Ny fandresen’ny fanantenana
Fanomezam-pahasoavana velona ny fanantenana, fanomezana mitombo rehefa mampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika.
Ry rahalahy sy anabaviko malala manerana izao tontolo izao, rehefa manomboka izao fotoana tena miavaka amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana izao isika, dia azo antoka fa hifantoka amintsika ny mason’ny lanitra. Handre ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony isika; hahatsapa “fitarihana sy fitantanana ary fampaherezana” mitaona avy amin’ny Fanahy Masina isika, ary hohatanjahina ny finoantsika.
Telo taona lasa izay, ny Filoha Russell M. Nelson dia nanomboka ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ireto teny ireto: “Ny fanambarana madio ho an’ireo fanontaniana ao am-ponao dia hahatonga ity fihaonambe ity hitondra fahafaham-po sy ho tsy hay hadinoina. Raha toa ianao ka mbola tsy nikatsaka ny fanompoan’ny anjely mba hanampy anao haheno ny zavatra tian’ny Tompo ho henonao mandritra ireo roa andro ireo, dia manasa anao aho mba hanao izany amin’izao fotoana izao. Aoka ity fihaonambe ity mba ho fotoana hivokisana an’ireo hafatra avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony.”
Ny soratra masina dia mampifandray amin’ny fomba mahery vaika teny telo: finoana, fanantenana ary fiantrana. Ny fanomezam-pahasoavan’ny fanantenana dia fanafiana masina tsy voavidim-bola avy amin’ Andriamanitra.
Ny teny hoe fanantenana dia ampiasaina amin’ireo zavatra maro izay tiantsika hitranga. Ohatra hoe: “Manantena aho fa tsy hisy orana,” na “Manantena aho fa handresy ny ekipantsika.” Ny tiako hatao dia ny hiresaka momba ireo fanantenantsika masina sy mandrakizay mifototra amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary ny “fiandrandrana amim-pahatokiana … ireo fitahiana nampanantenain’ny fahamarinana.”
Ny fanantenantsika ny fiainana mandrakizay
Ny fanantenantsika ny fiainana mandrakizay dia azo antoka amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy sy ny safidintsika manokana, mamela antsika hahazo fitahiana miavaka amin’ny fiverenana any amin’ny fonenantsika any an-danitra sy hiaina mandrakizay ao anatin’ny fiadanana sy fahasambarana miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra, ny Zanany Malalany, ireo fianakaviantsika mahatoky sy ireo namantsika sarobidy, ary ireo lehilahy sy vehivavy marina avy amin’ny kaontinanta rehetra sy ny taonjato rehetra.
Miaina fifaliana sy alahelo isika ety an-tany rehefa tsapaina sy sedraina. Tonga amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fandresentsika rehefa mandresy amin’ireo fahotana, fotoan-tsarotra, fakam-panahy, ny tsy rariny ary ireo fanambin’ity fiainana an-tany ity isika.
Rehefa manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika dia mahita an’ireo fitahiana sy fampanantenan’ny mandrakizay amin’ny fomba fijery mahatakatra fa mandalo ihany ny adintsika. Tahaka ny hazavana izay mitombo ny famirapiratany, ny fanantenana dia mampamiratra ny tontolo maizina, ary dia mahita ny hoavintsika be voninahitra isika.
Avy amin’ Andriamanitra ny fanantenana
Hatrany am-piandohana, ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany malala dia efa nitahy fatratra ireo marina tamin’ilay fanomezam-pahasoavana sarobidy dia ny fanantenana.
Taorian’ny fandaozany ny saha Edena i Adama sy i Eva dia nampianarin’ny anjely ilay fampanantenana fa ho avy Jesoa Kristy. Nanazava ny fiainan’izy ireo ny fanomezam-pahasoavan’ny fanantenana. Nanambara i Adama hoe: “Mahiratra ny masoko, ary hanam-pifaliana aho eo amin’ity fiainana ity.” I Eva dia niresaka momba “ny fifaliana noho ny fanavotana [azy ireo] ary ny fiainana mandrakizay izay omen’ Andriamanitra ho an’ny mpankatò rehetra.”
Manazava ireo mahatoky amin’izao andro izao ary mampisokatra ny saina amin’ny fisian’ny fiainana mandrakizay ny Fanahin’ny Tompo, tahaka ny nitondran’ny Fanahy Masina fanantenana ho an’i Adama.
Nandefa Mpampionona iray ny Mpamonjy, dia ny Fanahy Masina, izay namana mitondra finoana sy ny fanantenana, ary fiadanana “tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao.”
“Aty amin’izao tontolo izao,” hoy ny Mpamonjy, “no ahitanareo fahoriana; nefa matokia [tano ny fanantenana mamirapiratra]; Izaho efa naharesy izao tontolo izao”.
Misafidy ny hatoky ny Tompo amim-pinoana isika amin’ireo fotoan-tsarotra. Mivavaka mangina isika hoe: “Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” Mahatsapa ny fankasitrahan’ny Tompo isika amin’ny fahavononantsika ho malemy fanahy, ary miandry ny fiadanana nampanantenaina izay halefany amin’ny fotoana nofinidiny.
Nampianatra ny Apôstôly Paoly hoe: “Ary ny Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy fiadanana … , mba hitomboanareo amin’ny fanantenana,”; “[hifaly] amin’ny fanantenana; [hiaritra] amin’ny fahoriana;” “noho ny herin’ny Fanahy Masina.”
Lesona mitondra fanantenana
Nanana traikefa manokana ny mpaminany Môrônia mahakasika ny fananana fanantenana ao amin’i Kristy mandritra ny fahoriana. Nanazava ny toe-javatra naharary niainany izy:
“Irery aho. … Tsy manana aho … na izay aleha.”
“Ary tsy ampahafantariko ny Lamanita ny tenako fandrao hamongotra ahy izy.”
Mahavariana fa ao anatin’ity fotoana sarotra sy maha irery ity i Môrônia dia mirakitra ny teny mitory fanantenana nomen-drainy:
“Koa, raha manam-pinoana ny olona iray dia tsy maintsy ilaina ny hananany fanantenana; fa raha tsy misy finoana dia tsy mety hisy fanantenana.”
“Ary inona no hantenainareo? … Hanana fanantenana ianareo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy sy ny herin’ny fitsanganany amin’ny maty mba hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay.”
Ry rahalahy sy anabaviko isany, fanomezam-pahasoavana velona ny fanantenana, fanomezana mitombo rehefa mampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika. “Ny finoana dia [fahatokiana] ny zavatra antenaina.” Manorina izany fahatokiana izany isika, ilay porofo ho an’ny tena manokana momba ny finoantsika, amin’ny alalan’ny vavaka, ny fanekempihavanan’ny tempoly, ny fitandremana ny didy, ny fivokisana tsy tapaka amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ary ny fitsaohana isan-kerinandro miaraka amin’ireo Olomasina namantsika.
Tranon’ny fanantenana
Mba hanamafisana ny fanantenantsika amin’izao vanim-potoanan’ny faharatsiana miha-mitombo izao, ny Tompo dia nandidy ny mpaminaniny hanorina ny tempoliny amin’ny toerana maro manerana ny tany.
Rehefa miditra ny tranon’ny Tompo isika dia mahatsapa ny Fanahin’ny Tompo manamarina ny fanantenantsika.
Ny tempoly dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fasana foana sy ny fiainana aorian’ny fahafatesana izay mitohy ho an’ny rehetra.
Ho an’ireo izay tsy manana vady mandrakizay, ireo ôrdônansy dia manamafy amin-kery fa ny olo-marina tsirairay dia handray ny fitahiana rehetra nampanantenaina.
Misy ny fanantenana lehibe rehefa misy mpivady vao herotrerony mandohalika eo anoloan’ny alitara mbaho fehezina, tsy eto an-tany ihany fa ho mandrakizay.
Misy fanantenana tsy hita noanoa ho antsika ao amin’ireo fampanantenana natao tamin’ireo taranatsika, na inona na inona toe-javatra iainany ankehitriny.
Tsy misy fanaintainana, na aretina, na tsy rariny, na fijaliana, na inona na inona mety hampihena ny fanantenantsika rehefa mino sy mihazona mafy ny fanekempihavanantsika tamin’ Andriamanitra tao amin’ny tranon’ny Tompo isika. Tranon’ny fahazavana sy tranon’ny fanantenana izany.
Rehefa very ny fanantenana
Latsa-dranomason’alahelo isika rehefa mahita ny alahelo sy ny famoizam-po amin’ireo izay tsy manana fanantenana ao amin’i Kristy.
Vao haingana aho no nahatsikaritra avy eny lavitra mpivady iray izay nanana finoana an’i Kristy tamin’ny fotoana iray nefa avy eo dia nanapa-kevitra ny hanary ny finoany avy eo. Nahomby teo amin’izao tontolo izao izy ireo, ary nahita fahafinaretana tamin’ny faharanitan-tsainy sy ny fandavana ny finoany.
Toa tsara daholo ny zava-drehetra mandra-pahatongan’ilay rangahy, izay mbola tanora sy natanjaka, narary tampoka ary maty. Nanakana ny fahazavan’ny Zanak’ Andriamanitra izy ireo, tahaka ny fanakona-masoandro, ary ny vokatr’izany dia fanakonam-panantenana. Ilay vehivavy, tao anatin’ny tsy finoany, dia nahatsiaro ho very hevitra sy tena tsy niomana ary tsy afaka nampionona ny zanany akory. Nilaza taminy ny fahiratan-tsainy fa nilamina tanteraka ny fiainany, mandra-pahatonga azy, tampoka teo, tsy nanana fanantenana ny amin’ny hoavy. Nitondra haizina sy fisafotofotoana ny famoizam-pony.
Fanantenana ao anatin’ny loza mampivarahontsana
Mamelà ahy hampitaha ny famoizam-pony maharary amin’ny fanantenana ao amin’i Kristy nananan’ny fianakaviana iray hafa nandritra ny fotoana nahavaky fo.
Iraika amby roapolo taona lasa izay, ny zanakalahin’ny zanak’anabaviko vao teraka, Ben Andersen, sy ny vadiny Robbie, dia nentin’ny angidimby mpamonjy aina niala tamin’ny toeram-piompiana tany Idaho nankany Salt Lake City. Tonga tany amin’ny hôpitaly aho, ary nohazavain’i Ben ny fahasarotana mafy sy mihatra aman’aina tamin’ny fon’ny zanany mbola menavava. Napetrakay teo ambonin’ny lohakelin’i Trey ny tananay. Nitahy azy tamin’ny fitohizan’ny fiainana ny Tompo.
Natao fandidiana i Trey tamin’ny herinandro voalohan’ny fiainany ary fandidiana maromaro taorian’izany. Rehefa nandeha ny taona, dia hita mazava fa mila fanomezana fo i Trey. Na dia voafetra aza ireo hetsika ara-batana azony natao, ny finoany kosa dia nitombo. Nanoratra izy hoe: “Tsy nalahelo ny tenako mihitsy aho satria fantatro foana ny maha-zava-dehibe ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana ho vavolombelona momba ny drafitry ny famonjena.”
Notazonin’i Trey tao amin’ny findainy ity teny malaza nambaran’ny Filoha Nelson ity: “Zara raha misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ny fifaliana tsapantsika ary tena misy ifandraisany mihitsy kosa amin’ny fifantohan’ny fiainantsika izany.”
Nanoratra i Trey hoe: “Efa niandrandra foana ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno aho, saingy … tsy avelan’ny dokotera hanao asa fitoriana aho raha tsy farafahakeliny herintaona aorian’ny fanoloana ny foko. … Nametraka ny finoako tamin’i Jesoa Kristy aho.
Nientanentana i Trey tamin’ny fandraisana azy tao amin’ny haitoebola (comptabilité) tao amin’ny BYU nanomboka tamin’ity taom-pianarana ity, saingy vao mainka nientanentana kokoa tamin’ny faramparan’ny volana jolay rehefa nahazo antso an-telefaonina izay efa niandrasany mafy izy, mba ho tonga any amin’ny hôpitaly hanoloana ny fony.
“Afaka herintaona,” hoy Trey: “dia ho any amin’ny asa fitoriako aho.”
Betsaka ny zavatra nandrandrainy rehefa niditra ny efitrano fandidiana izy. Saingy, nisy fahasarotana nampivarahontsana nandritra ilay fandidiana, ary dia nodimandry i Trey.
Niteny i Robbie reniny: “io zoma io no andro nahavaky fo indrindra … niezaka fotsiny izahay ny nahatakatra ny zava-misy tao amin’ny efitrano fandidiana. … Tara aho vao natory niezaka ny nandevona tao anatiko ny zava-drehetra. … Saingy ny sabotsy, dia nifoha aho niaraka tamin’ny fahatsapana fifaliana tanteraka. Tsy fiadanana fotsiny izany; tsy fandavana ny zava-nisy izany. Nahatsapa fifaliana tamin’ny zanako lahy aho, ary nahatsapa fifaliana amin’ny maha reniny ahy. … Nifoha talohako kokoa i Ben, ary rehefa nanana fahafahana niresaka izahay tamin’ny farany, dia nifoha niaraka tamin’ny fahatsapana mitovy amin’izany mihitsy koa i Ben.”
Nanazava i Ben hoe: “Nanana fahatakarana mora foana aho rehefa nampianatra ahy tamin’ny alalan’ny Fanahiny Masina Andriamanitra. Nifoha tamin’ny 4:00 maraina aho ary heniky ny fiadanana sy fifaliana tsy hay faritana. Fa nahoana no toy izany? … Tena maharary loatra tokoa ny fahalasanan’i Trey, ary tena malahelo azy aho. Saingy tsy hamela antsika ho kamboty ny Tompo. … Tsy andriko ny hisian’ny fihaonana mahafaly.”
Ny fampanantenana hoentin’ny fanantenana
Nomarihin’i Trey tao amin’ny diariny ireto teny ireto izay avy tamin’ny lahatenin’ny Filoha Nelson tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana: “Toa tsy ho vita velively izany hahatsapa fifaliana izany rehefa mijaly noho ny aretina tsy misy fanafany ny zanakao, na rehefa very asa ianao, na rehefa mamitaka anao ny vadinao. Kanefa izany indrindra ilay fifaliana atolotry ny Mpamonjy. Mitohy hatrany ny fifaliana avy Aminy, manao izay hahatonga ny -fijalianao tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7] ary hanokana ny fahorianao ho tombontsoanao.”
Ry rahalahy sy anabavy, mety tsy ho tonga haingana araka izay irinareo ny fiadanana tadiavinareo, kanefa mampanantena anareo aho fa rehefa matoky ny Tompo ianareo dia ho tonga ny fiadanany.
Enga anie isika hikolokolo ilay finoantsika sarobidy, hibosesika handroso miaraka amin’ny famirapiratan’ny fanantenana tonga lafatra. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no fanantenantsika. Amin’ny alalany, ireo nofinofy rariny rehetra ananantsika dia ho tanteraka. Izy no Andriamanitry ny fanantenana, ny fandresen’ny fanantenana. Velona Izy ary tiany ianareo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.