Tahirim-pitaovana
Lesona 2: Ny Fahitana Voalohany


Lesona 2

Ny Fahitana Voalohany

Fampidirana

Ny tantaran’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith izay hita ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy dia nosoratana mba hanitsiana ireo tatitra diso momba ny Fiangonana. Nandritra ny fiainany manontolo, dia nitantara zavatra maro momba ny Fahitana Voalohany ny Mpaminany Joseph Smith. Ireo zavatra notantarainy ireo dia afaka mampitombo ny fahatakarantsika io zava-nitranga io ary mankahery ny finoantsika ny Famerenana amin’ny laoniny. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba io zava-nitranga mahagaga tsy manam-paharoa io.

Vakiteny enti-mandalina

  • Gordon B. Hinckley, “The Marvelous Foundation of Our Faith,” Ensign, nôv. 2002, 78–81.

  • “First Vision Accounts,” Gospel Topics, lds.org/topics.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Joseph Smith—Tantara 1:1–2

Nanoratra momba ny Fahitana Voalohany ny Mpaminany mba hanitsiana ireo tatitra diso.

Hazavao fa nanomboka nanao asa mikasika ny tantara ôfisialiny i Joseph Smith tamin’ny 1838. Ny fizarana ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy fantatra amin’ny anarana hoe Joseph Smith—Tantara dia notsoahina tamin’ny tantara izay lava kokoa.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:1–2. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hikaroka ny antony nomen’i Joseph Smith nahatonga azy nanoratra ny tantarany.

  • Araka ny andininy 1, inona no niely teo anivon’ny vahoaka tany am-piandohan’ny Fiangonana?

  • Inona no tanjon’ireo izay namporisika ny famoahana ny tatitra diso hanoherana ny Fiangonana?

  • Inona ireo trangan-javatra misy izay mitovy amin’io zava-nitranga io amin’izao vanim-potoanantsika izao?

Hazavao fa ankehitriny dia mbola mitohy ny fisian’olona manokana sy andian’olona izay mampiely fampahalalana diso na mamitaka momba ny Fiangonana mba hampihozongozonana ny finoana.

  • Inona no antony nomen’i Joseph Smith nahatonga azy nanoratra ny tantarany? (Mba “hanazavana ny saim-bahoaka, ka ireo mpikatsaka ny fahamarinana rehetra dia mba hahalala ny zava-misy araka ny … fitrangany” [Joseph Smith—Tantara 1:1].)

  • Nahoana no zava-dehibe ny fianteheran’ireo “mpikatsaka fahamarinana” mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny amin’ny zavatra notantarain’i Joseph Smith izy tenany? (Mety ho samihafa ny teny hampiasan’ny mpianatra, nefa alaivo antoka fa mazava ny hoe ny fahatokisana ny zavatra notantarain’i Joseph Smith dia afaka manampy ny tsirairay mba tsy ho voafitakin’ny fampahalalana diso na mamitaka.)

Asehoy ity torohevitra manaraka ity izay nomen’ny Loholona Neil L. Andersen, avy ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatra hamaky izany am-pahanginana:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Nisy hatrany ny olom-bitsy izay te-hanoso-potaka ny Fiangonana sy handrava ny finoana. Mampiasa ny Internet izy ireo amin’izao fotoana izao.

“Ny fampahalalana sasany mikasika ny Fiangonana, na dia mandresy lahatra tahaka ny inona aza, dia tsy marina tsotra izao. (“Fitsapana ny finoanao,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 41).

  • Inona no loharano tokony hotadiavintsika sy hatokisantsika rehefa mikaroka manokana ny fahamarinana mikasika ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, ary ny zava-nitranga hafa amin’ny tantaran’ny Fiangonana isika? Nahoana? (Ampio ny mpianatra hahatakatra ity fahamarinana manaraka ity: Mba tsy ho voafitaky ny fampahalalana diso na mamitaka, dia tokony hikaroka ireo loharanon’ny fampahalalana momba ny Fiangonana sy ny tantarany izay azo atokisana ny mpikatsaka fahamarinana fa tsy manaiky fotsiny ny fampahalalana rehetra izay re na vakiana, anisan’izany ny fampahalalana avy amin’ny fikarohana amin’ny Internet.)

Hazavao fa ny mpitsikera ny Fiangonana dia miady hevitra fa tsy tena nitranga ny Fahitana Voalohany amin’ny filazana fa taona maro taorian’ny nitrangan’izany no nanoratan’i Joseph Smith ny tantarany. Hazavao fa i Joseph Smith izay 14 taona, dia nisalasala ny hiresaka momba ny fahitany taorian’ny fihetsika nasehon’ny olona izay notantarany izany tany am-boalohany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:21–26). Noraisiny an-tsoratra ny zavatra niainany rehefa nahatsapa izy fa tonga ny fotoana tokony hanaovany izany. Nanome torolalana an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona ny Mpamonjy mba tsy hiresaka ny zava-nitranga teny amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy raha tsy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny Maty (jereo ny Matio 17:9), ka mazava tsara fa ny traikefa ara-panahy sasany dia tsy tokony zaraina raha tsy hoe entanin’ny Fanahy Masina.

Ireo tantaran’ny Fahitana Voalohany

Fanamarihana: Rehefa mampianatra ity ampahan-desona ity ianao; dia manokàna fotoana ampy tsara hampianarana ny fizarana farany amin’ny lesona, izay mikasika ny ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:8–20.

Hazavao amin’ny mpianatra fa, na tamin’ny alalan’ny tenany samirery, na tamin’ny alalan’ny mpitan-tsoratra, dia nanome fitantarana farafahakeliny efatra isan-karazany mikasika ny Fahitana Voalohany i Joseph Smith. Ho fanampin’izany, dia tantara maro momba io fahitana io no noraketin’ny olona sasany izay niaina tamin’ny vanim-potoan’i Joseph Smith. Ny tantara tsirairay dia manantitrantitra ny lafiny samihafa momba ny zavatra niainan’i Joseph, saingy samy mizara ny zavatra manan-danja mikasika ny zavatra hita sy ren’i Joseph avokoa anefa izy rehetra. Mba hanazavana ny hoe maninona no nisy fahasamihafana ny tantara isan-karazany, dia asao ny mpianatra handinika momba izao manaraka izao:

  • Mieritrereta zavatra izay niainanao ka tena miavaka na manan-danja tokoa aminao. Inona no mety hahasamihafa ny fitantaranao izany, arakaraka ny olona izay hitantarana azy? Ahoana no mety hiovan’izany arakaraka ny fotoana na ny antony hitantarana azy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, ary asao ny mpianatra hihaino ny zavatra izay andrasan’ny mpahay tantara rehefa tantaraina im-betsaka ny zava-nitranga iray:

“Ireo tantara isan-karazany momba ny Fahitana Voalohany dia milaza zavatra iray ihany, na dia samy hafa aza ny fomba fanamafisany azy sy ny antsipiriany. Ny zavatra andrasan’ireo mpahay tantara dia ny hoe rehefa tantarain’ny olona iray amin’ny sehatra samy hafa sy amin’ny mpihaino samy hafa ny zava-nitranga iray, dia hanantitrantitra lafiny isan-karazany mikasika an’ilay zava-nitranga sy hahitana antsipiriany miavaka ny fitantarana tsirairay. Eny tokoa, misy tsy fitoviana toy ny amin’ireo izay hita ao amin’ny fitantarana ny Fahitana Voalohany ny fitantarana momba ny fahitan’i Paoly tany amin’ny lalana nankany Damaskosy sy ny zavatra niainan’ny Apôstôly tany amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy [Asan’ny Apôstôly 9:3–9; 22:6–21; 26:12–18; Matio 17:1–13; Marka 9:2–13; Lioka 9:28–36]. Na dia eo aza anefa ireo fahasamihafana, dia misy fototra iray izay tsy miova mitoetra manerana ireo tantaran’ny Fahitana Voalohany. Ny olona sasany dia milaza am-pahadisoana fa ny fiovana rehetra mety hita amin’ny famerenana ilay tantara dia mampiseho fa tsy tena marina ilay izy. Ny fisian’ny rakitsoratra ara-tantara isan-karazany anefa dia afaka mampianatra antsika bebe kokoa momba an’io zava-nitranga manan-danja io, noho ny hoe tsy manana loharanom-pahafantarana firy isika” (“First Vision Accounts,” Gospel Topics, lds.org/topics).

Ho ohatra mikasika ny fahasamihafana amin’ireo tantara, dia afaka milaza amin’ny mpianatra ianao fa “raha manantitrantitra ny zava-nitranga manokana tamin’i Joseph Smith tamin’ny naha-tovolahy nikatsaka famelan-keloka azy ny tantara tamin’ny 1832, ny tamin’ny 1838 kosa dia mifantoka amin’ilay fahitana amin’ny maha-fanombohan’ny ‘fitsanganana sy fivoaran’ny Fiangonana’ azy” (“First Vision Accounts,” Gospel Topics, lds.org/topics). Ampatsiahivo ny mpianatra fa ny vakiteny asaina ataony dia ahitana ny lahatsoratr’ireo Lohahevitry ny Filazantsara hoe “Ireo Tantaran’ny Fahitana Voalohany,” izay mitondra fanadihadiana amin’ny antsipiriany bebe kokoa momba ireo fitantarana isan-karazany mikasika ny Fahitana Voalohany. Asao ny mpianatra handalina ny lahatsoratra amin’ny fotoana ivelan’ny fotoam-pianarana mba hahatakarana ny fandraisan’ny tantara tsirairay anjara amin’ny fahalalantsika momba ny Fahitana Voalohany. (Fanamarihana: Ampatsiahivo ny mpianatra fa zava-dehibe ny mamaky ny zavatra nomena ao amin’ny “Vakitenin’ny Mpianatra” alohan’ny fotoam-pianarana. Ny fanaovana izany dia hanampy azy ireo handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra atao ao amin’ny kilasy.)

  • Ahoana no nahafahan’ireo fitantarana isan-karazany momba ny Fahitana Voalohany manamafy amintsika ny fahamarinan’izany sy mampitombo ny fahatakarantsika an’io zava-nitranga masina io? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fisian’ny fitantarana isan-karazany momba ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith dia afaka mampianatra antsika misimisy kokoa momba an’io zava-nitranga masina io noho ny hoe tsy nanana loharanom-pahafantarana firy isika.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Tsy manahirana ny saiko ny hoe nanome fitantarana isan-karazany ny Fahitana Voalohany ny Mpaminany Joseph Smith, tahaka ny hoe tsy manahirana ny saiko ny fisian’ny mpanoratra ny filazantsara efatra samy hafa ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay samy manana ny zavatra tsapany manokana, ary samy milaza ny zava-nitranga mba hanatanterahana ny tanjona manokana nananany amin’ny fanoratana tamin’izany fotoana izany” (“God Hath Not Given Us the Spirit of Fear,” Ensign, ôkt. 1984, 5).

Mijoroa ho vavolombelona fa tena nisy ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith.

Joseph Smith—Tantara 1: 8–20

Ny fahamarinan’ny Fiangonana dia miankina amin’ny fahamarinan’ny Fahitana Voalohany

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:8–15.

  • Inona ireo zavatra sasany nataon’i Joseph Smith mba hahazoana ny valin’ny fanontaniany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no niezaka nanakana an’i Joseph Smith tsy hivavaka i Satana?

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:16–19.

  • Inona ireo fahamarinana manan-danja sasany izay ianarantsika avy amin’ny andininy 16–17? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia antitrantero fa fahamarinana mandrakizay no naverina tamin’ny laoniny teto an-tany rehefa niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.)

Asehoy sy vakio mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Tad R. Callister ity, izay nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy. Rehefa mamaky ity fanambarana ity ianao, dia azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny fahamarinana nantitranterin’ny Rahalahy Callister ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Azonao atao koa ny manoro hevitra azy ireo ny hanoratany hoe ireo fahamarinana izay nianaran’i Joseph eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masina eo akaikin’ny Joseph Smith—Tantara 1:16–19. (Fanamarihana: Ny fianarana manisy marika sy manoratra fanamarihana ao amin’ny soratra masina dia fahaizana mandalina soratra masina manan-danja izay afaka hanampianao ny mpianatra ny fanatsarana ny fanaovany izany [jereo ny Gospel Teaching and Learning: A Handbook for Teachers and Leaders in Seminaries and Institutes of Religion (2012), 21].)

Sary
Tad R. Callister

“I Joseph Smith no voahosotrin’ny Tompo mba hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Kristy eto an-tany. Rehefa nivoaka avy tao amin’ilay alakely izy, dia nianatra fahamarinana fototra efatra izay tsy nampianarin’ny ankabeazan’ny fiangonana Kristianina tamin’izany fotoana.

“Voalohany, Nianatra izy fa Andriamanitra Ray sy ny Zanany, Jesoa Kristy, dia olona roa mitokana sy samy hafa. …

“Ny fahamarinana lehibe faharoa hitan’i Joseph Smith dia ny fananan’ny Ray sy ny Zanaka vatana nofo sy taolana feno voninahitra. …

“Ny fahamarinana fahatelo nianaran’i Joseph Smith dia ny hoe mbola miresaka amin’ny olombelona Andriamanitra ankehitriny—tsy mikatona ny lanitra. …

“Ny fahamarinana fahefatra nianaran’i Joseph Smith dia ny hoe tsy teto an-tany izany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tamin’ny fahafenoany” (“Joseph Smith—Prophet of the Restoration,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 35–36).

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe mila fantarina sy takarina ireo fahamarinana mikasika ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ireo?

  • Nahoana no manampy amin’ny fanazavana ny antony nanandraman’i Satana ny fanakanana ny zatovolahy kely Joseph Smith hivavaka ny filàna an’ireo fahamarinana ireo?

Mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith, dia asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Ny herintsika manontolo dia miankina amin’ny fahamarinan’ny [Fahitana Voalohany]. Na nitranga izany na tsy nitranga. Raha tsy nitranga izany dia lainga ity asa ity. Raha nitranga izany, dia ity izany no asa manan-danja sy mahatalanjona indrindra eto ambany lanitra. …

“… Tamin’ny 1820 no tonga ilay fisehoana feno voninahitra mba ho valin’ny vavaka izay nataon’ny zazalahy iray izay namaky tao amin’ny Baibolin’ny fianakaviany ny tenin’i Jakoba manao hoe: ‘Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany’ (Jakoba 1:5).

“Miankina amin’ny fahamarinan’io zava-nitranga miavaka sy mahatalanjona io ny fahamarinan’ity Fiangonana ity” (“The Marvelous Foundation of Our Faith,” Ensign, nôv. 2002, 80).

  • Inona no ifandraisan’ny fahamarinan’ny Fiangonana amin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith?

  • Nahoana no manan-danja ny manana fijoroana ho vavolombelona fa nahita an’ Andriamanitra sy ny Zanany Jesoa Kristy i Joseph Smith? (Mety hanome karazana valinteny samy hafa ny mpianatra, nefa alaivo antoka fa mazava ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mahazo fijoroana ho vavolombelona isika fa nahita an’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy i Joseph Smith, dia afaka mahafantatra ihany koa ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara isika.)

Rehefa mamarana ny lesona ianao, dia antitrantero ny maha-zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona manokana ny fahamarinan’ny Fahitana Voalohany. Io fijoroana ho vavolombelona manokana io, izay miorina eo amin’ny vatolampin’ny fanambarana, dia manampy antsika hitoetra ho mafy orina amin’ny finoantsika rehefa manoloana ny fampahalalana diso momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Fiangonana isika. Mijoroa ho vavolombelona fa ny fomba nianaran’i Joseph Smith ny fahamarinana dia hahomby amin’ny tenantsika ihany koa. Afaka mikatsaka fahamarinana isika, mamaky ireo soratra masina, misaintsaina ary manontany an’ Andriamanitra amin’ny farany, ka dia hamaly Izy (jereo ny Jakoba 1:5). Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona fa ny Ray sy ny Zanaka dia niseho tamin’i Joseph Smith. Manokàna fotoana mba hahafahan’ny mpianatra iray na roa mizara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Fahitana Voalohany.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy