontany anareo hoe inona no toe-javatra mahatonga anareo hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra. Andininy inona ao amin’ny soratra masina, asa fanompoana manokana inona? Toerana mety hisy anao aiza? Hira inona? Miaraka amin’iza? Ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia toerana lehibe ahafahana mianatra momba ny fifandraisana amin’ny fitiavan’ Andriamanitra.
Saingy mahatsapa ho lavitry ny fitiavan’ Andriamanitra angamba ianao. Mety misy feo maro manakivy sy haizina mitambesatra ao an’eritreritrao, hafatra izay milaza aminao fa maratra sy very hevitra, na trotraka loatra sy tsy misy miraharaha, na miavaka loatra na very lalana ianao ka tsy afaka mahazo ny fitavan’ Andriamanitra mihitsy. Raha maheno ireo hevitra ireo ianao dia mba henoy izao: diso tsotra izao ireo feo ireo. Afaka tsy miraharaha amim-patokian-tena ny fahatorotoroana izay manakana antsika amin’ny fomba rehetra tsy handray ny fitiavan’ Andriamanitra isika, isaky ny hiraintsika ilay fihirana izay mampahatsiahy antsika fa ny Mpamonjintsika malala sy tsisy pentina dia nisafidy ny “ho faty sy ho torotoroina ary noviraviraina ho antsika.” Azo antoka fa esorin’i Jesoa ny henatra rehetra amin’ireo izay notorotoroina. Tamin’ny alalan’ny naha-torotoro Azy no nahatonga Azy ho lasa tanteraka, ary azony atao tanteraka isika na dia torotoro aza. Notorotoroina, irery, noviraviraina, ary novonoina Izy, izay mety ho tsapantsika mihatra amintsika koa, saingy raha ny ho tafasaraka amin’ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy hahazo antsika. Araka ny lazain’ilay hira iny hoe: “olona notorotoroina; fitiavana tonga lafatra.”
Mety mahafantatra zavatra tsiambaratelo mahakasika ny tenanao ianao izay mahatonga anao hahatsapa ho tsy tokony hotiavina. Na dia mety ho marina aza ilay zavatra fantatrao momba ny tenanao dia tsy marina ny eritreritrao hoe nametraka ny tenanao tsy ho takatry ny fitiavan’ Andriamanitra ianao. Indraindray isika masiaka sy tsy manam-paharetana loatra amin’ny tenantsika mihoatra ny mety ho ataontsika amin’olon-kafa. Betsaka no mbola tokony hataontsika eto amin’ity fiainana ity saingy tsy ao anatin’izany ny fankahalana tena sy ny fanamelohana tena mahamenatra. Na dia tsapantsika ho ratsy endrika toy ny ahoana aza isika dia tsy fohy ny tanany. Tsia. Ahinjiny lava foana izany mba “hahatakatra antsika” sy hamihina antsika tsirairay.
Rehefa tsy mahatsapa ny hafanan’ny fitiavan’ Andriamanitra isika dia tsy hoe nandao izany. Andriamanitra mihitsy no niteny hoe “na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala amin[tsika] ny famindram-po[ny].” Noho izany, mba hampazava azy tsara, ilay hevitra hoe nitsahatra nitia Andriamanitra dia tokony ho any amin’ny faran’ny lisitry ny fanazavana azo omena momba ny fiainana ka rehefa nifindra mihitsy ny tendrombohitra sy nihetsika mihitsy ny havoana vao tonga amin’izany isika!
Tena mahafinaritra ahy io tandindon’ny tendrombohitra io ho porofon’ny maha tena azo antoka ny fitiavan’ Andriamanitra. Io tandindona mahery vaika io dia hita ao amin’ny tantaran’ireo izay mandeha any an-tendrombohitra mba handray fanambarana sy ny famaritan’i Isaia “ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” izay “haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra.” Ny tranon’ny Tompo no tranon’ny fanekempihavanantsika sarobidy indrindra ary toerana fisintahana ho antsika rehetra sy hahatsapantsika lalina ny fitiavan’ny Raintsika antsika. Tiako ihany koa ny fampiononana tonga ao amin’ny fanahiko rehefa mifikitra lalina kokoa amin’ny fanekempihavanan’ny batisako aho sy rehefa mahita olona mitomany noho ny fahaverezana na malahelo noho ny fahadisoam-panantenana ka miezaka manampy azy aho hihazona sy hikarakara ny fahatsapany. Moa ve izy ireny fomba ahafahantsika miroboka kokoa ao amin’ilay fitiavana avy amin’ny fanekempihavanana sarobidy, dia ny hesed?
Koa raha tsy mandao antsika ary ny fitiavan’ Andriamanitra, nahoana isika no tsy mahatsapa azy foana? Mba tsy hanantenanareo be dia tsy fantatro ny valiny. Saingy ny hoe tiana dia tsy mitovy amin’ny fahatsapana ho tiana, ary manana hevitra vitsivitsy aho izay mety hanampy anareo hahita ny valin’io fanontaniana io.
Mety mitolona amin’ny alahelo, na ny fahaketrahana, na ny fivadiham-pitokisana, na ny fanirery, na ny fahadisoam-panantenana, na zavatra mahery vaika hafa manakana ny fahafahanao mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra angamba ianao. Raha izany dia mety handrendrika na hampiato ny fahafahantsika mahatsapa izay zavatra tokony ho tsapantsika ireo zavatra ireo. Hisy fotoana farafaharatsiny mety tsy hahafahanao mahatsapa ny fitiavany, fa fahalalana ihany dia tokony ho ampy. Saingy manontany tena aho raha toa ka afaka manandrana—amim-paharetana—fomba hafa hanehoana sy handraisana ny fitiavan’ Andriamanitra ianareo. Afaka mihemotra kely amin’izay rehetra eo anoloanao ve ianao ary angamba handray dingana iray sy iray hafa mandra-pidadasika kokoa ny fahitanao, midadasika kokoa hatrany raha ilaina mandra-pahatonga anao “hisaina amin’ny fomba selestialy” satria mijery ireo kintana ianao ary mahatsiaro ireo tontolo tsy hita isa, ka hahita ny Mpahary amin’ny alalan’izy ireo?
Ny feom-borona, ny fahatsapana ny masoandro na ny rivotra na ny orana eo amin’ny hoditro, ary ireo fotoana izay anaovan’ny zavaboary ny saiko ho talanjona amin’ Andriamanitra, ireo rehetra ireo dia samy anisan’ny nanome ahy fifandraisana amin’ Andriamanitra. Mety hanampy angamba ny fankaherezana avy amin’ireo namana mahatoky? Sa ve ny mozika? Na ny fanompoana? Moa ve nitana rakitsoratra na diary misy ireo fotoana nampazava kokoa ny fifandraisanao tamin’ Andriamanitra ianao? Angamba azonao asaina ireo olona atokisanao mba hizara ny loharanon’ny fifandraisany amin’ Andriamanitra eo am-pikarohanao fanamaivanana sy fahatakarana.
Manontany tena aho hoe raha i Jesoa no misafidy toerana iray ahafahanareo mihaona, toerana iray manokana ahafahanao mifantoka tanteraka Aminy, mety hifidy ilay toerana tokana ijalianao manokana ve Izy, ilay toerana misy ny filanao lalina indrindra, izay tsy misy afaka mandeha? Toerana iray izay ahatsapanao ho manirery tokoa ka tsy maintsy ho irery tanteraka ianao nefa tsy tena izany, toerana iray izay mety Izy irery no efa nandeha tao saingy efa nomaniny hihaonana aminao rehefa tonga any ianao? Raha miandry Azy ho tonga ianao, moa ve tsy efa ao Izy sady azo an-tanana?
Raha mahatsapa ho voky fitiavana ianao amin’izao vanim-potoana amin’ny fiainanao izao, dia miezaha mifikitra amin’izany amin’ny fomba mahomby toy ny sivana mitana rano. Afafazo amin’ny toerana rehetra alehanao izany. Iray amin’ireo fahagagana eo amin’ny fitantanan’ Andriamanitra an’izao rehetra izao ny hoe rehefa miezaka mizara ny fitiavan’i Jesoa isika dia hiaina an’ilay fitsipika manao hoe “na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.”
Rehefa fenon’ny fitiavan’ Andriamanitra isika dia ho voaro amin’ny tafio-drivotry ny fiainana nefa koa mahatonga ireo fotoana mahafaly ho mahafaly kokoa—ireo andro mahafaly antsika, izay mampibaliaka ny masoandro, dia lasa mazava kokoa noho ilay hazavana ao anaty fanahintsika.
Aoka isika ho lasa “hamaka sy hiorina mafy” ao amin’i Jesoa sy ny fitiavany. Andeha isika hitady sy hankamamy traikefa hahatsapana ny fitiavany sy ny heriny eo amin’ny fiainantsika. Misy ho an’ny rehetra ny fifaliana avy amin’ny filazantsara, tsy ho an’ireo faly ihany, tsy ho an’ireo mitanondrika ihany. Tanjontsika ny fifaliana, fa tsy fanomezana avy amin’ny zavatra iainantsika. Manana antony tsara isika entina “mifaly sy ho fenon’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra.” Andeha hameno ny tenantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.