Tahirim-pitaovana
Lesona 16: Ny Fanavotana ny Maty


Lesona 16

Ny Fanavotana ny Maty

Fampidirana

Tao anatin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny zava-drehetra amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana no namerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fotopampianaran’ny fanavotana ny maty. Naverina tamin’ny laoniny “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” ity fotopampianarana ity. Ilaina amin’ny famonjena an’ilay velona sy ilay maty ny asan’ny fanavotana ny maty ary dia nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’izany asa izany ny Mpaminany Joseph Smith: “Ny andraikitra lehibe indrindra izay nankinin’ Andriamanitra tamintsika eto an-tany dia ny mitady ireo matintsika” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 509).

Vakiteny Enti-mandalina

  • Richard G. Scott, “Ny Fifaliana amin’ny Fanavotana ny Maty,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 93–95.

  • D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, nôv. 2000, 9–12.

  • “Devenir des libérateurs sur la montagne de Sion,” toko 41 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 503–14.

  • Matthew S. McBride, “Letters on Baptism for the Dead: D&C 127, 128,” Revelations in Context series, 29 mey 2013; history.lds.org.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137

Ny fahitan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanjakana selestialy

Asehoy ny mpianatra ity fampahalalana ara-tantara manaraka ity:

“Tamin’ny volana nôvambra 1823 dia narary mafy sady efa akaiky ho faty i Alvin Smith, zanak’i Lucy Mack Smith sy i Joseph Smith Rainy, zokiny indrindra. 25 taona i Alvin tamin’izay, zatovolahy matanjaka sy mahavita azy ary ny fiasany mafy no nandray anjara lehibe tamin’ny fahampiana ara-bolan’ny fianakaviana. Nofaritan’ny reniny ho ‘zatovo izay manana toetra amin’ny fahatsarana miavaka’ izy, izay mitahy ny manodidina azy ‘isan’ora teo amin’ny fiainany’ ny ‘fiavahany sy ny fahalalan-tànany.’ …

“Rehefa fantany fa ho faty izy dia nantsoin’i Alvin ho eo aminy ireo rahalahiny sy ireo anabaviny ary niresaka taminy tsirairay izy. Hoy i Alvin tamin’i Joseph, izay efa ho 18 taona ary mbola tsy nahazo ireo takela-bolamena tamin’izay, nanao hoe: ‘Tiako ho lehilahy hendry ianao ka hanao izay rehetra vitan’ny herinao mba hahazoana ireo rakitsoratra. Mahatokia amin’ny fandraisana torolalana, sy amin’ny fitandremana ny didy rehetra izay omena anao. …’

“Rehefa nodimandry i Alvin, dia nangataka mpitondra fivavahana Presbyterianina iray tao Palmyra, New York, ny fianakaviana mba hitarika ny fotoam-pandevenana azy. Koa satria tsy mpikambana tao amin’ilay antokom-pivavahana i Alvin dia nilaza ilay mpitondra fivavahana tao amin’ny toriteniny fa tsy ho azo vonjena i Alvin. Hoy i William Smith, zandrilahin’i Joseph Smith, nitantara izany: ‘Nanantitrantitra mafy mihitsy ilay [pasitera] fa lasa tany amin’ny helo i [Alvin] satria tsy mba niditra ho mpikamban’ny fiangonana, kanefa zazalahy tsara izy hany ka tsy dia nankasitrahan’ny raiko izany’” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 431, 433).

  • Noho ny fotopampianarana momba ny fanavotana ho an’ny maty izay tsy mbola naverina tamin’ny laoniny tamin’ny fotoana nahafatesan’i Alvin, dia inona no ahiahin’ny fianakaviana Smith mikasika ny famonjena an’i Alvin?

Lazao ireo mpianatra fa ity lesona ity dia hanampy azy ireo hahatakatra fa nambaran’ny Tompo tsikelikely, andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra ny fotopampianarana momba ny fanavotana ho an’ny maty. Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137. Hazavao fa nialoha ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland volana vitsy monja ity fanambarana ity. (Azonao marihina fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fanontana 2013, dia nasiana fanitsiana vitsivitsy ny sasin-tenin’ny fizarana 137.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1–6 ary ny ambiny kosa hanaraka ny vakiteny. Ifanakalozy hevitra ity manaraka ity:

  • Iza no hitan’i Joseph Smith tao amin’ny fanjakana selestialy? (Mety ho liana ny hahafantatra ireo mpianatra fa velona ny ray sy renin’i Joseph Smith tamin’ny fotoana nahazoana ity fahitana ity. Tao amin’ilay efitrano niaraka taminy mihitsy aza ny rainy tamin’ny nitrangan’ilay fanambarana.)

  • Araka ny andininy 6, nahoana no nahagaga an’i Joseph Smith ny nahita an’i Alvin rahalahiny tao amin’ny fanjakana selestialy? (Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa taona maro talohan’ny nianaran’i Joseph Smith mikasika ny fotopampianarana momba ny fanavotana ho an’ny maty no nandraisana ity fahitana ity.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–9. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady fotopampianarana iray izay nanampy ny Olomasin’ny Andro Farany hahatakatra bebe kokoa ny drafitr’ Andriamanitra mba hamonjena ireo zanany.

  • Inona no zavatra nomanin’ Andriamanitra ao amin’ny drafiny ho an’ny olona tahaka an’i Alvin Smith izay maty tsy nanana fahafahana ny handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na ny ôrdônansin’ny batisa? (Rehefa mizara ny heviny ireo mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra izao fotopampianarana izao: Ny olona rehetra izay maty tsy nahalala ny filazantsara, fa mety nandray izany fahalalana izany raha toa ka nandre izany, dia handova ny fanjakana selestialy.)

  • Inona no ampianarin’ity fotopampianarana ity mikasika ny toetran’ny Ray any An-danitra sy ny fitiavany ireo zanany?

  • Oviana ianao no efa nampaherezin’izany fotopampianarana izany? Oviana no efa nahitanao ny hafa, mety ireo olona izay nampianarinao tamin’ny naha-misiônera anao, nahazo fampaherezana avy tamin’ny fahatakarana io fotopampianarana io?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:30–34; 127:5–8; 128:1–18; 138:28–37

Ôrdônansy isoloana tena ho an’ny maty

Nandritra ny fandevenana an’i Seymour Brunson ny 15 aogôsitra 1840, fotoana fohy taorian’ny nitoeran’ireo Olomasina tao Nauvoo, Illinois no niresahan’ny Mpaminany Joseph Smith voalohany momba ny fotopampianaranan’ny batisa ho an’ny maty. Talanjona sy faly ireo mpikamban’ny Fiangonana rehefa nahare ity fotopampianarana nambara ity. Nandritra ny volana maro taorian’ny nilazana izany dia tao amin’ny renirano akaikin’ny Mississipi no nanaovan’ireo Olomasina ny batisa ho an’ireo olona tiany izay efa nodimandry (jereo ny Teachings: Joseph Smith, 403; Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 [Boky fampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003], 251).

  • Ahoana no nampitomboan’ity toriteny ity ny fahatakarana ny drafitry ny Ray any An-danitra mba hamonjena ireo zanany? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Azo tanterahina ho an’ireo izay tsy nandray ny filazantsara tamin’ny fiainana mety maty ny ôrdônansin’ny famonjenan’ny batisa.)

  • Ahoana no mety ho fandraisanao izany, araka ny hevitrao, raha toa ka naheno an’ny Mpaminany Joseph Smith miresaka momba ny fotopampianarana momba ny batisa ho an’ny maty voalohany ianao tamin’ity fotoampitantanana ity?

Hazavao fa nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tao Nauvoo, Illinois, tamin’ny ôktôbra 1841, dia nanambara i Joseph Smith fa tian’ny Tompo ny hitsaharan’ireo Olomasina amin’ny fanatanterahana ny batisa ho an’ny maty mandra-pahafahana manatanteraka ny batisa ho an’ny maty ao amin’ny Tranony (jereo ny F&F 124:29–34). Tamin’ny 8 nôvambra 1841, dia notokanan’i Brigham Young, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, ny toerana fanaovana batisa tao ambany rihan’ny Tempolin’i Nauvoo izay mbola tsy vita, ka nanomboka nanatanteraka ny batisa isoloana tena ho an’ny maty ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Asao ny mpianatra mba hamaky ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127, izay manazava fa ny fizarana 127 dia taratasy avy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ho an’ireo Olomasina, izay manoro hevitra azy ireo mba handray an-tsoratra ireo batisa izay notanterahiny ho an’ny maty. Hazavao fa tokony ho iray volana taty aoriana dia nanoratra taratasy hafa izay niresaka momba ny batisa ho an’ny maty i Joseph izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128.

Soraty eo amin’ny solaitrabeireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. (Aza ampidirina ao ny zavatra izay ao anaty fononteny fa natao ho anao mpampianatra izany.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5–7; 128:8 (Rehefa atao amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana sy voarakitra an-tsoratra araka ny tokony ho izy ny ôrdônansy iray dia fehezina eto an-tany sy any an-danitra izany.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:6–7 (Tafiditra ao anatin’ireo boky izay hovelarina ny rakitsoratry ny ôrdônansy isoloana tena mba hitsarana ny maty.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15, 17–18 (Manan-danja amin’ny famonjena antsika ny famonjena ireo razambentsika efa nodimandry.)

Asaivo mamaky ireo andinin-tsoratra masina voasoratra eny amin’ny solaitrabe ireo mpianatra. Asao izy ireo hitady ireo fotopampianarana izay niampy tamin’ny fahatakarantsika ny drafitr’ Andriamanitra momba ny fanavotana ny maty. Asao ny mpianatra hamintina ny fotopampianarana mikasika ny fanavotana ny maty izay ampianarina ao amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hanoratra ireo fotopampianarana eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ireo andinin-tsoratra masina. Mariho fa ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127 sy 128 dia mampiseho ny fomba iray izay mahazatra ao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara—manambara ny fahamarinana andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra ny Tompo, fa tsy tonga dia indray mandeha.

Hazavao fa taona maro taorian’ny nahazoana ireo fanambarana ireo dia nanome fahatakarana bebe kokoa momba ny drafiny mba hanavotana ny maty ny Tompo. Tamin’ny taona 1918 dia nahazo fahitana ny Filoha Joseph F. Smith momba ny fanavotana ny maty. Tonga ilay fahitana raha nisaona ny fahafatesan’ny zanany Hyrum M. Smith izy, izay maty tamin’ny voalohandohan’izany taona izany nandritra ny fotoana naha mpikambana azy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:28–37, sady hitady ny fahamarinana izay nambara tamin’ny Filoha Joseph F. Smith momba ny fanavotana ny maty.

  • Inona no fahamarinana momba ny fanavotana ny maty ampianarina ao amin’ireo andininy ireo? (Rehefa mizara ireo fahamarinana izay hitany ny mpianatra, dia ataovy izay ahatakarany izao fahamarinana izao: Eo ambany fitarihan’i Jesoa Kristy dia mampianatra ny filazantsara amin’ireo izay any amin’ny tranomaizina ireo iraka marina.)

  • Ahoana no hanampian’ireo fahamarinana fanampiny ireo antsika amin’ny fahatakarana fa ny olona izay maty nefa tsy nandray ireo ôrdônansin’ny filazantsara, toa an’i Alvin Smith, dia afaka mahazo anjara ao amin’ny fanjakana selestialy?

Avy eo dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny antsika, ny andraikitra nekentsika tamin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana dia ny hanao fikarohana momba ireo razambentsika ary hanome azy ireo ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsara. ‘Mba tsy hatao tanteraka ireo, raha tsy efa mby eo koa isika’ (Hebreo 11:40; jereo koa ny Teachings: Joseph Smith,475.) Ary ‘isika koa dia tsy hatao tanteraka raha tsy eo ny maty eo amintsika’ (F&F 128:15)” (“Hitodika ny Fon’ny Zanaka,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 25).

  • Nahoana no tsy maintsy atao ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika ny asan’ny fanavotana ny maty?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny famonjena an’ireo havantsika efa maty antsika, isika sy ireo maty, mba ho lasa tanteraka?

Vakio ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Raha manana hery hitahiana ireo izay any ampitan’ny voaly ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, dia manana hery mitovy mba hitahiana ny velona koa izany. Izany dia mitondra hery manadio ho an’ireo izay mirotsaka amin’izany. Manampy ara-bakiteny amin’ny fisandratan’ireo fianakaviany izy ireo” (“Generations Linked in Love,” Ensign na Liahona, mey 2010, 93).

  • Amin’ny fomba ahoana no hanamarinan’ny fotopampianarana momba ny fanavotana ny maty ny maha-tsy misy fetra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Vakio ity fanambarana nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Nanambara fotopampianarana ambony dia ambony mikasika ny ôrdônansy masin’ny batisa tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo. Tonga izany fanambarana izany tamin’ny fotoana nampianaran’ireo fiangonana Kristianina hafa fa ny toe-panahinao amin’ny fotoana ahafatesanao no mamaritra tanteraka sy mandrakizay izay hiafaran’ny fanahy. Nampianatra izy ireo fa izay vita batisa dia hahazo fifaliana mandrakizay ary ireo hafa rehetra kosa dia hiaina fijaliana mandrakizay ka tsy hanana fanantenana ny hahazo fanavotana. …

“Vavolombelona iray hafa mikasika ny maha-tonga lafatra sy tsy manam-petra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany fotopampianarana lehibe izany. Nanao izay ahafahan’ny olona mibebaka rehetra hahazo famonjena Izy. Nandresy ny fahafatesana ny Sorompanavotany ary nataony izay ahafahan’ireo olona mendrika efa nodimandry mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena amin’ny alalan’ny fisoloana tena azy ireo” (“Ny Fifaliana avy amin’ny Fanavotanana ny Maty,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 93).

  • Inona ireo traikefa izay nampianatra anao momba ny maha-zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ny asa fanavotana ny maty?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitomboan’ny fijoroanao ho vavolombelona noho ny fandraisanao anjara tamin’ny asa fanavotana ny maty? (Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.)

Amporisiho ireo mpianatra mba handinika ny fomba mety handraisan’izy ireo anjara amin’ny asa lehiben’ny fanavotana ny maty, na amin’ny alalan’ny fikarohana ny tantaram-pianakaviana na amin’ny alalan’ny fanompoana amin’ny maha-mpisolo tena amin’ny fanatanterahana ôrdônansy any amin’ny tempoly. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa afaka handray ireo ôrdônansy rehetra ilaina amin’ny fanavotana ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra amin’ny alalan’ny asa tanterahina any amin’ireo tempoly maoderina.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy