Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny - Bokin’ny Mpampianatra
Inona no andrasana amin’ny mpampianatra filazantsara?
Rehefa miomana hampianatra ianao, dia zava-dehibe ny mahatakatra ireo Tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara:
“Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambady hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra” (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], x).
Afaka manatratra io tanjona io ianao raha miaina ny filazantsara, sy mampianatra amin’ny fomba mahomby ny filazantsara ho an’ireo mpianatra, ary mitantana araka ny tokony ho izy ny kilasinao na ny fandaharam-pianaranao. Rehefa miomana sy mampianatra ny filazantsara araka ireo fomba ireo ianao, dia ho mendrika ny hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina (jereo ny F&F 42:14).
Fahafahana ho anao ny manampy ireo mpianatra hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahafahan’izy ireo mampahatanjaka ny finoany sy hampiorim-paka ny fiovam-pony. Afaka manampy ireo mpianatra hanatanteraka izany ianao rehefa mitarika azy ireo mba hamantatra sy hahatakatra ary hahatsapa ny fahamarinan’ireo fotopampianarana sy fitsipika manan-danjan’ny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny maha-zava-dehibe ka miomana hampihatra izany.
Ilay boky torolalana hoe Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara dia loharano tena ilaina mba hahatakarana ny fandehan’ny fampianarana sy ny fomba hahitana fahombiazana ao an-dakilasy. Jereo matetika io boky torolalana io.
Inona avy ireo tanjon’ity fampianarana ity?
Ity fampianarana ity, Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny (Fianarana ny filazantsara faha-225), dia manome fahafahana ny mpianatra mba handalina ny fanambarana fototra, ny fotopampianarana, ny zava-nitranga ara-tantara ary ny olona manan-danja tamin’ny fanatanterahana ny Famerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy araka ny hita ao amin’ireo soratra masina nankatoavina, sy ireo tenin’ny mpampinany maoderina ary ny tantaran’ny Fiangonana. Ity fampianarana ity dia hitondra fototra ara-potopampianarana sy fahafantarana ara-tantara ho an’ny mpianatra izay ilaina amin’ny fahatakarana marina ny fotopampianarana sy tantaran’ny Fiangonana. Hitombo ny fahafahan’ny mpianatra mikatsaka fahamarinana, handanjalanja ny fahamarinana sy ny maha-azo antoka ny loharanom-pitaovana ary hanavaka ny marina sy ny diso. Handalina ny soratra masina, ny fotopampianaran’ny Fiangonana, ary ny tantaran’ny Fiangonana amin’ny fomba izay ahafahany mampihatra izany amin’ny fiainany sy ny toe-javatra misy azy manokana ny mpianatra. Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nijoro ho vavolombelona fa tena misy ny Famerenana amin’ny laoniny:
“Ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny. Olomasin’ny Andro Farany isika amin’ny maha-vahoaka antsika. Mijoro ho vavolombelona isika fa ny lanitra dia nisokatra, ary ny voaly dia nisinda, Andriamanitra dia miresaka ary i Jesoa Kristy tenany mihitsy no niseho. …
“Isaorana anie Andriamanitra amin’ny fanolorany fijoroana ho vavolombelona sy fahefana ary Fotopampianarana miaraka amin’ity fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ity.
“Tsy maintsy izany no hafatra lehibe sy tokana atolotsika an’izao tontolo izao. Tsy manolotra izany amim-pireharehana isika. Mijoro ho vavolombelona amim-panetrentena isika, saingy amim-pahamatorana sy amim-pahatsorana tanteraka” (“The Marvelous Foundation of Our Faith,” Ensign, nôv. 2002, 81).
Rehefa mampitombo misimisy kokoa ny finoany an’i Jesoa Kristy sy mankahery bebe kokoa ny fijoroany ho vavolombelona momba ny filazantsara tafaverina amin’ny laoniny ny mpianatra, dia hitombo hatrany ny fanapahany hevitra hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina ary ho vonona bebe kokoa amin’ny fizarana ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny izy ireo.
Inona no andrasana amin’ireo mpianatra?
Mba hahazoana ny salan’isa ilaina amin’ny fanatanterahana hatramin’ny farany ny institiota, dia takiana amin’ny mpianatra ny hamakiany ireo andinin-tsoratra masina, ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana, ary ny fitaovana hafa voatanisa ao amin’ny Vakitenin’ny Mpianatra amin’ny lesona tsirairay. Tokony hahafeno ireo fepetra takiana mikasika ny fanatrehana fotoam-pianarana ihany koa ireo mpianatra ary haneho fahaizana momba ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fampianarana.
Ahoana no firafitr’ireo lesona ao amin’ity boky torolalana ity?
Ity fampianarana ity dia narafitra ho an’ny fampianarana mandritra ny tapa-taona ary ahitana lesona 28 izay nosoratana ho an’ny fotoam-pianarana maharitra 50 minitra. Raha mianatra in-droa isan-kerinandro ny mpianatrao dia mampianara lesona iray isaky ny fotoam-pianarana. Raha indray mandeha isan-kerinandro ihany ny mpianatrao no mianatra mandritra ny 90 na 100 minitra dia mampianara lesona roa natambatra isaky ny fotoam-pianarana. Ny topimaso amin’ny ankapobeny ho an’ny lesona tsirairay dia ahitana fizarana efatra:
-
Fampidirana
-
Vakiteny enti-mampianatra
-
Sosokevitra Enti-mampianatra
-
Vakintenin’ny mpianatra
Fampidirana
Io fizarana io dia manome fampahalalana fohy momba ny lohahevitra sy ireo tanjon’ny lesona.
Vakiteny enti-mandalina
Io fizarana io dia manolotra loharanom-pitaovana hovakiana, toy ny hafatra avy amin’ny mpaminany maoderina, izay hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ireo fotopampianarana sy fitsipika ary ireo fahamarinan’ny filazantsara izay tafiditra ao amin’ilay topimaso amin’ny ankapobeny ho an’ny lesona.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Ilay fizarana hoe Sosokevitra enti-mampianatra dia ahitana fitaovana izay manampy anao mba hahafantatra ny hoe inona no ampianarina sy ny hoe fomba ahoana no hampianarana azy (jereo koa ny fizarana 4.3.3 sy 4.3.4 ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara). Ireo asa ampanaovina ho enti-mianatra izay aroso dia narafitra mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra sy hahatakatra ary hampihatra fahamarinana masina. Azonao atao ny mampiasa ny sasany amin’ireo izay tolo-kevitra na izy rehetra rehefa ataonao izay hampifandray azy ireny amin’ny fomba fampianaranao sy izay hanomezana ny zavatra ilain’ny mpianatra sy mety amin’ny toe-javatra misy azy ireo. Rehefa mandinika ny fomba hampifanarahana ny votoatin’ny lesona amin’izay zavatra ilaina ianao, dia ataovy izay hanarahana ity torohevitra avy amin’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Matetika ny Filoha Packer no nampianatra, araka ny fahenoako azy, hoe mandray aloha isika, ary avy eo vao mampifanaraka. Raha mahay tsara ny fitaovana ampiasaina amin’ny lesona izay ampianarintsika isika, dia ho afaka hanaraka ny Fanahy Masina isika mba hahafahana mampifanaraka tsara ny lesona amin’izay ilaina avy eo. Kanefa raha ny fahafahana manova no resahina dia misy fakam-panahy hanomboka amin’ny fampifanarahana raha tokony hoe manomboka amin’ny fanarahana. Mila fandanjalanjana izany. Olana mipetraka mandrakariva izany. Kanefa ilay hoe manaraka aloha vao mampifanaraka dia tena fomba tsara ahafahana mijanona amin’ny tany marina” (“A Panel Discussion with Elder Dallin H. Oaks” [Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ataon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara, 7 aog. 2012]; lds.org/broadcasts).
Hita ao anatin’ity fampianarana ity ny fanambarana nomen’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay tena mety misy amin’ny fiteny hafa maro tokoa. Rehefa miomana hampianatra ianao, dia mety ho ilainao ny mampifanaraka ny lesona amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fanambarana hafa nomen’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay misy eo am-pelatanana ka mifanaraka amin’ny lohahevitra dinihina.
Ilay fizarana hoe Sosokevitra Enti-mampianatra dia ahitana fanambarana iray farafahakeliny miseho amin’ny sora-matevina mikasika fotopampianarana na fitsipika iray. Rehefa hitan’ireo mpianatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ka mizara ny zavatra nianarany izy, dia mety tsy hitovy amin’izay voasoratra ao amin’ity boky torolalana ity ny teny ampiasainy. Rehefa izay no mitranga, dia tandremo sao manao izay hiheveran’izy ireo hoe diso ny valinteniny. Na izany aza, raha misy fanambarana izay azo ahitsy mba ho marina kokoa, dia ataovy amim-pahamalinana izay hahatakaran’izy ireo izany mazava tsara.
Ity fandaharam-pianarana ity dia maodely mampiseho ny fomba hampidirana ny fototra hiaingana amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara ao amin’ny fampianarana araka ny lohahevitra (jereo ny Gospel Teaching and Learning, 10, 23–31, 38–41). Afaka volana vitsivitsy, dia hamoaka lahatsoratra atao hoe “Fampianarana sy fianarana ny soratra masina ao amin’ny Institiota Fianarana ny filazantsara” ny Seminera sy Institiota, izay hanazava misimisy kokoa ny fomba hampidirana ny fototra hiaingana amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara ao amin’ny fampianarana araka ny lohahevitra.
Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namariparitra ny tombontsoa sasany izay azo avy amin’ny fandalinana ny filazantsara araka ny lohahevitra:
“Raha ny famakiana ny bokin’ny soratra masina manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany no mampanome fahalalana fototra maro, ny fandalinana izany araka ny lohahevitra kosa dia mampivelatra ny fahalalantsika. Ny fikarohana fifandraisana, maodely, sy lohahevitra ao amin’ireo fanambarana dia manorina sy manampy ny fahalalantsika ara-panahy … . Mampivelatra ny fomba fijerintsika sy ny fahatakarantsika ny drafitry ny famonjena izany.
“Araka ny fahitako azy, ny fikarohana amim-pahazotoana mba hahita ireo fifandraisana, maodely ary lohahevitra dia tafiditra ao anatin’ny hoe ‘mivoky’ amin’ny tenin’i Kristy. Io fomba fanao io dia afaka manokatra ireo vavahadin’ny dobo fitehirizana rano ara-panahy, sy manazava ny fahatakarantsika amin’ny alalan’ny Fanahiny, ary mitondra fankasitrahana lalina noho ny soratra masina sy fanoloran-tena ara-panahy izay tsy afaka raisina amin’ny alalan’ny fomba hafa. Izany fikarohana izany dia mahatonga antsika ho mafy orina eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika ary hahatohitra ny rivotry ny faharatsiana amin’izao andro farany izao” (“A Reservoir of Living Water” [Brigham Young University fireside, 4 feb, 2007], 3, speeches.byu.edu).
Ny fitaovana sasany ao amin’ity boky torolalana ity dia miainga avy amin’ny fitaovana ao amin’ny Boky torolalana ho an’ny Seminera - Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana.
Vakitenin’ny Mpianatra
Io fizarana io dia mitanisa ny andinin-tsoratra masina, lahatenin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary ny fitaovana hafa izay hampitombo ny fahatakaran’ny mpianatra ny lohahevitra antitranterina ao amin’ny lesona. Amporisiho ireo mpianatra hamaky ireo fitaovana ireo alohan’ny handehanany hanatrika ny fotoam-pianarana tsirairay. Rehefa mandalina ireo fitaovana nentanim-panahy ireo izy dia tsy vitan’ny hoe ho vonona kokoa handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana, fa hahazo fahatakarana misimisy ihany koa momba ireo lohahevitra ao amin’ny fandaharam-pianarana. Omeo ny mpianatra ny lisitry ny Vakitenin’ny Mpianatra rehetra any am-piandohan’ny tapa-taona.
Ahoana no ahafahako miomana hampianatra?
Hanampy anao ny Tompo rehefa miomana ny hampianatra ianao. Rehefa miomana ianao, dia mety ho hitanao hoe manampy ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny tenanao:
-
Efa nivavaka ve aho mba hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina?
-
Efa nandalina ireo andinin-tsoratra masina sy vakiteny enti-mandalina nasaina novakiana ve aho?
-
Efa namaky ny fandaharam-pianarana ve aho sy namaritra raha misy zavatra tokony amboarina mba hampifanaraka izany amin’ny zavatra ilain’ny mpianatro?
-
Ahoana no ahafahako manara-maso ny mpianatra mba hahazoana antoka fa mahazo tombony betsaka indrindra izy ireo avy amin’ny vakiteny nomena azy?
-
Ahoana no ahafahako manampy ny mpianatro tsirairay handray anjara feno amin’ny lesona?
Mety hanampy ireto sosokevitra manaraka ireto.
-
Amporisiho ireo mpianatra hamaky ireo andinin-tsoratra masina sy ireo lahatsoratra nasaina novakiana alohan’ny lesona tsirairay.
-
Andrandrao ny mba hanatontosan’ireo mpianatra ny anjara asany amin’ny maha-mpandranto fahalalana azy.
-
Omeo fahafahana matetika ireo mpianatra hanazava ireo fotopampianarana sy fitsipika amin’ny fomba filazany azy manokana sy hizara traikefa izay tena manampy ary hijoro ho vavolombelona momba ny zavatra fantany sy tsapany.
-
Ovaovao ireo asa ampanaovina sy ny fomba fampianaranao isaky ny fotoam-pianarana ary koa Ovaovao isan’andro.
-
Mamorona tontolo ahafahana mianatra izay manasa ny Fanahy Masina ary hahazoan’ireo mpianatra fahafahana sy andraikitra hifampianatra (jereo ny F&F 88:78, 122).
Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy hoe:
“Ataovy izay hisian’ny fandraisana anjara betsaka satria ny fampiasan’ny mpianatra ny fahafahana misafidy toy izany no manome fahafahana ny Fanahy Masina hampianatra. … Rehefa tenenin’ireo mpianatra ny fahamarinana, dia voamarina ao amin’ny fanahin’izy ireo izany ary manamafy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo manokana” (“To Understand and Live Truth” [evening with Elder Richard G. Scott, feb. 4, 2005], 3; si.lds.org).
Ahoana no ahafahako mampifanaraka ny lesona ho an’ireo izay manana kilema?
Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia aoka hahatsiaro ireo mpianatra izay mila fanampiana manokana. Amboary ireo atrikasa sy ny zavatra takiana mba hanampiana azy ireo hahomby.
Mba hahazoana hevitra sy loharano fanampiny, dia jereo ny pejin’ny Loharano ho an’ireo manana kilema ao amin’ny disabilities.lds.org sy ny fizarana mikasika ny Kilasy sy Fandaharam-pianarana Mifanaraka amin’ireo Mpianatra manana Kilema ao amin’ny boky torolalana mikasika ny fitsipika arahin’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny filazantsara.