Liahona
Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra
Nôvambra 2024


9:58

Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra

Mino marina tokoa isika fa isika rehetra dia zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny, ary manana fahafahana ny ho tonga tahaka Azy isika noho izany antony izany.

Anio aho dia te hiresaka momba ny iray amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay mitondra fifaliana sy be voninahitra ary mahery vaika indrindra izay nambaran’ Andriamanitra. Etsy andanin’izany anefa dia mahatsikaiky fa iray amin’ireo zavatra nitsikerana antsika matetika izany. Nampitombo lalina ny fankasitrahako an’io fahamarinana ao amin’ny filazantsara io ny zavatra niainako taona vitsivitsy lasa izay.

Tamin’ny naha-solontenan’ny Fiangonana ahy, dia nasaina nanatrika fihaonambe ara-pinoana iray aho indray mandeha, izay nanambarana fa nanomboka tamin’izay fotoana izay dia neken’izy ireo ho manan-kery ny batisa rehetra izay saika ataon’ny fiangonana Kristiana hafa rehetra, raha toa ka natao tamin’ny rano sy tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ilay ôrdônansy. Avy eo dia nohazavaina fa io fitsipika io dia tsy mihatra amin’ny batisa izay ataon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Taorian’ilay fihaonambe dia afaka nandinika lalindalina kokoa ny anton’izany fanavahana izany niaraka tamin’ilay mpitarika niandraikitra an’ilay filazana aho. Nahafinaritra sy nitondra hevi-baovao tsara ny resakay.

Raha atao amin’ny teny fohy dia nohazavainy tamiko fa izany fanavahana izany dia mifandray indrindra amin’ny finoantsika manokana momba Ny Andriamanitra, izay antsoin’ny antokom-pinoana Kristiana hafa hoe ny Trinité. Naneho fankasitrahana azy aho noho izy nanokana fotoana hanazavana amiko ireo zavatra inoany sy ny fitsipiky ny fiangonany. Nifamihina izahay rehefa tapitra ny resakay ary nifanao veloma.

Rehefa nisaintsaina ny fifanakalozan-kevitray aho taty aoriana dia niraikitra tao an-tsaiko ny zavatra nolazain’ity mpitarika ity momba ny tsy fahatakaran’ny Olomasin’ny Andro Farany an’izay nantsoiny hoe ny “misterin’ny Trinité” izay. Inona no tiany nolazaina? Eny, nisy ifandraisany tamin’ny fahatakarantsika ny toetoetran’ Andriamanitra izany. Mino isika fa Andriamanitra Ray dia “lehilahy efa nahazo fisandratana” manana “vatana nofo sy taolana be voninahitra azo tsapain-tanana toy ny an’ny olona; [ary] ny Zanaka koa.” Noho izany isaky ny miresaka momba ny toetoetran’ Andriamanitra isika, amin’ny lafiny iray, dia toa miresaka momba ny toetoetrantsika manokana ihany koa.

Ary marina izany satria tsy hoe isika rehetra dia natao “tahaka ny endri[ny], araka ny tarehi[ny]” fotsiny, fa satria koa, araka ny nosoratan’ny mpanao Salamo, dia nilaza Andriamanitra hoe: “Andriamanitra hianareo; ary zanaky ny Avo indrindra hianareo rehetra.” Fotopampianarana sarobidy ho antsika izany izay tafaverina niaraka tamin’ny fahatongavan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Raha fintinina dia tsy mihoatra na latsaky ny zavatra ampianarin’ny misiônerantsika amin’ny lesona voalohany, andiam-pehezan-teny voalohany, andalana voalohany izany, izay manao hoe: “Andriamanitra no Raintsika any An-danitra ary zanany isika.”

Mety hilaza ianao izao “fa olona maro no mino fa zanak’ Andriamanitra isika.” Eny, marina izany, saingy ny fahatakaran’izy ireo dia mety ho hafa kely amin’ny vokatry ny heviny lalina kokoa izay hamafisintsika. Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ity fampianarana ity dia tsy fanoharana. Mino kosa isika fa tena zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny isika rehetra. Izy no “Rain’ny fanahin[tsika],” ary noho izany dia manana fahafahana ho tonga tahaka Azy isika, izay toa tsy eken’ny sain’ny sasany.

Efa 200 taona mahery izao no nanokafan’ny Fahitana Voalohany ny varavaran’ny Famerenana amin’ny laoniny. Tamin’izany fotoana izany dia nikatsaka fitarihana avy any an-danitra i Joseph Smith izay mbola tanora mba hahafantarana izay fiangonana hidirana ho mpikambana. Tamin’ny alalan’ny fanambarana azony tamin’izany andro izany, sy tamin’ireo fanambarana taty aoriana nomena azy, dia nahazo fahalalana momba ny toetoetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika Aminy amin’ny maha-zanany antsika ny Mpaminany Joseph.

Noho izany dia mianatra mazava kokoa isika fa ny Raintsika any An-danitra dia nampianatra io fotopampianarana sarobidy io hatrany am-piandohana. Mamelà ahy hilaza tantara roa, farafahakeliny, avy ao amin’ny soratra masina mba hanehoana izany.

Mety ho tsaroanareo ny torolalan’ Andriamanitra ho an’i Mosesy izay voarakitra ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy.

Mamaky isika fa “niteny tamin’i Mosesy Andriamanitra, nanao hoe: Indro, Izaho no Tompo Andriamanitra Tsitoha ary Tsisy Fiafarana no anarako.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ry Mosesy, tiako ho fantatrao hoe iza aho. Avy eo dia nampiany hoe: “Ary indro, zanakalahiko ianao.” Taty aoriana dia nilaza Izy: “Ary manana asa ho anao Aho ry Mosesy zanakalahiko; ary ianao dia natao araka ny endriky ny Zanaka Lahitokako.” Ary farany dia nilaza Izy hoe, “Ary ankehitriny indro, izao zavatra iray izao no asehoko anao ry Mosesy zanakalahiko.”

Mibaribary fa tapa-kevitra Andriamanitra ny hampianatra an’i Mosesy farafaharatsiny lesona anankiray: “Zanako ianao”, izay naveriny intelo, farafahakeliny. Tsy mba nanonona ny anaran’i Mosesy akory Izy raha tsy nampiany avy hatrany fa zanany izy.

Na izany aza anefa, nony navela ho irery i Mosesy, dia nahatsiaro ho osa izy satria tsy teo anatrehan’ Andriamanitra intsony. Tamin’izay fotoana izay i Satana no tonga naka fanahy azy. Mahita lamina iray ve ianareo eto? Ny zavatra voalohany nolazainy dia hoe, “Ry Mosesy, zanak’olona, miderà ahy.”

Amin’io toe-javatra io, ny fangatahan’i Satana hidera azy dia mety ho fandrebirebena fotsiny. Ny fakam-panahy lehibe iray ho an’i Mosesy tamin’io fotoanan’ny fahalemena io dia ny ho lasa hisavoritaka sy ny hino fa “zanak’olona” fotsiny ihany izy fa tsy zanak’ Andriamanitra.

“Ary ny zava-nitranga dia nijery an’i Satana i Mosesy ary nanao hoe: Iza moa ianao? Fa indro, izaho dia zanak’ Andriamanitra, manahaka ny endriky ny Zanaka Lahitokany.” Soa ihany fa tsy nisavorovoro i Mosesy ary tsy namela ny tenany ho voarebireby. Nandray lesona izy momba ny hoe iza marina moa izy.

Hita ao amin’ny Matio 4 ny tantara manaraka. Nantsoin’ny avara-pianarana hoe “ireo fakam-panahy telon’i Jesoa” izany, toy ireny hoe in-telo ihany ny Tompontsika no nalaina fanahy, izay mazava ho azy tsy izay mihitsy ilay izy.

Ranomainty an-jato litatra maro no nampiasaina hanazavana ny dikany sy ny votoatin’ireo fakam-panahy ireo. Araka ny fantatsika, ilay toko dia manomboka amin’ny fanazavana fa nankany an’efitra i Jesoa: “ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.”

Hita taratra fa ny fakam-panahy voalohany nataon’i Satana dia nifandray tamin’ny fanomezana fahafaham-po ny filan’ny Tompo ara-batana ihany. “Teneno ho tonga mofo ireto vato ireto,” hoy izy naninana ny Tompo.

Ny fitaomana faharoa dia mety ho nisy ifandraisany tamin’ny fakana fanahy an’ Andriamanitra: “Mianjerà any ambany any: fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao.”

Farany, ny fakam-panahy fahatelo nataon’i Satana dia momba ny faniriana sy ny voninahitr’izao tontolo izao. Rehefa avy naseho an’i Jesoa “ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, … dia nanao taminy hoe [i Satana]: izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.”

Raha ny marina, ny fakam-panahy faratampony nataon’i Satana dia mety tsy dia nisy ifandraisany loatra tamin’ireo fihantsiana manokana telo ireo fa niompana kokoa tamin’ny fakana fanahy an’i Jesoa Kristy mba hanana fanahiana momba ny maha-Andriamanitra Azy. Farafahakeliny indroa ilay fakana fanahy no natombok’i Satana tamin’ny hoe “Raha Zanak’ Andriamanitra Ianao”—raha tena mino izany ianao dia ataovy izao na izao.

Mariho ny zavatra nitranga avy hatrany talohan’ny nandehanan’i Jesoa tany an’efitra mba hifady hanina sy hivavaka: hitantsika ny tantaran’ny batisan’i Kristy. Dia niakatra avy hatrany avy teo amin’ny rano Izy, ary indro “reny ny feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako izay ao Aminy no tena sitrako.”

Hitantsika ve ny fifandraisany? Afaka miaiky fisiana lamina iray ve isika eto?

Tsy mahagaga raha isaky ny ampianarina momba ny toetra maha-Andriamanitra antsika sy ny anjarantsika masina isika, dia maka fanahy antsika ny fahavalon’ny fahamarinana rehetra mba hampisalasala antsika ny amin’izany.

Ho hafa mihitsy ny fanapahan-kevitra noraisintsika raha tena fantatsika hoe iza marina isika.

Miaina ao anatina tontolo feno fanamby isika, tontolo misy korontana tsy mitsahatra mitombo, izay ahitana olona manan-kaja miezaka mba hanantitrantitra farafaharatsiny ny fahamendrehantsika amin’ny maha-olombelona, raha etsy ankilany isika dia mpikambana amina fiangonana iray ary mandray ny filazantsara izay manandratra ny fomba fijerintsika sy manasa antsika ho any amin’ilay masina.

Ny didin’i Jesoa mba “ho tanteraka toy ny fahatanterahan’ny Rai[ntsika] izay any an-danitra” dia taratra mazavan’ny fanantenany avo dia avo sy ny fahafahana ao amintsika mandrakizay. Noho izany, tsy hitranga izany androany sy rahampitso. Araka ny tenin’ny Filoha Jeffrey R. Holland dia hitranga izany “amin’ny farany.” Saingy ny fampanantenana dia hoe: raha “manatona an’i Kristy” isika dia “hatao tanteraka ao Aminy.” Mitaky asa be dia be izany—tsy asa toy ny mahazatra fotsiny, fa asa masina. Asany!

Fa izao, ny vaovao mahafaly dia ny Raintsika any An-danitra mihitsy no nanambara hoe: “Fa indro, izao no asako sy voninahitro—dia ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”

Ny fanasan’ny Filoha Nelson mba “[hisaina] amin’ny fomba selestialy” dia midika fampahatsiahivana mahafinaritra momba ny toetra masina sy ny fiaviantsika masina ary ny toerana masina azontsika haleha. Amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahantsika mahazo ny selestialy.

Angamba izany no nahatonga an’i Satana nitaona an’i Jesoa tamin’ny fakam-panahy tena mitovy hatrany am-piandohana ka hatramin’ny faran’ny fanompoany teto an-tany. Noraketin’i Matio fa raha mbola nihantona teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa dia “niteny ratsy Azy ireo izay nandalo, … nanao hoe, …Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ny hazofijaliana.” Voninahitra anie ho an’ Andriamanitra fa tsy nihaino Izy fa nanome ny lalana ahafahantsika mahazo ny fitahiana selestialy rehetra.

Aoka hotsaroantsika mandrakariva fa nisy sarany lehibe naloa ho an’ny fahasambarantsika.

Mijoro ho vavolombelona toy ny miaraka amin’ny Apôstôly Paoly aho fa “ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika: Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa; raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa,” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.