Liahona
Mifantoha amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany
Nôvambra 2024


10:50

Mifantoha amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany

Rehefa tsy miraharaha ireo fanelingelenan’izao tontolo izao isika ary mifantoka amin’i Kristy sy ny filazantsarany, dia azo antoka ny fahombiazana.

Tamin’ny 1996, ny ekipa mpilalao baolina kitra lehilahy Nizeriana dia nahazo medaly volamena tamin’ny lalao Ôlympika natao tany Atlanta, any Etazonia. Rehefa hifarana ny lalao famaranana dia feno vahoaka faly nirohotra nanerana ny araben’ireo tanàna tsirairay tao Nizerià. Ity firenena misy mponina 200 tapitrisa ity dia niova ho fankalazana makotrokotroka tampoka teo tamin’ny andro amin’ny roa ora maraina! Nisy hafaliana sy fahasambarana ary fientanentanana nihanaka rehefa nihinana sy nihira ary nandihy ny olona. Tamin’izay fotoana izay dia niray saina i Nizerià ary faly tamin’ny naha Nizeriana azy ny Nizeriana rehetra.

Talohan’ilay lalao Ôlympika dia niatrika fanamby maro io ekipa io. Rehefa nanomboka ny fifanintsanana dia tapaka ny fanohanana an’izy ireo ara-bola. Nanao ny fifanintsanana tsy nisy kojakoja na toeram-piofanana na sakafo na fikarakarana ny fanasan-damba ara-dalàna ilay ekipa.

Ny ekipa mpilalao baolina kitra Nizeriana miaraka amin’ny medaly volamena.

Jerome Prevost/Getty Images

Nisy fotoana efa minitra vitsy monja sisa no tsy nanesorana azy ireo tamin’ny fifaninana, saingy nandresy ny ekipa Nizeriana na dia tsy nampoizina aza izany. Nanova ny fomba fijerin’izy ireo ny tenany io fotoana manan-danja io. Niaraka tamin’ny fahatokian-tena vaovao sy niaraka tamin’ny asa mafy nataon’ny tsirairay sy ny ekipa sy ny fahavononana tsy tapaka, dia niaraka tsy niraharaha ireo fanelingelenana izy ireo ary nifantoka tamin’ny fandresena. Io fifantohana io no nahazoan’izy ireo medaly volamena, ary nomen’ny Nizeriana anarana miavaka izy ireo hoe “Dream Team” (Ekipa tonga lafatra). Ilay Dream Team tamin’ny lalao Ôlympika 1996 dia mbola voaresaka hatrany amin’ny fanatanjahantena Nizeriana.

Dream Team an’i Nizerià.

David Cannon/Allsport/Getty Images

Raha vao nianatra tsy niraharaha ireo fanelingelenana maro natrehany sy nifantoka tamin’ny tanjony ilay ekipa mpilalao baolina kitra, dia nahomby mihoatra noho izay noheveriny ho azo atao izy ireo, ary niaina fifaliana lehibe. (Ary niaina izany koa izahay rehetra tao Nizerià!)

Toy izany koa, rehefa tsy miraharaha ireo fanelingelenan’izao tontolo izao isika ary mifantoka amin’i Kristy sy ny filazantsarany, dia azo antoka ny fahombiazana mihoatra noho izay azontsika eritreretina ary afaka hahatsapa fifaliana lehibe isika. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa … i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany no fifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.”

Mivavaka aho mba hanampy antsika tsirairay avy ny Fanahy Masina hihaino ny fanasan’ny Filoha Nelson mba hampifantoka ny fiainantsika amin’i “Jesoa Kristy sy ny filazantsarany” mba ahafahantsika miaina fifaliana ao amin’i Kristy “na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.”

Tantara maromaro ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no milazalaza an’ireo olona izay nanova ny fiainany ho tsara tamin’ny fifantohana tamin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Eritrereto i Almà Zanany. Nikomy ary nanohitra ny Fiangonana izy. Nivavaka sy nifady hanina i Almà Rainy. Nisy anjely niseho ary niantso an’i Almà Zanany mba hibebaka. Tamin’izay fotoana izay dia nanomboka nijaly “tamin’ny fanaintainan’ny fanahy voaozona” i Almà. Tao anatin’ny ora maloka indrindra nolalovany dia nahatsiaro ny fampianaran-drainy izy fa ho avy i Kristy mba hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao. Raha nifantoka tamin’izany eritreritra izany ny sainy, dia nitalaho famindram-po tamin’ Andriamanitra izy. Fifaliana no vokatr’izany, fifaliana izay nofaritany ho mahafinaritra! Tonga tamin’i Almà ny famindram-po sy ny fifaliana satria nifantoka tamin’ny Mpamonjy izy sy ny rainy.

Ho an’ireo ray aman-dreny manan-janaka nivily lalana dia mahereza hatrany! Raha tokony hanontany tena hoe nahoana ny anjely no tsy tonga hanampy ny zanakao hibebaka, dia fantaro fa ny Tompo dia nametraka anjely olombelona eo amin’ny lalany, dia ny eveka na mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana na rahalahy na rahavavy mpanompo. Raha manohy mifady hanina sy mivavaka hatrany ianao, raha toa ka tsy mametraka fandaharam-potoana na fe-potoana ho an’ Andriamanitra ianao, ary raha matoky ianao fa maninjitra ny tanany Izy mba hanampy, dia ho hitanao, na ho ela na ho haingana, fa Andriamanitra dia hikasika ny fon’ny zanakao rehefa misafidy ny hihaino ny zanakao. Izany dia satria Kristy no fifaliana, Kristy no fanantenana; Izy ilay fampanantenana “ny amin’ny zavatra tsara ho avy.” Koa matokia an’i Jesoa Kristy ny amin’ny zanakao, fa Izy no manome hery ny ray aman-dreny, sy ny zanaka rehetra.

Niaina niaraka tamin’izany fifaliana izany i Almà Zanany raha vao nahatsapa fifaliana tao amin’i Kristy izy. Saingy ahoana no nihazonany fifaliana toy izany na dia tao anatin’ny fahasahiranana sy fitsapana aza? Hoy izy:

“Hatramin’izay fotoana izay ka mandrak’ankehitriny, dia efa niasa tsy nitsahatra aho mba hahazoako mitondra fanahy hankamin’ny fibebahana; mba hahazoako mitondra azy ireny hanandrana ny fifaliana mihoa-pampana izay nandramako. …

“… Eny … ny Tompo dia manome ahy fifaliana lehibe fatratra tokoa noho ny vokatry ny asako. …

“Ary efa notohanana aho tamin’ny fizahan-toetra sy ny fahasahiranana isan-karazany”.

Nanomboka ny fifaliana ao amin’i Kristy ho an’i Almà rehefa naneho finoana sy nitalaho famindram-po Taminy izy. Avy eo dia nampihatra ny finoany an’i Kristy i Almà tamin’ny alalan’ny asa ka nanampy ny hafa hiaina izany fifaliana izany. Ireo asa tsy nisy fitsaharana ireo dia niteraka fifaliana lehibe tao amin’i Almà, na dia tao anatin’ireo fitsapana sy olana isan-karazany aza. Hitanareo fa “tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka,” ary ny ezaka mifantoka Aminy dia mitondra fitahiana maro. Na ireo fitsapana lehibe indrindra aza dia afaka ny ho “voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy”

Ny vondron’olona iray hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanao an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ho fifantohan’ny fiainany ary nahita fifaliana dia ireo izay nanorina ny tanànan’i Helama, toerana iray izay ahafahan’izy ireo mitaiza ny zanany sy misitraka ny fampiasana malalaka ny fivavahany. Ireo olona marina niaina fiainana tsara ireo dia nandevozin’ny andiana mpandroba ary nesorina ny zo maha olombelona hampiasa ny fivavahana. Indraindray dia mitranga amin’ireo olona tsara ny zavatra ratsy.

“Ny Tompo dia mahita fa mety ny hamaizana ny olony; eny, mizaha toetra ny faharetany sy ny finoany Izy.

“Kanefa—na zovy na zovy no mametraka ny fitokiany Aminy, dia izy no hasandratra amin’ny andro farany. Eny, dia toy izany no nitranga tamin’ity vahoaka ity.”

Ahoana ny nahatonga ity vahoaka ity naharitra nandritra ny fitsapany sy ny fijaliany? Tamin’ny alalan’ny fifantohana tamin’i Kristy sy ny filazantsarany. Tsy namaritra ny momba azy ireo ny fahasahiranany fa nitodika tany amin’ Andriamanitra kosa ny tsirairay tamin’izy ireo, namaritra ny tenany ho zanak’ Andriamanitra, zanaky ny fanekempihavanana, ary mpanaradia an’i Jesoa Kristy. Rehefa nahatsiaro hoe iza izy ireo ary nangataka fanampiana tamin’ Andriamanitra dia nahazo fiadanana sy hery ary fifaliana tao amin’i Kristy izy ireo tamin’ny farany:

“I Almà sy ny olony dia … namboraka ny tao am-pony tamin[’ Andriamanitra], ary Izy dia nahalala ny fihevitry ny fony.

“Ary ny zava-nitranga dia tonga taminy tao amin’ny fahoriany ny feon’ny Tompo, nanao hoe: Atrakao ny lohanareo ary manàna fahatokiana, satria fantatro ny fanekempihavanana izay efa nataonareo Tamiko; ary Izaho hanao fanekempihavanana amin’ny oloko sy hanafaka azy hiala amin’ny famatorana.”

Ho setrin’izany, ny Tompo dia “[nanamaivana] ny enta-mavesatra [t]eo an-tsorok[’izy ireo]. … Eny, nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra mora foana ny enta-mavesany, ary izy dia nanaiky tamim-pifaliana sy tamim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo rehetra.” Mariho fa ireo Olomasina ireo dia namela ny fahasahiranana sy ny fijaliana ary ny fitsapany ho voatelina ao amin’ny fifaliana ao amin’i Kristy! Avy eo, tamin’ny fotoana voatondro, dia nasehony an’i Almà ny lalana handosirana, ary i Almà, izay mpaminanin’ Andriamanitra dia nitarika azy ireo ho any amin’ny toerana azo antoka.

Isika koa dia ho voatarika ho any amin’i Kristy sy ny fifalian’ny filazantsarany, rehefa mifantoka amin’i Kristy sy manaraka ny mpaminaniny. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Mahery vaika ny fifaliana, ary mitondra ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ny fifantohana amin’ny fifaliana. I Jesoa Kristy no ohatra lafatra indrindra ho antsika amin’ny zavatra rehetra, -izay naharitra ny hazo fijaliana mba hahazoana ny fifaliana napetraka teo anoloany- [Hebreo 12:2]”.

Ny renin’ny Loholona Egbo.
Ny Loholona Egbo sy ny reniny.

Nodimandry vao haingana ny reniko; tena nahataitra izany. Tiako ny reniko ary tsy nanampo azy ho faty mbola tanora aho. Saingy tamin’ny alalan’ny fahafatesany dia niaina alahelo sy fifaliana izaho sy ny fianakaviako. Fantatro fa noho Izy dia tsy maty izy, fa velona! Fantatro fa noho i Kristy sy ny fanalahidin’ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, dia mbola hiaraka aminy indray aho. Voatelina ao amin’ny fifaliana ao amin’i Kristy ny alaheloko tamin’ny fandaozana ny reniko! Mianatra aho fa ny hoe: “saino amin’ny fomba selestialy” sy ny hoe: “Aoka Andriamanitra no hanjaka” dia ahitana ny fifantohana amin’ny fifaliana izay hita ao amin’i Kristy.

Manasa antsika am-pitiavana Izy hoe: “Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.