Tsotra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy
Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny maha-asa masina ny fampianarana an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra ny fotopampianarana tsotra an’i Jesoa Kristy.
Isika rehetra dia manana havan-tiana mandalo fakam-panahy sy fitsapana avy amin’ireo herin’i Satana izay toa tsy mitsaha-miasa. Eny i Satana, ilay mpandrava izay manao izay hampahory ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Ho an’ny ankamaroantsika dia tao ireo alina tsy nahitan-tory. Efa niezaka nanemitra ireo olona tandindomin-doza ho very tamin’ny herin’ny tsara rehetra isika. Nivavaka tamim-pitalahoana ho azy ireo isika. Notiavintsika izy ireo. Nampiseho ohatra tsara indrindra araka izay vitantsika isika.
I Almà, mpaminany fahiny iray, dia niatrika fitsapana nitovitovy tamin’izany. Matetika ireo olona notarihany sy tiany no notafihan’ny fahavalo lozabe iray kanefa mbola niezaka nanabe zanaka mpandala fahamarinana tao anatin’ny tontolo feno faharatsiana ihany izy ireo. Tsapan’i Almà fa ny hany fanantenany mba handresena dia ny hery iray izay misy fotoana mety hamaivanintsika ary matetika no zara raha ampiasaintsika. Nitalaho ny fanampian’ Andriamanitra izy.
Fantatr’i Almà fa mba hanampian’ Andriamanitra dia nila nibebaka ireo olona notarihiny mbamin’ireo fahavalony koa. Noho izany dia nisafidy fomba hoenti-miady iray hafa izy.
Toy izao no amariparitan’ny Bokin’i Môrmôna izany: “Ary ankehitriny, satria nanana fironana lehibe hitarika ny olona hanao izay marina ny fitorian-teny—eny, izany dia … nanana fiantraikany mahery kokoa tamin’ny sain’ny olona noho ny sabatra na ny zavatra hafa, izay efa nihatra taminy—noho izany dia noheverin’i Almà fa tsara ny hanandramin’izy ireo ny herin’ny tenin’ Andriamanitra.”
Ny tenin’ Andriamanitra dia ilay fotopampianarana nampianaran’i Jesoa Kristy sy ny mpaminaniny. Fantatr’i Almà fa manana hery lehibe ny tenin’ny fotopampianarana.
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha-18, ny Tompo dia nanambara ny fototry ny fotopampianarany:
“Fa, indro, mandidy ny olon-drehetra Aho, na aiza na aiza izany, hibebaka. …
“Fa indro, ny Tompo Mpanavotra anao dia niaritra fahafatesana tamin’ny nofo; koa niaretany ny fangirifirian’ny olon-drehetra, mba hahazoan’ny olon-drehetra mibebaka sy manatona Azy.
“Ary efa nitsangana indray tamin’ny maty Izy, mba hahazoany mitondra ny olon-drehetra ho eo Aminy, raha tahiny ka mibebaka izy ireo.”
“Ary handohalika ianareo ka hitsaoka ny Ray amin’ny anarako.
“… Tsy maintsy mibebaka ianareo ary atao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.”
“Angataho amin’ny anarako ny Ray amin’ny finoana, rehefa mino fa handray ianareo, dia hanana ny Fanahy Masina ianareo.”
“Ary ankehitriny, rehefa avy nandray izao ianareo dia tsy maintsy mitandrina ny didiko amin’ny zavatra rehetra.”
“Ento eo aminareo ny anaran’i Kristy, ary lazao amin’ny fahononan-tena ny marina.
“Ary izay rehetra mibebaka sy atao batisa amin’ny anarako, dia i Jesoa Kristy, ary maharitra hatramin’ny farany dia izy no hovonjena.”
Ao amin’ireo andinin-tsoratra masina vitsivitsy ireo ny Mpamonjy dia manome antsika ny ohatra tsara amin’ny fomba tokony hampianarantsika ny fotopampianarany. Io fotopampianarana io dia hoe ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ny fibebahana, ny batisa sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany dia mitahy ny zanak’ Andriamanitra rehetra.
Rehefa mampianatra ireo fitsipika ireo amin’ireo olona ankamamiantsika isika dia hanampy antsika hahafantatra ny marina ny Fanahy Masina. Noho isika mila ireo bitsiky ny Fanahy Masina dia tsy maintsy sorohintsika ny fanaovana tombantombana na ny fanehoana ny fahatakarantsika manokana izay mihoatra lavitra ny fampianarana ny fotopampianarana marina.
Mety ho sarotra ny manao izany rehefa tianao ilay olona ezahinao hotaomina. Mety ho tsy niraharaha ilay fotopampianarana izay nampianarina izy. Tena maka fanahy ny hanandrana zavatra vaovao na mahatalanjona. Saingy tsy hanambara ny fanahin’ilay fahamarinana ny Fanahy Masina raha tsy rehefa malina sy mitandrina tsara isika mba tsy hihoatra lavitra ny fampianarana ny fotopampianarana marina. Iray amin’ireo fomba tena azo antoka indrindra hisorohana ny fanakaikezana ny fotopampianarana diso ny misafidy ny ho tsotra ao amin’ny fampianarantsika. Azo avy amin’izany fahatsorana izany ny fiarovana ary mihena ny tahan’ny fampianarana fotopampianaran-diso.
Ny fampianarana amin’ny fomba tsotra dia mamela antsika hizara mialoha ny fotopampianarana ho an’ny famonjena, raha iny mbola tsy voakasik’ireo fakam-panahin’ilay mpamitaka izay hatrehin’izy ireo iny ny ankizy; aloha lavitra ilay fotoana izay hahatonga ireo fahamarinana ilain’izy ireo hianarana ho tototry ny fandrebireben’ny tambajotran-tserasera sy ireo namana mitovy taona aminy ary ireo tolona atrehany manokana. Tokony hararaotintsika ny fotoana azo araraotina rehetra mba hizarana ireo fampianaran’i Jesoa Kristy amin’ny ankizy. Sarobidy ireny fotoana fampianarana ireny ary vitsy lavitra raha mitaha amin’ireo ezaka tsy an-kijanona ataon’ireo herin’ny fahavalo. Isaky ny ora iray hampidirana fotopampianarana eo amin’ny fiainan’ny ankizy iray dia misy ora tsy tambo isaina ahitana fanoherana izay feno hafatra sy sary mihantsy na tsy miraharaha ireo fahamarinana ho an’ny famonjena ireo.
Mety hanontany tena ny sasany aminareo raha toa ka mety ho tsara kokoa ny mampanakaiky anareo ireo zanakareo amin’ny alalan’ny fialamboly na mety hanontany ianao hoe sao manomboka mahatsapa ho tototry ny fampianaranao ilay zaza. Ny tokony hosaintsainintsika anefa dia ny hoe: “Noho ny tena fahakelezan’ny fotoana ananana sy ny fahavitsian’ireo fahafahana azo araraotina, dia inona no fotopampianarana azoko zaraina izay hampatanjaka azy ireo manoloana ireo zavatra tsy azo ihodivirana izay manohintohina ny finoan’izy ireo?” Mety ho ireo teny zarainao anio no ireo izay hotsaroany, ary madiva hifarana ilay anio.
Mahavelom-piderana ahy foana ny fanolorantenan’i Mary Bommeli, izay renin’ny raibeko avy amin’ny raiko, teo amin’ny fizarana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Nampianaran’ny misiônera tany Suisse ny fianakaviany tamin’izy 24 taona.
Rehefa vita batisa i Mary dia naniry ny hanatevin-daharana ireo Olomasina tany Amerika izy, ka dia niala tao Suisse izy mba hankany Berlin ary nahita asa tao amin’ny vehivavy iray izay nampiasa azy mba hanenona lamba hanamboarana akanjo ho an’ilay fianakaviany. Nipetraka tao amin’ny efitrano iray ho an’ny mpiasa i Mary ary nanangana ny fanenoman-dambany tao amin’ny toerana fandraisam-bahinin’ilay trano.
Tamin’izany fotoana izany dia voararan’ny lalàna ny fampianarana ny fotopampianaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tany Berlin. Saingy hitan’i Mary fa tsy hainy ny tsy hizara ireo zavatra nianarana. Nitangorona nanodidina ilay fanenoman-damba ilay ramatoa mpampiasa azy sy ireo namany mba hihaino an’i Mary mampianatra. Niresaka momba ny fisehoan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’i Joseph Smith sy ny famangian’ireo anjely ary momba ny Bokin’i Môrmôna izy. Tsaroany ny tantaran’i Almà ka nampianariny ny fotopampianaran’ny Fitsanganana amin’ny maty. Nijoro ho vavolombelona izy fa afaka ny ho tafaray indray any amin’ny fanjakana selestialy ny fianakaviana.
Tsy ela dia niteraka olana ny fientanentanan’i Mary tamin’ny fizarana ny fotopampianaran’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Tsy ela akory dia nosamborin’ny polisy i Mary ka nampidiriny am-ponja. Teny an-dalana dia nanontaniany an’ilay polisy ny anaran’ilay mpitsara izay hiresaka aminy ny ampitson’io. Nanontaniany ihany koa ny momba ny fianakaviany ary raha toa izy io ka ray sy vady mendrika. Olon’izao tontolo izao no namaritan’ilay polisy an’ilay mpitsara.
Tao am-ponja dia nangataka pensily sy taratasy i Mary. Nanoratra ho an’ilay mpitsara izy nandritra ny alina, nijoro ho vavolombelona ny amin’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty araka ny voalaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy niresaka momba ny tontolon’ny fanahy ary nanazava momba ny fibebahana. Nanolo-kevitra izy fa mety hila fotoana ilay mpitsara mba hisaintsainana ny amin’ny fiainany mialoha ny hiatrehany ny fitsarana farany. Nanoratra i Mary hoe fantany fa nila nibebaka ny amin’ny zavatra maro ilay mpitsara ary ny ankamaroan’ny zavatra ilainy hibebahana dia hampalahelo mafy ny fianakaviany sy hitondra alahelo lehibe ho azy. Nony maraina, rehefa vitany ny fanoratana ny taratasiny, dia nomeny ilay polisy izany ary nangataka azy izy mba hanatitra izany any amin’ilay mpitsara, ary nanaiky ny hanao izany ilay polisy.
Avy eo dia nantsoin’ilay mpitsara tany amin’ny biraony ilay polisy. Ilay taratasy nosoratan’i Mary dia porofo tsy azo lavina fa nampianatra ny fotopampianaran’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy ka dia nandika lalàna izy tamin’ny fanaovana izany. Kanefa vetivety dia niverina tao amin’ny efitrano nigadran’i Mary ilay polisy. Nolazainy taminy fa foana ny fiampangana azy rehetra ary afaka mandeha izy. Ny fampianarany ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny no nahatonga azy hiditra am-ponja. Ary ny fanambarany ny fotopampianaran’ny fibebahana tamin’ilay mpitsara no nahatonga azy ho tafavoaka ny fonja.
Tsy tapitra hatreo amin’ny famotsorana an’i Mary Bommeli ny fampianarana nataony. Nampita fotopampianarana marina tamin’ireo taranany nifandimby na dia ireo mbola tsy teraka aza ny rakitsoratra nirakitra ireo teniny. Ny finoany fa na dia ny olona vao niova fo iray aza dia afaka mampianatra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy dia nanome antoka fa ireo taranany dia hatanjahina ao anatin’ireo tolona atrehan’izy ireo manokana.
Rehefa manao izay tsara indrindra vitantsika isika hampianarana ireo olona tiantsika momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mety tsy hiraika ny olona sasany. Mety hanomboka hisalasala ianao. Mety hanontany tena ianao raha ampy ny fahafantaranao ny fotopampianaran’ny Mpamonjy hoenti-mampianatra izany amim-pahombiazana. Ary raha efa nanandrana ny nampianatra izany ianao dia mety hanontany tena hoe nahoana ianao no tsy mahita ireo vokatra tsara naterak’izany. Tohero ireo fisalasalana ireo. Mangataha fanampiana amin’ Andriamanitra.
“Eny, ary italahoy Andrimanitra ho an’ny fivelomanao rehetra; … aoka ny fitiavan’ny fonao hapetraka amin’ny Tompo mandrakizay.”
“Ary ankehitriny dia mba tiako ianareo hanetry tena sy hanoa ary ho malemy fanahy; mora hihavanana; feno faharetana sy fahari-po; mahonom-po amin’ny zava-drehetra; mazoto amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra; mangataka izay zavatra rehetra ilainareo, na ara-panahy na ara-nofo; mamaly saotra an’ Andriamanitra mandrakariva amin’izay zavatra rehetra raisinareo.”
Raha mivavaka ianao, raha miresaka amin’ Andriamanitra ianao sy raha mitalaho ny fanampiany ho an’ireo olona akaikin’ny fonao ianao ary raha misaotra Azy tsy noho ny fanampiana ihany fa noho ny faharetana sy ny hatsaram-panahy nateraky ny tsy fahazoana avy hatrany na ny tsy fahazoana velively ny zava-drehetra nirinao ianao, dia mampanantena anao aho fa ho lasa akaiky kokoa Azy ianao. Ho lasa mazoto sy mahari-po ianao. Avy eo ianao dia afaka ny hahafantatra fa nanao ny zava-drehetra azonao natao ianao mba hanampiana ireo olona akaikin’ny fonao sy ireo izay nentinao am-bavaka mba hiatrika ny fiezahan’i Satana hamily lalana azy ireo.
“Fa izay miandry [ny Tompo] dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.”
Afaka mahita fanantenana ianao ao anatin’ireo tantaran’ireo fianakaviana ao amin’ny soratra masina. Mamaky ny momba ireo izay nandà ny zavatra nampianarina azy isika na ireo izay nitolona mafy tamin’ Andriamanitra mba hahazoana famelan-keloka, toa an’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià ary i Enôsa. Tao anatin’ireo fotoan-tsarotra nolalovany izy ireo no nahatsiarovany ireo tenin-dray aman-dreniny, ireo tenin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Namonjy azy ireo ny fahatsiarovana. Hotsaroana ny fampianaranao izany fotopampianarana masina izany.
Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny maha-asa masina ny fampianarana an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra ny fotopampianarana tsotra an’i Jesoa Kristy izay mamela antsika ho voadio ara-panahy sy ho tonga soa aman-tsara eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny farany, mba hiara-hiaina Aminy sy ny Zanany amim-boninanitra mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.