Tahirim-pitaovana
Lesona 22: Maty Maritiora ny Mpaminany Joseph Smith


Lesona 22

Maty Maritiora ny Mpaminany Joseph Smith

Fampidirana

Ireo mpikomy tao anatin’ny Fiangonana sy ireo mpanohitra ivelan’ny Fiangonana no nahatonga ny Mpaminany Joseph Smith sy i Hyrum Smith rahalahiny ho maty maritiora. Nanampy tamin’ny famehezana mahery ny tenivavolombelon’izy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny fahafatesan’izy ireo. Hanampy ireo mpianatra hanome lanja ireo fitahiana maro izay nomen’ny Tompo azy ireo tamin’ny alalan’ny asa fanompoan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fandalinana ny fiainana sy ny nahafaty maritiora an’ny Mpaminany Joseph Smith, izay tamin’ny alalany no namerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ny filazantsarany tamin’ny andro farany.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Thomas S. Monson, “The Prophet Joseph Smith: Teacher by Example,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 67–70.

  • “The Martyrdom,” toko 22 ao amin’ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanon. faharoa (Boky fampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003), 273–85.

  • “Le martyre, le prophète scelle son témoignage de son sang,” toko 46 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 567–80.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4–5; 136:36–39

Nikasa hamono an’i Joseph Smith ireo fahavalo

Fonjan’i Carthage

Asehoy ny sarin’ ny Fonjan’i Carthage. Hazavao amin’ny mpianatra fa tamin’ny 27 jona 1844, dia maty maritiora tao amin’io fonja tao Carthage io ny mpaminany Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny, izay Patriarikan’ny Fiangonana. 38 taona i Joseph Smith tamin’ny fotoana nahafatesany, ary i Hyrum kosa 44.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:36–39 raha manaraka ny vakiteny ny mpianatra. Amporisiho ireo mpianatra rehefa mamaky mba hamantatra ny fomba namintinan’ny Tompo ny fiainan’i Joseph Smith sy ny asa notanterahiny. Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no fomba namariparitan’ny Tompo ny fiainana sy ny asan’ny Mpaminany Joseph Smith? (Tokony hahitana izao fahamarinana manaraka izao ny valintenin’ny mpianatra: Napetrak’i Joseph Smith ireo fototry ny asan’ Andriamanitra ho an’ity fotoampitantanan’ny filazantsara ity. Tsy nanan-tsiny ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fotoana nahafatesany, ary notanterahiny tamin-pahatokiana ny iraka izay nomen’ Andriamanitra azy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sasany tamin’ireo toe-javatra izay nitondra tamin’ny fahafatesan’ny Mpaminany dia lazao izy ireo fa niaina fiadanana ireo Olomasina tao amin’ny fanjakan’i Illinois nandritra ny telo taona, saingy tamin’ny 1842 dia nanomboka niatrika fanoherana indray izy ireo. Mponina tao Illinois izay natahotra ny tanjaka ara-pôlitikan’ny Olomasina no anisan’ireo mpanohitra ny Fiangonana. Ny hafa indray dia nampitombo ny fialonana ny firoboroboana ara-toekarena tao Nauvoo sy nitsikera ny herin’ny governemanta sy ny milisin’ny tanànan’i Nauvoo. Ny sasany dia diso fandray ny amin’ireo fotopampianarana sy fombafomba manokan’ny Môrmôna. Ireo mpikomy tao amin’ny Fiangonana sy ireo mpanohitra ivelan’ny Fiangonana no nanambatra ny ezaka nataony mba hiady tamin’ny Mpaminany sy ny Fiangonana.

handout iconOmeo tahadikan’ny taratasy zaraina izay hita any amin’ny faran’ity lesona ity ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra iray hamaky ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Fanoherana ny Mpaminany sy ny Fiangonana.”

taratasy zaraina, Maritiora

Hazavao fa tsy fandikan-dalàna ny manimba ny toerana fanaovan-gazety araka ny lalàna izay nisy tamin’ny fotoana nahafatesan’ny Mpaminany. Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona Dallin H. Oaks

“Mbola tsy nolaniana ny fanitsiana ny lalam-panorenan’i Etazonia izay nanitatra ny antoka amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety hiarovana amin’ny asan’ny governemantan’ny tany sy ny firenena raha tsy tamin’ny taona 1868, ary tsy nampiharina ho raharahan’ny lalàna federaly izany raha tsy tamin’ny taona 1931. … Tokony hifototra amin’ny lalàna sy ny didy ary ny toe-javatra nisy tamin’ny andron’izy ireo no hitsarantsika ny asan’ireo izay nialoha lalana antsika fa tsy araka ny androntsika” (“Joseph, the Man and the Prophet,” Ensign, mey 1996, 72).

  • Nahoana no zava-dehibe ny mitadidy an’io fehezanteny farany amin’ny fanambaran’ny Loholona Oaks io rehefa mandinika na zavatra nataon’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tany am-boalohany isika? (Azonao atao ny manamarika fa mpikamban’ny Fiangonana ny ankamaroan’ireo mpikambana tao amin’ny filankevitry ny tanànan’i Nauvoo, kanefa dia nampihatra ny fahefany amin’ny maha mpiasam-panjakana voafidy azy izy ireo rehefa nandidy ny handravàna asa fanaovan-gazety. Tsy nanao zavatra nanoherana ny asa fanaovan-gazety ny Fiangonana amin’ny maha fikambanana azy, fa ny filankevitry ny tanàna no nandray fepetra mba “hampihena ny … fanakorontanana” [ao amin’ny Tantaran’ny Fiangonana, 6:432]).

Asao ny mpianatra mba hamaky mafy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Noampangaina tsy ara-drariny i Joseph sy i Hyrum” ao amin’ny taratasy zaraina. Miangavia mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4. Asaivo manaraka ny mpianatra sady mitady ny faminaniana nataon’i Joseph Smith rehefa nandeha tany Carthage izy.

  • Na dia tsy lavorary avokoa aza ny olombelona rehetra, inona araka ny hevitrao no hilaina amin’ny olona iray mba ho “madio ny fieritrereta[ny] ary tsy meloka amin’ Andriamanitra sy amin’ny olon-drehetra” izy? (F&F 135:4).

Hazavao fa rehefa niomana ny ho any amin’ny Fonjan’i Carthage i Hyrum Smith dia namaky ny Etera 12:36–38 izy ary avy eo dia navadiny ilay pejy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:5, izay teny nindramina mivantana avy ao amin’ny Etera, sady manaraka ny mpianatra. Asao ny mpianatra handinika ny antony nahatonga an’io andinin-tsoratra masina io ho nanan-danja tamin’i Hyrum. Afaka atoronao hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika ny teny na andian-teny izay hitan’izy ireo fa miavaka.

  • Inona ireo teny na andian-teny manokana amin’ireo andininy avy amin’ny bokin’i Etera ireo no heverinao fa mety ho nanan-danja tamin’i Hyrum rehefa niatrika ny fanagadrana sy ny mety ho fahafatesana izy?

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ity andian-teny ity: “Hahafantaran’ny olon-drehetra fa tsy voapentin’ny ranareo ny fitafiako”? (Asaivo ampifandraisan’ny mpianatra ny andininy 5 sy ny Jakôba 1:19 ary ny Môsià 2:27 hahitana ny hevitr’io andian-teny io. Fomba fandalinana soratra masina tena manan-danja ny mianatra mampifandray ny andinin-tsoratra masina iray amin’ny andininy hafa izay misy hevi-baovao fanampiny.)

Asao ny mpianatra mba handinika ny fahatsapana izay mety ho nananan’i Joseph sy i Hyrum rehefa nahafantatra fa nahatanteraka ny antsony sy ny andraikiny manoloana an’ Andriamanitra tamin’ny fahafahana izay tsara indrindra vitany izy ireo.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Joseph sy i Hyrum izay mety hanampy antsika hanatanteraka ireo adidy omen’ Andriamanitra antsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–3, 6–7

Famonoana ho maritiora tao amin’ny Fonjan’i Carthage sy ireo fanomezam-boninahitra an’i Joseph Smith

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135. (Azonao atao ny manamarika fa ny fahasamihafana misy ao amin’ny sasin-teny ho an’io fizarana io ao amin’ny soratra masina fanontana 1981 sy 2013 dia mampiseho ny fikarohana natao vao tsy ela.) Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:1–2 sy ny fizarana izay mitondra ny lohateny hoe “Maty Maritiora tao amin’ny Fonjan’i Carthage” ao amin’ny taratasy zaraina. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mandritra ny famakian’ireo mpianatra ireo.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny andian-teny hoe: “ho famehezana ny tenivavolombelon’ity boky ity sy ny Bokin’i Môrmôna”?

Rehefa mizara ny heviny ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity famaritana manaraka ity: ny hoe “famehezana” dia fanorenana zavatra maharitra, toy ny tenivavolombelona. Azonao toroina hevitra ny mpianatra mba hanoratra io famaritana io ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny andininy 1.

Asao ny mpianatra mba hamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3, 6–7, sady hitady ny sasany amin’ireo fahamarinana izay ianarantsika avy amin’io filazana ny fahafatesana ho maritiora an’i Joseph sy i Hyrum Smith io.

  • Inona no fahamarinana nianaranao avy amin’io filazana ny fahafatesana ho maritiora an’i Joseph sy i Hyrum Smith io? (Mety hahita fahamarinana maro ny mpianatra, anisan’izany ity manaraka ity: I Joseph Smith dia efa nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto afa-tsy i Jesoa Kristy, ho famonjena ny olona eto amin’ity izao tontolo izao ity. Navoaka ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho famonjena an’izao tontolo izao ity.)

  • Amin’ny fomba manokana ahoana, araka ny hevitrao, no mety hiovan’ny fiainanao raha tsy nisy ny asa fanompoan’ny Mpaminany Joseph Smith?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fanambarana avy amin’ny Loholona Dallin H. Oaks izay hita eo amin’ny taratasy zaraina, fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fanomezam-boninahitra ny Mpaminany Joseph Smith.”

  • Inona no maha-zava-dehibe ny fahafantarana fa nihevitra an’i Joseph Smith ho mpaminany ary “olona manan-kaja sy tsara toetra” ireo mpiara-miasa akaiky aminy?

Farano amin’ny fanontaniana ny mpianatra raha misy te hizara ny fijoroany ho vavolombelona mikasika an’i Joseph Smith ny sasany amin’izy ireo. Amporisiho ny mpianatra mba hitady fahafahana hizara ny fijoroany ho vavolombelona amin’ny hafa mandritra ny andro vitsivitsy manaraka mikasika ny Mpaminany Joseph Smith sy ny andraikiny tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Vakitenin’ny Mpianatra

Maty Maritiora ny Mpaminany Joseph Smith

Ireo Fototry ny Famerenana amin’ny Laoniny—Lesona 22

Fanoherana ny Mpaminany sy ny Fiangonana

Nihamafy ny lolom-pon’ny olona tamin’ny Fiangonana ny volana jona 1844. Nifanakalo hevitra mikasika ny fandroahana ny Olomasina hiala ny firenena ny mponina sasany tao Illinois, raha ny hafa kosa nitetika ny hamono an’i Joseph Smith. Mpikamban’ny Fiangonana taloha izay nihemotra ny sasany tamin’ireo izay niray tetika nanohitra an’i Joseph Smith sy ny Fiangonana. Tamin’ny 7 jona 1844, dia namoaka ny laharana voalohan’ny gazety iray izay nantsoina hoe Nauvoo Expositor i William Law, izay nanompo tamin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany niaraka tamin’ireo mpihemotra hafa. Nampiasain’ireo lehilahy ireo io gazety io mba hanendrikendrehana an’i Joseph Smith sy ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana, tao anatin’ny fikasana hampirehitra ny vahoaka hanohitra an’i Joseph Smith sy ny Fiangonana. Niaiky i Joseph, izay niasa tamin’ny naha-ben’ny tanànan’i Nauvoo azy, niaraka tamin’ny ankamaroan’ny filankevitry tanànan’i Nauvoo fa hiteraka korontana ao amin’ny tanàna io gazety nilaza zavatra mampiady io. Nambaran’izy ireo fa mpihetraketraka vahoaka ilay gazety ka nanome baiko ny handravana ilay gazety Nauvoo Expositor izy ireo.

Noampangaina tsy ara-drariny i Joseph sy i Hyrum

“Noho ny [fandravana ny Nauvoo Expositor] izay nataon’ny ben’ny tanàna sy ny filankevitry ny tanàna, dia namoaka fiampangana tsy marim-pototra ho famporisihana ho amin’ny korontana nanohitra an’i Joseph Smith, Hyrum rahalahiny sy manampahefana hafa tao an-tanànan’i Nauvoo ireo manampahefana tao Illinois. Nandidy ireo lehilahy mba hotsaraina tany Carthage, Illinois, izay toerana misy ny fitantanana ny fanjakana, i Thomas Ford, governoran’i Illinois ary nampanantena fiarovana ho azy ireo. Fantatr’i Joseph fa hiharan-doza lehibe ny ainy raha mankany Carthage izy, noho ireo mpihetraketraka izay nandrahona azy.

“Noho ny fieritreretany fa izy ireo ihany no tadiavin’ireo mpihetraketraka, dia nanapa-kevitra i Joseph sy i Hyrum ny hiala nankany andrefana mba hitsimbinana ny ain’izy ireo. Niampita ny renirano Mississipi izy ireo ny 23 jona, fa taorian’izay tamin’io andro io, dia nisy rahalahy avy tany Nauvoo nahita ny Mpaminany ka nilaza taminy fa hisy andian’olona hanafika ny tanàna raha toa ka tsy nivoaka nanatona ny manampahefana tany Carthage izy. Nanaiky nanao izany ny Mpaminany, nanantena fa nampitony ny governemanta sy ireo mpihetraketraka. Ny 24 jona dia nanao veloma ny fianakaviany i Joseph sy i Hyrum Smith ary nandeha tany Carthage niaraka tamin’ireo manampahefan’ny tanàna, nitonon-tena an-tsitrapo tamin’ireo manampahefana tao Carthage ny ampitson’iny. Rehefa nahazo fahafahana vonjimaika ireo mpirahalahy tamin’ny fiampangana voalohany, dia noampangaina tsy ara-drariny ho mpamadika ny faritanin’i Illinois izy ireo, nosamborina ary naiditra am-ponja tao amin’ny Fonjan’i Carthage mandra-piandry ny fitsarana. Niaraka tamin’izy ireo an-tsitrapo ny Loholona John Taylor sy Willard Richards, ireo hany mpikambana tao amin’ny Roambinifololahy izay tsy nanao asa fitoriana” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 567–68).

Fahafatesana ho Maritiora tao amin’ny Fonjan’i Carthage

Nandritra ny andro tamin’ny 27 jona 1844, dia nisy mpitsidika iray nanome basy an’i Joseph. Rehefa niezaka niditra ny efitrano nisy ny Mpaminany sy ireo lehilahy hafa ireo mpihetraketraka, dia voatifitra i Hyrum ka maty, ho fiarovana ireo rehetra izay tao anatin’ilay efitrano. Nihazakazaka nankeo amin’ny varavarana i Joseph ka nahazo ny sisin’ny varavarana ka nitifitra nankany amin’ny lalantsara. Telo tamin’ireo bala enina ihany no nipoaka, ka nahavoa ny maro tamin’ireo mpihetraketraka. Nampidirin’ireo mpihetraketraka tamin’ny varavarana izay tsy mikatona tsara ny basiny, ary nanandrana nikapoka tamin’ny tehina ny loham-basin’izy ireo i John Taylor.

Rehefa nihamafy ny ady teo am-baravarana, dia niezaka nitsoaka ny efitrano teo am-baravarankely i John Taylor. Rehefa nanandrana nitsambikina teo am-baravarankely izy, dia voatifitra tamin’ny feny ary nisy olona ihany koa nahatifitra azy avy tany ivelany. Lavo tamin’ny tany izy, ary raha nanandrana ny hisitrika tao ambany fandriana teo akaikin’ny varavarana izy dia voatifitra intelo ka naratra mafy. Nandritra izany fotoana izany, rehefa niditra teo amin’ny varavarana ny basy maro, dia nanomboka namely azy ireo tamin’ny tehina i Willard Richards.

Ary nanapa-kevitra ny hitsoaka tamin’ilay varavarankely i Joseph Smith. Raha mbola nanohy nampiala ireo mpihetraketraka teo amin’ny varavarana i Willard Richards, dia nitsambikina avy teo amin’ny varavarankely i Joseph Smith. Teo am-panaovany izany no nahavoa azy ny bala na avy tao anaty na tany ivelan’ny fonja. Nianjera teo amin’ny varavarankely izy sady nihiaka hoe: “Tompo, Andriamanitro ô!” ka latsaka tamin’ny tany. Nihazakazaka nankany ivelany ireo izay anisan’ny mpihetraketraka tao anatin’ny fonja mba haka toky fa maty i Joseph. Na dia tsy nisy mpikamban’ny Fiangonana aza tamin’ny lalana nankany Carthage, dia nisy olona nihiaka hoe: “Tonga ny Môrmôna!” ka nandositra ireo mpihetraketraka rehetra.

Ireo fanomezam-boninahitra ny Mpaminany Joseph Smith

Nilaza ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, hoe:

Loholona Dallin H. Oaks

“Ny olona izay nahafantatra an’i Joseph Smith sy niaraka taminy teo akaikiny tao amin’ny fitarihana ny Fiangonana dia tia sy nanohana azy ho mpaminany. Nisafidy ny ho faty teo akaikiny i Hyrum rahalahiny. I John Taylor, izay niaraka taminy koa tamin’ny namonoana azy, dia nilaza hoe: ‘Mijoro ho vavolombelona aho manoloana an’ Andriamanitra sy ireo anjely ary ny olona, fa olona tsara sy mendri-kaja ary tsara toetra izy … —fa fakan-tahaka ny toetrany manokana sy ny toetrany amin’ny olona—ary niaina sy maty tamin’ny naha olon’ Andriamanitra azy izy’ (The Gospel Kingdom [1987], 355; jereo koa ny F&F 135:3). Hoy i Brigham Young: ‘Tsy mino aho hoe misy lehilahy miaina eto an-tany ka nahafantatra an’i [Joseph Smith] kokoa noho izaho; ary sahy aho milaza fa, ankoatra an’i Jesoa Kristy, dia tsy misy olona tsara noho izy izay niaina na miaina eto an-tany’ [Discourses of Brigham Young, sel. John A. Widtsoe (1954), 459]” (“Joseph, the Man and the Prophet,” Ensign, mey 1996, 73).