Liahona
Tsy nitsahatra nitsoka na oviana na oviana ny rivotra
Nôvambra 2024


9:46

Tsy nitsahatra nitsoka na oviana na oviana ny rivotra

Afaka manampy ny hafa handroso eo amin’ny diany amin’ny fahazoana ireo fitahian’ Andriamanitra isika.

Tamin’ny 2015, tao amin’ny faritanin’i Pernambuco, Brezila, dia mpikambana 62 tao amin’ny J. Reuben Clark Law Society (Fikambanana mpianatra sy mpahay lalàna J. Reuben Clark) no niara-niasa tamin’ny Biraon’ny Fampanoavana tamin’ny fanadihadiana ireo fanamby eo amin’ny lafiny lalàna sedrain’ny mponina ao amin’ny trano fitaizana be antitra efatra samihafa. Nandritra ny adiny dimy, indray sabotsy, ireo mpisolovava ireo dia nanao tafa sy dinika tsirairay tamina mponina maherin’ny 200, izay efa samy hadinon’ny fiarahamonina avokoa.

Nandritra ny dinidinika nataon’izy ireo dia nahatsikaritra heloka bevava natao tamin’ireo zokiolona nipetraka tao toy ny fandaozana, fampijaliana ary fanodinkodinam-bola izy ireo. Ampahany manan-danja amin’ity fikambanana ity ny fiahiana ny mahantra sy ny sahirana. Roa volana monja taorian’izay dia nahomby ny fitoriana nataon’ireo mpampanoa lalàna an’ireo tompon’andraikitra.

Ohatra iray tonga lafatra amin’ny fampianaran’ny Mpanjaka Benjamina ny fanampiana nentin’izy ireo: “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Mponina iray noresahiko manokana nandritra ilay tetikasa fanasoavam-bahoaka ny vehivavy tsara fanahy 93 taona iray antsoina hoe Lúcia. Feno fankasitrahana noho ny fanompoana nataonay izy, ka nivazivazy hoe: “Alaovy vady aho!”

Talanjona aho ka namaly hoe: “Tazano iry tovovavy tsara tarehy iry! Izy no vadiko sady mpampanoa lalàna.”

Tonga dia novaliana avy hatrany hoe: “Dia maninona? Mbola tanora izy, tsara tarehy ka mora aminy ny hanambady indray mandeha. Ianao no mba hany ananako!”

Tsy voavaha tamin’io andro io avokoa ny olana rehetra an’ireo mponina ireo. Tsy isalasalana fa nanohy niatrika zava-tsarotra tsindraindray izy ireo tahaka ireo Jaredita tao amin’ny sambony nandritra ilay dia feno fanamby nankany amin’ny tany nampanantenaina, “nalevina tao amin’ny halalin’ny ranomasina, noho ny tendrombohitr’onja izay nitosaka taminy.”

Saingy tamin’io sabotsy io, ireo olona nipetraka tao amin’ilay trano fitaizana be antitra dia nahafantatra fa na dia teo aza ny fanadinoana sedrain’izy ireo eto an-tany dia fantatry ny Ray any An-danitra be fitiavana manokana izy ireo, Izay mamaly na dia ny vavaka tsotra indrindra aza.

Ny Tompon’ny zava-drehetra dia nahatonga “rivotra mahery” hitsoka ny Jaredita hankany amin’ireo fitahiana nampanantenaina. Toy izany koa, isika dia afaka manapa-kevitra ny hanompo toy ny rivotra mitsoka malefaka eny an-tanan’ny Tompo. Sahala amin’ilay “[rivotra] tsy nitsahatra nitsoka na oviana na oviana” ny Jaredita nankany amin’ny tany nampanantenaina, isika dia afaka hanampy ny hafa handroso amin’ny dian’izy ireo mba handraisany ireo fitahian’ Andriamanitra.

Taona maro lasa izay, rehefa natao tafa sy dinika noho ny antsoko ho eveka izaho sy i Chris vadiko malalako dia nangataka ahy ny filohan’ny tsatòkanay mba handinika ombam-bavaka ireo anarana hatolotra ho mpanolotsaina. Rehefa avy nandre ireo anarana narosoko izy dia nilaza fa tokony hahafantatra zavatra vitsivitsy momba ny iray amin’ireo rahalahy ireo aho.

Voalohany, tsy mahay namaky teny io rahalahy io. Faharoa, tsy nanana fiara azony hampiasaina hitsidihana ireo mpikambana izy. Fahatelo, manao solomaso fiarovana amin’ny masoandro foana izy ao am-piangonana. Na dia teo aza ny ahiahy feno fahatsoran’ilay filoha dia nahatsapa mafy aho fa mbola tokony hanolotra azy ho mpanolotsaiko ary dia nanohana ahy tamin’izany ilay filohan’ny tsatòka.

Hita taratra nazava tsara ny fahatairana teo amin’ny endrik’ireo mpikambana tamin’ilay alahady nanohanana ahy sy ilay mpanolotsaiko nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Niakatra tsimoramora teny amin’ny lampihazo io rahalahy malala io, ka hita nitaratra teo amin’ny solomasony ny hazavan’ny jiro teo ambony.

Rehefa nipetraka teo anilako izy dia nanontany azy aho hoe: “Rahalahy, manana olana amin’ny fahitana ve ianao?”

“Tsia,” hoy izy.

“Dia nahoana ianao no mampiasa solomaso fiarovana amin’ny masoandro aty am-piangonana?” Hoy aho nanontany. “Ry namako, mila mahita ny masonao ireo mpikambana, ary tokony ho afaka hahita azy ireo tsara kokoa ihany koa ianao.”

Tamin’izay fotoana izay dia nanala ny solomasony izy ary tsy nampiasa izany intsony tao am-piangonana.

Nanompo teo anilako mandra-pisaorana ahy tamin’ny naha eveka ahy io rahalahy malala io. Ankehitriny dia manohy manompo amim-pahatokiana ao amin’ny Fiangonana izy ary ohatra amin’ny fanoloran-tena sy fahazotoana ho an’i Jesoa Kristy Tompo. Kanefa, taona maro lasa izay dia olona tsy be mpahafantatra mpanao solomaso fiarovana amin’ny masoandro nipetraka teo amin’ny dabilion’ny trano fiangonana izy. Matetika aho no manontany tena hoe: “Firy ireo rahalahy sy ranabavy mahatoky mipetraka sy hadino eo anivontsika ankehitriny?”

Na fanta-daza isika na hadino, dia tsy maintsy ho tonga amintsika tsirairay avy ny fitsapana. Rehefa mitodika amin’ny Mpamonjy isika dia afaka “[h]anokana ny fahoria[ntsika] ho tombontsoa[ntsika]” Izy ary hanampy antsika hiatrika ny fisedrana lalovantsika amin’ny fomba izay manamora ny fivoarantsika ara-panahy. Na ho an’ireo olona mipetraka ao amin’ny trano fitaizana be antitra, na ireo mpikamban’ny Fiangonana notsaraina tsy araka ny tokony ho izy, na olon-kafa, isika dia afaka ny ho “rivotra [izay] tsy nitsahatra nitsoka na oviana na oviana,” mitondra fanantenana sy mitarika ny hafa ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Nanao fanasana mampientanentana sy mitondra aim-panahy ho an’ny zatovo ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson: “Androany aho dia mamerina manamafy amin-kery fa ny Tompo dia nangataka ny zatovolahy afaka mirotsaka sy mendrika tsirairay avy mba hiomana sy handeha hanao asa fitoriana. Andraikitry ny fisoronana ny fandehanana mitory amin’ny fotoana feno ho an’ny zatovolahy Olomasin’ny Andro Farany. … Ho anareo vehivavy tanora sy rahavavy afaka manao izany, dia fahafahana lehibe koa ny asa fitoriana saingy tsy voatery handeha ianareo.”

Isan’andro dia zatovolahy sy zatovovavy an’arivony no mamaly ny antson’ny Tompo avy amin’ny mpaminaniny amin’ny alalan’ny fanompoana amin’ny maha-misiônera. Kinga saina ianareo, ary araka ny nolazain’ny Filoha Nelson dia afaka “hitondra fiantraikany kokoa amin’izao tontolo izao mihoatra noho ireo taranaka lasa rehetra ianareo!” Mazava ho azy fa tsy midika izany fa ho ilay endrika tsara indrindran’ny tenanareo ianareo amin’ny fotoana hametrahanareo ny tongotrareo ao amin’ny ivontoerana fanofanana misiônera.

Fa mety hahatsapa kosa ianareo ho tahaka an’i Nefia, izay “notarihin’ny Fanahy, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hatao[nareo]. Na dia [eo] aza izany, dia [m]androso [ianareo].”

Angamba ianareo mahatsapa ho tsy matoky tena tahaka an’i Jeremia ka te hilaza hoe: “Tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.”

Mety hahita ny fahalemenareo manokana mihitsy aza ianareo ka te hitaraina tahaka an’i Mosesy hoe: “Tompo ô, (…) olona tsy mahay mandaha-teny aho … : fa votsa vava sy miadam-piteny aho.”

Raha misy aminareo zatovolahy sy zatovovavy malala sy mahery no manana eritreritra toy izany amin’izao fotoana izao, dia tsarovy fa namaly toy izao ny Tompo: “Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao” Ary mampanantena Izy hoe: “Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.”

Ny fiovanao avy amin’ny tenanao araka ny nofo mankany amin’ny tenanao araka ny fanahy dia hitranga “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” rehefa miezaka mafy ny hanompo an’i Jesoa Kristy any amin’ny sahan’ny misiôna ianao amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro, ny finoana, ny fankatoavana tanteraka, ary ny fiasana mafy mba “hitady lalandava, hampianatra ny fibebahana, ary hanao batisa ireo olona niova fo.”

Na dia mitondra famantaran’anarana aza ianao dia mety hahatsiaro ho tsy misy mahalala na hadino ianao indraindray. Na izany aza anefa dia mila fantatrao fa manana Ray any An-danitra tonga lafatra ianao, izay mahafantatra anao manokana, ary manana Mpamonjy izay tia anao ianao. Hanana mpitarika ao amin’ny misiôna ianao izay, na dia eo aza ny tsy fahatanterahany, dia hanompo anao tahaka ny “rivotra [izay] tsy nitsahatra nitsoka na oviana na oviana” eo am-pitarihana anao mandritra ny dianao amin’ny fiovam-po manokana.

Ao amin’ilay “tany tondra-dronono sy tantely” no hanompoanareo amin’ny asa fitoriana ataonareo, dia ho teraka ara-panahy indray ianareo ary ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana rehefa manatona Azy. Afaka mahafantatra ianao fa tsy ho hadino na oviana na oviana.

Na dia mety miandry “ela” aza ny olona sasany vao mahazo fanamaivanana, satria “tsy mba misy olona” izay afaka hanampy azy ireo, dia nampianatra antsika i Jesoa Kristy Tompo fa tsy misy olona hadinony na oviana na oviana. Mifanohitra amin’izany kosa, Izy dia ohatra tonga lafatra tamin’ny fitadiavana ilay iray tamin’ny fotoanan’ny asa fanompoany rehetra teto an-tany.

Isika tsirairay avy, ary ireo izay manodidina antsika, dia miatrika ny tafio-drivotry ny fanoherana sy ny onjam-pitsapana antsika manokana izay mandentika antsika isan’andro. Saingy “tsy [h]itsahatra [h]itsoka na oviana na oviana [h]ankamin’ny tany nampanantenaina ny rivotra … ; ary dia [h]atosiky ny rivotra toy izany [isika].”

Isika tsirairay dia afaka ny ho anisan’io rivotra io—ilay rivotra izay nitahy ireo Jaredita tamin’ny diany sy ilay rivotra izay, miaraka amin’ny fanampiantsika, hitahy ireo izay tsy misy mahafantatra sy hadino mba ho tonga any amin’ny tany nampanantenaina azy ireo manokana.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpisolovava antsika amin’ny Ray. Andriamanitra velona Izy ary miasa toy ny rivotra mahery izay hitarika antsika mandrakariva eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ny J. Reuben Clark Law Society na Fikambanana mpianatra sy mpahay lalàna J. Reuben Clark dia fikambanana tsy mitady tombontsoa natsangan’ny mpisolovava sy mpianatra lalàna ary nalamina ho fizarana 100 mahery manerana izao tontolo izao. Nomena anarana ilay izy ho fanomezam-boninahitra an’i Joshua Reuben Clark Jr., izay nanompo nandritra ny taona maro ho mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  2. Môzià 2:17.

  3. Ny Pro bono dia endrika fanafohezana ny fehezan-teny amin’ny teny Latina hoe pro bono publico izay midika hoe “ho an’ny tombontsoam-bahoaka” na “ho tombontsoan’ny besinimaro.” Izy io dia endrika ana asa an-tsitrapo izay, tsy toy ny asa an-tsitrapo mahazatra, fa mitaky mari-pahaizana matihanina, na dia tsy misy karama aza.

  4. Etera 6:6.

  5. Etera 6:5.

  6. Jereo ny 2 Nefia 2:14, 16.

  7. Etera 6:8.

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:106.

  9. Jereo ny Abrahama 3:25.

  10. 2 Nefia 2:2; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7.

  11. Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana,” Liahona, mey 2022, 6.

  12. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), Médiathèque de l’Évangile.

  13. 1 Nefia 4:6–7.

  14. Jeremia 1:6.

  15. Eksodosy 4:10.

  16. Jeremia 1:7.

  17. Eksodosy 4:12.

  18. Jereo ny Môzià 3:19.

  19. 2 Nefia 28:30.

  20. Jereo ny Almà 26:22.

  21. Neil L. Andersen, “The Faith to Find and Baptize Converts” (tao amin’ny lahateniny nandritra ny seminera ho an’ireo filohan’ny misiôna vaovao, 25 jona 2016), 6.

  22. Jereo ny Deoteronomia 11:8–9.

  23. Jereo ny “Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainana,” Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023), 76–100.

  24. Jaona 5:6–7.

  25. Jereo ny Lioka 10:29.

  26. Etera 6:8.

  27. Ny Filoha Dallin H. ​​Oaks dia niresaka momba ny sary hosodoko nataon’i Maynard Dixon mitondra ny lohateny hoe Forgotten Man (Lehilahy Adino) izay mihantona ao amin’ny biraony ao amin’ny Biraon’ny Fitantanana ny Fiangonana ao Salt Lake City: “Hitanareo ny masoandro mamirapiratra eo amin’ny lohany. Fantatry ny Rainy any An-danitra fa eo izy. Adinon’ny vahoaka mandalo izy, saingy ao anatin’ny tolona ataony dia fantatry ny Rainy any An-danitra fa eo izy. … Efa teo amin’ny 40 taona teo ho eo no nananako an’io sary hosodoko io, ary miteny amiko sy mampahatsiahy ahy ireo zavatra tokony hotsaroako izy io” (ao amin’ny Sarah Jane Weaver, “What I Learned from President Oaks about the ‘Forgotten Man,’” Church News, Sept. 18, 2022, thechurchnews.com).