Tahirim-pitaovana
Lesona 15: Tanjaka ao anatin’ny Fanoherana


Lesona 15

Tanjaka ao anatin’ny Fanoherana

Fampidirana

Nandritra ny taona 1837 sy 1838 dia niely patrana teo amin’ny mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana sasany tany Kirtland sy Ohio ary Missouri avaratra ny toetran’ny fanakianana sy ny fifandirana ary ny apôstazia. Nitombo ny olana rehefa nampiseho mivantana ny fanoherana ny mpaminany Joseph Smith ny olona. Afaka mianatra isika avy amin’ireo zavatra izay niainan’ny Olomasina tany am-boalohany fa rehefa miaina amim-pahamarinana sy manohana ireo mpanompon’ny Tompo isika dia mahazo hery ara-panahy ao anatin’ny fanoherana.

Vakiteny Enti-mandalina

  • “Prenez garde aux fruits amers de l’apostasie,” toko 27 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 339–50.

  • Jeffrey R. Holland, “Lessons from Liberty Jail” (takariva amorom-patana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 7 sept. 2008), lds.org/broadcasts.

  • Neil L. Andersen, “Fitsapana ny Finoanao,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 39–42.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10–15

Apôstazia tao Kirtland, Ohio

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: tezitra, tafintohina, mialona. Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny fotoana izay efa nahatsapany an’ireo fahatsapana ireo.

Asehoy ity tantara manaraka ity ary asao ny mpianatra iray mba hamaky izany mafy. Asao ireo mpianatra mba hamantatra ny toe-javatra izay nahatonga an’i Thomas B. Marsh hahatsapa ireo fahatsapana voasoratra eny amin’ny solaitrabe ireo.

Taoriana kelin’ny niantsoana an’i Thomas B. Marsh ho Apôstôly tamin’ny 1835, dia voatendry ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy. Tamin’ny lohataonan’ny 1837 dia nahare ny Filoha Marsh fa nikasa ny hanao asa fitoriana ny filazantsara tany Angletera ny iray tamin’ireo Apôstôly, ny Loholona Parley P. Pratt, kanefa tsy nahazo tari-dàlana avy tamin’ny Filoha Marsh akory. Nanoratra taratasy ho an’ny Loholona Pratt sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Roambinifololahy ny Filoha Marsh, izay tany Missouri, ary nanasa azy ireo mba hihaona aminy tao Kirtland, Ohio, ny 24 jolay 1837, mba hahatonga azy ireo hitovy drafitra mikasika ny fanaovana asa fitoriana. Volana iray talohan’ny fotoana nanaovana io fivoriana io anefa dia nandeha tany Angletera ny mpikambana roa hafa tao amin’ny Roambinifololahy, ny Loholona Heber C. Kimball sy ny Loholona Orson Hyde, rehefa nahazo antso avy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith mba hitory ny filazantsara. Tezitra ny Filoha Marsh fa nandeha nitory ny filazantsara tany Angletera ireo mpikambana tao amin’ny Roambinifololahy kanefa tsy nisy ny fandraisany anjara.

  • Manoloana an’io trangan-javatra io, inona no afaka nataon’ny Filoha Marsh mba hisorohana ireo fahatsapana voatanisa eny amin’ny solaitrabe ireo?

  • Inona ireo loza sasany izay ateraky ny famelana ny fahatsapana toy izany hifehy ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika? (Mariho amin’ny mpianatra fa manafintohina ny Fanahy Masina ny fahatsapana toy izany ary matetika mitarika ho amin’ny fahotana lehibe kokoa.)

Asaivo manohy amin’ny famakiana izao manaraka izao ny mpianatra:

Nilaza ny ahiahiny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Filoha Marsh ary nangataka ny toroheviny. Ho valin’izany dia nanome ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112 ny Tompo.

Tamin’ny fotoana nanomezan’ny Tompo ity fanambarana ity, ny volana jolay 1837, dia nahitana fisaraham-bazana sy fifandirana ary apôstazia teo amin’ny Fiangonana. Nitarika ireo mpikamban’ny Fiangonana sasany hitsikera ampahibemaso ny Mpaminany Joseph Smith sy hisalasala ny amin’ny fahefany ny avonavona sy ny fitiavan-karena. Nikatsaka ny hanala an’i Joseph Smith amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy mihitsy aza ny mpikamban’ny Fiangonana sasany, anisan’izany ny sasany tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

  • Inona no fahatsapana nahatonga ny mpikamban’ny Fiangonana sasany tsy niraharaha ny fijoroany ho vavolombelona momba ny fahamarinana ka nanohitra ampahibemaso ny Mpaminany Joseph Smith?

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10–12, 15, ka hitady ny torohevitra izay nomen’ny Tompo an’ny Filoha Marsh sy ireo mpikambana hafa tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izay afaka manampy ny mpikamban’ny Fiangonana mba tsy ho lasa mpitsikera ny mpitarika.

Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. Anontanio avy eo hoe:

  • Ahoana no fomba hanampian’ny torohevitra ao amin’ireo andininy ireo ny mpikamban’ny Fiangonana mba tsy ho lasa mpitsikera ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana? (Rehefa mizara ny valinteniny ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra izao fitsipika manaraka izao: Hitarika antsika sy hanome antsika ny valin’ny vavaka ataontsika ny Tompo raha manetry tena isika. Takian’ny Tompo amintsika ny hanohana ireo mpitarika izay mihazona ny fanalahidy hitarihana ny Fiangonana. Toroy hevitra ny mpianatra fa soratra masina mifandray ny andininy 15 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:35–38. Azonao atao ihany koa ny manamarika fa nomena ny Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny torohevitra mba hananatra ny mpikambana ao amin’ny Roambinifololahy fa tsy an’ny mpikamban’ny Fiangonana.)

Sary
taratasy zaraina, Mijanona ho Mahery

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ny lesona ny mpianatra tsirairay. Zarao ho vondrona kely ireo mpianatra ary asao ny vondrona tsirairay hamaky miaraka ny fizarana mitondra ny lohateny hoe: “Apôstazia tao Kirtland: Ny Ilàna ny Fanarahana ny Mpitarika ao amin’ny Fiangonana.” Asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana amin’ny faran’ilay fizaràna amin’ny vondrona misy azy.

Azonao faranana ity ampahan-desona ity amin’ny fampisehoana ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Heber C. Kimball (1801–68) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity, ka hifanakalo hevitra mikasika izany:

Sary
Filoha Heber C. Kimball

“Homeko fanalahidy iray izay fanolotry Rahalahy Joseph Smith tany Nauvoo ianareo. Nilaza izy fa ny dingana voalohany indrindra izay mitondra mankany amin’ny apôstazia dia manomboka rehefa very ny fahatokisantsika ireo mpitarika ato amin’ity fiangonana sy fanjakana ity, ary isaky ny mamantatra izany fahatsapana izany ianao dia fantaro fa ny fananana izany dia hitarika any amin’ny làlan’ny apôstazia” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 341).

Mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fanarahana amim-pahatokiana ny mpaminany sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia vakio ity traikefa manaraka ity avy tamin’ny fiainan’i Brigham Young (1801–77), izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany fotoana izany:

Sary
Filoha Brigham Young

“Raha tao Kirtland ny Filoha Brigham Young dia nifanena tamin’ny vondron’olona nihemotra izay nikonokonona ny hanohitra ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny tempoly. Hoy izy: ‘Nitsangana aho ary nilaza tamin’izy ireo tamin’ny fomba mazava tsara sy feno fahefana fa Mpaminany i Joseph, ary fantatro izany, ary izy ireo dia afaka mitsikera sy mivazavaza araka izay mahafinaritra azy ireo fa tsy afaka hanafoana ny fanendren’ Andriamanitra, ny fahefan’izy ireo manokana no afaka potehiny, manapaka ny tady izay nampifamatotra azy ireo tamin’ny Mpaminany sy tamin’ Andriamanitra, ary mitsoraka any amin’ny helo’” (Enseignements des Présidents de l’Église: Brigham Young [1997], 79).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–10, 16–17; 122:1–9

Fanoherana tao Missouri Avaratra

Hevero ny hijanonan’ny mpianatra ao amin’ny vondrona kely ary asao ny vondrona tsirairay hamaky ny fizarana faharoa izay mitondra ny lohateny hoe: “Fifandirana tao Missouri Avaratra: Mianatra ny Miaritra Tsara ny Fanoherana” ao amin’ny taratasy zaraina. Hazavao fa ity fizarana ity dia mamariparitra ny sasany tamin’ireo zavatra nahatonga ny Olomasina ho voaroaka avy tao Missouri Avaratra sy nahatonga ny Mpaminany Joseph Smith ho voatazona tao amin’ny fonjan’i Liberty. Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana amin’ny faran’ity fizaràna ity amin’ny vondrona misy azy.

Rehefa vitan’ireo mpianatra ny taratasy zaraina, dia hazavao fa misy fantina avy tamin’ny taratasy ho an’ireo Olomasina izay nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny faramparan’ny nahavoafonja azy tao amin’ny fonjan’i Liberty ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–23.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6. Asao ireo mpianatra mba hitady ny fanontaniana izay napetraky ny Mpaminany tamin’ny Tompo.

  • Inona ireo fanontaniana hitanao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–10, 16–17; 122:7–9. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hieritreritra ny fomba nankaherezan’ny valintenin’ny Tompo an’i Joseph Smith mba hiatrika ny fanoheran’ireo fahavalony.

Asao ireo mpianatra mba hilaza ny fotopampianarana sy ny fitsipika izay nianarany avy tamin’ireo andininy izay novakiany ireo. (Mety ho toy izao ireo valinteny: Raha miaritra tsara ny fanoherana eto amin’ny fiainana an-tany isika, dia hitahy antsika Andriamanitra ankehitriny ary amin’ny mandrakizay. Ireo izay miampanga ny mpanompon’ny Tompo dia mpanompon’ny fahotana. Afaka mahazo hery isika ao anatin’ny fitsapana rehefa miantehitra amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy mahatsiaro ny ohatry ny faharetana amim-pahatokiana izay nasehony.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Raha jerena ifotony dia tena hizaha-toetra tokoa ireo fizahan-toetra. Mety hisy fanaintainana, fikorontanan-tsaina, alina tsy ahitan-tory, ary ondana kotsan-dranomaso. Saingy tsy tokony hiteraka fahafatesana ara-panahy ireo fizahan-toetra antsika. Tsy tokony hanala antsika amin’ireo fanekempihavanana nataontsika na hanala antsika tsy ho ao amin’ny ankohonan’ Andriamanitra izy ireo. …

“Toy ilay afo midedadeda izay manova ny vy ho lasa vy tsy, rehefa mitoetra ho mahatoky isika mandritra ny fizahan-toetra ny finoantsika, dia misy fandiovana ara-panahy mitranga ary dia mitombo ny herintsika ara-panahy” (“Fitsapana ny Finoanao,” Ensign or Liahona, nôv. 2012, 41–42).

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny zavatra izay efa nataony na mbola hataony mba hahatsiarovana fa afaka mampatanjaka azy ireo Andriamanitra rehefa mandalo fitsapana na fanoherana ny finoany izy ireo. Omeo fotoana ireo mpianatra mba hizaràny ny traikefany na ny eritreriny mikasika ny fianteherana amin’ Andriamanitra mandritra ny fotoan-tsarotra.

Vakitenin’ny Mpianatra

Mijanona ho Mafy Orina ao anatin’ny Fotoan’ny Fanoherana

Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny—Lesona 15

Apôstazia tao Kirtland: Ny Ilàna ny Fanarahana ny Mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Tamin’ny taona 1837, dia nandalo olana ara-bola ireo Olomasina teo Kirtland, Ohio. Mba hanampiana ireo Olomasina hahaleo tena bebe kokoa ara-bola dia nanangana orinasa iray mitovitovy amin’ny banky i Joseph Smith sy ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana izay nantsoina hoe Kirtland Safety Society. Noho ny fahaketrahana ara-toekarena izay niely patrana tamin’izany fotoana izany dia maro ireo banky izay maty antoka nanerana an’i Etazonia. Maty antoka koa ny Kirtland Safety Society tamin’ny fararano 1837. Mpampiasa vola roan-jato tao amin’ilay banky no very saika ny rehetra izay nananany ary i Joseph Smith no nianteheran’ny fatiantoka lehibe indrindra. Na dia tsy ny Fiangonana aza no namatsy ny Kirtland Safety Society dia maro tamin’ireo Olomasina no nihevitra izany ho bankin’ny Fiangonana na bankin’ny Mpaminany ka nanome tsiny an’i Joseph Smith noho ny olany ara-bola. Nanomboka niantso azy ho mpaminany lany hery mihitsy aza ny sasany. Fa na dia teo aza ny tsy fahombiazan’ilay banky dia maro tamin’ireo izay very vola no nanohy tao amin’ny finoana ka nijanona ho marina tamin’ny Mpaminany.

Nanomboka niely patrana teo amin’ireo Olomasina maro ny toetran’ny apôstazia sy ny fanakianana. Ny volana jona 1838, olona nihemotra 200 na 300 teo ho eo no niala ny Fiangonana, anisan’izany ny Apôstôly efatra, ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna ary mpikambana iray tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Na izany aza maro tamin’ireo Olomasina no nandray io fotoan’ny fitsapana io tamim-pinoana, tahaka ny nataon’i Brigham Young. Nampatanjahan’ny Tompo izy ireo ary nijanona ho marina tamin’ny fijoroana ho vavolombelona izay nananany. Maro tamin’ireo izay nandao ny Fiangonana nandritra io fotoan’ny apôstazia io no niverina indray taty aoriana ary nangataka ny hampiraisana azy ireo indray tamin’ny Fiangonan’ny Tompo. Anisan’izany i Oliver Cowdery sy i Martin Harris sy Luke Johnson ary i Frederick G. Williams.

Tao anatin’ireo fahasahiranana tao Kirtland ireo dia nisy olona izay nihemotra vitsivitsy nitady hamono an’i Joseph Smith. Rehefa nampitandreman’ny Fanahy izy sy i Sidney Rigdon dia nandeha nandritra ny alina tamin’ny 12 janoary 1838. Nanenjika azy ireo ny fahavalony nandritra ny andro maromaro saingy niaro azy ireo ny Tompo. Tonga tao Far West, Missouri izy ireo niaraka tamin’ny fianakaviany tamin’ny 14 martsa 1838.

Ifampiresaho amin’ny mpianatra rehetra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo zava-nitranga ireo momba ny fomba handraisana ny fanoherana eo amin’ny fiainantsika. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo zava-nitranga ireo momba ny fomba handraisantsika ny fanoherana ny Fiangonana?

  • Inona no azontsika atao mba hijanonana ho mahatoky amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na dia mety haheno ny olona hafa mitsikera azy ireo aza isika?

  • Amin’ny fomba ahoana no nitahiana anao satria nanaraka ny tenin’ny mpaminany ianao?

Fifandirana tao Missouri Avaratra: Mianatra ny Miaritra Tsara ny Fanoherana

Tamin’ny taona 1837 sy 1838 dia nanomboka nitory ny Fiangonana sy ny mpitarika tao aminy ny mpikambana tsy faly sy nesorina tsy ho mpikambana sasany izay nonina niaraka tamin’ireo Olomasina tao Far West ary nampijaly ny Fiangonana. Tamin’ny volana Jona 1838, dia nanao lahateny nampientanentana tokoa izay lasa fantatra amin’ny hoe “Toriteny momba ny Fanasina” i Sydney Rigdon. Naka hevitra avy tamin’ny Matio 5:13 izy ary nilaza fa raha ny fanasina no tonga matsatso, dia tsy ho tsara na amin’ny inona na amin’ny inona izany ka tokony hariana, izay nidika fa tokony ho roahina hiala teo anivon’ny Olomasina ireo izay niala ny Fiangonana. Tapa-bolana taty aoriana, tamin’ny 4 jolay, dia nanao lahateny i Sidney Rigdon izay nampanantenany fa hiaro tena ny Olomasina na dia hiafara amin’ny “ady fandringanana” aza izany. Na dia nifanohitra tamin’ny fampianaran’ny Tompo amin’ny hoe “mamitràna fihavanana” (F&F 105:38) aza ireo lahateny roa ireo, dia navoaka avokoa ireo lahateny ireo ka niteraka fahatairana be teo amin’ireo tsy Olomasin’ny Andro Farany.

Nandritra io fotoana io dia nisy olona niova fo iray atao hoe Sampson Avard izay nampanao fianianana miafina ho an’ireo izay hiaraka aminy amin’ny fananganana vondrona jiolahy atao hoe Danita. Nilaza tamin’izy ireo i Avard mba hangalatra sy handroba ny mponin’i Missouri, fa hoe hanampy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra izany. Nandresy lahatra ireo mpanara-dia azy i Avard fa avy tany amin’ny Fiadidiana Voalohany ny fitarihany. Hita ny marina taty aoriana ka nesorina tsy ho mpikambana i Avard. Niteraka fahavoazana lehibe teo amin’ny fijerin’ny olona ny Fiangonana ny zavatra nataon’i Avard ary nitarika ny fampidirana am-ponja ny Mpaminany tao amin’ny Fonjan’i Liberty.

Tamin’ny volana ôktôbra 1837 dia namela fatin’olona vitsy teo amin’ny roa tonta ny ady nifanaovan’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany sy ny milisy tao Missouri. Tonga tany amin’ny Governora Lilburn W. Boggs, governoran’i Missouri, ny tatitra feno lainga mihoapampana momba ilay ady ary namoaka ilay didy izay fantatra amin’ny hoe didy fandripahana izy avy eo: “Tsy maintsy raisina ho toy ny fahavalo ny Môrmôna ary tsy maintsy ripahina na roahina hiala amin’ny fanjakana raha ilaina izany mba ho tombotsoan’ny vahoaka” (voalaza ao amin’ny History of the Church, 3:175). Tsy ela dia voadidinin’ireo milisy izay maro an’isa lavitra, efa ho dimy avo heny noho ny herin’ny Olomasina ny tanànan’i Far West. Naiditra am-ponja tao amin’ny Fonjan’i Liberty i Joseph Smith sy ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana hafa ary nijanona tany izy ireo nandritra ny ririnina manontolo. Noterena hiala ny fanjakana ireo Olomasina sisa.

Ifampiresaho amin’ny mpianatra rehetra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fitsipika izay azontsika ianarana avy amin’ireo trangan-javatra ireo mba hanampiana antsika hiaritra ny fanoherana?

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika tsirairay ny manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy amin’ny fotoan-tsarotra sy ny fanoherana? Inona no nitranga tao Missouri Avaratra noho ny tsy fanaovan’ireo Olomasina izany?

  • Oviana no efa nahitanao ny teny na zavatra izay nataon’ny olona iray ka nisy fiantraikany tsara tamin’ny fomba fijerin’ny olona iray hafa ny Fiangonana?

Hamoaka printy