Liahona
Tonga soa ato amin’ny Fiangonan’ny fifaliana
Nôvambra 2024


13:2

Tonga soa ato amin’ny Fiangonan’ny fifaliana

Noho ilay fiainan’ny Mpamonjintsika, i Jesoa Kristy, sy ny asa manavotra nanirahana Azy, dia afaka, ary tokony mihitsy aza, ho vahoaka feno fifaliana indrindra eto an-tany isika!

Vita batisa tato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho nanomboka tamin’ny misasakalin’ny Krismasy 1987, efa ho 37 taona izay. Andro iray nahafinaritra teo amin’ny fiainako sy teo amin’ny diako ho amin’ny mandrakizay tokoa izany, ary feno fankasitrahana lalina aho noho ireo namana izay nanomana ny lalana sy nitondra ahy ho ao amin’ilay ranon’ny fahaterahana indray.

Na vao omaly na efa taona maro lasa izay ny batisanao, na miangona ao amin’ny trano Fiangonana iray lehibe ihaonan’ny paroasy maro na ao amin’ny trano tafo bozaka ianao, na mandray ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana ny Mpamonjy amin’ny fiteny Thailandais na Swahili ianao, dia te hiteny aminao aho hoe: Tonga soa ato amin’ny Fiangonan’ny fifaliana! Tonga soa ato amin’ny Fiangonan’ny fifaliana!

Ny Fiangonan’ny fifaliana

Noho ilay drafitra feno fitiavan’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany tsirairay, ary noho ilay fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana manavotra nataony, dia afaka, ary tokony mihitsy aza, ho vahoaka feno fifaliana indrindra eto an-tany isika! Na dia mifofofofo eo amintsika aza ny tafiotry ny fiainana ao amin’ity tontolo mikorontana matetika ity, dia afaka mamboly fahatsapana fifaliana sy fiadanana anaty mitombo hatrany sy mitoetra isika noho ny fanantenantsika ao amin’i Kristy sy ny fahatakarantsika ny toerantsika manokana ao amin’ilay drafitry ny fahasambarana mahafinaritra.

Ny Apôstôlin’ny Tompo efa ela niasana indrindra, ny Filoha Russell M. Nelson, dia niresaka mikasika ny fifaliana izay azo avy amin’ny fiainana iray mifantoka amin’i Jesoa Kristy efa ho tamin’ny hafatra rehetra nozarainy hatry ny niantsoana azy ho Filohan’ny Fiangonana. Nofeheziny tsara izany hoe: “Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana. … Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia i Jesoa Kristy no fifaliana!”

Mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy isika. Mpikamban’ny Fiangonan’ny fifaliana isika! Ary tsy misy toerana hahitana soritra kokoa ny fifaliantsika amin’ny maha-vahoaka antsika noho ny fotoana hiangonantsika isaky ny Sabata mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo mba hitsaoka ilay Loharanon’ny fifaliana rehetra! Mivondrona ao miaraka amin’ireo fianakaviam-ben’ny paroasy sy sampana isika mba hankalaza ny fanasan’ny Tompo sy ny fanavotana antsika tamin’ny fahotana sy fahafatesana ary ny fahasoavan’ny Tompo mahery vaika! Tonga ao isika mba hiaina fifaliana, fialofana, famelan-keloka, fanehoana fisaorana, ary fahatsapana fiombonana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy!

Moa ve izany fanahin’ny fiaraha-mifaly ao amin’i Kristy izany no hitanao? Moa ve izany no hoentinao? Angamba heverinao fa tsy misy ifandraisany loatra aminao izany, na mety efa zatra ireo fanao hatrizay tsotra izao ianao. Saingy na firy taona isika, na inona antsontsika, dia afaka mifarimbona mba ho fotoana feno fifaliana sy mifantoka amin’i Kristy ary misokatra ho an’ny rehetra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo, velomin’ny fanahin’ny fanehoana fanajana feno fifaliana.

Fanehoana fanajana feno fifaliana

Fanehoana fanajana feno fifaliana? “Misy ve ny toy izany?”, hoy ianao manontany. Eny, misy mihitsy! Tiantsika ary omentsika laza sy haja lalina tokoa ny Andriamanitsika, ary ny fanehoantsika fanajana dia mikoriana avy amin’ny fanahy iray izay mifaly ao amin’ny fitiavan’i Kristy sy ny famindram-pony ary ny famonjeny lehibe! Tokony mameno ny toetoetran’ireo fivoriana fanasan’ny Tompo izany fanehoana fanajana ho an’ny Tompo feno fifaliana izany.

Kanefa ho an’ny maro izany fanehoana fanajana izany dia midika fotsiny hoe: manambatra mafy ny tanantsika eo amin’ny tratra, manondrika ny lohantsika, manakipy ny masontsika, ary mitony, dia toy izany hatrany ihany! Mety manampy amin’ny fampianarana ireo ankizy kely mpibitabitaka izany, saingy rehefa mihalehibe sy mianatra isika, dia aoka isika haka antoka fa ny fanehoana fanajana dia mihoatra lavitra noho izany. Moa ve isika ho toy izany raha toa ka niaraka tamintsika teo ilay Mpamonjy? Tsia, satria “havokisam-pifaliana no eo anatreha[ny]”!

Mety mila fanazarana izany fiovana ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo izany ho an’ny maro amintsika.

Ny hoe manatrika raha ampitahaina amin’ny hoe mitsaoka

Tsy hoe miangona amin’ny andro Sabata isika mba hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo fotsiny ary hanisy hoe vita iny ao amin’ny lisitry ny zavatra atao. Miara-mivondrona isika mba hitsaoka. Misy fahasamihafana lehibe eo amin’ireo anankiroa ireo. Ny hoe manatrika dia midika hoe tonga eo amin’ilay toerana. Fa kosa ny mitsaoka dia midera sy mankalaza ilay Andriamanitsika an-tsirapo amin’ny fomba izay manova antsika!

Ny eny amin’ny lampihazo sy ny daholobe

Raha miangona isika ho fahatsiarovana ny Mpamonjy sy ny fanavotana nataony ho azo sitrahana , dia tokony maneho ny taratry ny fifaliantsika sy ny fankasitrahantsika ny endritsika! Ny Loholona F. Enzio Busche indray andro dia nitantara fotoana iray tamin’ny naha filohan’ny sampana azy ka nisy zazalahy iray tao amin’ny daholobe nijery azy teny amin’ny lampihazo ary nanontany mafy hoe: “Inona no ataon’io lehilahy sorena endrika io eny ambony eny?” Ireo izay mipetraka eny amin’ny lampihazo, ny mpandaha-teny, ny mpitarika, ny amboaram-peo, sy ireo mpiangona mpanatrika dia mifampizara ity “tonga soa ato amin’ny fiangonan’ny fifaliana” ity, amin’ny alalan’ny endrika asehon’izy ireo.

Fihirana

Rehefa mihira isika, moa ve isika miara-miredona midera ilay Andriamanitsika sy Mpanjakantsika, na manao ahoana ny kalitaon’ny feontsika, sa mingonongonana fotsiny na tsy mihira mihitsy aza? Voarakitra ao amin’ny soratra masina fa “ny hiran’ny marina dia vavaka ho an’ [Andriamanitra]” ary finaritra amin’izany ny Fanahiny. Koa ‘ndao ary hihira! Sy hidera Azy!

Ireo lahateny sy fijoroana ho vavolombelona

Mampifantoka ireo lahateny sy fijoroana ho vavolombelona amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ireo vonkazo avy amin’ny fiainana feno fanetrentenan’ny filazantsaran’ Izy Ireo isika, voany izay “mamy manoatra noho ny rehetra izay mamy.” Avy eo isika dia tena “hivoky … mandra-pahavoky [antsika] ka tsy ho noana [isika] sady tsy hangetaheta,” ary ho mora ny ziogantsika amin’ny alalan’ny fifalian’ilay Zanaka.

Ny fanasan’ny Tompo

Ilay zava-manan-danja feno voninahitra ifantohan’ireo fivoriam-bavaka ataontsika dia ny fanamasinana sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ny mofo sy ny rano maneho an’ohatra ilay fanomezana manavotra avy amin’ny Tompo ary ny tanjona manontolon’ny fihaonantsika. Izany dia “fotoana masina fanavaozana fanahy” rehefa vavolombelona indray isika fa nanaiky an-tsitrapo ny handray ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika ary manao fanekempihavanana indray fa hahatsiaro ny Mpamonjy mandrakariva sy hitandrina ny didiny.

Misy fotoana eo amin’ny fiainana mety manatona ny fanasan’ny Tompo amin’ny fo mavesatra sy entana sarotra lanjaina isika. Amin’ny fotoana hafa dia manatona amin’ny fahatsapana ho afaka sy nohamaivanina tamin’ny ahiahy sy olana isika. Rehefa mihaino omban’ny finiavan’ny fo marina ny fanamasinana ny mofo sy ny rano isika ary mandray ireo tandidona masina ireo, dia afaka ny hahatsapa fitaomana mba handinika ny sorona nataon’ny Mpamonjy, ny fangirifiriany tao Getsemane, ny tebitebiny teo amin’ny hazofijaliana, ary ny alahelo sy fanaintanana niaretany teo amin’ny toerantsika. Izany no hanamaivana ny fanahintsika rehefa mampifandray ny fijaliantsika amin’ny fijaliany isika. Amin’ny fotoana hafa isika dia hahatsapa fitaomana mba hitolagaga sy ho talanjona omban’ny fankasitrahana manoloana ilay fifaliana “mahafinaritra sy mamy tokoa” noho ireo zavatra izay nataon’ny fanomezana lehiben’i Jesoa ho azo tanterahina eo amin’ny fiainantsika sy ny mandrakizaintsika. Hifaly amin’ireo zavatra mbola hoavy koa isika—dia ny fihaonana mahatehotia amin’ny Ray be fitia sy ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty.

Mety ho nozarina isika hihevitra fa ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo dia ny hipetraka eo amin’ny dabiliom-piangonana sady mieritreritra fotsiny ireo fomba rehetra nanaovantsika hadisoana ny herinandro teo aloha. Saingy ‘ndeha ovaintsika izany fahazarana izany. Ao anatin’ny fitoniana isika dia afaka misaintsaina ireo fomba maro izay nahitantsika ny Tompo tsy mitsaha-mikatsaka antsika amin’ny fitiavany mahafinaritra tamin’iny herinandro iny! Afaka mandinika ny dikan’ny hoe “[miaina] ny fifaliana avy amin’ny fibebahana isan’andro” isika. Afaka maneho fisaorana isika noho ireo fotoana nidiran’ny Mpamonjy an-tsehatra teo amin’ireo fahasarotana sy fandresena natrehantsika ary ireo fotoana izay nahatsapantsika ny fahasoavany sy ny famelan-keloka avy Aminy ary ny heriny izay nanome tanjaka antsika mba handresy ireo fahasahiranantsika sy hizaka ny ziogantsika amim-paharetana sy amim-pifaliana mihitsy aza.

Eny tokoa, misaintsaina ireo fijaliana sy tsy fahamarinana nianjady tamin’ny Mpanavotra antsika noho ny fahotantsika isika, ary mahatonga fandinihana lalina izany. Saingy indraindray isika toa mijanona eo, ao amin’ilay saha, eny amin’ilay hazofijalina, ao amin’ilay fasana. Tsy tsaroantsika ny miandrandra any amin’ilay fifaliana avy amin’ilay fasana nisokatra sy ilay faharesen’ny fahafatesana ary ny fandresen’i Kristy an’ireo izay mety manakana antsika tsy hahazo fiadanana sy hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra. Na mandrotsaka ranomason’alahelo isika na ranomasom-pankasitrahana mandritra ny fanasan’ny Tompo, aoka izany ho amin’ny hagagana feno fitalanjonana ho an’ilay vaovao mahafalin’ny fanomezan’ny Ray ny Zanany!

Ireo ray aman-dreny manan-janaka mbola kely na mila fikarakarana manokana

Ho an’ireo ray aman-dreny manan-janaka mbola kely na mila fikarakarana manokana indray dia matetika tsy misy an’izany hoe fotoana handinihina amim-pahatoniana sy amim-pahanginana izany mandritra ny fanasan’ny Tompo. Saingy afaka mampianatra amin’ny alalan’ny ohatra ny fitiavana sy fankasitrahana ary fifaliana tsapanao ho an’ny Mpamonjy sy avy Aminy ianao manditra ny herinandro manontolo rehefa mikarakara an’ireo ondry keliny. Tsy misy ezaka very maina ao anatin’izany fikatsahana izany. Mahita anao Andriamanitra.

Filankevitra ao amin’ny fianakaviana sy paroasy ary Sampana

Toy izany koa ao an-tokantrano, afaka manomboka mampitombo ny fanantenantsika sy ny fiandrandrantsika ny fotoana any am-piangonana isika. Ao amin’ny filankevi-pianakaviana isika dia afaka mifanakalo hevitra ny amin’ny fomba manan-danja hahafahan’ny tsirairay mandray anjara mba hiarahaba ny rehetra Tonga soa ao amin’ny fiangonan’ny fifaliana! Afaka manao drafitra sy miandrandra ny hiaina fifaliana isika any am-piangonana.

Afaka maminavina sy mamorona kolontsain’ny fanehoana fanajana feno fifaliana ho an’ny fotoanan’ny fanasan’ny Tompo ny filankevitry ny paroasy sy sampana, ary mamantatra ireo dingana azo ampiharina sy fitaovana manintona ny maso afaka manampy.

Fifaliana

Samy hafa ny endrika hisehoan’ny fifaliana ho an’ny tsirairay. Mety ho fiarahabana amim-pitsikiana eny am-baravarana izany ho an’ny sasany. Ho an’ny hafa kosa dia mety ho fanampiana mangina ireo olona mba hahazo aina amin’ny alalan’ny tsiky sy fipetrahana eo anilany miaraka amin’ny hatsaram-panahy sy fandraisana amim-pitiavana. Tena zava-dehibe ilay fandraisana amim-kafanam-po ho an’ireo izay mahatsapa ho adino na voahilika. Afaka manontany tena isika amin’ny farany hoe toy ny ahoana no hitiavan’ny Mpamonjy hizoran’ny fotoanan’ny fanasan’ny Tompo. Ahoana no hitiavany handraisana, hikarakarana, hamokisana, ary hitiavana ireo zanany tsirairay? Ahoana no ho fahatsapana tiany hananantsika rehefa manatona isika mba havaozina amin’ny alalan’ny fahatsiarovana sy fitsaohana Azy?

Famaranana

Tany am-piandohan’ny dian’ny finoako dia ilay fifaliana ao amin’i Jesoa Kristy no zavatra lehibe hitako voalohany, ary nanova ny tontoloko izany. Raha mbola mikaroka izany fifaliana izany ianao dia atombohy ilay dian’ny fikarohana. Fanasana mba handray ny fanomezan’ny fiadanana sy fahazavana ary fifaliana avy amin’ny Mpamonjy ity, mba hankamamy izany, hitolagaga ny amin’izany, ary hifaly ny amin’izany isaky ny Sabata.

Naneho ny zavatra tsapako tato am-poko i Amôna rehefa nilaza izao tao amin’ny Bokin’i Môrmôna:

“Ankehitriny, moa tsy manana antony hifaliana va isika? Eny, lazaiko aminareo, tsy nisy na oviana na oviana [vahoaka] izay nanana antony lehibe loatra hiravoravoana toa antsika, hatry ny niandohan’izao tontolo izao; eny, ary entanim-pifaliana aho ka mampirehareha ahy amin’ Andriamanitro; fa ananany ny hery rehetra, ny fahendrena rehetra ary ny fahazavan-tsaina rehetra; azony ny zava-drehetra, ary Izy no Ilay feno famindram-po ho famonjena ireo izay te hibebaka sy hino ny anarany.

“Ankehitriny, raha izany no fireharehana, dia hirehareha toa izany aho; fa izany no fiainako sy fahazavako, … fifaliako sy fanati-tsaotrako lehibe”.

Tonga soa ato amin’ny Fiangonan’ny fifaliana! Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mahery vaika ny fifaliana, ary mitondra ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ny fifantohana amin’ny fifaliana. “I Jesoa Kristy no ohatra lafatra indrindra ho antsika amin’ny zavatra rehetra, -izay naharitra ny hazo fijaliana mba hahazoana ny fifaliana napetraka teo anoloany- [Hebreo 12:2]. Eritrereto tsara anie izany! Mba hizakana ny zavatra sarotra indrindra niainana teto ambonin’ny tany, ny Mpamonjintsika dia nifantoka tamin’ny fifaliana! Ary inona ilay fifaliana izay napetraka teo anoloany? Azo antoka fa izany dia nahitana ny fifaliana avy amin’ny fanadiovana, fanasitranana, ary fampatanjahana antsika; ny fifaliana avy amin’ny fanefana ny fahotan’ny olona rehetra izay mibebaka; ny fifaliana avy amin’ny fanaovana izay hahafahantsika sy ianao mandeha mody—madio sy mendrika—mba hiaina miaraka amin’ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra sy ny fianakaviantsika. Raha toa ka mifantoka amin’ilay fifaliana izay ho avy amintsika isika, na amin’ireo izay tiantsika, dia inona no azontsika iaretana ka toa manempotra, manaintaina, mampatahotra, tsy rariny, na tsy ho tanteraka tsotra izao ankehitriny?” (“Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy”, Liahona, nôv. 2016, 82–83).

  2. Salamo 16:11.

  3. F. Enzio Busche, “Lessons from the Lamb of God”, Religious Educator, lah. 9, faha 2 (2028), 3.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:12.

  5. Jereo ny Salamo 100:1.

  6. Almà 32:42.

  7. Jereo ny Almà 33:23.

  8. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 29.2.1.1, Médiathèque de l’Évangile.

  9. Jereo ny Russell M. Nelson, fivorim-piofanan’ny mpitarika misiôna, jona 2019; notsongaina tao amin’ny Dale G. Renlund, “Fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2019, 25.

  10. Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Rehefa mandohalika eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo ianao sy manolotra ilay vavaka izay voaray tamin’ny fanambarana, amin’ny maha-mpisorona anao, dia mametraka ireo mpanatrika ho amin’ny fanekempihavanana amin’ny Tompo. Zavatra bitika ve izany? Zavatra manan-danja indrindra sy mahavariana izany” (“The Aaronic Priesthood—a Gift from God”, Ensign, mey 1988, 46).

    “Ireo izay manomana, na manamasina, na mizara ny fanasan’ny Tompo dia manatanteraka izany ôrdônansy izany eo amin’ny toeran’ny Tompo. Ny tsirairay izay mihazona ny fisoronana dia tokony hanao ity andraikitra ity amin’ny toetra feno fahendrena sy fanajana. Tokony miakajo tsara izy, madio, ary maotina. Tokony maneho ny fahamasinan’ilay ôrdônansy ny endrika ivelany” (“Priesthood Ordinances and Blessings”, Family Guidebook [2006], 22).

  11. Almà 36:21.

  12. Russell M. Nelson, “Ny herin’ny fahavitrihana ara-panahy”, Liahona, mey 2022, 98.

  13. Jereo ny Môzià 24:13–15.

  14. Jereo ny Jaona 3:16–17.

  15. Almà 26:35–37.