Mifamatotra amin’i Jesoa Kristy: Lasa fanasin’ny tany
Rehefa mitoetra ho mifamatotra amin’ny Tompo isika, dia hahitana taratra ho azy ny fahazavany ny fiainantsika, ary ho lasa fanasin’ny tany isika.
Nampianatra ny Mpamonjy fa rehefa “antsoina ho amin’ny filazantsara[ny] maharitra mandrakizay [isika] ary manao fanekena amin’ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay, dia isaina ho toy ny siran’ny tany [isika].” Vita amin’ny singa roa mifamatotra ny sira. Tsy afaka ny ho sira amin’ny herin’ny tenantsika isika. Raha ho fanasin’ny tany isika, dia tsy maintsy mifatotra amin’ny Tompo, ary izany no hitako rehefa mifangaroharo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao aho, mahita mpikambana mahatoky ato amin’ny Fiangonana izay mifamatotra amin’ny Tompo, feno fanoloran-tena amin’ny ezaka ataony mba hanompo ny hafa sy mba ho fanasin’ny tany aho.
Ohatra maha-te hidera ny fanoloran-tenanareo tsy voahozongozona. Ankasitrahana sy lalaina ny fanompoana ataonareo.
Naneho herim-po sy fahafoizan-tena miavaka ny zatovontsika. Nanaiky tamin-kafanam-po ny asa momba ny tantaram-pianakaviana izy ireo, ary ny fitsidihana matetika ataon’izy ireo any amin’ny tranon’ny Tompo dia vavolombelon’ny fanoloran-tenany. Ny fahavononan’izy ireo hanokana fotoana sy hery hanao asa fitoriana ny filazantsara maneran-tany dia maneho finoana lalina sy mitoetra. Tsy vitan’ny hoe mandray anjara fotsiny izy ireo fa mitari-dalana amin’ny fahatongavana ho mpianatra mifamatotra amin’i Jesoa Kristy. Manome fitaomam-panahy sy fanantenana mahakasika fiainana tsy hita isa ny fanompoana ataon’izy ireo. Maneho ny fisaoranay avy amin’ny fo ho anareo noho ny fanompoana avy amin’ny fanentanam-panahy ataonareo izahay ry zatovon’ny Fiangonana. Tsy hoavin’ny Fiangonana fotsiny ianareo fa mitondra akony amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao koa. Ary dia tena fanasin’ny tany tokoa ianareo!
Tiako i Jesoa Kristy Mpamonjy ary mahatsapa ho voatahy aho noho ny fahafahana manompo eo anilanareo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Ny firaisan-kina sy ny tanjatsika, izay miorina tsara ao amin’ny finoana iombonantsika, dia manome toky antsika fa tsy irery na oviana na oviana isika amin’ity dia ity. Raha miaraka isika dia afaka manohy manorina ny fanjakan’ Andriamanitra izay miorim-paka amin’ny fanompoana, ny fitiavana, ary ny finoana tsy voahozongozona.
Rehefa nampianatra teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia i Jesoa Kristy, dia matetika Izy no nampiasa ireo singa eo amin’ny fiainana andavanandro izay fantatr’ireo mpihaino Azy mba hampitana fahamarinana ara-panahy lalina. Isan’izany singa izany ny sira. Nanambara i Jesoa hoe: “Hianareo no fanasin’ny tany,” fehezan-teny iray manana heviny lalina sy manan-danja, indrindra fa ho an’ireo olona tamin’ny androny izay nahatakatra ny lanja marolafy ananan’ny sira.
Ilay fahaiza-manao fahiny tamin’ny fanangonana ny sira vokatra tao Algavre, faritra atsimo ao Portugal izay firenena niaviako, dia efa hatramin’ny an’arivo taona lasa tamin’ny vanim-potoan’ny fanjakan’ny amperora Rômana. Nahagaga fa niova kely hatramin’izay fotoana izay ireo fomba fiasa nampiasain’ireo mpiasa mpamokatra sira izay nantsoina hoe marnotos. Nampiasa haitao nentim-paharazana ireo mpiasa feno fanoloran-tena ireo, izay nanatanteraka manontolo ny asan’izy ireo tamin’ny tanana, ary nihazona lova izay naharitra nandritra ny taonjato maro.
Io fomba fahiny io dia nanangona ilay nantsoina hoe “fleur de sel.” Mba hankamamiana tanteraka ilay dingana mananosarotra amin’ny fanangonana fleur de sel, dia ilaina ny mahatakatra ny momba ny tontolo hamokarana izany. Mahafeno ny fepetra tsara indrindra hamokarana sira ireo heniheny eny amin’ny morontsirak’i Algarve. Taritina ho ao amin’ireo dobo marivo, fantatra amin’ny hoe heniheny fanaovan-tsira, ny ranomasina ary avela ao izany mba ho lasa etona eo ambany masoandro mahamay be. Rehefa lasa etona ny rano, dia mamorona kristaly manify eo amin’ny velaran’ny tampon’ireo heniheny fanaovan-tsira ilay fleur de sel. Madio fatratra ireo kristaly ireo ary manana toetra tsy manam-paharoa sy mikarepoka. Manaisotra amim-pitandremana ny kristaly avy eo amin’ny velaran’ny tampon’ny rano amin’ny fampiasana fitaovana manokana ny marnotos, izay dingana mitaky fahaiza-manao sy fitandremana lehibe. Ao Portugal dia antsoina hoe “crême de sel” io sira tena tsara kalitao io satria azo esorina tsimoramora toy ny hero-dronono eo an-tampon’ny ronono izany. Ankamamiana noho ny fahadiovany sy ny tsirony tena miavaka io sira tsara kalitao io, ka mahatonga izany ho laron-tsakafo tena sarobidy amin’ny haitao momba ny fahandroan-tsakafo.
Tahaka ny hanaovan’ireo marnotos ezaka lehibe mba hakana antoka fa sira tsara kalitao indrindra no vokatra angonin’izy ireo, dia toy izany koa no ataontsika, amin’ny maha vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, manao mandrakariva izay tsara indrindra vitantsika mba hahatonga ny fitiavana sy ny ohatra asehontsika ho fanehoana amin’ny fomba madio, araka izay azo atao, an’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika.
Nihoatra lavitra noho ny fanomezan-tsiro ny sira tamin’ny andro fahiny, fitehirizan-tsakafo tena nilaina sy tandindon’ny fahadiovana sy fanekempihavanana izany. Fantatry ny olona fa nilaina ny sira mba hitehirizana sakafo sy hanatsarana tsiron-tsakafo. Takatr’izy ireo ihany koa ny voka-dratsy lehibe ateraky ny fahaverezan’ny hasin’ny sira na ny tsirony rehefa idiran’ny loto na mitsonika.
Tahaka ny mety hamerezan’ny sira ny toetra maha-izy azy, dia mety hamery ny fahavelomantsika ara-panahy ihany koa isika raha lasa toy ny zavatra tsy misy dikany ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Mety hitovy amin’ny teo aloha ihany ny fahitana antsika ety ivelany, saingy raha tsy manana finoana matanjaka ao anaty, dia very ny fahafahantsika manova zavatra eto amin’izao tontolo izao sy ny fahafahantsika mamporisika ireo manodidina antsika hanao izay tsara indrindra vitany.
Koa ahoana ary no ahafahantsika mampifantoka ny tanjatsika sy ny ezaka ataontsika mba hanova zavatra sy ho lasa ilay fiovana ilain’izao tontolo izao ankehitriny? Ahoana no ahafahantsika mihazona ny maha-mpianatra antsika sy mijanona ho fitaomana tsara hatrany?
Mbola manako ato an-tsaiko foana ny tenin’ny mpaminany malalantsika hoe: “Tian’ Andriamanitra hiara-hiasa sy hifanampy isika. Izany no antony nandefasany antsika teto an-tany tao anatina fianakaviana ary nandaminany antsika ho anaty paroasy sy tsatòka. Izany no mahatonga Azy mangataka antsika mba hifanompo. Izany no mahatonga Azy mangataka antsika mba ho eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.”
Rehefa feno tanjona sy fanompoana ny fiainantsika dia misoroka ny tsy fahavitrihana ara-panahy isika. Fa etsy an-kilan’izay, rehefa tsy misy tanjona masina sy asa fanompoana manan-danja atao amin’ny hafa ary fahafahana masina hisaintsainana sy hieritreretana ny fiainantsika, dia lasa sempotra tsikelikely isika noho ny zavatra ataontsika sy ny fijerena ny tombontsoantsika manokana, ka mety hamery ny tsirontsika. Ny fanefitr’izany dia ny manohy mandray anjara amin’ny asa fanompoana, mazoto mirotsaka amin’ny tanjona tsara sy ny fanatsarana ny tenantsika sy ny fiarahamonina honenantsika.
Ry rahalahy sy anabavy malalako, manana fitahiana lehibe tokoa isika ankehitriny amin’ny maha-mpikambana antsika ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny fananantsika fahafahana hanompo ato amin’ny Fiangonany. Mety tsy hitovy ny toe-javatra misy antsika, kanefa afaka manova zavatra avokoa isika rehetra.
Tsarovy ireo marnotos, ireo mpiasa mpamokatra sira; mampiasa fitaovana tsotra izy ireo hanangonana ny kristaly tsara indrindra, ny sira tsara indrindra! Isika koa dia afaka manao zavatra tsotra izay afaka mampitombo lalina ny maha-mpianatra antsika sy ny fanolorantenantsika amin’i Jesoa Kristy rehefa anaovana ezaka tsy tapaka amin’ireo asa kely sy manan-danja. Ireto misy fomba efatra tsotra kanefa lalina izay azontsika anaovana ezaka mba ho fanasin’ny tany:
-
Fihazonana ny tranon’ny Tompo ho zavatra ifantohan’ny fanoloran-tenantsika. Amin’izao fotoana izay efa maha-akaiky kokoa ny tempoly izao raha oharina amin’ny taloha, dia hanampy antsika hifantoka amin’izay manan-danja indrindra sy hanao izay hifantohan’ny fiainantsika hatrany amin’ny Kristy ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fitsaohana tsy tapaka any amin’ny tranon’ny Tompo. Azontsika any amin’ny tempoly ny ampahany manan-danja indrindra amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny tena maha-manan-danja ny fanolorantsika tena ho Azy.
-
Ny fanaovantsika ezaka amin’ny nahim-po mba hampatanjaka ny hafa amin’ny alalan’ny fiarahana miaina ny filazantsara. Afaka mampatanjaka ny fianakaviantsika isika amin’ny alalan’ny ezaka tsy tapaka sy an-tsitrapo mba hitondra ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika sy ao an-tokantranontsika.
-
Fahavononana hanaiky antso sy hanompo ato amin’ny Fiangonana. Mamela antsika hifanampy sy hiara-hivoatra ny fanompoana ao amin’ny rantsana misy antsika eo an-toerana. Na dia tsy mety amintsika foana aza ny fanompoana, dia mitondra valisoa hatrany izany.
-
Ary farany, ny fampiasana ireo fitaovan-tserasera nomerika omban’ny tanjona manokana. Ankehitriny dia mamela antsika hifandray amin’ny fomba tsy mbola nisy toy izany ireo fitaovan-tserasera nomerika. Tahaka ny ankamaroanareo, dia mampiasa ireo fitaovana ireo aho mba hifandraisana amin’ireo rahalahy sy anabavy ato am-piangonana sy amin’ny fianakaviana ary ny namana. Rehefa mifandray amin’izy ireo aho dia mahatsapa ho akaiky kokoa azy ireo; afaka mifanompo isika amin’ny fotoan-tsarotra izay tsy ahafahantsika ho tonga mivantana. Tsy isalasalana fa fitahiana ireo fitaovana ireo, kanefa ireo fitaovana ireo ihany dia afaka hitarika antsika hiala amin’ny halalin’ny fifaneraserana manan-danja ary amin’ny farany dia hahatonga antsika ho voasariky ny fahazarana izay mandany ny fotoanantsika amin’ny hetsika tsy dia misy dikany loatra. Betsaka lavitra noho ny fitetezana horonan-tsary fohy tsy misy fiafarany ao amin’ny efijery dimy ambin’ny folo santimetatra ny zavatra tafiditra ao anatin’ny fiezahana ho fanasin’ny tany.
Rehefa mihazona ny tranon’ny Tompo ho zavatra ifantohan’ny fiainantsika isika, mampatanjaka ny hafa amin’ny nahim-po amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara, manaiky antso mba hanompo, ary mampiasa ireo fitaovana nomerika omban’ny fananana tanjona, dia afaka mihazona ny fahavelomantsika ara-panahy isika. Tahaka ny fananan’ny sira hery hanatsara sy hitahiry amin’ny toetrany madio indrindra, dia tahaka izany koa ny finoantsika an’i Jesoa Kristy rehefa voakolokolo sy voaro amin’ny alalan’ny fanolorantsika tena hanao asa fanompoana sy hanana fitiavana tahaka ny an’i Kristy.
Rehefa mitoetra ho mifamatotra amin’ny Tompo isika, dia hahitana taratra ho azy ny fahazavany ny fiainantsika, ary ho lasa fanasin’ny tany isika. Ao anatin’izany ezaka izany isika dia tsy vitan’ny hoe manatsara fotsiny ny fiainantsika fa mampatanjaka ihany koa ny fianakaviantsika sy ny fiarahamonina misy antsika. Enga anie isika mba hiezaka hihazona izany fifamatorana amin’ny Tompo izany, ka tsy hanary ny tsirontsika, ka ho ilay sira kristaly kely izay tian’ny Tompo hahatongavantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.