Liahona
Hitondra antsika ho any amin’ny fahamarinana ny tenin’i Kristy sy ny Fanahy Masina
Nôvambra 2024


10:7

Hitondra antsika ho any amin’ny fahamarinana ny tenin’i Kristy sy ny Fanahy Masina

Ny fahafantarana io drafitra mahatalanjona io dia hanampy antsika hamantatra fa zanak’ Andriamanitra isika ary afaka ny ho lasa tahaka Azy isika.

Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra. Fanahy zanany isika ary nohariana araka ny endriny. Noho izany, isika tsirairay, amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika, dia manana fahafahana ny ho lasa tahaka Azy.

Niaina niaraka taminy isika raha mbola fanahy talohan’ny niaviantsika teto an-tany. Amin’ny maha ray aman-drenintsika Azy ara-panahy, ny Ray any An-danitra dia tia antsika sy maniry ny tsara indrindra ho antsika, ary manomana drafitra ho antsika mba handraisantsika ireo fitahiany lehibe indrindra, izay ny tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay. Arak’ilay drafitra, isika, amin’ny maha fanahy zanaka antsika, dia homena fahafahana misafidy mba hisafidy ny drafiny. Amin’ny fiaviantsika etỳ an-tany, dia handao ny fanatrehan’ Andriamanitra isika, hanadino ny fiainana talohan’ny nahaterahana, handray vatana nofo sy taolana, hahazo ny traikefantsika manokana, ary hampitombo finoana. Noho ny fananantsika vatana nofo sy taolana, amin’ny maha olona araka ny nofo, dia ho resin’ny fakam-panahy isika, lasa tsy madio sy manalavitra an’ Andriamanitra, ary tsy afaka ny hiverina eo amin’ny fanatrehany masina. Noho ny fitiavana tsy manam-petra ananan’ny Ray any An-danitra ho antsika, dia nalefany i Jesoa Kristy Zanany Lahimatoa mba ho Mpamonjy antsika. Amin’ny alalan’ny sorona nataon’i Jesoa Kristy, ny Sorompanavotana izany, dia nataony ho azo tanterahina ny fanavotana antsika amin’ny fahotantsika sy ny fananganana antsika amin’ny maty ary ny fandraisantsika ny fiainana mandrakizay.

Tena feno fankasitrahana izaitsizy aho noho ireo fahamarinana feno voninahitra ireo: ilay antsointsika hoe ny drafitry ny famonjena an’ny Ray, ny drafitry ny famindrampony, na ny drafitry ny fahasambarana lehibe nataony. Ny fianarana ireo fahamarinana manan-danja ireo dia nanampy ahy hahafantatra ny tena maha izaho ahy sy ireo fitahiana lehiben’ny fisandratana sy ny fiainana mandrakizay izay nomanin’ Andriamanitra ho antsika. Nampianatra antsika ny lalana i Nefia mpaminany manao hoe: “Noho izany, … mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.” Nampiany hoe: “Fa raha te hiditra ny lalana ianareo ary handray ny Fanahy Masina, dia Izy no hampiseho aminareo ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo.” Anio aho dia te hizara ny fomba nanampian’ny tenin’i Kristy sy ny Fanahy Masina ahy hahita ireo fahamarinana manan-danja manome fiadanana ireo nandritra ireo taona naha-zatovo ahy.

Hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy

Tahaka ny voalazan’i Nefia ao amin’ireo andininy voalohany ao amin’ny bokin’ny 1 Nefia, izaho koa dia “nateraka ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo.” Lehibe tany Nagano Japon aho, ary tao amin’ny tokantranonay dia namporisihina ny fahamarinan-toetra sy ny fahazotoana ary ny fanetrentena, ary narahina an-tsakany sy an-davany ny fombafomban’ny ntaolo. Lehilahy mpivavaka be ny raiko. Nijery azy nivavaka teo anoloan’ireo alitara Shintoista sy Bodista isa-maraina sy isan-kalina aho. Na dia tsy nahafantatra aza aho hoe iza no nivavahany sy hoe inona no nangatahiny tamin’ny vavaka, dia nino aho fa nisy karazana hery tsy hita maso na Andriamanitra izay “mahery ka mahavonjy” na hanampy anay raha mivavaka amin-kitsim-po izahay.

Tahaka ireo zatovo hafa, dia nandalo zava-tsarotra maro aho. Nitolona mafy aho, nieritreritra fa tsy rariny ny fiainana ary toy ny kodiaran-tsarety. Nahatsiaro ho very aho tsy nanana fitarihan-dalana teo amin’ny fiainako. Toa fandalovana ny fiainana satria dia hifarana izany rehefa maty aho. Nampikorontan-tsaina ilay fiainana tsy mbola nahafantarana ny drafitry ny famonjena.

Tsy ela taorian’ny nianarako ny taranja Anglisy tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, dia nahazo tahadikan’ny Testamenta Vaovao ny mpianatra rehetra tao amin’ny sekoly nisy ahy. Na dia vao nanomboka nianatra ny fianarana ny taranja Anglisy aza izahay, dia nilaza taminay ny mpampianatra fa tokony hianatra ny teny Anglisy izahay amin’ny alalan’ny famakiana ilay boky. Nosokafako ilay izy ary nohalaliniko ny votoatiny. Tena sarotra tamiko ireo teny nampiasaina tao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny voambolana amin’ny teny Japôney ihany koa dia sarotra tahaka izany. Kanefa, voasarika tany amina lisitrana andian-teny sy andiam-panontaniana apetraky ny fanahy izay nampidirina mialoha ny lahatsoratry ny baiboly ao amin’io Baiboly natontan’ny Gideôna io aho, fanontaniana momba ny fahatsapana ho manirery, tsy manana fahatokian-tena, sahiran-tsaina, miatrika olana amin’ny fiainana, sy ny sisa. Ny fanontaniana tsirairay anatin’io lisitra io dia arahina fanondroana andinin-tsoratra masina sy laharan’ny pejy ao amin’ny Testamenta Voalohany. Nahasarika ahy manokana ny filazana hoe: “Rehefa trotraka ianao.” Ny fanondroana tao dia nahatonga ahy hanokatra ny Matio 11:28–30, izay tao no nilazan’i Jesoa tamin’ny mpianany hoe:

“Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.

“Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.”

Io no andinin-tsoratra masina voalohany tsaroako hoe namakiako ny tenin’i Jesoa Kristy. Na dia tsy takatro avokoa aza ny teny nolazainy, dia nankahery ahy ny teniny sy nampitraka ny fanahiko ary nanome fanantenana ahy. Arakaraka ny hamakiako ny teniny no hahatsapako fa tokony handramako ny herin’ny teniny. Tsy mbola nahatsapa zavatra toy ny tsapako tamin’io andro io aho. Nahatsapa aho fa notiavina. Tsapako fa olona fantatro i Jesoa Kristy.

Rehefa nanohy nandalina aho dia nahatsapa toy ny hoe niresaka nivantana tamiko Izy rehefa niteny hoe: “Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa izy no hovokisana.”

Nanenika ny foko ireo teniny na dia tsy haiko tsara aza ny namariparitra ny fahatsapana nananako tamin’izay fotoana izay. Na dia niaina taon-jato maro tany aloha aza i Jesoa Kristy tany amin’ny tany izay tsy fantatro, dia nieritreritra aho fa afaka ny natoky ny teniny tamin’ny foko manontolo. Nanantena aho hoe indray andro any aoriana any dia mety ho afaka handray misimisy kokoa amin’ny tenin’i Jesoa Kristy aho.

Ny Fanahy Masina hampiseho aminareo ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo

Izay hoe indray andro izay dia tonga taona vitsivitsy monja tatỳ aoriana. Nihaona tamin’ny misiônera tanoran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fotoana feno izay tena feno fanoloran-tena aho. Tsy ela aho dia nihaona tamina vondrona kelin’ Olomasin’ny Andro Farany tsara fanahy sy feno fifaliana izay miezaka manaraka an’i Jesoa Kristy. Na dia nila fotoana elaela aza aho vao natoky tanteraka azy ireo, dia nanomboka hitako tao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ny zavatra nokatsahiko fony aho nandalina ny Testamena Voalohany: ny tenin’i Kristy sy ny fanantenana ary fiadanana izay azo avy aminy.

Nisy zavatra masina niainako tamin’ny nampianaran’ireo misiônera ahy hivavaka. Nianatra aho fa tokony hiantso ny anaran’ Andriamanitra rehefa miresaka Aminy. Rehefa mivavaka isika dia tokony hiteny izay avy ao am-pontsika, sy maneho fankasitrahana ary mizara ireo fanantenantsika sy faniriantsika. Rehefa voalazantsika ny zavatra tiantsika nolazaina, dia faranantsika ny vavaka amin’ny filazana hoe: “Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.” Ataontsika izany satria nandidy antsika hivavaka amin’ny anarany i Jesoa. Ny mivavaka amin’ny Ray any An-danitra dia nanampy ahy hahafantatra hoe iza Izy ary inona no fifandraisako Aminy, dia ny hoe fanahy zananilahy izay malalany aho. Nianatra izany aho satria ny Ray any An-danitra dia mahafantatra sy tia ahy, manaiky ny hiresaka amiko manokana Izy, amiko irery, ary amin’ny fomba izay hahatakarako amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Nisy fotoana tena tsy nahavitako namantatra ny Fanahy Masina. Diso fandray aho, ary nieritreritra fa ny hany mila ataoko dia ny manaraka ireo dingan’ny vavaka ary hisy zavatra goavana be hitranga. Indray andro, nandritra ny lesona nomen’ireo misiônera, dia nisintaka tamin’ny lesona aho haka aina kely. Mbola sahiran-tsaina aho tamin’izay ny amin’ny hoe inona no tokony hataoko amin’ny fiainako raha marina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.

Rehefa handeha hiverina tao amin’ilay efitrano niandrasan’ireo misiônera aho, dia nahare ny feon’ny iray tamin’ireo misiônera. Nahare ny anarako aho. Fa tsy nosokafako ilay varavarana fa nihaino ilay feo avy ao ambadik’ilay varavarana kosa aho. Gaga be aho. Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra tsotra izao izy ireo. Ilay iray izay nanonona ny tonom-bavaka dia nitalaho tamin’ Andriamanitra mba handrenesany ny vavaka nataoko. Na dia tsy tomombana aza ny fiteniny Japôney, dia nanalefaka ny foko ny nandre ny vavaka nataony tamin-kitsim-po. Nanontany tena aho hoe nahoana izy ireo no niraharaha fatratra ny amiko. Avy eo dia tonga saina aho hoe ny vavaka nataon’izy ireo ho ahy dia taratry ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ho ahy. Nanome ahy fanantenana izany fitiavana izany, ary taorian’izay dia nanontany an’ Andriamanitra tam-pinoana omban’ny tena finiavana aho. Rehefa nanao izany aho, dia nahatsapa tamim-pifaliana sy tamim-piadanana fa tena zanak’ Andriamanitra tokoa aho ary manana fahafaha-manao sy anjara araka an’ Andriamanitra. Tafalatsaka lalina tao am-poko ny drafitry ny famonjena.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny fomba hieritreretanao ny maha-ianao anao dia misy fiantraikany … eo amin’ny fanapahan-kevitra rehetra izay hataonao.” Tena marina loatra izany ho ahy. Ny fanapahan-kevitro hanaraka an’i Jesoa Kristy Mpamonjy tamin’ny fanaovana batisa ahy sy ny fandraisako ny fanomezana ny Fanahy Masina dia nitahy ny fiainako mihoatra noho izay nosaintsainiko. Rehefa miditra ao amin’ny fanekempihavanan’ny batisa miaraka amin’ Andriamanitra isika, dia mampanantena fa vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy sy hitandrina ny didin’ Andriamanitra ary hanompo Azy mandritra ny fiainantsika sisa rehetra. Ny Ray any An-danitra kosa dia mampanantena antsika fa afaka ny hanana ny Fanahiny miaraka amintsika mandrakariva isika, dia ny fitarihana tsy tapaka avy amin’ny Fanahy Masina.

Manasa anareo aho mba hino ilay hafatra nampianarin’i Nefia antsika hoe: ny tenin’i Kristy sy ny Fanahy Masina dia hitarika anareo amin’ny “zava-drehetra tokony hataonareo.” Ny zava-drehetra! Fanomezana mahatalanjona avy amin’ Andriamanitra izany.

Ry rahalahy sy anabavy, feno fankasitrahana aho noho ny drafitry ny famonjena avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Noho Izy tia antsika, dia nanomana lalana hiverenana eo anatrehany Izy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana. Ny fahafantarana io drafitra mahatalanjona io dia hanampy antsika hamantatra fa zanak’ Andriamanitra isika ary afaka ny ho lasa tahaka Azy isika. Feno fankasitrahana aho amin’izany fahamarinana manan-danja izany. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny tenin’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina dia hitarika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Fantatro fa marina izany. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.