Liahona
Fikatsahana valim-panontaniana ara-panahy
Nôvambra 2024


12:27

Fikatsahana valim-panontaniana ara-panahy

Ireo fanontaniana avy amin’ny fontsika momba ny filazantsara dia afaka manome fahafahana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanampy antsika hitombo.

Fantatro hoe mety ho zavatra tsy ampoizina itỳ, saingy lehibe tsara aho izao ka mahatadidy ny nampianarina tany an-tsekoly hoe misy planeta sivy ao amin’ny rafi-masoandro misy antsika. Ny iray amin’ireo planeta ireo, i Pluton, dia nahazo ny anarany avy tamina zazavavy 11 taona, i Venetia Burney avy tany Oxford, Angletera, taorian’ny nahitana azy tamin’ny 1930. Ary hatramin’ny taona 1992, dia noheverina fa i Pluton no singa lavitra indrindra ao amin’ny rafi-masoandro misy antsika. Tamin’izany fotoana izany, dia fahita matetika ao an-dakilasy sy eny amin’ny foara momba ny siansa ny fanehoana ireo planeta manodidina antsika amin’ny bolabolan-taratasy na “papier mâché”, ary samy naneho ny toeran’i Pluton tamin’ny sisiny araka ny nahafantarana azy izany. Maro ireo mpahay siansa nino fa ny any an-koatran’io sisiny ivelan’ny rafi-masoandro io dia babangoana.

Kanefa, nisy fanontaniana tafatoetra teo anivon’ireo mpahay siansa mikasika ny fiandohan’ny karazana kintana manan-drambo iray miavaka izay arahin’ireo mpahaikintana tsy tapaka. Ary amam-polotaonany maro no mbola nipetrahan’io fanontaniana io mandra-pahitana faritra lavitra iray hafa ao amin’ny rafi-masoandro. Ny fahalalana voafetra nisy teo am-pelatanan’ireo mpahay siansa no nentin’izy ireo, nandritra ireo am-polo taona maromaro ireo, nampandroso ny teknôlojia izay nahafahana nikaroka sy nizaha lalindalina kokoa. Ny zavatra hitan’izy ireo no nanova ny faritra sahanin’ny rafi-masoandro misy antsika ka nahatonga an’i Pluton ho niova rafitra ary nahalasa valo ny isan’ny planeta ao amin’ny rafi-masoandro misy antsika.

Toy izao no nolazain’ny lohan’ny mpahay siansa momba ny planeta iray izay sady mpikaroka fototra ao amin’ny sampan-draharahan’ny habakabaka nampiandraiketina ny fitrandrahana an’i Pluton akaiky ao amin’ny New Horizons momba io tranga io: “Noheverinay hoe takatray ny sarin-tanin’ny rafi-masoandro misy antsika. Fa tsy izay. Noheverinay hoe takatray ny isan’ireo planeta ao amin’ny rafi-masoandro misy antsika. Fa diso izahay.”

Ny tena nanaitra ahy mikasika io vanimpotoanan’ny tantaran’ny fizahana ny habakabaka io dia ny fitovizana misy sy fanavahana fototra eo amin’ny ezaka hanitarana ny sahan’ny fikarohana siantifika sy ny ezaka ataontsika, amin’ny maha zanak’ Andriamanitra antsika, mba hikatsahana valiny ho an’ireo fanontaniantsika ara-panahy. Raha hazavaina dia ny fomba asetrintsika ny hoe voafetra ny fahatakarantsika ara-panahy, sy ny fomba hiomanantsika amin’ny dingana manaraka ao amin’ny fivoaran’ny tena manokana, ary ny hoe aiza no itodihantsika ahitana fanampiana.

Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra

Ampahany voa-janahary sy mandeha ho azy amin’ny fiainana etỳ an-tany ny mametraka fanontaniana sy mitady ny dikany. Indraindray, ny tsy fananana valiny feno sy efa vonona dia manosika antsika hanakaiky ny tena fahatakarana, ary ny sakantsakana tsy hahavitana izany dia mety mahasorena na mahatrotraka. Mahatalanjona fa ny drafitry ny fahasambarana nataon’ny Ray any An-danitra ho antsika rehetra dia natao mba hanampy antsika hivoatra na eo aza ireo fahalementsika, sy hanatanteraka izay tsy tanteratsika samirery, na dia tsy manana ny fahalalana feno momba ny zavatra rehetra aza. Feno famindram-po amin’ireo fahalemen’olombelona ny drafitr’ Andriamanitra; nanome antsika an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika mba ho Mpiandry Tsara ho antsika; ary mitaona antsika hampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hisafidianana Azy.

Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf fa “ny fametrahana fanontaniana dia tsy mariky ny fahalemena; fa fiantombohan’ny fitomboana.” Raha niresaka mivantana momba ny ezaka manokana ataontsika amin’ny maha mpikatsaka fahamarinana antsika ny Filoha Russell M. Nelson mpaminanintsika, dia nampianatra izy fa isika dia tokony hanana “faniriana lalina” sy “hangataka amin-kitsim-po sy amin’ny tena finiavana ary manam-pinoana an’i [Jesoa] Kristy.” Notohizany ny fampianarany hoe: “-ny tena finiavana- dia midika hoe mikasa marina ny olona iray hanaraka ny torolalana avy amin’ Andriamanitra izay omena.”

Ny ezaka ataontsika manokana mba hitombo fahendrena dia mety hahatonga antsika handinika ireo fanontaniantsika, sarotra na tsia, amin’ny fijery miompana amin’ny antony sy ny vokany ka mitady sy mamantatra ireo modely ary avy eo manamboatra tantara izay mampazava kokoa ny fahatakarantsika sy mameno ireo fahabangan’ny fahalalana izay hita. Kanefa rehefa mandinika ny fikatsahantsika fahalalana ara-panahy isika, dia mety hanampy ireo dingana nosainina lalina ireo indraindray, saingy raha mandeha irery dia mety tsy ho ampy rehefa mijery isika mba hamantatra zavatra mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, sy ny filazantsaran’ Izy Ireo, sy ny Fiangonany ary ny Drafiny ho antsika rehetra.

Ny fomba hanomezan’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany fahendrena antsika dia ny manao ho lohalaharana ny fanasana ny herin’ny Fanahy Masina mba ho mpampianatra antsika manokana, rehefa i Jesoa Kristy no ataontsika fototra eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fikatsahantsika amim-pahatokiana ireo valiny avy amin’ Izy Ireo sy ny hevitra tian’ Izy Ireo ampitaina. Manasa antsika Izy Ireo hahita fahamarinana amin’ny alalan’ny fotoana feno fanoloran-tena ampiasaina handalinana ny soratra masina sy hikatsahana ireo fahamarinana ambara amin’izao andro farany izao ho an’izao androntsika izao, izay omen’ireo mpaminany sy apôstôly amin’izao andro izao. Mitaona antsika Izy Ireo mba hanokana fotoana matetika sy feno fitsaohana ao amin’ny tranon’ny Tompo ary hivavaka am-pandohalihana mba “hahazoana fahalalana avy any an-danitra.” Ny fampanantenana nataon’i Jesoa tamin’ireo nanatrika ka nandre ny Toriteniny teo an-Tendrombohitra dia manan-kery amintsika ankehitriny tahaka ny tamin’ny naha tetỳ an-tany Azy: “Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.” Manome toky ny Mpamonjy fa “ny Rainareo izay any An-danitra no [m]anome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy.”

Ny fomba fampianaran’ny Tompo dia “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra […], ary fitsipika anampy fitsipika.” Mety hahita isika fa mety hotakiana amintsika ny “[h]iandry an’i Jehovah” eo anelanelan’ny andalan-tsoratry ny fahatakarantsika ankehitriny sy ny manaraka izay homena. Io elanelana io dia mety ho fotoana izay hitrangan’ny fanomanana antsika ara-panahy tsara indrindra, ilay toerana izay ahafahantsika “[mizaka] amim-paharetana” ny fikatsahantsika fatratra ary hanavaozantsika ny hery entintsika manohy mitandrina ireo fampanantenana masina izay nataontsika tamin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanekempihavanana.

Ny fifandraisantsika ara-panekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no mariky ny maha tompon-toerana antsika ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary ny fitoerantsika ao dia mitaky ny hampifanarahantsika ny fiainantsika amin’ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra ary ny hanaovantsika ezaka mba hitomboana ara-panahy.

Fankatoavana

Fotopampianarana fototra iray izay ampianarina manerana ny Bokin’i Môrmôna ny hoe rehefa misafidy haneho fankatoavana sy hitandrina ny fanekempihavanana nataony ny zanak’ Andriamanitra, dia mandray fitarihana ara-panahy sy torolalana tsy tapaka izy ireo. Niteny tamintsika ny Tompo fa afaka mahazo fahalalana sy faharanitan-tsaina isika amin’ny alalan’ny fankatoavantsika sy ny fahazotoantsika. Tsy natao ho sakana eo amin’ny fiainantsika ireo lalàna sy didin’ Andriamanitra fa natao kosa ho varavarana mahery vaika misokatra mankany amin’ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana sy fanabeazana ara-panahy. Nampianatra fahamarinana manan-danja ny Filoha Nelson manao hoe: “ny fanambarana avy any amin’ Andriamanitra dia mifanaraka mandrakariva amin’ny lalàna mandrakizay” ary nampiany koe hoe: “tsy mifanohitra na oviana na oviana amin’ny fotopampianarany izany.” Ny fankatoavanao am-piniavana an’ireo didin’ Andriamanitra, na dia tsy fantatrao tanteraka aza ny antony nanomezany azy, dia mametraka anao ho mpiara-dia amin’ireo mpaminaniny. Ny ao amin’ny Mosesy 5 dia mampianatra antsika ny amin’ny resaka nifanaovan’i Adama sy ny anjelin’ny Tompo anankiray.

Rehefa avy nomen’ny Tompo an’i Adama sy i Eva ny “didy […] fa tokony hoderainy ny Tompo Andriamaniny ary tokony hateriny ho fanatitra ho an’ny Tompo ny voalohan-teraky ny biby fiompiny”, dia hoy ny soratra masina hoe: “nankatò ny didin’ny Tompo i Adama.” Vakintsika ny tohiny manao hoe: “Ary nony afaka andro maromaro dia niseho tamin’i Adama ny anjelin’ny Tompo iray, nanao hoe: Nahoana ianao no manatitra fanatitra ho an’ny Tompo? Ary hoy Adama taminy: Tsy misy fantatro afa-tsy ny hoe ny Tompo no nandidy ahy.

Ny fankatoavan’i Adama dia nialoha ny fahatakarany ary nanomana azy handray ny fahatakarana masina fa izy dia nandray anjara tamin’ny famantarana masina maneho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny fankatoavantsika feno fanetrentena ihany koa dia hanomana antsika tahaka izany ho amin’ny fahaiza-mamantatra ireo lalana itondran’ Andriamanitra sy ny tanjony masina ho antsika tsirairay. Ny filofosana mba hanondrotra ny fankatoavantsika dia mitondra antsika ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy Mpamonjy satria ny fankatoavana ireo lalàna sy didiny dia mampifandray Aminy amim-pahombiazana tokoa.

Ho fanampin’izany, ny fijanonantsika ho mahatoky amin’ny fahalalana sy fahendrena izay efa nolovaintsika tamin’ny alalan’ny fanarahantsika amim-pahatokiana ireo fitsipiky ny filazantsara sy ireo fanekempihavanana masina dia fiomanana tena ilaina mba hahatonga antsika ho vonona handray sy hanao araka izay resahan’ny Fanahy Masina amintsika.

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy no loharanon’ny fahamarinana rehetra sy mizara malalaka ny fahendren’ Izy Ireo. Ary ny fahatakarana fa tsy misy izay tsy miankina amin’ Andriamanitra ny fahalalana anantsika manokana dia manampy antsika hahafantatra hoe iza no tokony hitodihantsika ary aiza no hametrahantsika fitokisana.

Fitokisana lalina

Ankamamiako manokana ao amin’ny Testamenta Taloha ny tantaran’i Namàna, ilay mpitarika miaramila izay nositranin’i Elisa mpaminany tamin’ny habokàna. Io tantara io dia maneho fa ny finoana tsy voahozongozona nananan’ilay “zazavavy kely” dia nampiova ny fizotran’ny fiainan’ny olona iray ary, ho an’ny mpino rehetra, dia nampiseho hoe hatraiza ny famindram-pon’ Andriamanitra ho an’ireo izay mametraka ny fitokisany Aminy sy amin’ny mpaminaniny. Na dia tsy voatonona aza ny anaran’io zazavavy kely io, dia izy koa no nanampy hampitombo kokoa ny fahatakarantsika. Ary ny finoan’i Namàna ny fijoroany ho vavolombelona dia nitaona azy hangataka fanasitranana tamin’ny mpanompo voafidin’ Andriamanitra.

Fisalasalana sy fahasorenana tamin’ny voalohany no nasetrin’i Namàna ny toromarika nomen’i Elisa mpaminany mba hisasa ao amin’ny ony Jordana. Kanefa ny fanasana azy mba hankatò ny torohevitry ny mpaminany dia nanokatra ny lalana ho an’ny fahasitranany sy ny fahatakarany fa tena misy Andriamanitra.

Mety hahita isika fa ny sasany amin’ireo fangatahantsika ara-panahy dia ahitana valiny ihany ary mety tsy miteraka fanelingelenana lehibe ho antsika. Na koa, tahaka an’i Namàna, isika dia mety hahita fa ireo filàntsika hafa dia saro-bahana kokoa ary mety hiteraka fahatsapana izay manahirana antsika. Na koa, tahaka ny filazalazana ny tsoa-kevitra aloha loatra nataon’ireo mpahay kintana momba ny rafi-masoandro misy antsika, mandritry ny fikatsahantsika fahamarinana ara-panahy, dia mety tsy marina loatra ny fandraisantsika zavatra raha toa ka tsy miantehitra afa-tsy amin’ny fahatakarantsika izay voafetra isika; ary ny vokatra mampalahelo sy tsy nahy aterak’izany dia mety hampanalavitra antsika amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ary ambonin’izany, dia misy fanontaniana izay mety mbola hipetraka mandra-panomezan’ ilay Andriamanitra, izay “[manana] ny hery rehetra” sy “ny fahendrena rehetra ary ny fahazavan-tsaina rehetra”, izay “[mahazo] ny zava-drehetra”, fahazavan-tsaina amin’ny alalan’ny finoantsika ny Anarany.

Ny fampitandremana manan-danja avy amin’ny tantaran’i Namàna dia ny hoe mety hampaharitra na hampihemotra ny fivoarantsika ny fizirizirina tsy hankatò ny lalàna sy ny didin’ Andriamanitra. Sambatra isika manana an’i Jesoa Kristy ho Mpanasitrana Lehibe. Ny fankatoavantsika ireo lalàna sy didin’ Andriamanitra dia afaka manokatra ny lalana mba hanomezan’ny Mpamonjy ny fahatakarana sy fahasitranana izay fantany fa ilaintsika, araka ny drafitra napetrany hitsaboana antsika.

Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Ity fiainana ity dia traikefa iray amin’ny fitokiana lalina—fitokiana amin’i Jesoa Kristy, fitokiana amin’ny fampianarany, fitokiana amin’ny fahafahantsika mankatò ireny fampianarana ireny rehefa tarihin’ny Fanahy Masina mba hahazoana fifaliana ankehitriny sy hananana fiainana mandrakizay misy tanjona sy heniky ny fifaliana. Ny hoe matoky dia midika hoe mankatò an-tsitrapo kanefa tsy mahafantatra ny fiafarana hatrany am-piandohana (jereo ny Ohab. 3:5–7). Mba hahazoana vokatra dia tsy maintsy mahery sy maharitra kokoa ny fitokianao amin’ny Tompo mihoatra noho ny fitokisanao amin’ny zavatra tsapanao sy traikefanao manokana.”

Notohizan’ny Loholona Scott hoe: “Ny fampiharana finoana dia ny fatokiana fa ny Tompo dia mahalala ny zavatra ataony aminao ary afaka hanatontosa izany Izy ho tombontsoa mandrakizay ho anao na dia tsy takatrao aza hoe ahoana no ahafahany hanao izany.”

Fijoroana ho vavolombelona ho famaranana

Ry namako malala, mijoro ho vavolombelona aho fa ireo fanontaniana avy amin’ny fontsika momba ny filazantsara dia afaka manome fahafahana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hanampy antsika hitombo. Ny ezaka manokana nataoko mba hikatsahana valiny avy amin’ny Tompo ho an’ireo fanontaniako ara-panahy, tany aloha sy ankehitriny, dia nahafahako nampiasa ny elanelana misy eo amin’ny fahatakarako sy ny fahatakaran’ Andriamanitra mba hizarana mampihatra ny fankatoavana Azy sy ny fijanonana ho mahatoky amin’ny fahalalana ara-panahy izay ananako amin’izao fotoana izao.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fametrahana ny fitokisana amin’ny Ray any An-danitra sy amin’ireo mpaminaniny izay nalefany dia hanampy anao hisondrotra ara-panahy sy hanosika anao handroso mankany amin’ny faritra midadasik’ Andriamanitra. Hiova ny toerana hitazananao satria hiova ianao. Fantatr’ Andriamanitra hoe arakaraka ny maha avo ny toerana hijerenao no hahitanao lavitra kokoa. Manasa anao hihanika avo kokoa ny Mpamonjy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.