Tahirim-pitaovana
Lesona 23: Ny Fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana


Lesona 23

Ny Fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana

Fampidirana

Tamin’ny faramparan’ny fiainany dia nanome ny fanalahidin’ny fisoronana an’ity fotoampitantanana ity tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstoly Roambinifolo i Joseph Smith. Taorian’ny nahafaty maritiora an’ny Mpaminany dia nisy fivoriana natao tamin’ny 8 aogôsitra 1844, izay nahazoan’ny Olomasina maro fisehoana ara-panahy nanamafy azy ireo fa i Brigham Young, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, no hitantana ny Fiangonana. Rehefa mahatakatra ny fitsipika mifandray amin’ny fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidian’ny Fiangonana ireo mpianatra, dia hanana fahatokiana izy ireo fa efa nofinidy sy nomanin’ny Tompo ny olona tsirairay izay lasa Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Vakiteny Enti-mandalina

  • “Succession in the Presidency,” toko 3 ao amin’ny Teachings of the Living Prophets Student Manual (Boky fampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2010), 28–41.

  • “The Twelve to Bear Off the Kingdom,” toko 23 ao amin’ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 (Boky fampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003), 286–96.

  • Brent L. Top and Lawrence R. Flake, “‘The Kingdom of God Will Roll On’: Succession in the Presidency,” Ensign, aog. 1996, 22–35.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:33; 112:30–32

Mihazona ireo fanalahidin’ity fotoampitantanana ity ny Apôstôly

Apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no mahasamihafa ny fomba fifidianana ny Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fomba fifidianana ireo mpitarika amin’ny fikambanana hafa?

Ampahafantaro ny mpianatra fa ity lesona ity dia handinika ny famindrana ny fitarihana ny Fiangonana taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith. Hazavao fa taona maro talohan’ny nahafatesany dia efa nandray fanambarana mikasika ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Mpaminany. Asao ny mpianatra mba handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:33 sy 112:30–32 sady hitady ny famariparitan’ny Tompo ny fahefan’ny fisoronana izay hazonin’ny mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

  • Ahoana no namariparitan’ny Tompo ny fahefan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo? (Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra ity fitsipika manaraka ity: Mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana an’ity fotoampitantanana ity ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary ny Roambinifololahy dia miasa eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany.)

Sary
taratasy zaraina, Ny Fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidiana

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ny lesona ny mpianatra tsirairay. Hazavao fa nandany ireo volana farany izay niainany tamin’ny fivoriana matetika niaraka tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo i Joseph Smith mba hanomana azy ireo hitarika ny Fiangonana. Asaivo mamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Fivoriana niaraka tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo, martsa 1844” ao amin’ny taratasy zaraina ny mpianatra iray. Lazao ireo mpianatra fa fitantarana fohy ny fivoriana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith niaraka tamin’ireo Apôstôly sy ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ity, araka ny fitantarana izay nataon’i Wilford Woodruff, izay Apôstôly tamin’izany fotoana izany. Aorian’ny vakiteny, dia anontanio hoe:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’io fanomezana fanalahidy an’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo io nanampy tamin’ny fanomanana azy ireo amin’ny fotoana izay tsy hiarahan’ny Mpaminany Joseph Smith intsony amin’izy ireo? (Nahazo ireo fanalahidin’ny fisoronana nitovy tamin’ireo izay nohazonin’ny Mpaminany Joseph izy ireo.)

  • Inona no naha-zava-dehibe ny nanomezan’i Joseph Smith ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo ho an’ireo Apôstôly talohan’ny nahafatesany? (Tamin’izany fotoana izany dia i Joseph Smith irery ihany no hany nihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra an’ity fotoampitantanana ity. Raha tsy nanome ireo fanalahidy ireo tamin’ny hafa izy, dia tsy maintsy ho tonga ety an-tany indray ireo anjely mba hamerina izany.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:127–28

Nandimby an’i Joseph Smith i Brigham Young ho Filohan’ny Fiangonana

Hazavao fa tamin’ny voalohany izay nananganana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 1835, dia arakaraka ny taona no namaritana ny fizokiana. I Thomas B. Marsh, izay noheverina ho be taona indrindra tamin’izany fotoana izany, no natao ho Apôstôly zokiny indrindra (fantatra taty aoriana fa i David W. Patten no be taona indrindra tamin’ireo Apôstôly).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:127–28. Hazavao fa tamin’ny volana ôktôbra 1838, dia nihemotra ny Filoha Marsh ka nandao ny Fiangonana ary maty kosa i David W. Patten. I Brigham Young avy eo no lasa Apôstoly zokiny indrindra, araka ny voazava ao amin’ireo andininy ireo. Taorian’ny fifidianana voalohany ny Apôstôly ka hatramin’izao, dia ny datin’ny fanendrena no namaritana ny Apôstôly ela niasana indrindra.

Hazavao fa rehefa maty maritiora i Joseph Smith tamin’ny 27 jona 1844, dia nanao asa fitoriana tany andrefan’i Etazonia ny Roambinifololahy, ankoatra an’i John Taylor sy i Willard Richards. Tao anatin’ny telo herinandro anefa dia nahafantatra an’ilay vaovao mampalahelo avokoa ireo Apôstôly ka niverina haingana tany Nauvoo. Rehefa tonga ireo Apôstôly, dia nahita fisafotofotoana teo anivon’ny mpikambana momba ny hoe iza no hitarika ny Fiangonana. Ny mpikamban’ny Fiangonana sasany dia nino fa rariny ny tokony handraisan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny fitarihana. Tao anatin’ny volana manaraka dia lehilahy maro no nihambo fa nanana ny zo hitarihana ny Fiangonana izy ireo. Asao ny mpianatra roa hamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Ny Fitakian’i Sidney Rigdon” sy “Ny Fitakian’i James Strang” ao amin’ny taratasy zaraina. Eo am-pihainoan’ny mpianatra, dia asao izy ireo hieritreritra ny mety ho ahiahiny momba ireo fihamboana ireo raha toa ka tany Nauvoo izy ireo tamin’izany fotoana izany.

Tohizo izany amin’ny fanontaniana ireo mpianatra hoe:

  • Nahoana no tsy ara-drariny ny fitakiana izay nataon’ireo lehilahy ireo? (Mety ho ilainao ny manamarika fa na dia tao amin’ny Fiadidiana Voalohany aza i Sidney Rigdon dia tsy nomen’i Joseph ireo fanalahidin’ny fisoronana izy.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “7 aogôsitra 1844” ao amin’ny taratasy zaraina. Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpianatra izao fanontaniana izao:

  • Inona no maha-zava-dehibe ny tenivavolombelon’i Brigham Young mikasika ireo fanalahidin’ny maha-Apôstôly? (Aorian’ny valintenin’ny mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fotompianarana manaraka ity: Mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra izay ilaina hitarihana ny Fiangonana ireo Apôstôly.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana mitondra ny lohateny hoe: “8 aogôsitra 1844, tamin’ny 10 ora maraina” ao amin’ny taratasy zaraina.

  • Ahoana no nitahian’ny Tompo ireo Olomasina mba hahafantarany ny olona izay voatendriny hitarika ny Fiangonana?

  • Ahoana no ahafantarantsika fa voantson’ Andriamanitra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny? (Aorian’ny valintenin’ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia afaka mandray tenivavolombelona isika fa voantson’ Andriamanitra ireo izay mitarika ny Fiangonana.)

  • Oviana no efa nahatsapanao ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona taminao fa voantson’ Andriamanitra ny Filohan’ny Fiangonana ankehitriny?

Hazavao fa nandritra ny fivoriana izay natao tamin’ny 2 ora tolakandron’ny 8 aogôsitra, dia nandray fitenenana i Brigham Young sy ny Apôstôly hafa. Asaivo mamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “8 aogôsitra 1844, tamin’ny 2 ora tolakandro” ao amin’ny taratasy zaraina ny mpianatra iray.

Hazavao fa rehefa maty i Joseph Smith, dia afaka nampiasa avy hatrany ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra i Brigham Young, amin’ny maha-Apôstôly ela niasana indrindra azy. Nandritra ny telo taona mahery taorian’ny nahafaty maritiora an’ny Mpaminany dia nitarika ny Fiangonana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, teo ambany fitarihan’i Brigham Young. Ary tamin’ny 5 desambra 1847 dia notohanana ho Filohan’ny Fiangonana i Brigham Young ary naverina narafitra ny Fiadidiana Voalohany.

Nifindra tany Pittsburgh, Pennsylvanie i Sidney Rigdon ary nanangana Fiangonan’i Kristy iray izay nisy apôstôly, mpaminany, mpisorona ary mpanjaka. Rava io fiangonana io tamin’ny 1847. Ary na dia tsy marina aza ny fihamboan’i James Strang ho ao amin’ny fiadidiana, dia nanohana azy ny telo tamin’ireo Apôstôly tany am-boalohany—i William E. McLellin sy i John E. Page ary i William Smith. Novonoin’ireo mpanara-dia nanana lolom-po taminy i Strang tamin’ny 1856.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dingana amin’ny fifandimbiasana ao amin’ny Fiadidian’ny Fiangonana ankehitriny, dia asehoy ity fanambarana manaraka ntaon’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay miresaka momba ny zava-nitranga taorian’ny nahafatesan’ny Filoha Gordon B. Hinckley. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fanambarana:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Tsy nisy fanontaniana mikasika ny zavatra tokony ho natao, tsy nisy fisalalasalana. Fantatray fa ny Apôstôly ela niasana indrindra no Filohan’ny Fiangonana. Ary tamin’izany fivoriana masina izany dia i Thomas Spencer Monson no notohanan’ny Kôlejin’ny Apôstoly Roambinifolo ho Filohan’ny Fiangonana. … Ankehitriny, araka ny voalazan’ny soratra masina, dia izy no hany lehilahy eto an-tany izay manana ny zo hampiasa ny fanalahidy rehetra. Saingy mihazona izany avokoa izahay amin’ny maha-Apôstôly anay. Misy lehilahy iray eo anivonay voantso sy notendrena, ka lasa Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy” (“The Twelve,” Ensign na Liahona, mey 2008, 83).

  • Aorian’ny fahafatesan’ny Filohan’ny Fiangonana, iza foana no lasa Filohan’ny Fiangonana manaraka? (Ny Apôstôly ela niasana indrindra, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.)

Mety hanontany tena ireo mpianatra hoe oviana ny Filohan’ny Fiangonana no mandray ireo fanalahidy ilaina hitarihana ny Fiangonana. Hazavao fa omena ny Apôstôly ireo fanalahidy rehetra rehefa tendrena ho Apôstôly izy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Fa ny fahefana hampiasa ireo fanalahidy ireo dia voafetra ho an’ny Filohan’ny Fiangonana ihany. Rehefa maty izy, dia lasa manan-kery eo am-pelatanan’ny Apôstôly ela niasana indrindra izany fahefana izany, izay antsoina sy atokana ary tendren’ny mpiara-miasa aminy ao amin’ny Filankevitry ny Roambinifololahy avy eo ho mpaminany sy Filoha” (“Come and Partake,” Ensign, mey 1986, 47).

  • Inona no fahatsapana anananao rehefa mahafantatra fa handroso hatrany ny fanjakan’ny Tompo miaraka amin’ny fiatoana kely rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana iray?

Azonao atao ny mamarana ity lesona ity amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa ireo fanalahidy sy herin’ny fisoronana izay nomen’i Joseph Smith an’i Brigham Young sy ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ihany no hazonin’ny Filohan’ny Fiangonana sy ireo mpanolotsainy ary ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ankehitriny. Azonao zaraina ihany koa ny fomba nahazoanao ny fijoroanao ho vavolombelona fa voantson’ Andriamanitra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra hikatsaka amim-bavaka mba hahazo na hampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona momba ny fahamarinana izay nianarany androany.

Vakitenin’ny Mpianatra

Fifandimbiasana tao amin’ny Fiadidian’ny Fiangonana

Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny—Lesona 23

Fivoriana niaraka tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo, martsa 1844

Nampahatsiahy ny Filoha Wilford Woodruff (1807–98) hoe:

Sary
Filoha Wilford Woodruff

“Tsaroako ny lahateny farany nomen’i [Joseph Smith] anay talohan’ny nahafatesany. … Nijoro nandritra ny telo ora izy. Tahaka ny heniky ny afo mandevona ny efitrano, nazava tahaka ny metaly mamiratra ny tarehiny, ary nitafy ny herin’ Andriamanitra izy. Nazavainy taminay ny andraikitray. Nazavainy taminay ny fahafenoan’ity asa lehiben’ Andriamanitra ity; ary hoy izy nanao fanamarihana taminay: ‘Efa nofeheziko teo ambony lohako avokoa ny fanalahidy rehetra, ny hery rehetra, ny fitsipiky ny fiainana sy ny famonjena rehetra izay nomen’ Andriamanitra ny lehilahy rehetra izay niaina teto ambonin’ny tany. Ary ireo fitsipika ireo sy io Fisoronana sy hery io dia an’ity fotoampitantanana lehibe sy farany ity izay naninjiran’ Andriamanitry ny Lanitra ny tanany mba hatsangana eto an-tany. Ankehitriny’ hoy izy, niresaka tamin’ny Roambinifololahy, ‘nofeheziko teo ambony lohanareo ny fanalahidy rehetra sy ny hery rehetra ary ny fitsipika rehetra izay nofehezin’ Andriamanitra tambonin’ny lohako.’ …

“Rehefa avy niresaka taminay toy izany izy dia niteny hoe: ‘Milaza aminareo aho, mipetraka eo an-tsorokareo izao ny enta-mavesatr’ity fanjakana ity; anjaranareo ny mitondra izany amin’izao tontolo izao’” (voalaza ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 571-71).

Ny Fitakian’i Sidney Rigdon

Tonga tao Nauvoo i Sidney Rigdon, Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, tamin’ny 3 aogôsitra 1844, avy tany Pittsburgh, Pennsylvanie. Nanao fiantsoana fivoriana manokana izy ho tanterahina tamin’ny talata 6 aogôsitra mba hahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana nifidy mpiahy ny Fiangonana. Sahala amin’ny hoe niezaka nanao io fivoriana io i Sidney Rigdon mba hahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana hanamarina ny toerany amin’ny maha mpiahy ny Fiangonana azy alohan’ny hiverenan’ireo Apôstôly Roambinifolo avy any amin’ny asa fitoriany tany andrefan’i Etazonia. Soa ihany fa, noho ny ezaka nataon’ny Loholona Willard Richards sy ny Loholona Parley P. Pratt, dia nahemotra ny alakamisy 8 aogôsitra 1844 ilay fivoriana, izay fotoana niverenan’ny ankamaroan’ireo Apôstôly tao Nauvoo.

Nitaky i Sidney Rigdon fa satria nantsoina sy notendrena ho mpitondra tenin’i Joseph Smith izy teo aloha (jereo ny F&F 100:9), dia andraikiny ny “mijery fa voatantana amin’ny fomba mety ny Fiangonana” (ao amin’ny History of the Church, 7:229).

Ny Fitakian’i James Strang

Taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith dia nilaza i James Strang, izay natao batisa tamin’ny volana febroary 1844, fa nahazo taratasy avy tamin’i Joseph Smith izy izay nilaza fa nanondro an’i Strang i Joseph mba ho mpandimby azy. Hosoka ilay taratasy, saingy toa nahitana ny sonian’i Joseph Smith izany, ka namitaka ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana izany rehefa nasehon’i Strang tamin’izy ireo. Nilaza ihany koa i Strang fa notsidihin’ny anjely iray izy, izay nanome fanalahidy azy.

7 aogôsitra 1844

Efa tao Nauvoo ny Loholona isany John Taylor, Willard Richards, Parley P. Pratt, ary George A. Smith tamin’ny nahatongavan’i Sydney Rigdon. Ny ankamaroan’ireo Apôstôly, anisan’izany i Brigham Young, dia niverina tao Nauvoo ny tolakandron’ny 6 aogôsitra 1844. Ny ampitson’io, ny 7 aogôsitra, dia nivory nanao filankevitra tao amin’ny tranon’i John Taylor ireo Apôstôly. Avy eo ny tolakandron’io, dia niara-nivory ireo Apôstoly Roambinifolo, ny filankevitra avo, sy ireo mpisorona avo. Nangataka an’i Sidney Rigdon ny Filoha Young mba hilaza ny hafany tamin’ny Olomasina. Nilaza tamim-pahasahiana i Sidney Rigdon fa nahita fahitana ary tsy misy olona afaka mandimby an’i Joseph Smith ho Filohan’ny Fiangonana. Dia nanome sosokevitra izy fa izy no voatondro ho mpiahy ny vahoaka.

Taorian’ny namaranan’i Sidney Rigdon ny fanamarihany, dia niteny i Brigham Young (1801–77):

Sary
Filoha Brigham Young

“Tsy miraharaha izay hitarika ny fiangonana aho, … fa ny zavatra iray izay tsy maintsy fantako, dia ny zavatra lazain’ Andriamanitra momba izany. Ananako ireo fanalahidy sy ny fomba hahazoana mahafantatra ny sain’ Andriamanitra momba io lohahevitra io. …

“Nomen’i Joseph teo ambony lohanay avokoa ireo fanalahidy sy hery rehetran’ny maha-Apôstôly izay nohazoniny talohan’ny nahalasana, ary tsy misy olona na olona voatokana eto amin’izao tontolo izao na ny tontolo hoavy izay afaka mipetraka eo anelanelan’i Joseph sy ny Roambinifololahy.

“Impiry i Joseph no niteny tamin’ny Roambinifololahy hoe: ‘Efa napetrako ny fototra ka tsy maintsy manorina eo amboniny ianareo, fa mitoetra eo an-tsorokareo ny fanjakana’” (ao amin’ny History of the Church, 7:230).

8 aogôsitra 1844, tamin’ny 10 ora maraina

Tamin’ny 8 aogôsitra 1844 dia nivory ireo Olomasina tao Nauvoo tamin’ny 10 maraina mba hihaino ny fihamboan’i Sidney Rigdon ho mpiahy ny Fiangonana. Niresaka tamin’ireo Olomasina tafavory an’arivony maro izy nandritra ny adiny iray sy sasany, nanazava ny antony tsy maintsy ho izy ny mpiahy ny Fiangonana. Olona maro no nanoritsoritra ny lahateniny ho tsy nentanim-panahy.

Niteny fohifohy ny Filoha Brigham Young ka nilaza fa naleony niverina tany Nauvoo mba hisaona an’ny Mpaminany toy izay hijanona nanendry mpitarika vaovao. Nanambara izy fa hisy fivorian’ny mpitarika sy mpikambana ny harivan’io andro io tamin’ny 2 ora tolakandro. Mpikamban’ny Fiangonana maro no nijoro ho vavolombelona taty aoriana fa rehefa niteny i Brigham Young, dia hitany niova ny endriny ary henony niova ny feony, ka nandray ny endrika sy ny feon’ny Mpaminany Joseph Smith izy.

Nahatsiaro i Emily Smith Hoyt: “Nampihetsi-po be ny fanahiko manontolo ilay fomba fisainana, ilay fisehon’ny tarehy, ilay fahenoana ny feo. … Fantatro fa maty i Joseph. Kanefa dia matetika aho no taitra ka nijery tsy nahy teny amin’ny lampihazo mba hijery raha tsy i Joseph izany. Tsy izy izany, fa i Brigham Young” (voalaza ao amin’ny Lynne Watkins Jorgensen, “The Mantle of the Prophet Joseph Passes to Brother Brigham: A Collective Spiritual Witness,” BYU Studies, boky 36, lah. 4 [1996–97], 142).

Nanoratra i Wilford Woodruff hoe: “Raha tsy hitako tamin’ny masoko izy, dia tsy nisy afaka nandresy lahatra ahy hoe tsy i Joseph Smith izany, ary na iza na iza dia afaka mijoro ho vavolombelon’izany izay nahafantatra an’ireo lehilahy roa ireo” (ao amin’ny History of the Church, 7:236).

8 aogôsitra 1844, tamin’ny 2 ora tolakandro

Tamin’ny 2 ora tolakandro dia Olomasina an’arivony maro no vory ho amin’izay noheverin’izy ireo ho fivoriana manan-danja. Nilaza mazava i Brigham Young momba ilay fanosoran-tenan’i Sidney Rigdon ho mpiahy sy ny fisarahany tamin’i Joseph Smith nandritra ny roa taona mialoha ka hoy izy hoe:

“Raha tian’ny vahoaka hitarika azy ireo ny Filoha Rigdon dia ho izany izy; nefa milaza aminareo aho fa ny Kôlejin’ny Roambinifololahy no manana ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra amin’izao tontolo izao manontolo.

“Ny Roambinifololahy no notendren’ny rantsantanan’ Andriamanitra. Indro i Brigham, efa niahotrahotra ve izy tamin’ny zavatra tokony nataony? Efa nandainga ve izy? Indro i Heber [C. Kimball] sy ny ambiny amin’ny Roambinifolo, olona samihafa manana ireo fanalahidy—ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra ho an’izao tontolo izao: marina izany, koa ampio aho Andriamanitra. Nanara-dia an’i Joseph izy ireo, ary mitovy amin’ny Fiadidiana Voalohany” (ao amin’ny History of the Church, 7:233).

Nanamarika ny Olomasina maro fa nitovy tamin’i Joseph ny endrika sy ny feon’i Brigham Young rehefa niteny izy tamin’io tolakandro io. Ankoatra ilay fahagagana dia maro tamin’ny Olomasina koa no nahatsapa ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona fa voantson’ Andriamanitra mba hitarika ny Fiangonana i Brigham Young sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Tamin’ny faran’io fivoriana io, dia niray feo ny Olomasina tao Nauvoo nanohana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, niaraka tamin’i Brigham Young ho lohany, mba hitarika ny Fiangonana. Na izany aza, dia tsy ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra no nisafidy nanaraka ny Apôstôly tamin’ny farany. Nisafidy ny hanaraka an’ireo olon-tokana toa an-dry Sidney Rigdon sy i James Strang ny sasany tamin’ireo vahoaka izay nanangana ny fiangonany manokana.

Hamoaka printy