Manàna fiainana mendrika ireo tombontsoa natao ho anao
Ianaro ny fomba hamelan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana ny herin’ Andriamanitra hikoriana eo amin’ny fiainanao.
Vao haingana i Greg vadiko no nanao fizaham-pahasalamana ka nahitana fa mila fandidiana goavana sy chimiothérapie izy mandritra ny volana maromaro. Tahaka ny maro aminareo izay niatrika toe-javatra nitovitovy tamin’izany, avy hatrany izahay dia nanomboka nivavaka mba hahazo ny fanampian’ny lanitra sy ny herin’ Andriamanitra. Ny alahady taorian’ny fandidiana an’i Greg, dia nanaterana ny fanasan’ny Tompo tany amin’ny efitranon’ny hôpitaly nisy anay izahay.
Tamin’izay dia izaho ihany no nandray ny fanasan’ny Tompo. Sombi-mofo anankiray. Kaopin-drano anankiray. Rehefa any am-piangonana dia matetika ny saiko no mifantoka amin’ny fomba fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo, ny fanomanana, ny fitsofan-drano ary ny fizarana. Saingy tamin’io tolakandro io aho dia nisaintsaina ny fanomezan’ny herin’ Andriamanitra izay mitolotra amiko amin’ny alalan’ilay ôrdônansy masina mihitsy sy ny fampanantenan’ny fanekempihavanana izay nataoko rehefa nandray iny sombi-mofo sy kaopin-drano iny aho. Io no fotoana nilako hery avy any an-danitra. Teo anivon’ny ratram-po lehibe sy ny fahatrotrahana ary ny tsy fahalalana izay ho avy, dia nanontany tena aho ny amin’io fanomezana izay hamela ahy hanovo amin’ny hery avy Aminy izay tena nilaiko fatratra io. Ny fandraisako ny fanasan’ny Tompo dia nampitombo ny fananako ny Fanahin’ny Tompo niaraka tamiko, izay namela ahy nanovo avy tamin’ny fanomezana ny herin’ Andriamanitra, anisan’izany ny fanompoan’ny anjely ary ny hery enti-mandresy izay omen’ny Mpamonjy.
Toa tsy mbola nahatakatra mazava tsara toy izao aho taloha fa tsy ilay olona manatanteraka ny ôrdônansy ihany no manan-danja, fa mendrika ny hifantohantsika ihany koa ny zavatra atolotr’ilay ôrdônansy sy ny fampanantenan’ny fanekempihavanantsika. Mamela an’ Andriamanitra hanamasina antsika sy hanatanteraka fahagagana eo amin’ny fiainantsika ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana. Fa ahoana no hitrangan’izany?
Voalohany, mba hahatonga ny ôrdônansy iray hampiharihary ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, dia mila tanterahina amin’ny fahefana avy amin’ny Zanak’ Andriamanitra izany. Manan-danja ny fomba fanatanterahana azy. Nomen’ny Ray andraikitra hihazona ireo fanalahidy sy fahefana i Jesoa Kristy mba hanara-maso ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny fisoronany. Eo ambany fitarihany, araka ny lamin’ny fisoronany, dia notendrena ireo zanakalahin’ Andriamanitra mba hijoro eo amin’ny toeran’ny Zanak’ Andriamanitra.
Faharoa, tsy manao fampanantenan’ny fanekempihavanana fotsiny isika, fa tsy maintsy tandremantsika koa izy ireny. Amin’ny ôrdônansin’ny filazantsara maro, dia manao fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra isika; mampanantena antsika Izy fa hitahy antsika rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana ireo isika. Takatsika ve fa ny fitambaran’ny ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fitandremana ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana no mamela antsika hanovo amin’ny herin’ Andriamanitra?
Tamin’io tolakandro io aho dia nanontany tena hoe moa ve aho, izay zanakavavin’ Andriamanitra ao anatin’ny fanekempihavanana, mahatakatra feno ny fomba hahazoako ny fanomezana ny herin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana sy hoe raha toa aho ka nahalala marina ny fomba iasan’ny herin’ Andriamanitra ao anatiko.
Nandray fanasana avy amin’ny mpaminany isika vehivavy ato amin’ny Fiangonana tamin’ny taona 2019, izay nampianatra antsika ny fomba hanovozana ny herin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika. Nanasa antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25, izay fanambarana nomena an’i Emma Smith tao Harmony, Pennsylvanie. Nanova ny fiainako ny fanekena izany fanasana izany.
Nanana fahafahana hitsidika an’i Harmony aho tamin’ny volana lasa teo. Teo ambanin’ireo hazo erabla no namerenana tamin’ny laoniny ny fisoronana tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Tsy lavitra an’ireo hazo ireo ny varavarana miditra ao amin’ny tranon’i Joseph sy i Emma. Misy varavarankely mifanandrify amin’ny fatana ao amin’io trano io. Nijoro teo amin’io varavarankely io aho ary nanontany tena hoe inona no mety noeritreretin’i Emma rehefa nijery tany ivelany tany amin’ireo hazo izy.
Ny jolay 1830, i Emma dia 26 taona; mbola tanora tokoa izy. Telo taona sy tapany nanambadiana izy tamin’izany. Namoy ny zananilahy izy, ilay voalohan-terany. Ny fasan’izy io dia eo amin’ny lalana tsy lavitry ny tranony. Rehefa nijoro teo amin’io varavarankely io aho, dia tsy sarotra tamiko ny naka sary an-tsaina ny mety ho nameno ny eritreriny. Azo antoka fa niahiahy ny amin’ny ara-bola izy, ny amin’ireo fanenjehana tsy nitsaha-nitombo izay niteraka loza nanambana azy ireo, ny amin’ny hoavin’izy ireo. Kanefa dia nandroso ny asan’ Andriamanitra nanodidina azy. Moa ve izy nanontany tena ihany koa ny amin’ny toerany ao amin’ilay drafitra sy ny tanjony ao amin’ny fanjakany ary ny zavatra mety ho vitany eo imason’ Andriamanitra?
Mino aho fa mety ho nanontany tena toy izany izy.
Tetsy ankilany, ny fanomezana ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronan’ Andriamanitra dia naverina tamin’ny laoniny tetỳ an-tany. Io no vanim-potoana tena nilan’i Emma hery avy any an-danitra tokoa. Teo anivon’ny ratram-po lehibe, sy fahatrotrahana, ary ny tsy fahalalana izay ho avy, dia azoko an-tsaina hoe nanontany tena i Emma ny amin’io fanomezana ny fisoronan’ Andriamanitra io izay afaka ny hamaha ny hery avy any Aminy izay tena nilainy fatratra.
Saingy tsy nijoro fotsiny sy velom-panontaniana teo amin’io varavarankely io i Emma.
Nandritra ny fotoana nampianarana ny Mpaminany Joseph ny amin’ireo fanalahidy, ny anjara fanompoana, ny ôrdônansy sy ny fomba fanampiana amin’ny asa fanompoana ataon’ny fisoronana, dia ny Tompo mihitsy no nanome fanambarana ho an’i Emma tamin’ny alalan’ny mpaminaniny. Tsy ilay Emma filohan’ny Fikambanana Ifanampiana tao Nauvoo no nomena io fanambarana io fa i Emma 26 taona tao Harmony. Tamin’ny alalan’ny fanambarana no nianaran’i Emma ny momba ny fanamasinana ny ao anaty sy ny fifandraisana ara-panekempihavanana izay hampitombo ny fahafahan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana ireo hiasa eo amin’ny fiainany.
Voalohany, nampahatsiahivin’ny Tompo an’i Emma ny toerany ao amin’ny drafiny, anisan’izany ny hoe iza izy ary an’iza izy, izay tsy iza fa zanakavavin’ny fanjakany izany. Nasaina izy mba “handeha amin’ny lalan’ny hatsaran-toetra”, lalana izay ahitana ireo ôrdônansy izay hamaha ny herin’ Andriamanitra raha toa i Emma ka mifikitra amin’ireo fanekempihavanana nataony.
Faharoa, tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fisaonany lalina, dia nanome tanjona ho azy ny Tompo. Tsy mpitazana akaiky fotsiny ny Famerenana amin’ny laoniny i Emma, fa mpandray anjara manan-danja tao amin’ilay asa nitranga izy. Hatokana izy mba “hamelabelatra ny soratra masina sy hanentana ny fiangonana.” Ny fotoanany dia “[holaniana] amin’ny fanoratana sy ny fianarana betsaka.” Nomena anjara asa masina i Emma mba hanampy amin’ny fanomanana ireo Olomasina hitsaoka; ny hira ataon’izy ireo ho an’ny Tompo dia horaisina ho toy ny vavaka ary “valiana amin’ny fitahiana eo ambony lohany.”
Farany, notsindrian’ny Tompo ny dingana arahina amin’ny fanamasinana ny ao anaty izay hanomana an’i Emma ho amin’ny fisandratana. “Raha tsy manao izany ianao,” hoy ny Tompo nanazava taminy, “dia tsy afaka mankany amin’izay misy Ahy.”
Raha vakintsika tsara ny fizarana faha-25, dia ho hitantsika fa misy fivoarana manan-danja miseho ao. I Emma dia niainga avy tamin’ny naha-zanakavavin’ny fanjakana azy ho amin’ny “vehivavy nofinidy” ary lasa mpanjakavavy. Ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka omban’ny fitandremany ireo fampanantenan’ny fanekempiavanany dia hampitombo ny fananany ny Fanahy miaraka aminy sy ny fanatrehan’ireo anjely azy, mba hanome hery azy hamakivaky ny fiainany omban’ny fitarihana avy amin’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny heriny masina, Andriamanitra dia hanasitrana ny fony sy hampitombo ny fahaiza-manaony ary hampiova azy ho lasa ilay olona izay fantany fa azony hahatongavana. Ary amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka, dia “[h]iharihary […] ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” eo amin’ny fiainany ary ny Tompo dia hanaisotra ny voaly mba hahazoany mandray fahatakarana avy Aminy. Toy izany no fomba fiasan’ny herin’ Andriamanitra ao anatintsika.
Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:
“Ny zavatra rehetra izay nitranga tao [Harmony] dia misy fiantraikany lalina eo amin’ny fiainanao. Ny famerenana ny fisoronana amin’ny laoniny miaraka amin’ny torohevitry ny Tompo ho an’i Emma dia afaka mitarika sy mitahy anareo tsirairay. …
“… Ny fahazoana ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanareo dia mitaky zavatra mitovy tamin’ireo izay nasain’ny Tompo hataon’i Emma sy ny tsirairay [amintsika].”
Nisy zava-manan-danja maro nitranga teo amin’ny lafy roan’io varavarankely tao Harmony io, anisan’izany ny fanambarana nomena ilay vehivavy nofinidy izay nantsoin’ny Tompo, dia fanambarana izay hampatanjaka sy hankahery ary hanoro lalana an’i Emma Smith, zanakavavin’ Andriamanitra.
Rehefa nomena anarana sy notsofina rano i Isabelle zafikelinay vavy, dia nitso-drano azy ny rainy mba hananany fahatakarana ny fisoronana; ny mba hitomboany ao anatin’ny fitahiana omen’izany eo amin’ny fiainany sy hianarany momba izany; ary ny mba hitomboan’ny finoany ny fisoronana rehefa manohy mitombo fahatakarana izy.
Tsy fahita matetika ny zazavikely tsofina rano mba hahatakatra ny fisoronana sy hianatra ny fomba hanampian’ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana azy mba hahazoany ny herin’ Andriamanitra. Kanefa nahatsiaro an’i Emma aho ary hoy aho an’eritreritra hoe: Maninona tokoa moa? Io zanakavavy bitika io dia manana fahafahana ho lasa vehivavy nofinidy ao amin’ny fanjakany ary any am-parany dia ho lasa mpanjakavavy. Amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronany sy amin’ny fitandremana ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana, ny herin’ Andriamanitra dia hiasa ao aminy sy amin’ny alalany mba hanampy azy handresy na inona na inona hitranga eo amin’ny fiainana ary hahatonga azy ho ilay vehivavy izay fantatr’ Andriamanitra fa azony hahatongavana. Izany dia tiako ho takatry ny zazavavy tsirairay ato amin’ny fanjakana.
“Manàna fiainana mendrika ireo tombontsoa natao ho anao.”
Ianaro hoe ahoana ny fomba hamelan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana ny herin’ Andriamanitra hikoriana eo amin’ny fiainanao amin’ny fomba mahomby kokoa, ary miasa ao aminao sy amin’ny alalanao, ary manome hery sy fampitaovana anao mba hahatratra ny tanjonao feno sy izay mety hahatongavanao.
Halalino sy saintsaino tsara ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka, sy ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana izay ataontsika ao amin’ny tsirairay avy amin’izy ireo, ary ny herin’ Andriamanitra izay azontsika amin’ny alalan’ireo ôrdônansy ireo.
Tsarovy fa tsy ireo izay manatanteraka ny ôrdônansy ihany no manan-danja, fa mendrika ny fifantohanao ihany koa ny zavatra atolotr’ilay ôrdônansy sy ny fampanantenan’ny fanekempihavanana nataonao.
Ny fandraisana ny mofo sy ny rano dia fampahatsiahivana isan-kerinandro ny heriny izay miasa ao aminao mba hanampy anao handresy. Ny fanaovana ny garmentan’ny fisoronana masina dia fampahatsiahivana isan’andro ny fanomezana ny heriny izay miasa ao aminao mba hanampy anao ho tonga tahaka an’ Andriamanitra.
Afaka mahazo ny fanomezana ny herin’ Andriamanitra avokoa isika rehetra.
Isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo isika.
Isaky ny mandingana ny tokonam-baravaran’ny tempoly isika.
Izany no fotoana manan-danja indrindra amin’ny Sabatako. Izany no antony ankamamiako ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izay hazoniko.
“Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.”
Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany fanomezana izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.