Ilay nandre an’i Jehovah
Notahiana mba hanokatra ity fotoampitantanana farany ity i Joseph Smith ary voatahy isika fa nataony izany.
Ny tanjoko anio sy hatrizay dia ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, fa Izy no Zanak’ Andriamanitra, ilay Mpahary sy Mpamonjy izao tontolo izao, ilay Mpanafaka sy Mpanavotra antsika. Satria “ny fitsipika fototry ny finoan[tsika] dia ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny Apôstôly sy ny Mpaminany mikasika an’i Jesoa Kristy”, dia hizara aminareo ny fahalalako sy ny fijoroana ho vavolombelona ananako ny amin’ny Mpamonjy aho anio noho izany lasa mafy orina sy nitombo tamin’ny alalan’ny fiainana sy ny fampianaran’ny apôstôly sy mpaminany manan-danja iray.
Ny fiandohan’ny fahendrena
Vao marainan’ny andro tsara mahafinaritra iray tamin’ny lohataonan’ny taona 1820 dia niditra tao amin’ny alakely iray teo akaikin’ny tranon’ny fianakaviany i Joseph Smith izay 14 taona mba hivavaka momba ny fahotany sy hanontany ny fiangonana tokony hidirany. Ny vavaka feno fahitsiam-po notononiny tamin’ny finoana tsy azo hozongozonina, dia nisarika ireo hery mahery vaika indrindra eto amin’izao rehetra izao, anisan’izany ny Ray sy ny Zanaka. Ary ny devoly. Samy tena liana tokoa tamin’izany vavaka izany sy tamin’izany tovolahy izany ny tsirairay tamin’izy ireo.
Ilay antsointsika ankehitriny hoe ny Fahitana Voalohany no nanamarika ny fiantombohan’ny famerenana amin’ny laoniny ny zavatra rehetra tamin’ity fotoampitantanana farany ity. Saingy ho an’i Joseph dia natao ho azy manokana sy ho fanomanana azy ilay zavatra niainany. Ny hany mba niriany dia famelana sy fitarihana. Samy nomen’ny Tompo azy izy roa ireo. Ny toromarika hoe: “tsy misy [amin’ireo fiangonana ireo izay tokony hilatsahana] ho mpikambana” no fitarihana. Ireo teny hoe: “Voavela ny helokao” no famelana.
Eo anatrehan’ireo fahamarinana soa rehetra mety hianarantsika avy amin’io Fahitana Voalohany io dia angamba ny hevi-dehibe notsoahin’i Joseph dia tsotra: “Hitako fa ny tenivavolombelon’i Jakoba dia marina—fa ny olona izay tsy ampy fahendrena dia mahazo mangataka amin’ Andriamanitra ary mahazo.”
Nanome fanamarihana ny manam-pahaizana iray izay hoe: “Ny tena hafatra lehibe ao amin’ny Fahitana Voalohany ankehitriny dia ny mahafantatra fa ny toetran’ Andriamanitra ny manome ho an’ireo izay tsy ampy fahendrena. … Ilay Andriamanitra izay niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ilay alakely masina dia Andriamanitra mamaly ny zatovo ao anatin’ny fotoan-tsarotra.”
Nanome fahatokian-tena an’i Joseph ny zavatra niainany tao amin’ilay alakely mba hangataka famelana sy fitarihana ho an’ny androm-piainany sisa. Nanome ahy fahatokian-tena ihany koa ilay zavatra niainany mba hangataka famelana sy fitarihana ho amin’ny androm-piainako sisa.
Fibebahana tsy tapaka
Tamin’ny 21 septambra 1823 i Joseph dia nivavaka mafy mba hahazo famelana, sady natoky noho ny zavatra niainany tao amin’ilay alakely telo taona talohan’izay, fa hamaly azy indray ny lanitra. Dia nitranga izany. Nandefa anjely ny Tompo, dia i Môrônia, mba hampianatra an’i Joseph sy hampahafantatra azy momba ny rakitsoratra fahiny iray izay hadikany amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra ao aoriana ao, dia ny Bokin’i Môrmôna izany.
Saika ho 13 taona latsaka kely taorian’izay dia nandohalika nivavaka tamim-panajana sy mangina tao amin’ilay Tempolin’i Kirtland vao notokanana tsy ela i Joseph sy i Oliver Cowdery. Tsy fantatsika hoe inona no nangatahan’izy ireo tamim-bavaka, saingy azo inoana fa nisy fangatahana famelana ny vavaka nataon’izy ireo, satria rehefa nitsangana izy ireo dia niseho ny Mpamonjy ary nilaza hoe: “Indro, voavela ny fahotanareo; madio ianareo eo anoloako.”
Tao anatin’ireo volana sy taona taorian’io zavatra niainany io dia nanota indray i Joseph sy i Oliver. Ary namerina indray. Saingy tamin’izay fotoana izay, ho an’io fotoana io, ho valin’ny fitalahoan’izy ireo sy ho fiomanana amin’ilay famerenana amin’ny laoniny amim-boninahitra ireo fanalahidin’ny fisoronana izay hitranga, dia nofafan’i Jesoa ny otan’izy ireo.
Ny fiainan’i Joseph izay nahitana fibebahana tsy tapaka dia manome ahy fahatokian-tena “hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoa[ko famindram-po].” Nianatra aho fa i Jesoa Kristy dia tena “vonona ny hamela foana.” Tsy mba asany na toetrany ny manameloka. Tonga mba hamonjy Izy.
Manontany ny Tompo
Ao anatin’ilay fampanantenana ny “fampodiana ny zavatra rehetra” dia namoaka ny Bokin’i Môrmôna sy ireo fanambarana hafa ahitana ny fahafenoan’ny filazantsarany ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith. Nomena fahazavana sy fahafenoana ireo fahamarinana manan-danja rehefa namerimberina nangataka tamin’ny Tompo i Joseph mba hanomezany azy fitarihana. Eritrereto ireto manaraka ireto:
-
Manana vatana “azo tsapain-tanana toy ny an’ny olona” ny Ray sy ny Zanaka.
-
Tsy ny fahotantsika irery ihany no nentin’i Jesoa teo Aminy, fa ny aretintsika sy ny fahoriantsika ary ny rofintsika koa.
-
Tena mafy izaitsizy ilay Sorompanavotana nataony ka nahatonga Azy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra.
-
Ny fahasoavany no hamonjy antsika “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.”
-
Rehefa manatona an’i Kristy isika dia tsy hamela ny fahotantsika fotsiny Izy fa hanova ny toetrantsika ihany koa mba “tsy [hananantsika] fironana hanao ratsy intsony.”
-
Mandidy ny vahoakany hanorina tempoly foana ny Tompo izay toerana hanehoany ny Tenany amin’izy ireo sy hanafiana azy ireo amin’ny hery avy any ambony.
Mijoro ho vavolombelona aho fa marina ireo zavatra rehetra ireo ary ilaina. Ampahany kely amin’ny fahafenoana izay naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith fotsiny ihany ireo ho valin’ny fangataham-pitarihana miverimberina nataon’i Joseph.
Fandrosoan’ny fanjakany
Tamin’ny taona 1842 dia nanoratra zavatra mahavariana izay hitranga amin’ity fotoampitantanana farany ity i Joseph. Nanambara izy fa amin’ny androntsika “ny Fisoronana any an-danitra dia hiray amin’ny ety an-tany mba hanatanteraka ireo tanjona lehibe ireo; ary rehefa tafaray toy izany isika amin’ny tanjona iray iraisana, dia ny hampandroso ny fanjakan’ Andriamanitra, dia tsy mitaza-potsiny ny Fisoronana any an-danitra.”
Hoy i Joseph tamin’i Benjamin Johnson namany: “Ry Benjamin, [raha maty aho] dia tsy ho lavitra anao, ary raha any amin’ny lafy ilan’ny voaly aho dia mbola hiara-hiasa aminao, ary amin-kery lehibe kokoa, mba hampandroso ity fanjakana ity.”
Tamin’ny 27 jona 1844 dia nisy namono i Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny. Nalevina ny vatan’i Joseph, saingy mbola manakoako manerana an’izao tontolo izao sy ato anatin’ny fanahiko ny fijoroany ho vavolombelona manao hoe:
“Efa nahita fahitana aho; nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka mandà izany aho.”
“Tsy nilaza velively taminareo aho hoe tonga lafatra aho, saingy tsy misy fahadisoana ao amin’ireo fanambarana izay nampianariko.”
“Ireo fitsipika fototry ny fivavahantsika dia ny fijoroan’ireo Apôstôly sy Mpaminany ho vavolombelona mahakasika an’i Jesoa Kristy fa maty Izy ka nalevina ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo ary niakatra ho any an-danitra; ary ny zavatra hafa rehetra mahakasika ny fivavahantsika dia tovana napetaka amin’izany.”
Ny zavatra nolazaina momba an’i Jaona Mpanao Batisa dia azo lazaina ihany koa momba an’i Joseph Smith: “Nisy lehilahy nirahin’ Andriamanitra [Joseph] no anarany. … Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava,” “mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny.”
Mino aho. Mino aho ary azoko antoka fa i Jesoa no Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra velona. Mijoro ho vavolombelona aho fa ilay Raintsika be fitia no ilay Andriamanitra velona. Fantatro izany satria efa nilaza izany tamiko ny feon’ny Tompo, dia nilaza izany koa ny feon’ireo mpanompony, ireo apôstôly sy mpaminany, nanomboka tamin’i Joseph Smith izay tafiditra ao anatin’izany.
Mijoro ho vavolombelona aho fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith, vavolombelona sy mpanompon’i Jesoa Kristy Tompo. Nahazo fitahiana izy mba hanokatra ity fotoampitantanana farany ity ary voatahy isika fa nataony izany.
Nandidy an’i Oliver sy antsika rehetra ny Tompo hoe: “Tohano amim-pahatokiana tokoa i Joseph.” Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia manohana an’i Joseph mpanompony sy ny Famerenana amin’ny laoniny natao tamin’ny alalany.
Ankehitriny dia tafiditra ao anatin’ilay fisoronana any an-danitra izay nolazainy i Joseph Smith. Araka ny nampanantenainy ny namany, dia tsy lavitra antsika izy, ary any amin’ny lafy ilan’ny voaly izy dia mbola miara-miasa amintsika, ary amin-kery lehibe kokoa, mba hampandroso ity fanjakana ity. Amim-pifaliana sy amim-pankasitrahana no anandratako ny feoko hoe “dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah.” Ary ambonin’ny zavatra rehetra, dia dera ho an’i Jehovah, izay niresaka tamin’io lehilahy io! Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.