Lesona 27
Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany
Fampidirana
Hiverina eto an-tany amin-kery sy amim-boninahitra lehibe ny Mpamonjy indray andro any. Ho fiomanana amin’izany andro lehibe izany, dia ampianarina ny Olomasina mba handalina ireo famantarana ny fiaviany sy hiomana ho amin’izany amin’ny fitsanganana eo amin’ny toerana masina sy mandray “ny Fanahy Masina ho mpitari-dàlana” (F&F 45:57). Nanambara ny Tompo fa manana andraikitra amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy.
Vakiteny Enti-mandalina
-
Neil L. Andersen, “Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 49–52.
-
Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey 2004, 7–10.
-
“Se préparer à la seconde venue du Christ,” toko 44 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F. Smith (1998), 391–400.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:15–46, 56–57
Ireo famantarana izay hialoha ny Fiaviana Fanindroany
Apetraho amin’ny mpianatra ity fanontaniana manaraka ity:
-
Ahoana no ahafahanao milaza fa mitady ho avy ny orana?
Hazavao fa tahaka ny fisian’ireo famantarana izay manampy antsika hamantatra ny fotoana hiavian’ny orana dia misy ihany koa ireo famantarana izay hanampy antsika hahafantatra ny fotoana hitrangan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Lazao ny mpianatra fa araka ny vosoratra ao amin’ny Matio 24, dia nihaona taomin’ireo mpianany teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny Mpamonjy taloha kelin’ny nahafatesany ary nilazalaza ny famantarana ny Fiaviany Fanindroany. Naveriny tamin’i Joseph ny sasany tamin’ireo fampianarana ireo amin’izao androntsika izao, araka ny voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45. Hamafiso amin’ny mpianatra fa lohahevitra manan-danja ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny fiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Asao ny mpianatra haka fotoana hanamarihana ireo fampianarana mikasika ny Fiaviana Fanindroany rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ka hisaintsaina ny fomba ahafahany miomana amin’izany.
Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:15–17, sady hitady ny zavatra izay nanontanian’ireo mpianatry ny Mpamonjy Azy sy ny fomba namaliany izany.
-
Inona no nanontanian’ireo mpianatra an’i Jesoa?
-
Inona no valinteniny?
Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo famantarana izay hialoha ny Fiaviana Fanindroany dia soraty eny amin’ny solaitrabeireto andinin-tsoratra masina ireto:
Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra ka omeo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny solaitrabe isanisany avy ny mpiara-miasa tsiroaroa. Asao izy ireo hiara-hamaky ireo andininy ireo ka hitady ireo famantarana voalaza ao anatin’izany. Mariho fa efa tanteraka na eo an-dalam-pahatanterahana ny sasany amin’ireo famantarana. Azonao atao ny mizara ity fampahafantarana manaraka ity izay mifandray amin’ny andininy 30: “Ny vanim-potoana izay naha-laharam-pahamehana ny Jentilisa tamin’ny fandraisana ny filazantsara dia antsoina hoe andron’ny Jentilisa. Ao amin’izany ireo izay tsy Jiosy … dia manana fahafahana hanaiky ny filazantsara ka hahazo ny famonjena alohan’ny hanomezana izany zo izany, amin’ny ambaratonga ambony, farafahakeliny, amin’ny Jiosy” (Bruce R. McConkie, Mormon Doctrine, fanontana faha-2 [1966], 721–22).
Rehefa avy nanome fotoana ampy dia asao ny mpiara-miasa tsiroaroa hilaza ny zavatra hitany amin’ny mpianatra rehetra. Azonao toroina hevitra ny mpianatra mba hanasongadina ireo famantarana ao amin’ny soratra masin’izy ireo.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:34 raha manaraka kosa ny mpianatra. Anontanio avy eo hoe:
-
Matahotra ve ianao rehefa mamaky na maheno ireo tranga na famantarana izay hialoha ny Fiaviana Fanindroany? Nahoana, na nahoana no tsia?
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fianarana mikasika ireo famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany manampy antsika handresy ny tahotra sy ny fanahiana amin’ny fiainantsika?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:35–38 handalinana ny antony nanambaran’ny Tompo ireo famantarana izay hialoha ny Fiaviany Fanindroany.
-
Inona no maha-zava-dehibe ny mahafantatra ny fotoana maha-tanteraka ireo famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?
Asao ny mpianatra hitady ny fomba fiomanana amin’ny Fiavian’i Kristy Fanindroany rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32, 39, 56–57 izy ireo. Manaova fifanakalozan-kevitra mikasika izao manaraka izao avy eo:
-
Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany? (Rehefa mizara ny heviny ny mpianatra dia hamafiso ity fitsipika manaraka ity: Zava-dehibe ny mitsangana eo amin’ny toerana masina sy mandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dàlana rehefa miomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika.)
-
Inona no tsy maintsy ataontsika mba hananana ny Fanahy Masina ho mpitari-dàlana antsika?
-
Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no ahafahan’ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy “hitsangana eo amin’ny toerana masina”? (Ny toerana masina dia milaza ny tempoly sy ny trano fiangonana ary ny tokantrano. Afaka ho masina ny tokantrano amin’ny alalan’ny vavaka ataon’ny tena manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana tsy tapaka, ny fandalinana ny soratra masina, ny fanompoana ary ny takarivan’ny mpianakavy. Ny fitsanganana eo amin’ny toerana masina ihany koa dia misy idirany amin’ny fomba fiainantsika. Raha miaina mba ho mendrika ny fananana lalandava ny Fanahy Masina ho namana isika dia mitsangana eo amin’ny toerana masina isika izay. Toroy hevitra ny mpianatra mba hanoratra ny sasany amin’ireo hevitra ireo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32.)
-
Ahoana no efa nitsangananao tamin’ny toerana masina na dia miaina ao anatin’ny tontolo ratsy aza?
-
Inona no sasany amin’ireo antony izay tsy andrinao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany? Nahoana ianao no feno fankasitrahana fa hiverina indray ny Mpamonjy?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–9; 34:5–7; 39:19–23
Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny lohatenin’ity fandaharam-pianarana ity dia: Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny. Anontanio ny mpianatra hoe:
-
Inona no fifandraisana hitanao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara sy ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?
Soraty eny amin’ny solaitrabeireto andinin-tsoratra masina ireto. Asaivo mandalina izany ny mpianatra ka hitady ny lohahevitra izay ifandraisany:
Rehefa avy nanome fotoana ampy dia asao ny mpianatra hitodika amin’ny olona mipetraka eo akaikiny ka hifanakalo hevitra momba ny zavatra izay ifandraisan’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Anontanio ny mpianatra vitsitsivitsy ny fomba hamintinany ny hafatra ao amin’ireo soratra masina ireo. (Rehefa mizara ny heviny ny mpianatra, dia ampio izy ireo hamantatra sy hahatakatra izao fitsipika izao: Rehefa mitory ny filazantsara amin’ny hafa isika dia manampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.)
Asao ny mpianatra hiverina hijery ny andininy 29 sy ny 34, ary ny 39 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ka hanamarika ny daty nanomezana ny fanambarana. Anontanio hoe:
-
Hafiriana taorian’ny nananganana ny Fiangonana ny Tompo no nanomboka nampianatra io fitsipika vao fantatra io?
Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Hatramin’ny fotoana niantombohan’ny Famerenana amin’ny Laoniny dia noraisin’ireo rahalahy tsy ho sangisangy tokoa ny adidy ny hitory ny filazantsara. Tamin’ny 1837, fito taona monja taorian’ny nanorenana ny Fiangonana, tao anatin’ny fotoan’ny fahantrana sy fanenjehana, dia nandefasana misiônera hampianatra ny filazantsara tany Angletera. Tao anatin’ny taona vitsivitsy manaraka dia efa nitory ny filazantsara tamin’ny toerana maro samihafa toa an’i Autriche, Polynésie Française, Inde, Barbades, Chili, ary Chine ireo mpitory ny filazantsara.
“Nitahy ity asa ity ny Tompo ary nanomboka naorina nanerana an’izao tontolo izao ny Fiangonana. … Tsy maty masoandro mihitsy ireo mpitory ny filazantsara mijoro ho vavolombelon’ny Mpamonjy. Eritrereto ny hery ara-panahin’ireo mpitory ny filazantsara miisa 52.000, mitafy ny Fanahin’ny Tompo, manambara amim-pahasahiana ‘fa tsy hisy anarana hafa omena na làlan-kafa na fomba izay mety hahatongavan’ny famonjena amin’ny zanak’ olombelona … , afa-tsy ao Aminy sy amin’ny alalan’ny anaran’i Kristy ihany’ [Môsià 3:17]. … Voaomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany izao tontolo izao vokatry ny asan’ny Tompo ataon’ireo mpitory ny filazantsarany” (“Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 51).
Manaova fifanakalozan-kevitra ny amin’ireto manaraka ireto:
-
Ahoana no anampian’ny hafatra ampianarin’ireo mpitory ny filazantsaran’ny Fiangonana ny olona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?
-
Inona no naha-zava-dehibe ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara alohan’ny ahatongavan’ny Mpamonjy indray eto an-tany?
Asehoy ireto fanambarana manaraka ireto izay nataon’ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918), ka angataho ny mpianatra iray hamaky izany mafy:
“Mampianatra ny olona mba hanetry tena, ho mahatoky, ho marin-toetra sy marina eo anoloan’ny Tompo sy izy samy izy ny filazantsara, ary raha amin’izany toetra izany no ampiharana ny fampianarany dia hitombo sy hiorina eto an-tany ny fiadanana sy ny fahamarinana, ary ny fahotana, ny fifandirana, ny fandatsahan-drà sy ny kolikoly isan-karazany dia tsy ho hisy intsony ka ho lasa madio sy mendrika hatao toerana hipetrahan’ny olona avy any an-danitra ny tany; ary ho tonga ny Mpamonjy ka hitoetra eo amboniny, araka izay hataony mandritra ny Arivotaona” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F. Smith [1998], 396–97).
“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany … dia mihevitra fa anisan’ny iraka nomena azy ny manomana ny lalana ho amin’ny Fiaviana ara-bakiteny sy amim-boninahitra an’ny Zanak’ Andriamanitra eto an-tany, mba hanjaka eo aminy sy hitoetra miaraka amin’ny vahoakany” (Teachings: Joseph F. Smith, 397).
Anontanio hoe:
-
Nandritra ny fotoam-pianarana an’ity lesona ity, inona ny eritreritra na fahatsapana ara-panahy izay nanananao momba ny andraikitry ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao amin’ny Fiaviana Fanindroany?
-
Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fanampiana ny hafa hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany manampy anao hiomana ihany koa?
Mba hamaranana ity lesona ity, dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra izay efa nataon’izy ireo mba hizarana ny hafatry ny Famerenana amin’ny Laoniny amin’ireo izay tsy mitovy finoana amintsika.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–9; 34:5–7; 39:19–23; 45:15–46, 56–57; 88:81–87.
-
Neil L. Andersen, “Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 49–52.