Tahirim-pitaovana
Lesona 12: Soratra Masina fanampiny amin’ny Androntsika


Lesona 12

Soratra Masina fanampiny amin’ny Androntsika

Fampidirana

Mbola manome torolalana ho antsika hatrany ny Tompo amin’ny fanambarana ny Teniny sy ny Sitrapony amin’ny mpanompony amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Satria mbola miresaka amin’ny mpaminany maoderina Andriamanitra, dia mbola miampy hatrany ny soratra masina ankatoavina. Ireo soratra masina fanampiny navoaka ho antsika amin’izao fotoana—toy ny Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Abrahama—dia manamafy, manazava, ary manitatra ny fahatakarantsika ny filazantsara.

Vakiteny enti-mandalina

  • Jeffrey R. Holland, “My Words … Never Cease,” Ensign na Liahona, mey 2008, 91–94.

  • “Translation and Historicity of the Book of Abraham,” Gospel Topics, lds.org/topics.

  • Elizabeth Maki, “Joseph Smith’s Bible Translation: D&C 45, 76, 77, 86, 91,” Revelations in Context series, 20 mar. 2013, history.lds.org.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Soratra masina amin’ny andro farany

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe manontany amim-pahatsorana azy ireo ny namany iray manao hoe: “Nahoana ny Môrmôna no manana soratra masina fanampiny amin’ny Baiboly? Nihevitra aho hoe ny Baiboly no nirakitra ny tenin’ Andriamanitra rehetra.” Asao ny mpianatra hanangana ny tanany raha efa nametrahana fanontaniana tahaka izany. Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba namaliany ny fanontaniana sy ny zavatra tsapany rehefa nijoro ho vavolombelona momba ny soratra masina izy ireo.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe soratra masina nankatoavina. Asehoy ireto fanambarana ireto izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland sy ny Loholona Dallin H. Oaks izay samy avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatra roa hifandimby hamaky izany mafy. Asaivo mihaino ny dikan’ny andian-teny hoe soratra masina nankatoavina ny mpianatra raha ny toe-javatra misy amin’ireo fanambarana ireo no heverina.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Betsaka tokoa ny Kristianina no nilaza, noho ny fitiavana marina ananany ho an’ny Baiboly fa tsy afaka misy soratra masina nahazo lalana hafa intsony ankoatra ny Baiboly. Amin’ny fanapahana fa tapitra hatreo ny fanambaran’ny soratra masina nankatoavina, dia mandà ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra izay sarobidy amintsika ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny namantsika avy amin’ny finoana hafa: ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Voahangy Lafo Vidy ary ny fitarihana tsy tapaka izay raisin’ny mpaminany sy apôstôly voahosotr’ Andriamanitra” (Jeffrey R. Holland, “My Words … Never Cease,” Ensign na Liahona, mey 2008, 91).

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ny ankamaroan’ny Kristianina dia mino fa nofaranan’ Andriamanitra ny soratra masina nankatoavina—izany hoe ny firaketana ny boky masina izay ampiasaina ho soratra masina—fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Kristy ary mino fa tsy nisy intsony ny fanambarana nitovy lenta tamin’izany taty aoriana. I Joseph Smith dia nampianatra sy nanamarina fa mbola misy hatrany ny soratra masina nankatoavina [jereo ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 208]. …

“… I Joseph Smith dia nampianatra fa Andriamanitra dia hitarika ny zanany amin’ny fanampiana soratra masina nankatoavina. Ny Bokin’i Môrmôna dia anisan’izany soratra masina nampiana izany. Toy izany koa ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy” (Dallin H. Oaks, “Fundamental to Our Faith,” Ensign, jan. 2011, 29).

  • Inona ny dikan’ny andian-teny hoe “soratra masina nankatoavina”? (Izany dia “firaketana nekena sy nahazoana lalana ny boky masina. Ny boky nekena ho soratra masina, ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia antsoina koa hoe soratra masina nankatoavina” [Guide to the Scriptures, “Canon,” scriptures.lds.org].)

  • Midika inona ny hoe ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino fa mbola misy hatrany ny soratra masina nankatoavina? (Na dia samihafa aza ny teny hampiasany, dia alaivo antoka fa mahatakatra ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Ny tenin’ Andriamanitra manan-kery dia tsy hita ao amin’ny Baiboly fotsiny [jereo ny Ireo Fanekem-pinoana 1:9].)

  • Inona no mety hiova noho ny finoana fa mbola manambara soratra masina amin’ny mpaminany amin’ny andro farany foana ny Tompo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:56; 45:60–62; 76:15–19; 93:53; 94:10

Ny Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity:

Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, no nanambara soratra masina fanampiny ny Tompo, izay manamafy, manazava sy manitatra ny fahalalantsika ny fahamarinana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ambiny ary hitady ny zavatra nataon’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tamin’ny fotoana nandraisan’izy ireo ny fanambarana hita ao amin’ity fizarana ity.

  • Inona ny asa izay nanoloran’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tena tamin’ny fotoana nandraisan’izy ireo ity fanambarana ity?

Mba hanampiana ny fanazavana ny atao hoe Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireto andinin-tsoratra roa ireto:

Nanodidina ny fararanon’ny taona 1830 dia nandidy ny Mpaminany Joseph Smith mba handika ny Baiboly ny Tompo. Tsy nandika ny Baiboly avy amin’ny fiteny iray ho amin’ny fiteny iray hafa izy, na hoe nanana sora-tanana voalohany momba ny Baiboly mba hanaovana ny fandikana. Fa i Joseph kosa dia namaky sy nandalina ireo andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Baiboly King James Version ary avy eo dia nanao fanitsiana sy nanampy zavatra araka izay nitaoman’ny Fanahy Masina. Noho izany, ilay fandikana dia nirona bebe kokoa tamin’ny fanitsiana mazava kokoa fa tsy fandikan-teny araka ny fomba mahazatra hatrizay.

Ny Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith dia niantefa tamin’ny andininy miisa 3.000 ao ny Baiboly King James Version. Ireo fahasamihafana ireo dia nahitana ny fanampiana (mba hanazavana ny dikany na ny toe-javatra na mba hamerenana faminaniana amin’ny laoniny, tahaka ny bokin’i Mosesy), famafana, andininy naverina narindra ary fanovana tanteraka ny firafitry ny toko sasany. Ho fanazavana misimisy kokoa ny mikasika ny Dikan-tenin’i Joseph Smith, dia jereo ny Bible Dictionary na ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Dikan-tenin’i Joseph Smith (DJS).”

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity:

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:60–62

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:56, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy a

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:15–19

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:53

Sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35; 76; 77; 86; 91

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94:10, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy b

Zarao ho vondrona roa ireo mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay handalina ny zavatra ao amin’iray amin’ireo tsanganana ireo, ary hitady fampahafantarana mikasika ny Dikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith. Rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra nianarany. Dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity avy eo:

  • Inona araka ny hevitrao no vokatry ny asa fandikan-teny tamin’ny fanabeazana ara-panahin’i Joseph Smith sy tamin’ny famerenana tamin’ny laoniny ny fahamarinan’ny filazantsara?

Mba hanampiana ny mpianatra hankafỳ ny fiantraikan’ny asa fandikan-tenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith teo amin’ny Fiangonana, dia asao ny mpianatra iray hankany amin’ny “Filahatr’ireo fizarana araka ny vanim-potoany” (izay hita eny amin’ny fiatombohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana) ary hanazava fa ny Mpaminany dia nifantoka indrindra indrindra tamin’ny asa fandikan-teny teo anelanelan’ny jona 1830 sy jolay 1833. Anontanio avy eo hoe:

  • Firy no isan’ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana voaray teo anelanelan’ny jona 1830 sy jolay 1833? (Ny Mpaminany dia nandray fanambarana niisa 74 izay lasa ho anisan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tamin’io fotoana io.)

Mety ilainao ny manoritra fa ny bokinʼi Mosesy sy ny Joseph Smith--Matio, izay samy hita ao aminʼny Voahangy Lafo Vidy, dia ampahanʼny fandikan-teninʼi Joseph Smith ny Baiboly ihany koa ary noraisiny nandritra izany fotoana fandikana izany. Ny bokinʼi Mosesy dia ny fandikana ny toko fahavalonʼny Genesisy izay nataonʼi Joseph Smith. Tsikaritrʼi Joseph Smith fa misy tsy ampy betsaka ny avy tao aminʼny Baiboly teo am-pandikana ireo andininy mikasika anʼi Enôka izy. Ahitana teny 109 mikasika anʼi Enôka ny Baiboly King James ary teny 5.240 mikasika anʼi Enôka kosa ny ao aminʼny bokinʼi Mosesy.

  • Inona no mety ho hevitry ny fisian’ny fanambarana maro voaray nandritra io fotoana io manoloana ny anjara asan’ny Dikan-tenin’i Joseph Smith amin’ny Famerenana amin’ny laoniny?

  • Inona no fotopampianarana manan-danja sasany izay nomena nandritra io vanim-potoana io, raha mijery ny fizaran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana voaray nandritra io fotoana io ianao? (Ireo ohatra mikasika ny fotopampianarana manan-danja nomena nandritra io vanim-potoana io dia afaka hita ao amin’ny andininy 29, 42, 45, 76, 88, sy 93.)

Asehoy ity manaraka ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

“Ny dikan-tenin’ny Baiboly nataon’ny Mpaminany dia ampahany lehibe iray amin’ny fanabeazana ara-panahy ny tenany manokana sy amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fahamarinan’ny filazantsara. Raha nanao fanitsiana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao izy, dia matetika nandray ny fanambarana izay nanazava na nanitatra ny andinin-tsoratra masina tao amin’ny Baiboly. Tamin’izany fomba izany no nahafahan’ny Mpaminany nandray fotopampianarana maro avy amin’ny Tompo, anisan’izany ny hita ao amin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 74, 76, 77, 86, sy 91, ary ny ampahan’ny fizarana maro ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith, 222).

Mijoroa ho vavolombelona fa ny Tompo dia nanambara ampahany manan-danja amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay vokatra mivantan’ny asan’i Joseph Smith amin’ny fandikana teny ny Baiboly. Azonao atao koa ny manazava fa nisy ireo ampahan’ny Dikan-tenin’i Joseph Smith izay nampiana tao amin’ny Baiboly King James Version, edisionan’ny OMAF tamin’ny 1979, izay nahafahan’ireo fanambarana manan-danja ireo mitahy ny fiainan’ny mpikamban’ny Fiangonana maro.

Ny bokin’i Abrahama

Asao ny mpianatra hamaky ny sasin-teny ho an’ny bokin’i Abrahama. Ifanakalozy hevitra amin’ny mpianatra vetivety monja ny votoatin’ny bokin’i Abrahama. Rehefa izany dia hazavao fa ny fahavaratry ny 1835, dia nisy lehilahy iray antsoina hoe Michael Chandler izay nitondra nankany Kirtland, Ohio ny faty maina voatahiry efatra avy tany Egypta sy papirosy maromaro nahitana lahatsoratra egyptiana tranainy. Ny mpikamban’ny Fiangonana dia nividy ny faty maina voatahiry sy ny papirosy. Na dia tsy fantatra mazava tsara aza ny fomba nanatontosaina ny dikan-teny, dia nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ny fandikana teny ny sasany amin’ny lahatsoratra nandritra ny volana vitsivitsy taorian’ny nandraisana ny papirosy egyptiana. Nanomboka tamin’ny martsa 1842, dia natonta tao amin’ny gazety fananan’ny Fiangonana atao hoe Times and Seasons, ny ampahany maromaro ao amin’ny bokin’i Abrahama. Navoaka tao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ny bokin’i Abrahama taty aoriana.

Zarao ity famintinana ny mombamomba ny fahatongavan’ny bokin’i Abrahama ity. Asao ny mpianatra hihaino ny zavatra fantatsika momba ny fomba nanaovana ny dikan-teny.

Ny tsy fanekena ny fahamarinan’ny bokin’i Abrahama mazàna mitranga dia ny hoe ireo lahatsoratra (papirosy) ireo dia tsy tranainy loatra ka tsy afaka nosoratan’i Abrahama, izay niaina teo amin’ny 2.000 taona teo ho eo talohan’i Jesoa Kristy. I Joseph Smith dia tsy nilaza velively fa ny papirosy dia nosoratan’i Abrahama izy tenany na hoe izany dia avy amin’ny vanim-potoan’i Abrahama. “Matetika ny rakitsoratra fahiny dia miampita amin’ny endrika tahadika na tahadikan’ny tahadika. Ny rakitsoratr’i Abrahama dia mety novain’ny … mpanoratra taty aoriana tahaka ny hoe nohavaozin’ny mpaminany-mpahay tantara Môrmôna sy Môrônia ny rakitsoratry ny vahoaka tany aloha, ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ” (“Translation and Historicity of the Book of Abraham,” Gospel Topics, lds.org/topics).

Raha nandika teny ny Mpaminany Joseph Smith, dia mety niasa tamin’ny fizaran’ny papirosy izay nopotehana taty aoriana izy. Araka izany, dia “tokony ho zava-poana ny fanadihadiana ny fahafahan’i Joseph mandika teny ny papirosy raha ampahan’izany fotsiny ihany no eo am-pelatanantsika ankehitriny” (“Translation and Historicity of the Book of Abraham”). Mety azo heverina koa fa ny fandinihan’i Joseph Smith tsara ny rakitsoratra no nahatonga azy handray “fanambarana momba ny zava-nitranga nanan-danja sy fampianarana avy amin’ny fiainan’i Abrahama, tahaka ny nandraisany tany aloha fanambarana mikasika ny fiainan’i Mosesy tamin’ny fotoana nandalinany ny Baiboly” (“Translation and Historicity of the Book of Abraham”). Na dia tsy fantatsika mazava tsara aza ny fomba nandikan’i Joseph Smith ny bokin’i Abrahama, dia fantatsika fa natao tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny ny dikan-teny.

  • Inona ireo ohatra sasany mikasika ny fomba nanampian’ny fisian’ny soratra masina fanampiny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith amin’ny fahatakarantsika ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany?

Mety ilaina ny hijoroanao ho vavolombelona fa rehefa ny mpianatra no mandalina ny bokin’i Abrahama izay manan-danja ara-potopampianarana, dia hijoro ho vavolombelona aminy ny Fanahy Masina ny amin’ny maha-zava-dehibe izany sy ny amin’ny fahamarinany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; 68:3–5

Ny fanambarana mitohy dia tonga amin’ny alalan’ireo mpaminany velona

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38 ary ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:4. Manontania ny mpianatra momba ny zavatra nianarany avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. (Tokony hitan’ny mpianatra ity fitsipika manaraka ity: Rehefa miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ny mpanompon’ny Tompo, dia mampita ny sitrapon’ny Tompo ny tenin’izy ireo.)

  • Inona no zavatra niainanao izay nahatonga anao hahatsapa fankasitrahana ny amin’ny hoe ny Tompo dia mbola mampidina fanambarana ankehitriny?

Hazavao amin’ny mpianatra fa ao amin’ny Fiangonana, dia hankatoavina ho soratra masina (ekena ho soratra masina) ny fanambaran’ny mpaminany amin’ny andro farany sasany amin’ny alalan’ny lalàn’ny faneken’ny rehetra (jereo ny F&F 26:1–2). Ny mpikamban’ny Fiangonana dia asaina hanohana ny mpaminany sy ny apôstôly amin’ny fanampiana ny fanambarana ao amin’ny soratra masina. Ohatra, nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 1978, dia nanohana ny mpaminany sy ny apôstôly amin’ny fanampiana ny Filazana Ôfisialy 2, ho anisan’ny soratra masina nankatoavina ny mpikambana, izay namela ny fandraisan’ny mpikambana lehilahy mendrika rehetra ny fisoronana.

Asao ny mpianatra hitodika any amin’ny olona mipetraka eo akaikiny ary hifanakalo hevitra mandritra ny fotoana fohy ny amin’ny mety holazainy ny olona iray mino fa ny soratra masina nankatoavina dia tsy azo ampiana intsony ary isika dia tsy afaka mandray soratra masina fanampiny avy amin’ Andriamanitra.

Farano amin’ny fangatahana ny mpianatra mba handinika ny zavatra mety hataony mba hankaherezany ny fijoroany ho vavolombelona fa misokatra ny lanitra ary ny Tompo dia mbola manambara ny teniny ankehitriny.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy