Tahirim-pitaovana
Lesona 26: Ny Fanambarana mikasika ny Fisoronana


Lesona 26

Ny Fanambarana mikasika ny Fisoronana

Fampidirana

Nandritra ny taonjato faha 20 dia nivavaka ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana, rehefa niparitaka eran’izao tontolo izao ny asa fitoriana, mba hahazo fitarihana momba ny famerana ny fanendrena amin’ny fisoronana sy ny ôrdônansin’ny Tempoly ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana taranaka Afrikanina. Nisy fanambarana mazava tsara tonga tamin’ny Filoha Spencer W. Kimball sy ireo mpanolotsainy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tao amin’ny Tempolin’ny Salt Lake tamin’ny 1 jona 1978. Rehefa mandray anjara amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hahatakatra bebe kokoa ny fomba hiatrehana am-pahatokiana ireo fanontanian’ny filazantsara ary hianatra ihany koa ireo toe-javatra sy ireo fahamarinana mikasika io fanambarana mazava io.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Gordon B. Hinckley, “Priesthood Restoration,” Ensign, ôkt. 1988, 69–72.

  • “Race and the Priesthood,” Gospel Topics, lds.org/topics.

  • Ahmad Corbitt, “A Personal Essay on Race and the Priesthood,” fizarana 1–4, Perspectives on Church History series, history.lds.org/section/perspectives-on-church-history.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fampidirana ny Fanambarana Ôfisialy 2

Miatrika amim-pahatokiana ireo fanontanian’ny filazantsara

Atolory ny mpianatra ity tantara manaraka ity:

Natonin’ny mpikamban’ny Fiangonana iray hafa izay nanana fanontaniana momba ny fotopampianaran’ny Fiangonana i Scott indray andro rehefa avy nianatra. Nahatsapa i Scott fa afaka nitondra fanampiana ho an’ilay namany, saingy nanontany tena izy taorian’izany ny amin’ny zavatra izay mety hataony amin’ny fomba hafa raha misy mpikamban’ny Fiangonana hafa manatona azy ka manana fanontaniana mitovy amin’izany indray.

Anontanio ny mpianatra ny amin’ny zavatra izay efa nataony hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana izay manatona azy ireo manana fanontaniana avy amin’ny fo momba ny Fiangonana sy ny fotopampianarany.

Asehoy ka vakio ity fanambarana manaraka avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ny fanontaniana no loharano ipoiran’ny fijoroana ho vavolombelona. Mety hahatsapa tena ho menatra na tsy mendrika ny sasany noho ny fananana fanontaniana mandalina momba ny filazantsara, kanefa tsy tokony hahatsapa toy izany izy ireo. Tsy midika fahalemena ny fametrahana fanontaniana fa izany no fanombohan’ny fitomboana.

“Mandidy antsika hikatsaka ny valin’ireo fanontaniantsika Andriamanitra ary mangataka ny hikatsahantsika ‘amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy’ fotsiny [Môrônia 10:4]. Raha manao izany isika dia afaka aseho antsika ‘amin’ny herin’ny Fanahy Masina’ ny fahamarinan’ny zava-drehetra [Môrônia 10:5].

“Aza matahotra; mametraha fanontaniana. Aoka ho lialian-javatra, kanefa aza misalasala! Mifikira foana mafy amin’ny finoana sy amin’ny fahazavana izay efa azonao” (“The Reflection in the Water” [takariva amorom-patana ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 1 nôv. 2009], 7, ldschurchnewsarchive.com).

  • Inona no zavatra nampianarin’ny Filoha Uchtdorf izay mety hanampy ny olona iray manana fanontaniana momba ireo olana ara-potopampianarana na ara-tantara na ara-tsôsialy mikasika ny Fiangonana? (Ampio ireo mpianatra mba hahatakatra ity fitsipika manaraka ity: Raha toa ka mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika dia hitondra valiny avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny farany ireo fanontaniana avy amin’ny fo.)

Hazavao fa iray amin’ireo olana ara-tantara izay nananan’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany fanontaniana dia vokatry ny lalàna mifehy an’ny Fiangonana izay nisy nanomboka tamin’ny tapaky ny taona 1800 ka hatramin’ny 1978 izay mametra ny lehilahy mainty hoditra taranaka Afrikanina tsy ho tendrena amin’ny fisoronana. Nandrara ny vehivavy sy lehilahy mainty hoditra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanafiana masina na amin’ny fombafomba famehezana ihany koa izany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay ampahany amin’ny fampidirana ny Fanambarana Ôfisialy 2 (izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana). Asao ny mpianatra mba hieritreritra momba ny fomba mety hanampian’ity fampahalalana ity an’ireo izay manana ahiahy mikasika io olana ara-tantara io.

“Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna fa ‘amin’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra,’ na ‘mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka, na lahy na vavy’ (2 Nefia 26:33). Nandritra ny tantaran’ny Fiangonana dia olona avy amin’ny firazanana sy foko maro any amin’ny firenena maro no efa vita batisa sy niaina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana mahatoky azy. Tamin’ny androm-piainan’i Joseph Smith dia mpikamban’ny Fiangonana mainty hoditra vitsivitsy no notendrena ho amin’ny fisoronana. Tany am-piandohan’ny tantarany dia najanon’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny fanomezana ny fisoronana tamin’ny lehilahy mainty hoditra taranaka Afrikanina. Tsy manome fahalalana mazava momba ny niandohan’io fomba fanao io ny firaketan’ny Fiangonana” (fampidirana ny Fanambarana Ôfisialy 2).

  • Inona no fahamarinana manan-danja izay hita ao amin’io fanambarana io ho an’ireo izay manana olana mikasika io teo-javatra io?

Mariho ny andalana izay milaza hoe: “Tsy manome fahalalana mazava momba ny niandohan’io fomba fanao io ny firaketan’ny Fiangonana.” Raha milaza ny heviny momba ny antony tsy nanendrena ny lehilahy mainty hoditra taranaka Afrikanina ho amin’ny fisoronana ny olona sasany dia mety tsy ho marina izany antony izany. Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Dallin H. Oaks

“Raha mamaky ny soratra masina miaraka amin’ity fanontaniana ity ao an-tsaina ianao, ‘Nahoana ny Tompo no nandidy ity na nahoana ny Tompo no nandidy izany,’ dia ho hitanao fa latsaky ny iray amin’ireo didy zato no misy antony nomena. Tsy fomban’ny Tompo ny manome antony. Afaka manisy ny anton’ny fanambarana isika [olombelona mety maty]. Afaka manisy ny anton’ireo didy isika. Rehefa manao isika dia mandeha irery isika. Misy olona sasany manisy ny anton’io zavatra resahintsika eto io [ny volonkoditra sy ny fisoronana], ary dia tena diso izy ireo. …

“… Ndao tsy hanao ireo fahadisoana izay efa natao tamin’ny lasa, teto sy tany amin’ny faritra hafa, izay niezaka nanisy ny anton’ny fanambarana. Amin’ny ankapobeny dia noforonin’olombelona ny antony” (Life’s Lessons Learned [2011], 68–69).

  • Nahoana no fahendrena ny tsy mamorona ny antony nahatonga ny olona taranaka Afrikanina tsy nomena ny fisoronana na tsy nomena fahafahana hahazo ireo ôrdônansin’ny tempoly talohan’ny 1978? (Miteny amin’ny fijery voafetra ny olona, ary Andriamanitra mbola tsy nilaza tamintsika ny antony.)

Hamafiso fa ankehitriny dia miala amin’ny fomba fijery izay naroso teo aloha momba an’ity resaka ity ny Fiangonana: ny hoditra mainty dia famantarana ny tsy fankasitrahana na ozona avy amin’ Andriamanitra, fahotana ny fanambadian’ny samy hafa firazanana; na olona mainty hoditra na olona avy amin’ny firazanana na foko hafa dia ambaniny raha mitaha amin’ny olona iray hafa na amin’inona na amin’inona. Manameloka mazava tsara ny fanavakavahana rehetra, na taloha na ankehitriny, na amin’ny endriny manao ahoana na amin’ny endriny manao ahoana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. (Jereo ny “Race and the Priesthood,” Gospel Topics, lds.org/topics.)

  • Ahoana no ahafahan’ny finoana an’i Jesoa Kristy manampy ny olona hamaly ny fanontaniany na ny olany momba ny famerana ny fisoronana izay nisy talohan’ny 1978?

Fanambarana Ôfisialy 2

Omena ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra ny fitahian’ny fisoronana sy ny tempoly

Hazavao fa talohan’ny 1978 dia olona an’arivony maro taranaka Afrikanina avy amin’ny firenena samihafa no nanomboka nahafantatra ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Naharay taratasy betsaka avy tamin’ny olona niova fo tsy vita batisa tany Nigeria sy Ghana ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao Salt Lake City izay nangataka ny nandefasana ireo misiônera any Afrika. Nandritra ny taona maro dia nandinika amim-bavaka ilay raharaha ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana saingy nahatsapa izy ireo fa mbola tsy tonga ny fotoana nandefasana ny misiônera tany Afrika. Tany Brésil dia nisy mpikamban’ny Fiangonana mainty hoditra nanampy tamin’ny fanorenana ny Tempolin’i São Paulo, izay nambara tamin’ny 1975, na dia fantatr’izy ireo aza fa tsy ho afaka ny hiditra ny tempoly izy ireo.

Ampahafantaro ny mpianatra fa ahitana ny filazana ôfisialin’ny fanambarana voarain’ny Filoha Spencer W. Kimball sy ny mpanolotsainy ary ny mpikambana folo tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Fanambarana Ôfisialy 2. Tamin’ny 1 jona 1978 no nahazoana ny fanambarana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andinin-tsoratra voalohany eo ambanin’ny “Ry Rahalahy Malala.” Asao ny mpianatra hanaraka sady hitady ny zavatra nolazain’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana fa hitan’izy ireo maso.

  • Inona no natrehin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana maso manerana ny tany?

  • Inona no nanentana an’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana rehefa nanatri-maso ny fihitaran’ny asan’ny Tompo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andinin-tsoratra manaraka, izay manomboka amin’ny hoe “Noho ny fahalalana.” Asao ireo mpianatra hitady ny fomba nandraisan’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana andraikitra tamin’ny fanentanan’ny faniriany? Anontanio hoe:

  • Ahoana no nandraisan’ny Filoha Spencer W. Kimball sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana andraikitra tamin’ny fanentanan’ny faniriany?

  • Araka ny andalana telo voalohany amin’ity andinin-tsoratra ity, inona no zavatra fantatr’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana mikasika ny famerana ny fisoronana? (Nahafantatra izy ireo fa amin’ny fotoana iray, ireo rahalahy mendrika rehetra dia hahazo ny fahafahana mandray ny fisoronana.)

Hazavao fa taona maro talohan’ny 1978, rehefa nahafantatra fa tsy maintsy nisy ny fanambarana vao misy ny fanovana, dia efa niady hevitra momba ny famerana ny fisoronana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary efa nivavaka momba izany. Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) manaraka ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy izany:

Filoha Spencer W. Kimball

“Nandeha irery aho isan’andro isan’andro, tamin’ny fomba manetriketrika sy tamin-kafanam-po lehibe tao amin’ny efitrano ambony rihan’ny tempoly, ary tao aho no nanolotra ny fanahiko sy nanolotra ny ezako hampandroso ilay fandaharanasa. Te hanao ny zavatra tiany aho. Noresahiko taminy izany ka hoy aho hoe: ‘Tompo ô, izay mety ihany no tadiaviko. Tsy mieritreritra ny hanao zavatra lehibe izahay. Izay zavatra tianao ihany no tadiavinay, ka tianay izany amin’ny fotoana itiavanao azy ary tsy aloha’” (Enseignements des Présidents de l’Église: Spencer W. Kimball [2006], 262).

  • Inona no ampianarin’ny tenin’ny Filoha Kimball antsika momba ny fomba fikatsahan’ny mpaminany fanambarana? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia azonao atao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Mikatsaka ny fikasan’ Andriamanitra ny mpaminany amin’ny fitarihana ny Fiangonana.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andinin-tsoratra roa manaraka ao amin’ny Fanambarana Ôfisialy 2, izay manomboka amin’ny hoe “Efa nihaino ny fivavakay Izy.” Asao ny mpianatra hitady ny valintenin’ny Tompo tamin’ny vavaka nataon’ny Filoha Kimball sy ny mpanolotsainy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary ny mpikambana tao amin’ny Apôstôly Roambinifolo.

  • Inona no valintenin’ny Tompo tamin’ny vavaka nataon’ny mpaminaniny? (Hamafiso ny hafatry ny Tompo izay voaray ao amin’ity fanambarana ity: Natao ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba nahazoana ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fanambarana Ôfisialy 2, dia zarao ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity, izay teo tamin’ny nandraisana ity fanambarana ity tao amin’ny tempoly:

Filoha Gordon B. Hinckley

“Nisy tontolo masina sy nohamasinina tao amin’ilay efitrano. Ho ahy dia nahatsapa ho toy ny nisy lalantsara nisokatra nanelanelana ny seza fiandrianana tany an-danitra sy ny mpaminanin’ Andriamanitra izay niaraka tamin’ireo rahalahiny nandohalika sy nitalaho. Teo ny Fanahin’ Andriamanitra. Ary tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia tonga tamin’izany mpaminany izany ny fanomezan-toky fa ny zavatra izay nivavahany dia marina, ary efa tonga ny fotoana, ka ankehitriny dia tokony homena ny lehilahy mendrika ireo fitahiana mahatalanjon’ny fisoronana na aiza na aiza, na inona na inona rohim-pihavanany. …

“Nahafantatra izahay rehetra fa efa tonga ny fotoana izay hisian’ny fiovana ary ilay fanapahan-kevitra dia avy any an-danitra. Nazava ny valinteny. Nisy firaisankina feno teo anivonay tamin’ny zavatra niainanay sy tao amin’ny fahatakaranay” (“Priesthood Restoration,” Ensign, ôkt. 1988, 70).

Hazavao fa fotoana fohy taorian’ny nandraisana ilay fanambarana hanajanonana ny famerana ny fisoronana dia nisy misiônera nalefa tany Afrika. Nanomboka nisy tempoly naorina tamin’izany kaontinanta izany, tsatòka mihoatra ny zato no natsangana, ary olona an’arivony maro no nandray ireo ôrdônansin’ny filazantsara ho an’ny tenany sy ho an’ireo razambeny efa maty. (Jereo ohatra ny, “Mormons in Africa: A Bright Land of Hope,” mormonnewsroom.org; “Emerging with Faith in Africa,” fizarana 1–3, lds.org/prophets-and-apostles/unto-all-the-world.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky izany:

Loholona Russell M. Nelson

“Any amin’ny kaontinanta sy ny nosin-dranomasina rehetra, dia angonina ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny mpino rehetra. Tsy misy lanjany ny tsy fitoviana ara-kolontsaina, fiteny, ny maha-lahy sy maha-vavy, ary ny endrikendrika ara-tarehy rehefa mahafoy tena amin’ny fanompoana ny Tompo malalany izy ireo. Tanteraka ny fanambaran’i Paoly manao hoe: ‘Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.

“‘Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy’ [Galatiana 3:27–28].

“Ny fahatakarana ny maha Ray marina an’ Andriamanitra ihany no afaka mitondra fankasitrahana feno ny maha mpirahalahy marina ny olombelona. Izany fahatakarana izany dia manentana ny faniriana hanorina tetezan’ny fiaraha-miasa fa tsy rindrin’ny fanavakavahana” (“Teach Us Tolerance and Love,” Ensign, mey 1994, 70).

  • Ahoana no anomanan’ny filazantsara antsika hiray hina amin’ny olona tsy mitovy fiaviana amintsika?

  • Inona no ohatra efa hitanao ny amin’ny mpikamban’ny Fiangonana avy amin’ny fiaviana samihafa niara-nitombo tamin’ny firaisan-kina sy fiaraha-miasa?

Ho famaranana dia asao ny mpianatra handinika ny fomba mety havaliny raha anontaniana hoe nahoana ny Fiangonana no tsy nanendry ireo lehilahy taranaka Afrikanina ho amin’ny fisoronana nandritra ny fotoana voafetra? Hamafiso fa tsara ny manazava amin’ny hafa fa tsy fantatsika hoe nahoana no nisy ny famerana ny fisoronana ary tokony hozaraintsika sy hijoroantsika ho vavolombelona ny fahamarinana izay fantatsika.

Vakitenin’ny Mpianatra