Liahona
“Izaho no Izy”
Nôvambra 2024


15:23

“Izaho no Izy”

Ny fiantran’i Kristy, izay miharihary amin’ny tsy fivadihana amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, dia tsy niala ary mbola tsy miala.

Andro Sabata izao ary tafavory isika mba hiresaka ny amin’i Kristy sy ny amin’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana. Fantatro fa velona ilay Mpanavotra ahy.

Diniho izao tranga izao izay niseho tamin’ny herinandro farany niainan’i Jesoa teto an-tany. Nisy valalabemandry nitangorona, tanatin’izany ireo miaramila Romana nitondra langilangy sy nirongo sabatra. Tarihin’ny manam-boninahitra avy amin’ny lohandohan’ny mpisorona izay nitondra fanilo teny an-tanany, ny anton-dian’ireo olona mafana fo ireo dia tsy hoe hambabo tanan-dehibe iray. Tamin’io alina io dia nitady lehilahy iray ihany izy ireo, lehilahy izay tsy hoe fantatra fa mitam-piadiana, na nanaraka fiofanana miaramila, na efa nikasi-tanana niady taman’olona teo amin’ny fiainany.

Rehefa nanatona ireo miaramila dia nandroso i Jesoa, niezaka niaro ireo mpianany, ka niteny hoe: “Iza moa no tadiavinareo?” Dia namaly ireo nanao hoe: “Jesoa avy any Nazareta.” Hoy i Jesoa: “Izaho no Izy. … Ary raha … vao nilaza taminy [i Jesoa] hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin’ny tany.”

Amiko izany dia iray amin’ireo andalana mampihetsi-po indrindra ao amin’ny soratra masina. Anisan’ireo zavatra lazain’izany amiko mivantana ny hoe ny fanatrehana fotsiny ny Zanakalahin’ Andriamanitra, ilay Jehovah lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha sy Mpiandry Tsara ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay tsy mitondra fitaovam-piadiana ary koa ny fandrenesana fotsiny ny feon’ilay Fialofana amin’ny Orambaratra sy ilay Andrian’ny Fiadanana, dia ampy hahatonga ireo mpifanandrina hifanosika hihemotra, ary lasa nifanjevo hany ka naleon’izay rehetra teo hoe nirahana hanao raharaha any an-dakozia tamin’io alina io.

Andro vitsivitsy monja talohan’izay, rehefa niditra ny tanàna tamim-boninahitra Izy dia “nihorakoraka ny tanàna rehetra” hoy ny soratra masina, ka nanontany hoe: “Iza moa izao?” Azoko an-tsaina fa ny hoe “Iza moa izao?” no fanontaniana napetrak’ireo miaramila sakodiavatra!

Ny valin’izany fanontaniana izany dia tsy afaka ny ho ao amin’ny endriny ivelany satria naminany i Isaia efa ho fitonjato taona lasa fa “tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.” Azo antoka fa izany dia tsy ao amin’ny fitafiny tsara karakara na ny harem-beny manokana, satria tsy nananany izany. Izany dia tsy afaka ny ho avy amin’ny fiofanana matihanina tao amin’ny synagoga teo an-toerana satria tsy manana porofo isika fa nianatra tamin’ny iray tamin’ireo Izy, na dia tamin’ny fahazazany aza dia vitany ny nahavery hevitra ireo mpanora-dalàna efa tsara fiomanana sy ireo mpahay lalàna, ka nahatalanjona azy ireo tamin’ny fotopampianarany “toy izay manana fahefana.”

Nanomboka tamin’izany fampianarana tao amin’ny tempoly izany ka hatramin’ny fidirany tamim-boninahitra tao Jerosalema ary tamin’ity fisamborana farany tsy ara-drariny ity, dia nisy nametraka hatrany tao anatina toe-javatra niainana sarotra ary matetika feno fitaka i Jesoa, kanefa dia nandresy hatrany Izy tao anatin’izany, fandresena izay tsy haintsika hazavaina afa-tsy amin’ny alalan’ny hoe ny fananany ADN amin’ny maha-Andriamanitra Azy.

Kanefa tao anatin’ny tantara dia maro no nanatsotsotra, ary nanamaivana mihitsy aza ny fomba fahitantsika Azy sy ny tenivavolombelony momba ny hoe Iza moa Izy. Nahenan’izy ireo ny lanjan’ny toetrany feno fahamarinana mba ho lasa fitandroana soatoavina fotsiny ihany, ny fametrahany ny rariny ho lasa fahatezerana fotsiny ihany, ny famindrampony ho lasa famelana hanao izay tiana fotsiny ihany. Tsy tokony tsy ho meloka isika raha hanome Azy endrika notsotsorina toy izany, izay tsy iraharahiana tsotra izao ireo fampianarana hitantsika hoe manahirana antsika. Efa nitombina foana izany “fanatsotsorana” izany, eny fa na dia mahakasika ilay toetrany tsara indrindra faratampony aza, dia ny fitiavany izany.

Nampianatra i Jesoa Kristy nandritra ny asa nanirahana Azy tetỳ an-tany fa misy didy roa lehibe. Nampianarina nandritra ity fihaonambe ity izany ary ho ampianarina mandrakizay: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao [ary] tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Raha hanaraka ny Mpamonjy amim-pahatokiana isika amin’ireo didy roa lehibe sy mifandray ireo, dia mila manaraka tsara ny zavatra tena nolazainy. Ny tena nolazainy dia hoe, “Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.” Tamin’iny takariva iny ihany dia nilaza Izy ny mba “hifankatiava[ntsika] tahaka ny nitiava[ny] [antsika].”

Ao amin’ireo soratra masina ireo, ireo andian-teny manome ny famaritana ny hoe fitiavana marina, tahaka ny an’i Kristy, ireo izay antsoina indraindray hoe fiantrana, dia manan-danja tokoa.

Inona no famaritana omen’izy ireo? Ahoana no fomba nitiavan’i Jesoa?

Voalohany, nitia tamin’ny “fo, ny hery, ny saina, ary ny tanja[ny] rehetra [Izy]”, izay nanome Azy fahafahana hanasitrana ireo fanaintainana lalina indrindra ary hilaza fahamarinana mahery vaika. Raha fintinina, dia Izy ilay afaka manome famindram-po no sady manantitrantitra ny fahamarinana ihany koa. Araka ny nolazain’i Lehia tao anatin’ny tsodrano nomeny an’i Jakôba zanany hoe: “Ny fanavotana dia tonga amin’ny alalan’ny Mesia Masina sy ao Aminy; satria feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.” Ny fitiavany dia mamela antsika hahazo fihina fankaherezana rehefa ilaina izany ary kapoaka mangidy rehefa mila atelina izany. Noho izany dia miezaka ny mitia isika, amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanjaka, satria izay no fomba itiavany antsika.

Ny toetra faharoa an’ny fiantrana masin’i Jesoa dia ny fankatoavany ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra, sady mampifanaraka mandrakariva ny sitrapony sy ny fitondrantenany amin’ny an’ny Rainy any An-danitra.

Rehefa tonga teto amin’ity ila-bolatany Andrefana ity i Kristy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia hoy Izy tamin’ireo Nefita: “Indro, Izaho no Jesoa Kristy. … Nisotro tamin’ilay kapoaka mangidy izay efa nomen’ny Ray Ahy Aho …, izay efa niaretako ny sitrapon’ny Ray … hatrany am-piandohana.”

Marobe ireo fomba azon’i Jesoa natao mba hampahafantarana ny Tenany, fa ny nataony dia ny nanambara ny fankatoavany ny sitrapon’ny Ray; tsy nahoany akory ny hoe vao tsy ela talohan’io ilay Zanakalahitokan’ Andriamanitra dia nahatsapa ho nafoin’ny Rainy tanteraka tanatin’ilay ora tena nilàny fanampiana indrindra. Ny fiantran’i Kristy, izay miharihary amin’ny tsy fivadihana na oviana na oviana amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, dia tsy niala ary mbola tsy miala, ary tsy amin’ny andro mora sy milamindamina fotsiny ihany fa indrindra amin’ny andro maloka sy sarotra indrindra.

“Lehilahy ory” i Jesoa hoy ny soratra masina. Niaina alahelo, hasasaram-be, fahadisoam-panantenana ary fahatsapana ho irery mahavaky fo Izy. Amin’ireny fotoana ireny sy amin’ny fotoana rehetra dia tsy levona ny fitiavan’i Jesoa ary toy izany koa ny an’ny Rainy. Manoloana ny fitiavana matotra toy izany, izay manome ohatra sy manome hery ary mizara, dia tsy ho levona ihany koa ny fitiavantsika.

Noho izany, raha toa indraindray hitanao hoe arakaraka ny hiezahanao no toa vao mainka mampahasarotra ny zavatra, raha toa ka eo am-piezahanao handresy ny fahalemenao ianao no mahita olona na zavatra izay tapa-kevitra ny hitsapa ny finoanao, raha toa eo am-piasana amim-panoloran-tena ianao no mbola mahatsapa tahotra mandrakotra anao, dia tsarovy fa toy izany koa ny an’ireo olona izay mahatoky sy mahatalanjona indrindra nandritra ny vanim-potoana nisy rehetra. Tsarovy ihany koa fa misy hery ao amin’izao zavatra ary rehetra izao izay vonona ny hanohitra ny zavatra tsara rehetra izay ezahinao atao.

Noho izany, na amin’ny fananana harem-be na amin’ny fahantrana, na amin’ny fahazoana dera amin’ny mangingina na amin’ny fanakianana ampahibemaso, na amin’ireo singa avy amin’ Andriamanitra momba ny Famerenana amin’ny laoniny na amin’ireo fahalemen’olombelona izay tsy azo ihodivirana fa tafiditra ao anatin’izany, dia manohy manangana sy mitoetra ao amin’ny Fiangonana marin’i Kristy isika. Nahoana? Satria tahaka ilay Mpanavotra antsika, isika dia nisoratra anarana ho an’ny fandaharam-pianarana iray manontolo, izay tsy mifarana amin’ilay fanontaniana fampidirana fohy fa hatramin’ny fanadinana famaranana ny taom-pianarana. Ny mahafinaritra ao anatin’izany dia efa nomen’ilay Talen’ny sekoly antsika tamin’ny fomba mangarahara ireo valim-panontaniana rehetra mialoha ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana. Ambonin’izany, dia manana andiana mpampianatra marobe isika izay mampahatsiahy antsika tsy tapaka ireo valim-panontaniana ireo isaky ny dingana lalovana. Saingy mazava ho azy fa tsy hisy hahomby izany rehetra izany raha manapatapaka isika amin’ny fanatrehana ny fianarana.

“Iza moa no tadiavinareo?” Amin’ny fontsika manontolo no hamaliantsika hoe: “Jesoa avy any Nazareta.” Rehefa miteny Izy hoe: “Izaho no Izy”, dia mamoritra ny lohalitsika isika ary milaza amin’ny lelantsika fa Izy no ilay Kristy velona, ary Izy ihany no nanonitra ny fahotantsika, ary nitrotro antsika Izy, eny fa tamin’isika nihevitra fa nahafoy antsika Izy. Rehefa mijoro eo anoloany isika ary mahita ireo ratra eo amin’ny tanany sy tongony, dia hanomboka hahatakatra isika hoe midika inona Aminy izany hoe mitondra ny fahotantsika ary zatra fahoriana, sy mankatò tanteraka ny sitrapon’ny Rainy izany; izany rehetra izany dia noho ny fitiavany madio ho antsika. Ny fampahafantarana amin’ny hafa ny finoana, ny fibebahana, ny batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny fandraisana ireo fitahiana ho antsika ao amin’ny tranon’ny Tompo no fototra amin’ny “fitsipika sy ôrdônansy” izay any amin’ny farany dia hampiavaka ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny namantsika ary hampiavaka ny Fiangonana marin’i Kristy.

Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona aho fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fitaovana nomen’ Andriamanitra hahazoantsika ny fisandratana. Marina ny filazantsara izay ampianarina ao ary ny fisoronana izay mampanan-kery izany dia tena manan-danja. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Russell M. Nelson dia mpaminanin’ny Andriamanitsika, tahaka ireo nialoha Azy sy ireo izay handimby Azy. Ary indray andro any izany fitarihan’ny mpaminany izany dia hitarika ny taranaka iray mba hahita ilay Iraky ny Famonjena midina tahaka ny “helatra avy any atsinanana”, ary isika hanao hoe: “Jesoa avy any Nazareta.” Miaraka amin’ny sandriny mitsotra lalandava sy ny fitiavany tsy mihatsaravelatsihy, dia hamaly Izy hoe: “Izaho no Izy.” Izany no fampanantenana ataoko amin’ny hery sy fahefan’ny Apôstôly ao amin’ny anarany masina, dia i Jesoa Kristy, amena.