Tahirim-pitaovana
Lesona 8: Ny Fanangonana an’i Isiraely amin’ny Andro Farany


Lesona 8

Ny Fanangonana an’i Isiraely amin’ny Andro Farany

Fampidirana

Tao anatin’ny herin-taona nananganana ny Fiangonana, dia nandidy ireo Olomasina ny Tompo mba hiangona ao amin’ny faritr’i Ohio (jereo ny F&F 37:3). Nanomboka tamin’izany fotoana izany, dia niangona tamin’ny toerana samihafa ireo Olomasina rehefa nikatsaka ny hanaraka ny mpaminany velona sy hanorina toerana azo antoka mba honenany. Ao amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hahita fa manangona ny vahoakany mba hampatanjahana azy ireo sy hanomanana azy ireo handray fitahiana lehibe kokoa ny Tompo, anisan’izany ireo fitahiana avy amin’ny tempoly (jereo ny F&F 84:4).

Vakiteny enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:31–33; 39:15; 95:8; 110:9

Antso mba hiangona any Ohio

Asehoy ny sarintany “Ny faritr’i New York, Pennsylvanie ary Ohio any Etazonia” (Sarintanin’ny Tantaran’ny Fiangonana, lah. 3), hita ao amin’ny faran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana na sarintany hafa maneho io faritra io.

Sary
sarintany avaratra-atsinanan’i Etazonia

Asao ireo mpianatra hitady ireo toerana ankapobeny nisehoan’ireto zava-nitranga tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ireto: Ny Fahitana Voalohany (Manchester, New York), ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana (Harmony, Pennsylvanie), ary ny fananganana ny Fiangonana (Fayette, New York).

Avy eo dia mangataha mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ireto fanambarana manaraka ireto:

“I Sidney Rigdon, izay mpitandrina teo aloha ka nanjary niova fo tao amin’ny faritr’i Kirtland, sy namana iray tsy mpikambana atao hoe Edward Partridge dia naniry fatratra ny hihaona amin’ny mpaminany ka hianatra misimisy kokoa momba ireo fampianaran’ny fiangonana. Tamin’ny volana desambra 1830 dia nandeha nihoatra ny [400 km] ho any Fayette, New York, izy ireo mba hitsidika an’i Joseph Smith. Nangataka azy mba hikatsaka ny sitrapon’ny Tompo mikasika azy ireo sy ny Olomasina ao Kirtland izy ireo. Ho valin’izany, dia nambaran’ny Tompo fa ny Olomasina ao New York dia tokony ‘hiara-hitambatra ao Ohio’ (F&F 37:3). Tamin’ny fihaonamben’ny fiangonana fahatelo sady farany tao New York, izay natao tao amin’ny toeram-piompiana sy fambolen’i Whitmer tamin’ny 2 Janoary 1831, dia naverin’ny Tompo ho an’ny mpikambana ny torolalana nomeny [dia ny hifindran’ireo mpikamban’ny Fiangonana ho any Ohio]. … Izany no antso voalohany ho an’ny Olomasina mba hiaraka hiangona amin’izao fotoampitantanana izao. …

“… Mpikambana avy any Colesville miisa 68 no nanainga ho any Ohio tamin’ny tapaky ny volana Aprily 1831. Olomasina 80 avy any amin’ny sampana tao Fayette sy 50 avy ao amin’ny sampana ao Manchester no samy nankatò ny didin’ny Tompo, ka nandao ny toeram-ponenany tamin’ny fiandohan’ny volana Mey 1831. … Talohan’ny tapaky ny volana Mey, ny sampan’ny fiangonana avy any New York dia afaka nandeha sambo namakivaky ny farihin’i Erie ho any Fairport Harbor, Ohio, izay toerana nifankahitany tamin’ny Olomasina namany ka nitondrana azy tany amin’ny fiantsonana tany Kirtland sy tany Thompson. Nanomboka teo ny fanangonana lehibe natao tamin’ny Isiraelin’ny andro farany” (Ny Lovantsika: Tantara Fohy mikasika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany [1996], 21–23).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:31–33. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo fomba izay ho nitahiana ireo Olomasina raha nankatò ilay didy hiangona tany Ohio izy ireo. Tokony hahita fitahiana efatra ny mpianatra: (1) “mba [ho afaka hiala] ny herin’ny fahavalo” izy ireo; (2) “hangonina [ao amin’ Andriamanitra] ho vahoaka marina” izy ireo; (3) omena ny didin’ Andriamanitra izy ireo; ary (4) “[hotafiana] amin-kery avy any ambony” izy ireo. Azonao atao ny manoro hevitra ny mba hitanisan’ireo mpianatra ireo fitahiana efatra ireo ao anatin’ny soratra masin’izy ireo. (Fanamarihana: Ny fitadiavana lisitra ao amin’ny soratra masina dia manampy ireo mpianatra hamantatra ireo hevitra manan-danja izay antintranterin’ny Tompo na ny mpaminany.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Manangona ny olony ny Tompo mba hiarovana azy ireo sy hampatanjahana azy ireo ara-panahy. Azonao atao ny manamarika fa ao amin’ny soratra masina, dia matetika mifandray amin’ny fiarovana ny fotopampianaran’ny fanangonana. “Ny fifampifandraisana dia fampikambanana na fitohizan’ny hevitra, olona, zavatra na trangan-javatra, ary ny soratra masina dia feno fifampifandraisana” (David A. Bednar, “A Reservoir of Living Water” (takariva amorom-patana tao Brigham Young University, feb. 4, 2007), 4, speeches.byu.edu).

Hazavao fa tahaka ny nitondran’ny Tompo an’i Isiraely tany amin’ny Tendrombohitra Sinay sy nanomezany azy ireo ny lalàny, dia toy izany no nanomezany torolalana ireo Olomasin’ny Andro Farany mba hiangona ao Ohio mba hahafahan’izy ireo mandray ny lalàny amin’ity fotoampitantanana ity (jereo ny F&F 38:32). Tao Ohio, dia nanomboka nanambara ny lalàny ho an’ny Fiangonana ny Tompo (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny F&F 42). Anontanio avy eo hoe:

  • Ahoana no hahatonga anao ho voaro amin’ny herin’i Satana rehefa miangona miaraka amin’ireo izay mitovy finoana sy fenitra aminao ianao?

  • Ahoana no hampatanjahana antsika ara-panahy rehefa mahazo ireo lalàn’ Andriamanitra?

  • Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe ireo Olomasina ao Ohio dia “[hotafiana] amin-kery avy any ambony.”

Hazavao fa ilay fitahiana nampanantenaina hoe “[hotafiana] amin-kery avy any ambony” dia nanomboka tanteraka rehefa vita ny Tempolin’i Kirtland dimy taona taorian’ny niangonan’ireo Olomasina tao Ohio. Nisy iraka avy any an-danitra namangy ilay tempoly voaorina mba hamerina tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ireo fanalahidy sy fahefana izay ilaina mba hanatanterahana ireo ôrdônansy masina. Nirotsaka tamim-pahafenoana teo amin’ny Olomasina maro ny fisehoana ara-panahy tamin’ny fotoana nanokanana ny tempoly. Ary nisy Olomasina vitsivitsy nandray ny fidiovana sy ny fanosorana tao amin’ny tempoly. Taona vitsivitsy taty aoriana tao Nauvoo, dia mbola niampy ny fahatanterahan’ilay fampanantenana hoe ho voatafy amin-kery rehefa nampahafantarina ireo Olomasina ireo ôrdônansin’ny fanafiana masina any amin’ny tempoly. Asehoy ity fanambarana nomena tao Nauvoo ity izay nataon’ny Mpaminany Joseph Smith, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Inona no antony nanangonana ny … vahoakan’ Andriamanitra amin’ny vanim-potoana rehetra an’izao tontolo izao? … Ny antony lehibe indrindra dia ny hanorenana trano ho an’ny Tompo izay hahafahany manambara amin’ny vahoakany ireo ôrdônansin’ny tranony sy ireo voninahitry ny fanjakany, sy ampianarana ny vahoakany ny fomba hahazoana famonjena” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 447).

  • Inona avy ireo fomba hitanao fa nitahian’ Andriamanitra ireo Olomasina rehefa niangona izy ireo sy nanorina tempoly araka izay efa nitarihan’ Andriamanitra azy ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:62–67

Mamariparitra ilay Jerosalema Vaovao, na Ziona ny Tompo

Hazavao fa tsy ela taorian’ny niangonan’ireo Olomasina avy any New York ho ao Ohio, dia maro ny lahatsoratra an-gazety sy sihosihon-dresaka diso izay nanaratsy sy nanoso-potaka ny Fiangonana. Nandritra izany fotoana izany, ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray fanambarana momba ny toerana izay voatondro ho toerana feno fiadanana sy fandriam-pahalemana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:62–67. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra sady mitady ireo tanjon’ny Tompo tamin’ny nandidiany ireo Olomasina mba hiaraka hivory mankany amin’ny “tany andrefana” (F&F 45:64). Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa “[efa] eo am-baravaranareo aza”? Midika inona aminao ny andian-teny hoe “[efa] eo am-baravaranareo aza”?

  • Inona no tian’ny Tompo hataon’ireo Olomasina rehefa niaraka nivory nankany amin’ny tany andrefana izy ireo?

  • Nahoana izy ireo no nasaina nanangona ny hareny? (Hazavao fa ny teny hoe lova dia milaza ny tany hovidian’izy ireo izay ahafahan’izy ireo mitoetra sy mitsaoka ny Tompo.)

  • Inona no anarana hiantsoana ny tany lovan’ny Olomasina?

Hazavao fa ao amin’ny soratra masina, ny teny hoe Ziona dia mety manana heviny maro. Indraindray ilay teny dia entina ilazana ny vahoakan’i Ziona ary mamaritra azy ireo ho “ny madio am-po” (F&F 97:21). Any an-kafa indray ny hoe Ziona dia entina ilazana ny Fiangonana sy ireo tsatòka ao aminy (jereo ny F&F 82:14). Mety mamaritra toerana manokana koa ny teny hoe Ziona. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:66–67, ny hoe Ziona dia milaza tanàna iray tena misy izay haorin’ireo Olomasina sy hiangonan’izy ireo, indraindray izy io dia antsoina hoe Jerosalema Vaovao (jereo koa ny 3 Nefia 20:22; 21:23; Etera 13:1–8; Bible Dictionary, “Zion”). Mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no namaritan’ny Tompo an’i Jerosalema Vaovao na i Ziona? (Tokony hahita ireto fotopampianarana ireto ireo mpianatra: Ilay Jerosalema Vaovao dia ho toerana feno fiadanana, fialofana ary fiarovana, ary ho ao ny voninahitry ny Tompo.)

  • Inona avy ireo fomba izay nahazoanao fandriam-pahalemana sy fiadanana tao Ziona noho ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao?

Hazavao fa teo am-pamaranana ny fihaonamben’ny Fiangonana fahefatra, izay natao tamin’ny volana Jona 1831, tany Kirtland, Ohio, dia nodidian’ny Tompo i Joseph Smith sy ireo loholona hafa mba handeha tsiroaroa hanao dia teo ho eo amin’ny 1.450 kilometatra teo ho any Missouri, mba hitory ny filazantsara ombieny ombieny (jereo ny famintinana ny andininy ho an’ny F&F 52, ). Taorian’ny nahatongavany, dia nandray fanambarana ny Mpaminany izay nanondro an’i Missouri ho “tanin’ny fampanantenana sy toeran’ny tanànan’i Ziona” ary i Independance, Missouri no voatondro ho ilay “toerana afovoany” (F&F 57:1–3). Roa taona taty aoriana dia Olomasin’ny Andro Farany an’arivony maro izay naniry mafy ny hanorina an’i Ziona no nifindra ho any amin’ny Fivondronan’i Jackson any amin’ny faritr’i Missouri. Indrisy anefa, fa niseho ny fifandirana teo amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ireo mponina hafa tao amin’ilay faritra ary nony farany dia nivadika ho herisetra ny toe-draharaha. Noterena handao ny fonenany tao amin’ny Fivondronan’i Jackson ny volana Nôvambra sy Desambra 1833 ireo Olomasina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6

Ankehitriny ny vahoakan’ Andriamanitra dia miangona ao amin’ireo tsatòkan’i Ziona

Mba hanehoana ireo ezaka nataon’ny Olomasina mba hiangona ho any amin’ny toerana hafa feno fandriam-pahalemana sy fiadanana, dia asehoy ny sarintany “Ny dian’ny Fiangonana miankandrefana” (Sarintanin’ny Tantaran’ny Fiangonana, lah. 6), izay hita any amin’ny faran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Sary
sarintany, Ny dian’ny Fiangonana miankandrefana

Hazavao fa tamin’ny farany ireo Olomasina dia voatery nandao an’i Kirtland, Ohio, sy ireo toerana tany andrefan’i Missouri. Nanomboka niangona tany Nauvoo, Illinois, ireo Olomasina tamin’ny taona 1839 ary tany no nanorenan’izy ireo tanàna iray lehibe. Kanefa fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith, dia voatery nandao ny fonenany indray ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nifindra ho any amin’ny Montagnes Rocheuses izy ireo ary nanorim-ponenana nanerana ny faritra Avaratra atsinanan’i Amerika ary nanorina ny foiben’ny Fiangonana tao Salt Lake City.

Asao hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6 ireo mpianatra. Anontanio avy eo hoe:

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona avy ireo fitahiana izay ampanantenaina an’ireo izay miangona ao amin’ny tsatòkan’i Ziona? (Tokony hahitana ireto fahamarinana manaraka ireto ny valiny: Miangona ao amin’ny tsatòkan’i Ziona isika mba hahazoana fiarovana sy fialofana tsy ho azon’ny ratsy.)

  • Inona avy ireo fomba mety hanomezan’i Ziona fiarovana sy fialofana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana any amin’ny tanindrazan’izy ireo?

  • Oviana ianao no nahatsapa hery sy fiarovana rehefa niangona niaraka tamin’ireo Olomasina tao amin’ny paroasy na ny sampana misy anao?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa hoe inona ankehitriny no dikan’ny hoe miangona any amin’ireo tsatòkan’i Ziona ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana, dia asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatra iray hamaky azy mafy:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Nandritra ireo taona voalohany amin’ity fotoampitantanana ity, dia toerana maro any Etazonia no voakasika amin’ny fanangonana ho ao Ziona: Kirtland, Missouri, Nauvoo ary eo an-tampon-tendrombohitra. Izy ireny dia fanangonana ho eo amin’ny toerana izay hanorenana tempoly. Amin’ny fisian’ny fananganana tsatòka maro sy ny fanorenana tempoly maro any amin’ny ankamaroan’ny firenena izay misy mpikamban’ny Fiangonana maro an’isa, dia tsy ny miangona ho amin’ny toerana iray no didy omena ankehitriny fa ny miangona ho any amin’ireo tsatòka ao amin’ny firenentsika. Any no ahafahan’ireo mahatoky migoka ireo fitahiana fenon’ny mandrakizay ao amin’ny tranon’ny Tompo. … Toy izany no mahatonga ireo tsatòkan’i Ziona ho ‘fiarovana sy fialofana amin’ny tafio-drivotra, sy amin’ny fisafoahana, rehefa haidina tsy misy fangarony amin’ny tany manontolo izany’ (F&F 115:6)” (“Preparation for the Second Coming,” Ensign na Liahona, mey 2004, 8).

Asao ny mpianatra iray hamaky ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985):

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Ny fanangonana an’i Isiraely dia ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny fiangonana marina sy ny fahafantarany ilay Andriamanitra marina. … Na iza na iza, noho izany, no nanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary mitady ny hitsaoka ny Tompo amin’ny fiteniny manokana sy miaraka amin’ireo Olomasina any amin’ny firenena misy azy amin’izao fotoana izao, dia efa nanaraka ny lalàn’ny fanangonana an’i Isiraely ary izy dia mpandova ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo Olomasina amin’izao andro farany izao” (The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball [1982], 439). 439).

  • Inona no hitanao fa nitranga tamin’ny isan’ny tempoly izay naorin’ny Fiangonana nandritra ny androm-piainanao?

  • Ahoana no nitahiana anao noho ny maha-mpikambana anao ao amin’ny tsatòka na distrikan’i Ziona? Ahoana no nitahian’ny tempoly masina anao?

Farano ny lesona amin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hieritreritra hoe inona no afaka ataon’izy ireo mba hanampiana ny hafa handray ny fiarovana sy hery ara-panahy izay azo amin’ny fandraisana anjara amim-pahatokiana ao amin’ireo tsatòkan’i Ziona sy amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly. Asao ireo mpianatra hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy Masina izay mety ho voarain’izy ireo.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy