Mandevina ny fiadian’ny fikomiantsika
Enga anie isika ka handevina, lalina dia lalina, izay singa maneho fikomiana amin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ka hanolo izany amina fo sy saina feno fahavononana.
Raketin’ny Bokin’i Môrmôna fa 90 taona teo ho eo talohan’ny nahaterahan’i Kristy dia nanomboka ilay asa fitoriana tamin’ny Lamanita izay haharitra 14 taona ireo zanakalahin’i Môzià Mpanjaka. Maro ny ezaka natao nandritra ireo taranaka maro nifandimby mba hahatonga ny vahoaka Lamanita hino ny fotopampianaran’i Kristy nefa tsy nahitam-pahombiazana. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, tamin’ny alalan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina an-tsehatra tamin’ny fomba mahagaga, dia Lamanita an’arivony no niova fo ary lasa mpianatr’i Jesoa Kristy.
Vakintsika ao anatin’izany ny hoe: “Ary toy ny maha-azo antoka ny mahavelona ny Tompo no maha-azo antoka izay rehetra nino, na izay rehetra voatarika ho amin’ny fahalalana ny marina, tamin’ny alalan’ny fitorian’i Amôna sy ny rahalahiny, araka ny fanahin’ny fanambarana sy ny faminaniana ary ny herin’ Andriamanitra, izay nanao fahagagana tao amin’izy ireo—eny, lazaiko aminareo, raha velona koa ny Tompo, rehefa mety ho Lamanita ka nino ny fitoriany, sy niova fo ho an’ny Tompo, dia tsy nihemotra na oviana na oviana.”
Ny fanalahidin’ny fiovam-po maharitra nananan’io vahoaka io dia voalaza ao amin’ny andininy manaraka: “Fa tonga vahoaka marina izy; napetrany ny fiadian’ny fikomiany ka tsy niady intsony tamin’ Andriamanitra izy no sady tsy nanohitra na iza na iza tamin’ny rahalahiny.”
Ny firesahana momba ny “fiadian’ny fikomiana” eto dia sady ara-bakiteny no ara-keviteny itarina. Izany dia nidika hoe ireo sabatra sy fiadiana hafa teny amin’izy ireo, kanefa izany koa dia nidika hoe ny tsy fankatoavan’izy ireo an’ Andriamanitra sy ny didiny.
Nambaran’ny mpanjakan’ireo Lamanita niova fo ireo toy izao izany: “Ary ankehitriny, indro, ry rahalahiko, … izay ihany no efa azontsika natao … mba hibebahantsika amin’ny fahotantsika rehetra sy ny famonoana olona maro izay efa nataontsika ary mba hitarihana an’ Andriamanitra hanaisotra ireo hiala ny fontsikasatria izay ihany no azontsika natao mba hibebahantsika marina tokoa eo anoloan’ Andriamanitra ka hanesorany hiala ny pentintsika.”
Diniho tsara ny tenin’ilay mpanjaka hoe, tsy vitan’ny hoe nitondra tany amin’ny famelana ny fahotan’izy ireo fotsiny ihany ny fibebahana tamin-kitsimpo nataon’izy ireo fa nanaisotra koa ny pentimpentin’ireo fahotana ireo sy ny faniriana hanota tao am-pon’izy ireo mihitsy aza. Araka ny efa fantatrareo dia naleon’izy ireo nandevina ny sabatr’izy ireo toy izay hanao kinanga hiverina amin’ilay toetran’izy ireo feno fikomiana tamin’ Andriamanitra tany am-boalohany. Ary rehefa nandevina ny fiadiany ara-batana tao anatin’ny fiovan’ny fo izy ireo dia nandevina koa ilay fironan’izy ireo hanota.
Mety hanontany tena isika hoe, inona no zavatra azontsika atao mba hanarahana io lamina io, mba “[hametrahana] ny fiadian’ny fikomian[tsika]” na inona na inona izy ireo ary ho lasa tena “[hiova] fo ho an’ny Tompo” ka hoesorina ao am-pontsika ny pentimpentin’ny fahotana sy ny faniriana hanota ary tsy hihemotra na oviana na oviana isika.
Afaka ny ho mivantana na tsy mivantana ny fikomiana. Ny ohatra feno iray izay maneho ny fikomiana natao tamin’ny nahim-po dia i Losifera izay nanohitra ny drafitry ny fanavotan’ny Ray tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana ary namory ny hafa mba hanohitra izany koa “ary tamin’izay andro izay dia maro no nanaraka azy.” Tsy sarotra ny manavaka ny fiantraikan’ny fitohizan’ny fikomiany amin’izao fotoana iainantsika izao.
I Serema sy i Nehôra ary i Kôrihôra izay antikristy telo tsy mpino ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia manolotra fianarana feno tsara momba ny fikomiana mivantana amin’ Andriamanitra. Ny foto-kevitra lehibe ijoroan’i Nehôra sy i Kôrihôra dia ny hoe tsy misy ny fahotana, noho izany dia tsy ilaina ny fibebahana ary tsy misy ny Mpamonjy. “Ny olona tsirairay dia [m]iroborobo araka ny halalinan-tsainy, ary ny olona tsirairay dia [m]andresy araka ny heriny; ary na inona na inona ataon’ny olona iray dia tsy heloka.” Ny antikristy dia mandà ny fahefana ara-pivavahana, ka mamaritra ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ho toy ny fombafomba “napetraky ny mpisorona fahiny mba hisandohana hery sy fahefana.”
Ny ohatra iray niseho tamin’izao andro farany izao momba ny fikomiana iniana atao izay nifarana tamin-javatra tsara dia ny tantaran’i William W. Phelps. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana i Phelps tamin’ny 1831 ary notendrena ho mpanonta printy tao amin’ny Fiangonana. Nanonta printy boky maro navoakan’ny Fiangonana tany am-piandohana izy sy nanoratra hira maro tao amin’ny fihirana ary mpitantsoratr’i Joseph Smith. Indrisy anefa fa lasa nanohitra ny Fiangonana sy ny Mpaminany izy ary tonga hatramin’ny fijoroana ho vavolombelona mandainga mihitsy aza mba hanoherana an’i Joseph Smith tany amin’ny fitsarana tany Missouri izay nahatonga ny fanagadrana ny Mpaminany tany.
Taty aoriana dia nanoratra tamin’i Joseph i Phelps mba hangataka famelan-keloka. “Fantatro ny toe-javatra misy ahy, fantatrao izany, ary fantatr’ Andriamanitra, … ka maniry ny hovonjena aho raha afaka ny hanampy ahy ireo namako.”
Toy izao no navalin’ny Mpaminany: “Marina tokoa fa tena nijaly izahay vokatry ny fihetsika nasehonao. … Na izany aza dia efa nosotroina ilay kapoaka, natao ny sitrapon’ny Raintsika, ary mbola velon’aina ihany izahay. … Avia ry rahalahy malala, fa efa tapitra ny ady, satria ny mpinamana taloha dia lasa mpinamana indray aty afara.”
Nandevina ny “fiadian’ny fikomiany” i William Phelps tamin’ny alalan’ny fibebahana tamin-kitsimpo ary noraisina ho mpikambana feno indray ka tsy nihemotra intsony.
Fa ny endriky ny fikomiana amin’ Andriamanitra izay mamitaka kokoa anefa, dia angamba ilay endriny ankolaka, ilay tsy firaharahiana ny sitrapony eo amin’ny fiainantsika. Maro ireo olona izay tsy hieritreritra ny hanao fikomiana mivantana velively no mety mbola manohitra ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny teniny amin’ny alalan’ny fanohizan’izy ireo ny lalany ka tsy miraharaha ny fitarihana avy amin’ Andriamanitra. Tsaroako ilay hira malaza an’ilay mpihira Frank Sinatra taona maro lasa izay izay ahitana ity andalana iray maneho fisehoan-javatra lehibe ity: “Nataoko araka ny fombako izany.” Marina tokoa fa misy toerana malalaka ho an’ny zavatra tian’ny tena manokana sy ny safidin’ny tena manokana eo amin’ny fiainana, saingy rehefa momba ireo zavatra mahakasika ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay, ny lohahevitry ny hirantsika dia tokony hoe “nataoko araka ny fomban’ny Tompo izany,” satria tena tsy misy fomba hafa mihitsy.
Jereo ohatra ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mikasika ny batisa. Nanaiky ny hatao batisa Izy mba hanehoana ny fahatokiany eo anatrehan’ny Ray ary mba ho ohatra ho antsika:
“Asehony ny zanak’olombelona araka ny maha-nofo, fa manetry ny tenany eo anoloan’ny Ray Izy ary mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray, fa hankatò Azy amin’ny fitandremana ny didiny. …
“Ary niteny tamin’ny zanak’olombelona Izy hoe: Manaraha Ahy. Noho izany ry rahalahiko malala, ahoana no ahazoantsika manara-dia an’i Jesoa raha tsy vonona ny hitandrina ny tenin’ny Ray isika?”
Tsy misy ny hoe “ny fombako” rehefa hanaraka ny ohatra nasehon’i Kristy isika. Ny fiezahana mitady lalana hafa mankany an-danitra dia toy ny zava-poana tahaka ny miasa eo amin’ny Tilikambon’i Babela toy izay mitodika amin’i Kristy sy ny famonjeny.
Ny sabatra sy ny fiadiana hafa nalevin’ireo Lamanita niova fo dia fiadian’ny fikomiana noho ny fomba nampiasan’izy ireo izany. Ireo kazarana fiadiana ireo koa rehefa teo an-tanan’ny zanakalahin’izy ireo ka nampiasaina mba hiarovana ny fianakaviana sy ny fahafahana dia tsy fiadian’ny fikomiana amin’ Andriamanitra velively. Toy izany koa ireo fitaovana teo an-tanan’ny Nefita: “Tsy niady ho an’ny fitondran’andriamborivory na ny fahefana izy, fa niady kosa ho an’ny fonenany sy ny fahafahany, ny vadiny sy ny zanany ary izay rehetra ananany, eny, ho an’ny fombafomba fitsaohany sy ny fiangonany.”
Torak’izany koa, misy zavatra eo amin’ny fiainantsika izay mety ho tsy atahorana na misy hatsarana mifono anaty mihitsy aza saingy raha ampiasaina tsy araka ny tokony ho izy izany dia lasa “fiadian’ny fikomiana.” Ny fomba firesantsika ohatra dia mety hampahery na hanambany. Hoy i Jakoba hoe:
“Fa [toa] tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.
“Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’ Andriamanitra.
“Ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.”
Maro amin’izao fotoana izao ny firesahana ampahibemaso na manokana izay feno hasomparana sy haratsiam-panahy. Maro ny resaka vetaveta sy maloto, na eo anivon’ireo zatovo aza. Izany fomba firesahana izany dia “fiadian’ny fikomiana” amin’ Andriamanitra, “feno ody mahafaty.”
Eritrereto ilay ohatra iray hafa mikasika ny zavatra iray tena tsara saingy mety hivadika hanohitra ireo toromarika avy amin’ Andriamanitra, dia ny anton’asan’ny olona iray izany. Mety hahita fahafaham-po ny olona iray ao anatina asa iray na asa fanompoana iray ary isika rehetra dia mahazo tombontsoa amin’ny alalan’ny zavatra notanterahina sy ny zavatra noforonin’ireo olona eo amin’ny sehatr’asa maro izay feno fahafoizan-tena sy manan-talenta.
Saingy azo heverina ny hahatongavan’izany fahafoizan-tena amin’ny asa izany ho lasa zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ny olona iray. Avy eo dia lasa faharoa ny zavatra rehetra, ka tafiditra ao anatin’izany izay mety ho fangatahana ataon’ny Mpamonjy mahakasika ny fotoanan’ny olona iray na ny talentany. Ho an’ny lehilahy, sy ho an’ny vehivavy ihany koa, ny fandavana ireo fahafahana azo araraotina mba hanambadiana ara-dalàna, ny tsy fifikirana amin’ny vady sy ny tsy fampitrakana ny vady, ny tsy fikarakarana ny zanaka, ny fisorohana amin’ny nahim-po mihitsy ny fitahiana avy amin’ny fitaizana zanaka sy ny andraikitra fonosin’ny fitaizana zanaka mba hisondrotana toerana fotsiny ihany eo amin’ny lafin’ny asa dia mety hanova ilay fahombiazana mendri-piderana ho karazana fikomiana.
Ny ohatra iray hafa dia mikasika ny vatantsika. Mampahatsiahy antsika i Paoly fa tokony hankalaza an’ Andriamanitra amin’ny vatana sy ny fanahy isika, ary ity vatana ity no tempolin’ny Fanahy Masina, izay efa “azonareo tamin’ Andriamanitra, ka tsy tompon’ny tenanareo ianareo.” Noho izany dia manana tombontsoa ara-dalàna isika amin’ny fanokanana fotoana hikarakarana araka izay azo atao ny vatantsika. Vitsy amintsika no hahatratra an’ilay fahombiazana faratampony araka ny efa hitantsika vao haingana tao anatin’ireo zava-bita nandritra ny lalao Olimpika sy Paralimpika, ary ny sasany amintsika dia miaina ny vokatry ny fahanterana na ilay nantsoin’ny Filoha M. Russell Ballard hoe “tsy dia mahatana tsara intsony ireo rivets.”
Na izany aza dia mino aho fa faly ny Mpahary antsika rehefa manao izay vitantsika isika mba hikarakarana ilay vatana izay fanomezana lehibe avy Aminy. Ho toy ny mariky ny fikomiana ny fanimbana na ny fandotoana ny vatana iray na ny fanararaotana izany na ny tsy fanaovana izay azon’ny olona iray atao mba hananana fomba fiainana mahasalama. Ao anatin’izany ihany, ny fieboeboana sy ny fahavarianana loatra amin’ny bika aman’endrika na ny fitafiana dia mety ho endrika irain’ny fikomiana etsy ankilany ka hitarika ny olona iray hitsaoka ilay fanomezana avy amin’ Andriamanitra fa tsy hitsaoka an’ Andriamanitra.
Farany ny fandevenana ireo fiadian’ny fikomiantsika amin’ Andriamanitra dia midika tsotra fotsiny hoe manaiky ny fitaoman’ny Fanahy, manaisotra ny maha-olona araka ny nofo ary lasa “tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo.” Izany dia midika hoe mametraka ho lohalaharana ilay didy voalohany eo amin’ny fiainantsika. Midika hoe mamela an’ Andriamanitra hanjaka izany. Raha toa ka ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny fahavononantsika hanompo Azy amin’ny herintsika sy ny saintsika ary ny tanjatsika no lasa foto-pitsipika entitsika mandanjalanja ny zavatra rehetra sy mandray ireo fanapahan-kevitsika rehetra dia efa nalevintsika ny fiadian’ny fikomiantsika. Amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy dia hamela ireo helotsika sy ireo fikomiana nataontsika taloha Andriamanitra ary hanaisotra ny pentimpentin’ireo fahotana sy fikomiana avy amin’ny fontsika. Amin’ny farany dia hoesoriny mihitsy aza ny faniriantsika hanao ratsy toy ny nataony tamin’ireo Lamanita niova fo taloha. Aorian’izany dia “tsy [h]ihemotra na oviana na oviana” koa isika.
Mitondra any amina fifaliana miavaka ny fandevenansika ny fiadian’ny fikomiantsika. “Hoentina hihira ny [hiran’ny] fitiavana manavotra” miaraka amin’ireo olona rehetra efa lasa niova fo ho an’ny Tompo hatrizay isika. Ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany, ilay Mpanavotra antsika, dia nanamafy ny fanoloran-tenan’Izy Ireo tsy misy fiafarany ho an’ny fahasambarantsika amin’ny alalan’ny fitiavana sy ny fahafoizan-tena lalina indrindra. Miaina ny fitiavan’Izy Ireo isan’andro isika. Afaka mamaly fitia azy ihany koa isika amin’ny alalan’ny fitiavantsika sy ny tsy fivadihantsika. Enga anie isika ka handevina, lalina dia lalina, izay singa maneho fikomiana amin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ka hanolo izany amina fo sy saina feno fahavononana. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.