Liahona
Mandaitra ny fiainana an-tany!
Nôvambra 2024


10:59

Mandaitra ny fiainana an-tany!

Na dia eo aza ireo fanamby izay atrehantsika rehetra, ilay Raintsika any An-danitra be fitiavana dia efa namolavola ny drafitry ny fahasambarana mba tsy ho voalahatra tsy hahomby isika.

Nandritra ny taona maro dia voatendry ho mpampianatra isan-tokantrano ho an’ny ranabavy zokiolona iray tao amin’ny paroasy nisy ahy aho. Tsy mba nanana fiainana mora izy. Nanana olana ara-pahasalamana isan-karazany izy ary niaina fijaliana nandritra ny androm-piainany, izay vokatry ny loza nihatra taminy tamin’ny fahazazany teo amina tokontany filalaovana. Nisara-panambadiana izy teo amin’ny faha-32 taonany niaraka tamin’ny zaza efatra notezaina sy novelomina, ary nanambady indray izy tamin’ny faha-50 taonany. Nodimandry tamin’ny faha-66 taonany ilay vadiny faharoa ary nananotena izy avy eo nandritra ny 26 taona fanampiny.

Na dia teo aza ireo fanamby natrehany nandritra ny fiainany manontolo dia nahatoky tamin’ireo fanekempihavanany hatramin’ny farany izy. Mpahay tetiarana, mpandeha any amin’ny tempoly ary mpanangona sy mpanoratra tantaram-pianakaviana ikoizana ity ranabavy ity. Na dia niatrika fitsapana sarotra maro aza izy, ary tsy isalasalana fa nahatsapa alahelo sy fanirery indraindray, dia nanana endrika falifaly sy toetra miantra ary koa miramirana izy.

Niaina zavatra mahatalanjona tao amin’ny tempoly ny zanany lahy iray, sivy volana taorian’ny nahafatesany. Nahafantatra tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina izy fa nanana hafatra ho azy ny reniny. Nifandray taminy izy, saingy tsy tamin’ny alalan’ny fahitana na teny ren’ny sofina. Tonga tao an-tsain’ilay zanakalahy ity hafatra azo antoka izay avy tamin’ny reniny ity: “Tiako ho fantatrao fa mandaitra ny fiainana an-tany, ary tiako ho fantatrao fa azoko ankehitriny ny antony nitrangan’ny zava-drehetra [teo amin’ny fiainako] araka ny nitrangan’izany, ary nety izany rehetra izany”

Vao mainka miavaka io hafatra io rehefa mandinika ny toe-javatra nisy azy sy ny fahasahiranana niaretan’io ranabavy io ary noreseny isika.

Ry rahalahy sy ranabavy, mandaitra ny fiainana an-tany! Novolavolaina izany mba handaitra! Na dia eo aza ireo fanamby sy ratram-po ary fahasahiranana izay atrehantsika rehetra, ilay Raintsika any An-danitra be fitiavana sy hendry ary tonga lafatra dia efa namolavola ny drafitry ny fahasambarana mba tsy ho voalahatra tsy hahomby isika. Ny drafiny dia manome fomba iray hahafahantsika mandresy ireo tsy fahatomombanantsika ety an-tany. Hoy ny Tompo: “Indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”

Na izany aza, mba hisitrahantsika ny “[asa] sy … [voninahitra]” izay an’ny Tompo, dia ny “tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay” izany, dia tsy maintsy manampò ny hobeazina sy hampianarina isika ary handalo ilay afon’ny mpandrendrika, indraindray hatramin’ny faran’ny fetra zakantsika mihitsy aza. Ny fisorohana tanteraka ny olana sy fanamby ary fahasahiranana eto amin’ity tontolo ity dia midika ho fihodivirana ny dingana izay tena ilaina mba handairan’ny fiainana an-tany.

Noho izany, tsy tokony ho gaga isika rehefa tonga amintsika ny fotoan-tsarotra. Hiatrika toe-javatra izay hisedra antsika isika ary olona izay hanosika antsika hampihatra ny tena fiantrana sy faharetana. Saingy mila miaritra ny fahasahiranantsika isika ary mahatsiaro, araka izay nolazain’ny Tompo fa:

“Ary na zovy na zovy no manolotra ny ainy noho ny foto-kevitro, noho ny anarako, dia hahazo izany indray, dia fiainana mandrakizay.

“Koa aza matahotra ny fahavalonareo [na ireo olanareo sy ireo fanamby, na ireo fitsapana amin’ity fiainana ity], satria efa notapahiko …, hoy ny Tompo, fa hozahako toetra amin’ny zava-drehetra ianareo raha toa ka hitoetra ao amin’ny fanekempihavanako … mba hahitana fa mendrika ianareo.”

Rehefa mahatsapa ho mikorotan-tsaina na sahiran-tsaina momba ny olantsika isika na mahatsapa fa mety mahazo fahasahiranan’ny fiainana mihoatra noho ny anjara sahaza ho antsika, dia afaka mahatsiaro ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny zanak’ Isiraely:

“Ary tsarovy [ireo] lalana rehetra izay nitondran’i Jehovah Andriamanitrao anao tany an’efitra izao efapolo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.”

Araka ny nampianarin’i Lehia an’i Jakôba zananilahy hoe:

“Efa niaritra fahoriana sy alahelo betsaka ianao. … Kanefa … [Andriamanitra] hanokana ny fahorianao ho tombontsoanao. … Noho izany dia fantatro fa efa voavotra ianao noho ny fahamarinan’ny Mpanavotra anao.”

Koa satria ity fiainana ity dia toerana fitsapana ary “maizina ny lalan[a] ka maloka ny fiainan[a],” dia manampy ny mahatsiaro ity torohevitra sy fampanantenana hita ao amin’ny Môzià 23 ity mikasika ireo fanambin’ny fiainana: “Kanefa—na zovy na zovy no mametraka ny fitokiany [amin’ny Tompo], dia izy no hasandratra amin’ny andro farany.”

Niaina manokana fanaintainana lehibe ara-pihetseham-po sy henatra aho, fony aho mbola zatovo, vokatry ny tsy rariny nataon’olona iray hafa, izay nisy fiantraikany nandritra ny taona maro teo amin’ny lanja omeko ny tenako manokana sy ny fahatsapako fahamendrehana teo anatrehan’ny Tompo. Na izany aza dia mijoro ho vavolombelona manokana aho fa ny Tompo dia afaka mampahery antsika sy manohana antsika amin’izay mety ho zava-tsarotra iainantsika mandritra ny fivahiniantsika eto amin’ity lohasahan-dranomaso ity.

Tsy zoviana amintsika ny zavatra niainan’i Paoly:

“Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana [izay voaraiko] aho, dia nasiana tsilo tamin’ny nofo, dia irak’i satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.

“Izany no nangatahako intelo tamin’ny Tompo, mba hialan’izany amiko.

“Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.”

Tsy fantatsika hoe inona ilay “tsilo tamin’ny nofon’”i Paoly. Nisafidy izy ny tsy hanoritsoritra hoe aretina ara-batana ilay izy ve, sa kilema ara-tsaina sa ara-pihetseham-po, sa fakam-panahy. Saingy tsy mila mahafantatra izany antsipiriany izany isika vao mahafantatra fa nitolona sy nitalaho tamin’ny Tompo izy mba hahazoana fanampiana ary nony farany dia ny tanjaka sy ny herin’ny Tompo no nanampy azy namakivaky izany.

Tahaka an’i Paoly dia nahazo hery ara-pihetseham-po sy ara-panahy ihany aho tamin’ny alalan’ny fanampian’ny Tompo, ary nony farany dia lasa nahafantatra aho taorian’ny taona maro fa olona misy lanjany sy mendrika ny fitahian’ny filazantsara foana aho. Nanampy ahy handresy ny fahatsapako tsy fahamendrehana sy hanolotra famelana amin-kitsim-po ho an’ilay olona nandratra ny Mpamonjy. Nony farany dia takatro fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia fanomezana manokana ho ahy ary tia ahy amin’ny fomba lafatra ny Raiko any An-danitra sy ny Zanany. Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia mandaitra ny fiainana an-tany.

Na dia voatahy aza aho tamin’ny farany mba hahalala ny fomba nanavotan’ny Mpamonjy sy ny nijoroany teo anilako nandritra ireo zavatra niainako ireo, dia takatro mazava tsara fa ny toe-javatra nampalahelo tamin’ny fahatanorako dia diako sy traikefako manokana, ka ny fanapahan-kevitra hiova sy ny vokatra farany naterak’izany dia tsy azo ampitahaina amin’ny an’izay nijaly sy mbola mijaly noho ny fitondran-tena tsy rariny ataon’ny hafa.

Tsikaritro fa ireo zavatra iainana eo amin’ny fiainana, ny tsara sy ny ratsy, dia afaka mampianatra antsika lesona manan-danja. Fantatro izao ary mijoro ho vavolombelona aho fa mandaitra ny fiainana an-tany! Manantena aho fa vokatry ny fitambaran’ireo zavatra niainako teo amin’ny fiainako, ny tsara sy ny ratsy, dia manana fangorahana ho an’ireo tsy manan-tsiny niharan’ny voka-dratsin’ny fihetsiky ny hafa aho sy miombom-pihetseham-po amin’ireo voahitsakitsaka.

Manantena amin-kitsim-po aho fa vokatry ny zavatra niainako teo amin’ny fiainako, ny tsara sy ny ratsy, dia tsara fanahy kokoa amin’ny hafa aho, mandray ny hafa tahaka ny ho nataon’ny Mpamonjy, manana fahatakarana lehibe kokoa momba ny zavatra lalovan’ilay mpanota ary manana fahitsiana tanteraka kokoa. Rehefa miantehitra amin’ny fahasoavan’ny Mpamonjy sy mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia afaka ny ho lasa ohatra amin’ny vokatra lehibe hoentin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Hizara ohatra iray farany aho fa mandraitra ny fiainana an-tany.

Ny nenitoa sy renin’ny Loholona Hales.

Lois VandenBosch, nenitoan’ny Loholona Hales, sy i Klea VandenBosch, reniny.

Tsy mora ny fiainana nandalovan’ny reniko nandritra ny fiainana an-tany. Tsy nahazo mari-pankasitrahana na voninahitra avy amin’izao tontolo izao izy ary tsy nanana fahafahana hianatra ankoatra ny lisea. Voan’ny lefakozatra izy tamin’ny fahazazany, izay niteraka fanaintainana sy tsy fahazoana aina teo amin’ny tongony havia nandritra ny androm-piainany. Rehefa lehibe izy dia niaina toe-javatra sarotra sy fanamby ara-batana sy ara-bola maro, saingy nahatoky tamin’ny fanekempihavanany sy tia ny Tompo.

Rehefa 55 taona ny reniko, dia nodimandry ny zokiko vavy faharoa, namela zanaka vavy valo volana, zanak’anabaviko, kamboty reny. Noho ny antony maro samihafa, dia lasa nitaiza ny zanak’anabaviko nandritra ny 17 taona manaraka i Neny, matetika tao anatin’ny toe-javatra tena sarotra. Kanefa, na dia teo aza ireo zavatra niainana ireo dia nanompo tamim-pifaliana sy an-tsitrapo ny fianakaviany sy ny manodidina azy ary ny mpikambana tao amin’ny paroasy izy ary mpanantanteraka ôrdônansy tao amin’ny tempoly nandritra ny taona maro. Nandritra ireo taona maromaro farany niainany, dia voan’ny karazana aretin-tsaina démence i Neny, matetika very saina, ary notànana tany amin’ny toeram-pitsaboana sy fitaizana ny be antitra. Nampalahelo fa irery izy rehefa nodimandry tampoka.

Volana maro taorian’ny nahafatesany dia nanana nofy tsy hohadinoiko na oviana na oviana aho. Tao amin’ilay nofiko dia nipetraka tao amin’ny biraoko tao amin’ny Biraom-pitantanana ny Fiangonana aho. Niditra ny birao i Neny. Nahafantatra aho fa avy any amin’ny tontolon’ny fanahy izy. Hotsaroako hatrany ilay fahatsapana nananako. Tsy niteny na inona na inona izy, fa namiratra hatsarana ara-panahy izay mbola tsy niainako hatrizay ary sarotra amiko ny mamariparitra azy.

Tena nahatalanjona tokoa ny tarehiny sy ny endriny! Tsaroako ny nilazako taminy hoe: “Neny a, tena tsara tarehy ianao!” manondro ny hery sy ny hatsarany ara-panahy. Nanaiky ny zavatra nolazaiko izy, fa tsy mbola niteny ihany anefa. Tsapako ny fitiavany ahy, ary fantatro tamin’izay fotoana izay fa faly izy ary sitrana tamin’ny fiahiahiana sy ny fanambin’izao tontolo izao ary miandry mafy ny “fitsanganana amin’ny maty be voninahitra”. Fantatro fa nandaitra tamin’i Neny ny fiainana an-tany, ary mandraitra amintsika koa izany.

Ny asan’ Andriamanitra sy ny voninahiny dia ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona. Ireo zavatra iainana eto amin’ny fiainana an-tany dia ampahany amin’ilay dia izay mamela antsika hitombo sy hivoatra mankany amin’izany tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay izany. Tsy nalefa etỳ isika mba ho lavo fa mba hahita fahombiazana kosa amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika.

Araka ny nampianarin’i Benjamina Mpanjaka: “Ary ankoatra izany dia mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy; ary raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany izy ireo dia raisina any an-danitra, fa amin’izany no hahazoany miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.” Raha fintinina dia hoe: mandaitra ny fiainana an-tany!

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny filazantsara isika, manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ary mitandrina ireo fanekempihavanana ireo, mibebaka, manompo ny hafa ary maharitra hatramin’ny farany, isika koa dia afaka mahazo antoka sy fitokiana tanteraka ny Tompo fa mandaitra ny fiainana an-tany! Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy aho, fa ny hoavintsika be voninahitra miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra dia azo tanterahina noho ny fahasoavana sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.