Liahona
Hamasinina ho an’ny [Tompo] amin’ny fiainana andavanandro
Nôvambra 2024


14:17

Hamasinina ho an’ny [Tompo] amin’ny fiainana andavanandro

Mahatonga ny fiainana andavanandro ho masina ny hamasinana ho an’ny Tompo. Mahatonga antsika hanakaiky kokoa ny Tompo sy hifaly Aminy kokoa izany ary mampifanakaiky sy mahatonga antsika hifaly amintsika samy isika.

Nisy fampisehoana talenta nahafinaritra nandritra ny fivoriam-pianakavianay vao tsy ela, sady nisy fifaninanana ankamantatra.

Tsy nahazatra anefa io fifaninanana io. Ny tao amin’ny ekipa iray dia i Dadabe (izaho izany) sy zafikely roa, izay 12 sy 11 taona. Ny tao amin’ilay ekipa iray hafa kosa dia Ilon-tsaina Artifisialy (IA) izay nasain’ny vadin’ny zana-drahalahiko hitantara ankamantatra amin’ny fomban’i Gerrit W. Gong. I Dadabe Gerrit Gong no mifanandrina amin’i Gerrit Gong vokarin’ny Ilon-tsaina Artifisialy (IA).

Izaho sy ireo zafikeliko no nandeha voalohany.

Inona no iantsoana ny dinôzôro izay mankafy ilay trano fijerena sarimihetsika taloha? Tia Rex.

Nomena torolalana ilay Gerrit Gong vita amin’ny Ilon-tsaina Artifisialy hoe mieritrereta tahaka an’i Gerrit W. Gong. Miresaha tahaka azy.

Hoy i Gerrit Gong vita amin’ny ilon-tsaina artifisialy: “Ity misy ankamantatra toy ny hoe nolazain’i Gerrit W. Gong, araka ny fomba fiteniny feno fitiavana sy voadinika tsara ary mankahery: Nahoana ilay hazo feno fanetrentena no mampitsiky ny olona? Satria feno fitiavana ny faka nipoirany ary ny rantsany dia miseho amin-katsaram-panahy. Isika ihany koa, tahaka io hazo io, dia afaka mahazo hery avy amin’ny faka nipoirantsika sy mahazo fifaliana amin’ny fanehoana hatsaram-panahy amin’ny hafa.

Eny ary, ahoana ny fahitanareo an’izany? Izay no mahatonga an’ilay izy hoe ankamantatra avy amin’i Dadabe.

Feno zavatra manome fahafahana hihomehy sy hifaly ary hijery amin’ny maso feno fankasitrahana eny amin’ny manodidina antsika. Ny filazantsarantsika dia filazantsaran’ny fifaliana sy fahamasinana amin’ny fiainana andavanandro. Ny fanamasinana dia fanokanana zavatra ho amin’ny tanjona masina. Fa ny hoe hamasinina ihany koa dia manasa antsika hampiditra ao amin’ny fiainantsika andavanandro ny zavatra masina, dia ny fifaliana noho ny mofo azontsika isan’andro, ao anatin’ny rarin-tsaina sy ny fanamby eto amin’izao tontolo izao. Mba handehanantsika miaraka amin’ny Tompo, dia tsy maintsy miova ho masina isika, satria masina Izy, ary mba hanampiana antsika ho lasa masina, dia manasa antsika ny Tompo hiara-handeha Aminy.

Samy manana tantara avokoa isika. Tamin’ny nihaonanay sy Rahavavy Gong taminareo, mpikambana sy naman’ny Fiangonana any amin’ny toerana sy anaty toe-javatra maro, dia nankahery anay ny tantaranareo momba ny fanamasinana anareo ho an’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo andavanandro. Miaina ny M fito ianareo: manana fifandraisana amin’ Andriamanitra, miara-monina sy manana fangorahana aminareo samy ianareo, manolo-tena sy manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra, sy amin’ny fianakaviana ary amin’ny namana—mifototra amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Mihamaro ny porofo manantitrantitra izao tranga mahavariana izao: ireo mpino ara-pivavahana amin’ny ankapobeny dia faly kokoa, salama kokoa, ary mahatratra ny tanjony kokoa noho ireo izay tsy manana fanoloran-tena na fifandraisana ara-panahy. Ny fahasambarana sy ny fahafaliam-po eo amin’ny fiainana, ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana, ny antom-pisiana sy ny tanjona, ny toetra sy ny soatoavina, ny fifandraisana akaiky ara-piarahamonina, eny na dia ny fizakan-tena ara-bola sy ara-pitaovana aza, amin’izany rehetra izany dia miroborobo ireo izay mandala ny fivavahany.

Mianoka fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina tsara kokoa izy ireo sady manana fahafaliam-po kokoa amin’ny fiainany na firy na firy sokajin-taonany na avy aiza na avy aiza ny vondron’olona niaviany.

Ilay antsoin’ny mpikaroka hoe “filaminan-drafitra entin’ny fivavahana” dia manome fahazavana sy tanjona ary aingam-panahy ao anatin’ny fiainana kodiaran-tsarety. Ny mpianakavin’ny finoana sy ny fivondronan’ny Olomasina dia miady amin’ny fahatsapana ho mitoka-monina sy ny fahatsapana ho irery anaty olona maro. Ny hoe hamasinina ho an’ny Tompo dia mandà ny tsy fahamasinana, mandà ny hafetsifetsena miteraka fahavoazana ho an’ny hafa, mandà ireo algorythmes izay mampiasa fahatezarana sy fisaraham-bazana ho fitadiavam-bola. Ny hoe hamasinina ho an’ny Tompo dia manaiky izay masina sy maneho fanajana, manaiky ny fiovantsika ho olona afaka indrindra, faly indrindra, tsisy fitaka, ary olona tsara indrindra eo am-panarahantsika Azy am-pinoana.

Manao ahoana izany hoe hamasinina ho an’ny Tompo amin’ny fiainana andavanandro izany?

Ny hoe hamasinina ho an’ny Tompo amin’ny fiainana andavanandro dia tahaka ny tanora mahatoky anankiroa, herin-taona nivadiana, izay mizara amin’ny fomba tsisy fitaka sy tsy am-piahiahiana ny fanekempihavanan’ny filazantsara sy ny fahafoizan-tena ary ny fanompoana eo amin’ny fiainan’izy ireo izay vao misondrotra.

Hoy ilay tanora vavy: “Fony tany amin’ny lisea aho dia tao anaty aloka. Nahatsapa aho hoe tsy teo ho ahy Andriamanitra. Indray alina, nisy SMS nalefan’ny namako nanao hoe: -E! Efa namaky ny Almà 36 ve ianao?-

“Rehefa nanomboka namaky aho”, hoy izy, “dia heniky ny fahatoniana sy ny fitiavana. Nahatsapa toy ny hoe nisy namihina mafy aho. Rehefa namaky ny Almà 36:12 aho dia nahafantatra fa nahita ahy ny Ray any An-danitra ary hainy tsara ny zavatra tsapako.”

Notohizany hoe: “Talohan’ny nanambadianay, dia nolazaiko tamin-kitsimpo tamin’ny fofom-badiko hoe tsy dia manana fijoroana ho vavolombelona loatra momba ny fahafolonkarena aho. Nahoana isika no ilain’ Andriamanitra hanome vola kanefa misy ireo hafa izay afaka manome be? Nanazava ilay fofom-badiko hoe tsy resaka vola ilay izy fa fanarahana didy iray izay nangatahan’ Andriamanitra mba hataontsika. Nanome fanamby ho ahy izy hoe hanomboka handoa fahafolonkarena.

“Tena hitako nitombo ny fijoroako ho vavolombelona”, hoy izy. “Indraindray manify ny vola eo am-pelatanana, kanefa nahita fitahiana marobe izahay ary lasa ampy nivelomana ny karama.”

Nilaza koa izy hoe: “ao amin’ny kilasin’ny mpitsabo mpanampy izay misy ahy dia izaho irery no mpikamban’ny Fiangonana ary izaho irery no efa manambady. Imbetsaka aho no sorena na mitomany rehefa miala avy ao am-pianarana satria nahatsapa hoe avahan’ireo mpiara-mianatra aho ary manao fanamarihana ratsy izy ireo momba ny finoako na ny fanaovako garmenta na ilay izaho nanambady mbola tanora.”

Kanefa notohizany hoe: “Tamin’ny telo volana sy tapany lasa teo aho dia nianatra ny fomba tsara kokoa hanambarako ny zavatra inoako sy ho lasa ohatra tsara amin’ny fiainana ny filazantsara. Nitombo ny fahalalako sy ny fijoroako ho vavolombelona satria nosedraina aho hoe afaka ny hijoro irery ve sy hatanjaka amin’ny zavatra inoako.”

Nanampy ralehilahy vadiny hoe: “Talohan’ny nandehanako nanao asa fitoriana dia naharay tolotra mba ho mpilalao baseball any amin’ny oniversite aho. Nandray fanapahan-kevitra sarotra aho ary navelako ireo tolotra ireo ka nandeha nanompo ny Tompo aho. Tsy atakaloko na inona na inona ireo roa taona ireo.

“Rehefa nody aho”, hoy izy, “dia nieritreritra hoe ho sarotra ny fiverenana milalao saingy lasa natanjaka kokoa, sy haingana kokoa ary salama kokoa aho. Mafy kokoa ny fanipazako baolina noho ny tamin’izaho vao handeha hanao asa fitoriana. Maro kokoa ny tolotra voaraiko mba ho mpilalao noho ny tamin’izaho vao handeha ary anisan’izany ny sekoly izay efa nonofinofisiko hianarana. Ary ny tena manan-danja indrindra”, hoy izy, “dia niankina tamin’ny Tompo mihoatra noho ny hatrizay aho.”

Hoy izy namarana azy: “Tamin’izaho misiônera dia nampianatra aho fa ny Ray any An-danitra dia mampanantena antsika hery ao amin’ny vavaka ataontsika, kanefa indraindray dia adinoko izany ho an’ny tenako.”

Sesehena sy feno ny raki-tsoan’ireo fitahiana ho an’ireo misiônera nohamasinina ho an’ny Tompo. Indraindray tsy mora ny ara-bola sy ny fotoana ary ireo toe-javatra misy. Kanefa rehefa manokana fanamasinana ho an’ny Tompo ireo misiônera avy amin’ny sokajin-taona rehetra sy avy amin’ny toe-javatra rehetra, dia afaka ny hilamina ny zava-drehetra amin’ny fotoana sy amin’ny fomban’ny Tompo.

Ankehitriny, amin’ny fijery 48 taona aty aoriana dia izao no nozarain’ny misiônera zokiolona iray: “Hianatra any amin’ny oniversite no nirian’ny dadako hoe hataoko fa tsy handeha hanao asa fitoriana. Fotoana fohy taorian’izay dia tapaka lalan-drà izy dia nodimandry teo amin’ny faha-47 taonany. Nahatsapa ho meloka aho. Ahoana no ahafahako mamitrana ny fihavanako amin’ny raiko?

“Taty aoriana”, hoy izy nanohy nitantara, “taorian’ny fanapahan-kevitro handeha hanao asa fitoriana, dia nahita ny raiko tao anaty nofy aho. Tony sy finaritra izy ary faly hoe hanompo aho.”

Hoy ilay misiônera zokiolona nanohy izany: “Araka ny ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 138 dia inoako fa ny raiko dia afaka ny manao asa fitoriana ao amin’ny tontolon’ny fanahy. Maka sary an-tsaina ny raiko eo am-panampiana ny dadan’ny dadabeko, izay nandao an’i Alemana fony izy 17 taona ary tsy hitan’ny fianakaviany intsony, mba ho hita indray aho.”

Nanampy ny vadiny hoe: “Amin’ireo dimy mirahalahy iray tampo amin’ny vadiko, dia ny efatra izay nanao asa fitoriana no manana diplaoma avy eny amin’ny anjery manontolo.”

Ny hoe hamasinina ho an’ny Tompo amin’ny fiainana andavanandro dia toy ny misiônera tanora eo am-pamitana ny asa fitoriana izay nianatra ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany. Teo aloha, rehefa asaina mitsodrano olona marary mafy io misiônera io dia hoy izy: “Manam-pinoana aho, homeko tsodrano izy mba ho sitrana. Kanefa,” ilay misiônera namarana ny asa fitoriana kosa niteny hoe: “nianatra aho tamin’izay fotoana izay ny tsy hivavaka ho an’izay tiako, fa ho an’izay fantatry ny Tompo fa ilain’ilay olona. Notsofiko rano ilay rahalahy mba hahazo fiadanana sy fiononana. Avy eo dia nodimandry tamim-piadanana izy.”

Ny hoe hamasinina ho an’ny Tompo amin’ny fiainana andavanandro dia fahatsapana toy ny pitik’afo manazava hatrany ambadiky ny voaly mba hampifandray sy hampionona ary hampahery. Nilaza ny mpitantana ao amin’ny oniversite lehibe iray hoe mahatsapa izy fa misy olona tsy fantany, afa-tsy noho ny lazany ihany, mivavaka ho azy. Ireo olona ireo dia nanolotra ny fiainany ho an’ilay oniversite ary mbola manohy miraharaha ny tanjon’ilay oniversite sy ireo mpianatra ao aminy.

Misy rahavavy iray izay manao izay tsara indrindra vitany isan’andro taorian’ny fivadiam-pitokisan’ny vadiny taminy sy ireo zanany. Tena talanjona aminy sy amin’ireo tahaka azy aho. Indray andro teo am-pamalonana ny lamba avy nosasana izy, dia nisento tamin’ny tenany nitsapa ireo garmenta nivangongo no nilaza hoe: “Atao inona moa?” Nandre feo malefaka izy nanome toky azy hoe: “Miaraka amiko ny fanekempihavanana nataonao.”

Nandritra ny 50 taona no naniriana rahavavy iray hafa mba hanana fifandraisana amin’ny rainy. “Tamin’ny fahazazako,” hoy izy, “dia nifandray am-po kokoa ireo anadahiko sy ny dadako, ary izaho kosa niavaka—ilay vavitokana. Ny hany faniriako dia ny hoe -ho zanaka tsara- ankasitrahan’ny dadako.

“Nodimandry avy eo ny reniko! Izy no hany nampifandray ahy tamin’ny dadako.

“Indray andro”, hoy ilay ranabavy, “dia nahare feo aho nanao hoe: -Asao ny dadanao ary ento any amin’ny tempoly miaraka aminao izy.- Teo no nanomboka ny fiarahako tamin’ny dadako indroa isam-bolana mankany amin’ny tranon’ny Tompo. Nolazaiko tamin’ny raiko hoe tiako izy. Nilaza tamiko izy fa tia ahy ihany koa.

“Nanasitrana anay ny fotoana niarahanay tao amin’ny tranon’ny Tompo. Tsy afaka nanampy anay ny reniko tetỳ an-tany. Nila niampita ny voaly izy mba hanampy anay hanamboatra izay rava. Nanatanteraka ny dianay mankany amin’ny fahafenoana sy fanasitranana ho fianakaviana mandrakizay ny tempoly ”

Hoy ilay raim-pianakaviana: “Ny fahavitrihana mankany amin’ny tempoly dia traikefa ara-panahy mahafinaritra ho ahy sy ny zanako vavitokana. Amin’izao izahay dia miara-mankany amin’ny tempoly ary mahatsapa fa mihamafy ny fifankatiavanay.”

Tafiditra ao amin’ny hoe hamasinina ho an’ny Tompo amin’ny fiainana andavanandro ny fotoana mapihetsi-po rehefa misy olona akaiky ny fo mandao ity fiainana ity. Tamin’ity taona ity no nandaozan’i Jean Gong reny malalako tsimoramora ity fiainana ity talohan’ny fitsingerenan’ny faha 98 taonany.

Raha manontany ny reniko ianareo hoe: “Inona no tianao, gilasy misy hanitra sôkôlà misy poti-boanjo sa hanitra sôkôlà fotsy misy sakamalaho sa hanitra frezy?” Dia hamaly i Mama hoe: “Afaka mba mahazo azy ireo tsirairay ve aho?” Iza no handà tsy hanome ny reniny, indrindra rehefa mankafy ny hanitra rehetra misy amin’ny fiainana izy?

Indray mandeha aho nanontany an’i Neny hoe inona no fanapahan-kevitra izay tena nisy fiantraikany indrindra teo amin’ny fiainany.

Hoy izy: “Natao batisa tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy nifindra avy any Hawaii nankany amin’ny kaontinantan’i Etazonia izay nahitako ny rainao.”

Ny reniko dia natao batisa tamin’izy 15 taona ary izy irery no mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny fianakaviany izay maro mpiray tampo, ary nanana finoana ny fanekempihavanana izy sy natoky ny Tompo ary nitahy ny fiainany sy ny taranaka rehetra ao amin’ny fianakavianay izany. Manina ny reniko aho, tahaka anareo manina ireo havanareo. Kanefa fantatro fa tsy nandao ny reniko. Tsy eto fotsiny izy amin’izao fotoana izao. Manome voninahitra azy sy ireo efa nodimandry izay nanome ohatra matanjaka ny amin’ny hoe hamasinina ho an’ny Tompo aho.

Mazava ho azy fa tafiditra ao amin’ny hoe hamasinina ho an’ny Tompo amin’ny fiainana andavanandro ny fahatongavana matetika kokoa mankany amin’ny Tompo ao amin’ny tranony masina. Marina io na mpikamban’ny Fiangonana isika na naman’ny Fiangonana.

Nisy mpinamana telo nankany amin’ny varavarana misokatry ny tempolin’i Bangkok, Tailandy.

“Toerana manome fanasitranana lehibe ity” hoy ny iray.

Tao amin’ny toerana fanaovam-batisa dia hoy ilay iray hafa: “Rehefa eto aho dia te ho voadio ary tsy hanota intsony.”

Hoy ilay fahatelo: “Mahatsapa ilay hery ara-panahy ve ianareo?”

Amin’ny alalan’ireo teny masina sivy, ireo tempolintsika dia manasa sy manambara hoe:

“Hamasinina ho [an’ny Tompo]”.

“Ny tranon’ny Tompo.”

Mahatonga ny fiainana andavanandro ho masina ny hoe hamasinina ho [an’ny Tompo]. Izany dia mampanakaiky kokoa antsika amin’ny Tompo sy amin-tsika samy isika, mitondra fifaliana kokoa ary manomana antsika mba hiaina miaraka amin’ Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy ary ireo olona akaiky ny fontsika.

Toy ilay namako dia mety hanontany tena ianareo hoe tia anareo tokoa ve ny Ray any An-danitra. Eny manakoako ny valiny, tena tia anareo tokoa Izy! Afaka mahatsapa ny fitiavany isika rehefa manao ny fahamasinana ho an’ny Tompo ho fiainantsika isan’andro, ka ho sambatra mandrakizay. Enga anie mba hanao toy izany isika. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Efa hatramin’ny vaninandron’ny Testamenta Taloha no nampianarana antsika hoe, “Dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho” (Levitikosy 11:44). Tokony mandeha amim-pahamasinana eo anatrehan’ny Tompo isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:69), mitoetra amin’ny toerana masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32), mitandrina ny andro Sabata ho masina (jereo ny Eksodosy 20:8), mitafy fitafiana masina (jereo ny Eksodosy 29:29), mampiasa diloilo fanosorana masina (jereo ny Eksodosy 30:25), mahazo tsodrano avy amin’ireo mpaminany masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:46) sy miantehitra amin’ny soratra masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:11), sy amin’ny lalàna masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:20), ary amin’ireo anjely masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:6). Natao hitahy ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika andavanandro ny fahamasinana ho an’ny Tompo.

  2. Jereo ny Mosesy 6:34.

  3. Jereo ny “Religion and Spirituality: Tools for Better Wellbeing?,” Gallup blog, 10 ôkt. 2023, news.gallup.com. “Maneran-tany, ny olona izay manolo-tena kokoa amin’ny fiainam-panahy na ny fivavahana dia miadana kokoa amin’ny lafiny maro”, anisan’izany ny fananana fihetseham-po mahasoa, ny fahatsapana ho manana tanjona, ny filofosana amin’ireo raharahan’ny fiarahamonina, ary ny fifandraisana amin’ny hafa (Faith and Wellness: The Worldwide Connection between Spirituality and Wellbeing [2023], 4, faithandmedia.com/research/gallup).

  4. Ny tantara nindramina tsirairay avy dia nozaraina—ary deraiko sy ankasitrahako feno—amin’ny fampiasana ny tenin’ireo olona voakasika sy miaraka amin’ny fahazoan-dalana avy amin’izy ireo.

  5. Amin’izao fotoana izao ato amin’ny Fiangonana, dia iray ampahatelon’ny (32.5 isan-jato) isan’ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana no tanora 18–35 taona (izay ahitana ny tanora tokan-tena sy ny manambady vao erotrerony) ary ireo olon-dehibe tokan-tena (36–45 taona). Amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana miisa 5,623 tapitrisa ireo, ny tanora 18–35 taona dia mitotaly 3,625 tapitrisa (izay 694.000 no manambady), ary ireo olon-dehibe tokan-tena 36–45 taona dia 1,998 tapitrisa. Miavaka tokoa ireo tanora sy olon-dehibe tokan-tenantsika; sarobidy ny tsirairay amin’izy ireo Samy manana ny tantarany manokana feno finoana sy fikatsahana sy herin-tsaina ary fangorahana ny tsirairay amin’izy ireo. Ny ohatra nozaraina teto dia maneho ny tena mampiavaka ireo tantara sy zavatra niainana isan-karazany zarain’ny olon-dehibe tanora sy tokan-tena rehefa mihaona aminareo ao anatin’ny sehatra sy toe-javatra maro manerana ny Fiangonana ny tenako.

  6. Amin’izao dia misiônera 77.500 no manompo any amina misiôna miisa 450 manerana izao tontolo izao. Tafiditra ao anatin’izany ny misiônera tanora mampianatra ny filazantsara, ny misiônera tanora manao asa fanompoana, ary ny mpivady zokiolona, fa tsy ao anatiny anefa ireo misiônera zokiolona manao asa fanompoana sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny fotoana maharitra miisa 27.800. Ny tantaran’ny misiônera tsirairay avy, manomboka amin’ny fiomanana, dia avy eo ny fanompoana, ka hatramin’ny fiverenana, dia samy miavaka avokoa ary feno fahamasinana ho an’ny Tompo raha ny zavatra iainana manokana.

    Misiônera maro no mandinika ny fisian’ny lamina ara-panahy misoritra. Ao anatin’izany ny fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana momba ny fanasana sy fanampiana ny hafa amim-pandavan-tena mba hanatona an’i Jesoa Kristy ary ilay misiônera lasa mpianatr’i Jesoa Kristy sy misiônera mpandala ny Torio ny Filazantsarako. Ny misiônera mpandala ny Torio ny Filazantsarako dia miova, tena miova, noho ny zavatra iainany momba ny fijoroany ho vavolombelona. Mianatra mitia ny olona, ny toerana, ny fiteny, ary ny kolontsaina izy ireo. Manatanteraka faminaniana izy ireo amin’ny alalan’ny fitondrana ny vaovao mahafalin’ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ho an’ireo firenena sy foko ary vahoaka. Mahita ny soa ao amin’ny mpiara-manompo aminy tsirairay avy izy ireo ary mianatra miara-miaina amin’ny mpiara-manompo aminy tsirairay avy. Miara-miasa amin’ny mpikambana sy mpitarika ary namana avy amin’ny toe-java-misy sy foto-piaviana maro izy ireo, sy ny maro hafa koa.

    Ny misiônera mandala ny Torio ny Filazantsarako dia mikolokolo finoana sy fahatokian-tena. Manangana fiaraha-manompo feno fanokanana izy ireo. Mianatra izy ireo fa ny fankatoavana dia mitondra fitahiana sy fahagagana. Avy amin’ny fomba maro hafa tsy tambo isaina, dia tena lasa ary mahafantatra amin’ny alalan’ny fanekempihavanana izy ireo hoe: “Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra.” (3 Nefia 5:13).

  7. Ny sasany amin’ireo mpikambana tena mahatoky sy be herim-po ato amintsika, ny rahavavy sy ny rahalahy, dia mahita ny tenany lasa miatrika toe-javatra izay tsy nampoiziny mihitsy ary tsy ho nosafidiany mihitsy. Mandroso hatrany ireo tena Olomasina ireo, isan’andro isan’andro, ary matetika miandry ny Tompo. Mahalala tsara ny mahazo ny tsirairay ny Tompo ary, araka ny zarain’ity ohatra ity amin’ny fomba feno hatsaram-panahy, maniry ny hankahery sy hampatanjaka ny tsirairay avy amintsika amin’ny fotoanany sy ny fombany Izy.

  8. Tena mangetaheta fifandraisana betsaka ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Feno fankasitrahana lalina aho noho ny toe-javatra tsirairay avy izay namoronana na nanarenana, na dia taorian’ny taona maro aza, ny fihavanana indray sy ny famelana ary ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana. Tsy maniry an’iza na iza hihevitra ny rainy ho olona ratsy fanahy ity rahavavy mahafinaritra ity. Hoy izy, “Mpitarika mahafinaritra sy mahatoky ary ray tena tsara izy”.

  9. Ny zavatra toa mifanohitra momba ny fitaizana dia ny hoe ny fomba hanabeazana ny ankizy hatramin’ny fahazazany no mamolavola azy ireo, kanefa mazàna dia kely ihany no tsaroan’izy ireo momba ny fahazazany tamin’ny fotoana nikarakaran-dreniny azy ireo tamim-pitiavana sy tamim-pandavan-tena. Tsy ampy ny teny hoentina hanehoana ilay fahamarinana fa nivelatra sy niha-lalina ny fahatakarako sy ny fitiavako ary ny fankasitrahako ny raiko sy ny reniko rehefa lasa vady sy ray ary raibe aho. Rehefa misaintsaina ny fipakan’ny drafitry ny fahasambarana eo amin’ny taranaka samihafa isika dia afaka, ao amin’ny fitaratry ny mandrakizay ao amin’ny tempoly, mahita ny tenantsika amin’ny maha-reny antsika, renibe, renin’ny renibe eo amin’ny lafiny iray, ary amin’ny maha-zanakavavy antsika, zafikely, zafiafy, ary zafimpaladia eo amin’ny lafiny iray hafa.

  10. Amin’izao fotoana izao dia eo amin’ny 60 isan-jaton’ny mpikamban’ny Fiangonana eo ho eo maneran-tany no monina ao anatin’ny 80 km akaikin’ny tempoly iray, na vita dia ao anatin’ny adiny iray amin’ny toerana maro. Ao anatin’ireo taona ho avy, rehefa voambara ireo tempoly, dia eo ho eo amin’ny telo ampahefatry ny mpikamban’ny Fiangonana no hanana tranon’ny Tompo azo handehanana ao anatin’ny adiny iray miala ny fonenany. Miankina amin’ny toe-javatra iainana, dia hantenaina fa sahaza ny maha akaiky izany mba hahafahana mandeha matetika any amin’ny Tompo ao amin’ny tranony masina, ka hahafahana mitahy ny fianakaviantsika sarobidy sy ny tenantsika ary ny taranatsika.

  11. Ny fenitra momba ny soratra misy eo amin’ny tempolintsika dia ny hoe “Hamasinina ho an’ny Tompo, ny Tranon’ny Tompo.” Misy tempoly vitsivitsy sasany ahitana zavatra hafa ankoatra ireo soratra ireo, toy ny hoe ny anaran’ny Fiangonana. Ny an’ny tempoly vitsivitsy sasany dia mivadika ny filaharan’ireo soratra: “Ny Tranon’ny Tompo, hamasinina ho an’ny Tompo” (any Atlanta, Los Angeles, ary San Diego, any Etazonia). Ny soratra eo amin’ny tempolin’i Logan dia manao hoe, “Hamasinina ho an’ny Tompo” fotsiny ihany.