Manara-dia an’i Kristy
Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika dia mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ilay Ohatra fakan-tahaka tonga lafatra ho antsika isika. Koa dia aoka isika hanara-dia Azy ka hisoroka ny fifandirana.
Amin’ity taona ity dia olona an-tapitrisany maro no entanim-panahy avy amin’ilay drafitra fandalinana ny filazantsara fantatra amin’ilay fanasana nomen’ny Mpamonjy manao hoe “Avia, hanaraka Ahy.” Tsy zavatra ataotao fahatany na tsindraindray ny fanarahana an’i Kristy. Fanolorantena tsy tapaka sy fomba fiaina izay tokony hitarika antsika amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra izany. Mamaritra ny lalana ho an’ny mpianatr’i Jesoa Kristy tsirairay avy ny fampianarany sy ny ohatra nasehony. Ary ny rehetra no voasa handeha amin’ny lalany, satria asainy avokoa ny rehetra hanatona Azy, ny “mainty sy fotsy, andevo sy olon’afaka; lahy sy vavy; … ary mitovy ny rehetra amin’ Andriamanitra.”
I.
Ny dingana voalohany amin’ny fanarahana an’i Kristy dia ny mankatò ilay nofaritany ho “ny didy lehibe ao amin’ny lalàna”:
“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.
“Izany no didy lehibe sady voalohany.
“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
“Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”
Ny didin’ Andriamanitra dia manome hery fitarihana sy mampiorim-paka ho an’ny fiainantsika. Ireo zavatra iainantsika eto amin’ny fiainana an-tany dia toy ny zazalahy kely sy ny rainy mampanidina papango mandritra ny andro mandrivotra iray. Rehefa manidina avo kokoa ilay papango, dia ahilangilan’ny rivotra mba hisintona ilay tady mifandray amin’ny tanan’ilay zazalahy kely. Noho ny tsy fananany traikefa momba ny herin’ireo rivotra eto amin’ny fiainana an-tany, dia nanolotra izy ny hanapahana ilay tady mba hanidinan’ilay papango avo kokoa. Nanoro hevitra azy ny rainy feno fahendrena hoe tsia, tamin’ny fanazavana fa ilay tady no mihazona ny papango mba hijoro manoloana ireo rivotry ny fiainana an-tany. Raha mamotsotra ilay tady isika, dia tsy hiainga avo kokoa ilay papango. Hampitambolimbolenin’ireo rivotra ireo ilay izy ary hianjera amin’ny tany amin’ny farany.
Izany tady tena manan-danja izany dia maneho ireo fanekempihavanana izay mampifandray antsika amin’ Andriamanitra ilay Raintsika any An-danitra, sy i Jesoa Kristy Zanakalahiny. Rehefa manaja ireo fanekempihavanana ireo amin’ny alalan’ny fitandremana ny didin’Izy Ireo sy ny fanarahana ny drafitry ny fanavotana napetrak’Izy Ireo isika, dia mamela antsika hamakivaky ireo haavo selestialy ny fitahiana nampanantenain’Izy Ireo.
Manambara ombieny ombieny ny Bokin’i Môrmôna fa i Kristy no “fahazavan’izao tontolo izao.” Tamin’Izy niseho tamin’ny Nefita dia nanazava izany fampianarana izany ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty tamin’ny filazana tamin’izy ireo hoe: “Efa nanome ohatra ho anareo Aho.” “Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony—izay efa hitanareo fa nataoko.” Izy no ohatra fakan-tahaka ho antsika. Mianatra ny zavatra nolazainy sy nataony isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny fanarahana ireo fampianaran’ny mpaminany, araka ny niangavian’ny Filoha Russell M. Nelson mba ataontsika. Ao amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo dia manao fanekempihavanana isika isaky ny andro Sabata ny “hahatsiaro Azy mandrakariva ary ny hitandrina ny didiny.”
II.
Manome antsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo singa fototra indrindra ny Tompo, izay antsoiny hoe “ny fotopampianaran’i Kristy.” Izany dia ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny faharetana hatramin’ny farany, ary ny fiovana ho toy ny ankizy madinika, izay midika hoe matoky ny Tompo ary manoa ny zavatra rehetra izay takiany amintsika.
Misy karazany roa ny didin’ny Tompo: ny mitoetra, toy ny fotopampianaran’i Kristy, ary ny tsy maharitra. Ireo didy tsy maharitra dia ireo izay manan-danja ho an’ireo filàn’ny Fiangonan’ny Tompo na ny mahatoky ao anatin’ny toe-java-misy mandalo fotsiny, fa tsy arahina intsony rehefa tsy misy intsony ilay filàna. Ohatra iray amin’ny didy tsy maharitra dia ny fitarihan’ny Tompo ireo mpitarika ny Fiangonana tany am-boalohany mba hamindra ny Olomasina avy any New York hankany Ohio, ho any Missouri, ary ho any Illinois, ary farany, ny hitarika ny fifindran’ireo mpamaky lay ho any amin’ireo faritany feno tendrombohitra any andrefana. Na dia tsy naharitra aza izany, dia natao hankatoavina ireo didy ireo rehefa nanan-kery.
Ny didy mitoetra sasany dia nitaky fotoana ela ny nankatoavan’ny rehetra azy. Ohatra, ny lahateny nalaza nataon’ny Filoha Lorenzo Snow momba ny fahafolonkarena dia nanantitrantitra didy iray izay efa nomena teo aloha saingy tsy mbola notandreman’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny ankapobeny. Nila fanantitranterana indray izany teo anatrehan’ny toe-draharaha nanjo ny Fiangonana sy ny mpikambana tao aminy. Nilaina vao haingana ny famerenana fanantitranterana vitsivitsy noho ny toe-javatra ankehitriny atrehan’ny Olomasin’ny Andro Farany na ny Fiangonana. Ao anatin’izany ilay fanambarana momba ny fianakaviana navoakan’ny Filoha Gordon B. Hinckley taona maro lasa izay, sy ny antso avo nataon’ny Filoha Russell M. Nelson vao tsy ela ny mba hahalalana ny Fiangonana amin’ilay anarana nanambarana azy, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
III.
Ny fampianaran’ny Mpamonjy anankiray hafa koa dia toa mila fanantitranterana indray manoloana ny zava-misy amin’izao androntsika izao.
Izao dia fotoana ilazan’ny olona teny mahery sy mandratra maro eo amin’ny sehatry ny fifandraisana ifanaovana ampahibemaso ary indraindray eny amin’ny fianakaviantsika mihitsy aza. Ny tsy fitovian-kevitra goavana eo amin’ny olana mahakasika ny lalàna arahin’ny besinimaro dia matetika miteraka fifandirana—fifankahalalana mihitsy—eo amin’ireo fifandraisana amin’ny hafa sy amin’isika samy isika manokana. Izany tontolon’ny fifandrafiana izany indraindray dia manakana mihitsy ny famoahana lalàna momba ny raharaha tena manan-danja izay tena ilain’ny ankamaroan’ny olom-pirenena mafy ny andraisana andraikitra ho tombontsoan’ny besinimaro.
Inona no tokony hampianarin’ny mpanara-dia an’i Kristy sy hataony eo anatrehan’izao tontolon’ny fifandraisana manapoizina izao? Inona avy ireo fampianarana sy ohatra nasehony?
Tena manaitra fa anisan’ireo fitsipika voalohany nampianarin’i Jesoa rehefa niseho tamin’ny Nefita Izy dia ny fisorohana ny fifandirana. Na dia hoe tao anatin’ny sahan-kevitry ny tsy fifankahazoana eo amin’ny lafiny fotopampianarana ara-pivavahana aza no nampianarany izany, dia mazava fa ireo antony nomeny dia mihatra tsara amin’ny fifaneraserana sy fifandraisana eo amin’ny lafiny pôlitika, ny lalàna ho an’ny besinimaro, ary ireo fifandraisana ara-pianakaviana. Nampianatra i Jesoa hoe:
“Izay manana ny fanahin’ny fifandirana dia tsy Ahy fa an’ny devoly kosa, izay rain’ny fifandirana, ary mamoky ny fon’ny olona izy mba hifanditra amim-pahatezerana izy samy izy.
“Indro, tsy fotopampianarako ny mamoky ny fon’ny olona ho tezitra ka hifanohitra izy samy izy; fa izao kosa no fotopampianarako dia ny hampitsaharana ny zavatra toy izany.”
Rehefa namaramparana ny fanompoany teo anivon’ny Nefita i Jesoa dia nampianatra didy hafa mifandray akaiky amin’ilay fandraràny tsy hifanditra. Fantatsika avy amin’ny Baiboly fa efa nampianariny ny tsirairay avy tamin’izany tao anatin’ilay Lahateny teny an-Tendrombohitra malaza, izay araka ny fiteny nampiasainy ihany ho an’ny Nefita taty aoriana. Ilay fiteny nampiasainy tao amin’ny Baiboly izay tsy zoviana amintsika no indramiko:
“Tiava ny fahavalonareo, tsofirano ireo izay manozona anareo, manaova soa amin’ireo izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’ireo izay ratsy fitondra anareo sy manenjika anareo.”
Io no anisan’ny didin’i Kristy fanta-daza indrindra—mahery vaika indrindra ary sarotra arahina indrindra. Kanefa dia singa fototra indrindra ao anatin’ny fanasany ho an’ny rehetra ny mba hanara-dia Azy. Araka ny nampianarin’ny Filoha David O. McKay hoe: “Tsy misy fomba tsara kokoa hanehoana fitiavana ho an’ Andriamanitra mihoatra noho ny fanehoana fitiavana feno fahafoizan-tena ho an’ny mpiara-belona amin’ny tena.”
Ity dia fampianarana fototra hafa avy Aminy izay ohatra fakan-tahaka ho antsika: “Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra.”
Mpampihavana! Diniho ange fa tena hiova ny fifandraisana eo amin’isika samy isika raha toa ireo mpanara-dia an’i Kristy ka mahafoy ireo teny mahery sy mandratra amin’ireo fifandraisana rehetra ataon’izy ireo.
Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny herintaona dia nanome antsika ireto fanamby ireto ny Filoha Russell M. Nelson:
Ny iray amin’ireo fomba mora indrindra hamantarana ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia ny fangorahana asehony eo amin’ny fitondrany ny olona hafa. …
“… Ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy dia mpampihavana.
“… Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra ahafahantsika maneho voninahitra ny Mpamonjy dia ny fahatongavana ho mpampihavana.”
Nofaranany ny fampianarany tamin’ny hoe: “Safidy ny fifandirana. Safidy ny mampihavana. Manana ny fahafahanao hisafidy ny fifandirana na ny fampihavanana ianao. Mamporisika anareo aho mba hisafidy ny ho mpampihavana amin’izao fotoana izao ary mandrakariva.”
Ireo izay mety hifanohitra dia tokony hanomboka ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo amin’ny famantarana ireo lafin-javatra ahitana marimaritra iraisana izay samy eken’ny rehetra.
Ho fanarahana ilay Ohatra fakan-tahaka tonga lafatra ho antsika sy ny mpaminaniny, dia mila mampihatra ilay fantatry ny maro amin’ny hoe ilay Fitsipika Volamena isika: “Ny zavatra rehetra na inona na inona ka tianareo mba hataon’ny olona aminareo, dia ataovy toy izany aminy koa, fa izany no lalàna sy ny mpaminany.” Mila mitia sy manao ny tsara amin’ny rehetra isika. Mila misoroka ny fifandirana ary mpampihavana amin’izay fifandraisana rehetra ataontsika isika. Tsy midika izany fa mampandefitra ireo fitsipika sy laharam-pahamehantsika isika, fa atsahatsika kosa ny fanafihana amin’ny fomba mahery ny hafa noho ny azy ireo. Izany no nataon’ilay Ohatra fakan-tahaka tonga lafatra ho antsika fony Izy nanompo tety an-tany. Izany no ohatra napetrany ho antsika, raha nanasa antsika hanara-dia Azy Izy.
Tamin’ny fihaonambe toy ity efa-taona lasa izay, dia nanome antsika fanambin’ny mpaminany ho an’ny vaninandrontsika ny Filoha Nelson:
“Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao? Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao? Moa ve ianao hamela ny teniny sy ny didiny ary ny fanekempihavanany hitarika ny zavatra ataonao isan’andro? Moa ve hoavelanao ho lohalaharana eo amin’ny zavatra hafa rehetra ny feony?”
Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika dia mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ilay Ohatra fakan-tahaka tonga lafatra ho antsika isika. Koa dia aoka isika hanara-dia Azy ka hisoroka ny fifandirana. Rehefa miady ho an’ireo lalàna tiantsika eo amin’ny sehatry ny fifampiraharahana amin’ny hafa isika dia andeha isika ho mendrika ireo fitahiany amin’ny alalan’ny fampiasana ny fiteny sy fomba fiasan’ny mpampihavana. Ao amin’ny fianakaviantsika sy ireo fifandraisana manokana hafa misy eo amin’ny fiainantsika, dia aoka isika hisoroka izay mety ho zavatra mahery sy feno fankahalana. Aoka isika hikatsaka ny ho masina, toy ilay Mpamonjy antsika, ka amin’ny anarany masina no ijoroako ho vavolombelona sy hangatahako ny tsodranony mba hanampiana antsika ho tonga Olomasina. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.