Tahirim-pitaovana
Lesona 3: Ny Fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna


Lesona 3

Ny Fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna

Fampidirana

Naniraka ny anjely Môrônia mba hanomana ny Mpaminany Joseph Smith amin’ny fandraisana sy amin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo. Kely ny zavatra fantatra momba ny fomba nanatanterahana ny dikan-teny. I Joseph Smith dia nilaza fa ny Bokin’i Môrmôna dia nadika “araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny” (sasin-tenin’ny Bokin’i Môrmôna, edisiona tamin’ny 1830). Mba hifanaraka amin’ny ny lalàn’ny fisian’ny vavolombelona (jereo ny 2 Korintiana 13:1), dia namela olona vitsivitsy hafa ny Tompo mba ho vavolombelon’io rakitsoratra fahiny io. Ny tenivavolombelon’izy ireo dia manamafy ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ho an’izao tontolo izao.

Vakiteny enti-mandalina

  • Neal A. Maxwell, “By the Gift and Power of God,” Ensign, jan. 1997, 36–41.

  • “Book of Mormon Translation,” Gospel Topics, lds.org/topics.

  • “Coming Forth of the Book of Mormon and Restoration of the Priesthood,” toko faha 5 ao amin’ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. faha 2 (Boky torolalan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003), 52–66.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Joseph Smith—Tantara 1:30–35, 42–54

Nadika araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny

Asao ny mpianatra iray na roa mba hanolo-tena hamintina amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra tadidin’izy ireo mikasika ny famangian’ny anjely Môrônia ny tovolahy Joseph Smith tamin’ny alin’ny 21 septambra 1823. Raha ilaina izany, dia zarao ity fampahafantarana manaraka ity:

“Ny alin’ny 21 septambra 1823, dia namonjy ny efitrano fandriany tao amin’ny tranohazon’ny fianakaviany tany Palmyra, New York i Joseph Smith, fa tsy natory anefa izy rehefa lasa natory daholo ny olona hafa, fa nivavaka amim-pahatsorana mba hahafantarany ny tanjon’ Andriamanitra ho an’ny tenany. …

“Ho valin’ny vavaka nataony, dia nahita hazavana nipoitra tao an’efitranony, izay tsy nitsaha-nitombo mandra-pahatongan’ny efitrano ‘hazava bebe kokoa noho ny mitataovovonana’izy. Dia nisy iraka avy any an-danitra niseho teo anilan’ny fandriany, sy nitsingevaheva ka tsy nandia tany ny tongony ary nanao akanjo lava malalaka izay ‘fotsy mangatsakatsaka’. (Joseph Smith—Tantara 1:30–31.) I Môrônia io iraka io, ilay mpaminany Nefita farany indrindra, izay nandevina tany ambanin’ny tany, taonjato maro lasa izay ny takelaka izay mirakitra ny Bokin’i Môrmôna ary mihazona ny fanalahidy momba an’io rakitsoratra masina io izy ankehitriny (jereo ny F&F 27:5). Nirahina izy mba hilaza amin’i Joseph fa navelan’ Andriamanitra ny fahotany ary manana asa lehibe hampanaovina azy Izy. Ampahan’izany asa izany ny tokony hankanesan’i Joseph any amin’ny vohitra salasalany iray tsy lavitra ny toerana misy azy, izay nilevenan’ny rakitsoratra masina iray, voasoratra amin’ny takela-bolamena. … i Joseph dia handika ny rakitsoratra ary hitondra izany ho an’izao tontolo izao.

“Ny ampitson’iny, dia namonjy ilay vohitra salasalany izay nilevenan’ny takelaka mirakitra ny Bokin’i Môrmôna i Joseph. Nifankahita tamin’i Môrônia izy ary nahita ny takelaka, fa nolazaina kosa izy fa tsy mbola afaka mandray izany mandritra ny efatra taona. …

“… Ny 22 septambra 1827, dia niaraka taminy tany amin’ilay vohitra salasalany [i Emma, vadin’i Joseph] ary niandry azy tsy lavitra tao izy raha napetrak’i Môrônia teo am-pelatanan’ny Mpaminany ny takelaka” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 63–65).

Asao ny mpianatra hanokatra ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna ka hamaky ny andinin-tsoratra voalohany, ka hijery ny fampahalalana momba an’io rakitsoratra taloha io izay ho tonga sy ho voadika. Rehefa vita ny famakiana, dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. (Tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Nadika araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny ny Bokin’i Môrmôna.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:34–35. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny fomba iray izay nanampian’ny Tompo an’i Joseph Smith tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Araka ireo andininy ireo, inona no fomba iray izay nanampian’ny Tompo an’i Joseph Smith tamin’ny fandikana ny rakitsoratra taloha? (Nanome ny Orima sy ny Tomima ho an’ny fandikan-teny ny Tompo.)

Hazavao fa fitaovana hafa izay nampiasain’i Joseph Smith tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna ny vato kely miendrika atody, antsoina indraindray hoe “ny vaton’ny mpahita,” izay hitany taona vitsivitsy talohan’ny nandraisany ny takela-bolamena (jereo ny “Book of Mormon Translation,” Gospel Topics, lds.org/topics). Ny tantara dia milaza fa indraindray ny Mpaminany dia nampiasa ny Orima sy ny Tomima ary indraindray izy dia nampiasa ny vaton’ny mpahita tamin’ny fandikan-teny.

Vakio mafy ity fanambarana manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa nanambara ny dikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teny Anglisy ny Tompo ho an’ny Mpaminany tamin’ny alalan’ny Orima sy ny Tomima ary ny vaton’ny mpahita.

“Rehefa nanaovana fanadihadiana momba ny antsipirian’ny fomba nanaovana ny fandikan-teny i Joseph, dia namerimberina hatrany izy fa nanatontosa izany ‘araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny’, ary nisy fotoana izy nanampy hoe: ‘Tsy natao izany mba hilazana an’izao tontolo izao mikasika ny pitsipitsiny manokana rehetra momba ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna.’

“Na dia teo aza izany, dia namela tantara maro ireo mpitan-tsoratra sy ireo olona hafa izay nandinika ny fandikan-teny, izay manome fampahafantarana mikasika ny fandikan-teny. Ny tantara sasany dia manamarika fa nandalina ny litera teo amin’ny takelaka i Joseph. Ny ankamaroan’ny tantara dia miresaka mikasika ny nampiasan’i Joseph ny Orima sy ny Tomima (ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fandikan-teny na ny vaton’ny mpahita), ary ny tantara maro dia milaza ny nampiasany vato tokana iray. Araka ireo tantara ireo, dia napetrak’i Joseph tao anatin’ny satroka iray ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fandikan-teny na ny vaton’ny mpahita, dia nametraka ny tarehiny tao amin’ny satroka izy mba hanakanana ny hazavana ivelany ary namaky mafy ny teny anglisy izay niseho tamin’ilay fitaovana. Ny fomba fandikan-teny izay voalaza io dia mampahatsiahy ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay milaza fa Andriamanitra dia nanomana ‘vato iray izay hamirapiratra ao amin’ny haizina ho fahazavana’ [Alma 37: 23–24]” (“Book of Mormon Translation,” Gospel Topics, lds.org/topics).

Hazavao fa niharihary ny fanampian’ny Tompo tamin’ny fotoana kely monja nanaovan’i Joseph Smith ny fandikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna. Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Loholona Russell M. Nelson

“Diniho ilay fotoana kely monja nandikan’i Joseph ny Bokin’i Môrmôna. Raha niasa nanomboka tamin’ny aprily ka hatramin’ny jona 1828 i Joseph, dia nandika ny pejy 116 izay narian’i Martin Harris. Namerina indray ny fandikan-teny tamin’ny talata 7 aprily 1829, niaraka tamin’i Oliver Cowdery izay mpitan-tsoratra i Joseph. Vonona ilay rakitsoratra dimy amby valopolo andro taty aoriana, tamin’ny 30 jona an’io taona io. Mazava ho azy fa tsy natokana tamin’ny fandikan-teny daholo izany fotoana rehetra izany. … Raha heverina tsara izany rehetra izany ka atao tombatombana, dia hita fa dimy amby enimpolo andro niasana na latsak’izany no nanaovan’ny mpaminany sy ireo mpitantsoratra ny fandikan-teny an’ity boky ity, izay ahitana 531 pejy ny edisiôna amin’izao fotoana. (See John W. Welch, Ensign, jan. 1988, pp. 46–47.) Raha aravona ny kajy dia manome pejy valo isan’andro. Diniho izany rehefa mandika boky iray ianao, na rehefa mandamina ny famakianao manokana ny Bokin’i Môrmôna” (“A Treasured Testament,” Ensign, jolay 1993, 61–62).

  • Inona avy ireo fomba sasany izay nitrangan’ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna ‘araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny”?

  • Ahoana no ahafantarantsika fa marina ny Bokin’i Môrmôna, raha tsy mahafantatra ny pitsipitsiny rehetra manodidina ny fahatongavan’io boky io isika? (Afaka mandray fijoroana ho vavolombelona ara-panahy ny Bokin’i Môrmôna isika na dia tsy mahafantratra ny pitsipitsiny rehetra momba ny fandikan-teny.)

  • Inona no nanampy anao hahazo fijoroana ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley:

Filoha Gordon B. Hinckley

“Tamin’ny voalohany dia tonga aloha i Môrônia, niaraka tamin’ny takelaka izay nanaovana ny fandikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna. Tena zava-nitranga tsy manam-paharoa sy manan-danja tokoa izany. Mahatalanjona ny tantaran’i Joseph mikasika ny takela-bolamena. Sarotra ninoana izany fa mora toherina. Mety afaka nanoratra tamin’ny alalan’ny fahaizany manokana ve izy? Ity ilay boky, ry rahalahiko sy rahavaviko, mba ho hitan’ny tsirairay, mba ho tsapain’ny tsirairay, mba ho vakian’ny tsirairay. Ireo izay nanandrana ny hanazava ny fiaviany, ankoatra ny fitantaran’i Joseph Smith, dia tsy nahomby avokoa. Tena tsy nandalo fianarana firy i Joseph; tao anatin’ny fe-potoana kely dia kely anefa no nitondrany ny dikan-teny izay ahitana mihoatran’ny 500 pejy rehefa vita printy. …

“Nandritra izay taona rehetra izay dia maro ny mpitsikera izay nanandrana nanazava izany. Nanohitra izany izy ireo. Nanesoeso izany izy ireo. Mbola naharitra kokoa noho izy rehetra anefa ny boky, ary lehibe kokoa ny fitaomany ankehitriny raha oharina amin’ny fotoana hafa rehetra ao amin’ny tantarany” (“The Stone Cut Out of the Mountain,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 85).

  • Inona no azonao tenenina mba hanampiana ny olona iray izay manana olana amin’ny finoana ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

Mijoroa ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia tonga araka ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17

Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo sy ireo Vavolombelona Valo

Hazavao fa teo am-panaovana ny fandikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith no nianatra fa hanendry olona hafa ny Tompo ho vavolombelon’ilay rakitsoratra taloha (jereo ny 2 Nefia 27:12–13; Etera 5:2–5). Tamin’izany fotoana izany i Oliver Cowdery, David Whitmer, sy Martin Harris no samy naneho ny fanirian’izy ireo ho vavolombelona telo manokana. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17 dia ahitana ny torolalana nomen’ny Tompo ho an’ireo lehilahy ireo.

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:1–6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’ireo vavolombelona aorian’ny hahitan’izy ireo ny takelaka. Rehefa nizara ny zavatra hitany ny mpianatra, dia manontania hoe:

  • Araka ny eritreritrareo, nahoana ireo lehilahy ireo no nila nampiseho finoana tahaka ireo mpaminany fahiny talohan’ny nanomezan’ny Tompo alalana azy ireo hahita ireo takelaka?

  • Araka ny andininy 3–5, inona no andraikitra ananan’ireo vavolombelona ireo aorian’ny ahitany ny takelaka?

  • Inona no andraikitra ananantsika rehefa asehon’ny Tompo antsika ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ireo mpianatra: Rehefa avy mahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana isika dia manana andraikitra hijoro ho vavolombelona mikasika izany. [Jereo koa ny F&F 88:81. ]) Azonao atao ny manamarika fa ity fitsipika ity dia ohatra iray ihany koa momba ny fomba fanao iray izay hita ao amin’ny soratra masina. “Ny fomba fanao dia drafitra, maodely, na fenitra izay afaka ampiasana ho torolalana amin’ny fanaovana na fanamboarana zavatra iray ombieny ombieny” [David A. Bednar, “A Reservoir of Living Water” (Takariva amorom-patan’ny Oniversite Brigham Young, feb. 4, 2007), 5, speeches.byu.edu].)

  • Amin’ny fomba ahoana no ilazana fa fanehoana ny finoantsika ny mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny tantaran’i Joseph Smith momba ny zavatra niainany niaraka tamin’ny Vavolombelona Telo:

“I Martin Harris, David Whitmer, Oliver Cowdery ary ny tenako dia nifanaiky mba hisitaka ho any an’ala, ary ny hanandrana handray ny fanatanterahan’ny fampanantenana amin’ny alalan’ny vavaka atao an-kafanam-po sy am-panetrentena. … [Taorian]’ny andrana faharoa nataonay, izay tsy nahomby ihany koa dia niteny taminay i Martin Harris fa tokony hisitaka ny tenany tsy hiara-hivavaka aminay satria, araka ny nolazainy, dia nino izy fa ny naha-teo azy no antony tsy nahazoanay ny zavatra nirinay. Noho izany dia nisitaka izy, nandohalika indray izahay, ary tsy nivavaka nandritra ny minitra maro akory, no … nitsanganan’ny anjely [Môrônia] teo anoloanay. Nihazona ny takelaka teo an-tanany izy. … Navadibadiny tsirairay ireo takelaka, mba hahafahanay mahita izany, sy manavaka tsara ireo soratra voasokitra eo aminy. … Nahare feo avy amin’ilay hazavana mamirapiratra teo amboninay izahay, nilaza hoe: ‘Nambara tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra sy nadika tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra ireo takelaka ireo. Marina ny dikan-tenin’izy ireo izay hitanareo, ary mandidy anareo aho hijoro ho vavolombelon’ny zavatra izay hitanareo sy renareo ankehitriny.’

“Nandao an’i David sy Oliver aho avy eo, ka nandeha nankany amin’i Martin Harris, izay hitako nivavaka tamin-kafanampo tamin’ny toerana lavitra avy teo amin’ny nisy anay. Nilaza tamiko avy hatrany izy anefa fa tsy mbola naharesy lahatra ny Tompo, ary nangataka ahy fatratra izy ny mba hiarahako mivavaka aminy, mba hahazoany fitahiana mitovy amin’izay vao azonay teo. Niara-nivavaka araka izany izahay ka nahazo izay nirinay ihany nony farany, satria tsy mbola vita akory ny vavaka nataonay dia naseho mba ho hitanay ilay fahitana toy ny teo aloha ihany, farafahakeliny dia naseho tamiko indray izany, ary nahita sy nandre indray ireo zavatra toy ny teo aloha; izay nahatonga an’i Martin Harris, izay hita fa heniky ny fifaliana tokoa, hihiaka tamin’izay fotoana izay hoe: ‘‘Ampy izay; ‘ampy izay; nahita ny masoko; nahita ny masoko’” (ao amin’ny History of the Church, 1:54–55).

Niverina tany an-tranon’ny Whitmer i Joseph ary nilaza tamin’ny ray aman-dreniny hoe: “Ny Tompo dia namela ny takelaka ho aseho ny vavolombelona telo hafa ankoatran’ny tenako, izay nahita anjely ary hanana ny andraikitra ny hanome tenivavolombelona momba ny fahamarinan’ny zavatra voalaza, satria mahafantatra ho an’ny tenany izy ireo fa tsy mandehandeha fotsiny aho mba hamitaka ny olona, ary mahatsapa aho fa toy ny nohamaivanina tamin’ny zioga mavesatra izay lehibe loatra ka tsy hay zakaina, … ary mahafaly ny fanahiko ny mahafantatra fa tsy irery intsony aho eto amin’izao tontolo izao” (ao amin’ny Lucy Mack Smith, History, 1844–1845, boky 8, pejy 11, josephsmithpapers.org/paperSummarylucy-mack-smith-history-1844-1845).

  • Nahoana araka ny hevitrao no nifaly i Joseph taorian’io zavatra niainany io? (Tsy irery intsony izy amin’ny maha-vavolombelon’ny takelaka sy ny iraka avy any an-danitra.)

Hazavao fa nisy ihany koa vavolombelona valo fanampiny izay nanana fahafahana hahita ny takelaka.

Asao ny antsasakin’ny mpianatra hamaky “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” ary ny antsasany hafa hamaky “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo”, izay samy hita ao amin’ny pejy teny fampidirana ny Bokin’i Môrmôna. Asaivo mijery ny singa manan-danja mikasika ny zavatra niainan’ireo vavolombelona ny mpianatra. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra maromaro hizara ny zavatra hitany.

  • Inona no maha-samy hafa ny zavatra niainan’ny Vavolombelona Telo sy ny an’ny Vavolombelona Valo? (Ny Vavolombelona Telo dia naheno ny feon’ Andriamanitra sy nahita anjely iray fa tsy nihazona ny takelaka. Ny Vavolombelona Valo dia nahita ny takelaka tamin’ny alalan’i Joseph Smith ary afaka nihazona izany. Ny Vavolombelona Valo dia nahazo vavolombelona notsapain-tanana kokoa momba ny fisian’ny takelaka, raha traikefa ara-panahy kosa ny an’ny Vavolombelona Telo.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny fisian’ny vavolombelona maro momba ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna?

Mety tsy mahafantatra ny mpianatra sasany fa ny tsirairay amin’ny Vavolombelona Telo sy ny sasany amin’ny Vavolombelona Valo dia nandao ny Fiangonana taty aoriana. Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Loholona Dallin H. Oaks

“Raha ampitahana amin’ny … fanoherana mety hisy rehetra, dia mitsangana ho hery lehibe ny tenivavolombelon’ny Vavolombelona Telo. … Tena fantatra tokoa fa, noho ny tsy fifankahazoana na ny fialonana izay nisy teo amin’ny mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana, dia nesorina tsy ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny tsirairay amin’ny vavolombelona telo, teo amin’ny valo taona taorian’ny namoahana ny tenivavolombelona nomen’izy ireo teo. … Na dia teo aza izany ary na hihatra amin’ny fahafatesan’izy ireo … dia tsy nisy na iray aza no nivadika tamin’ny tenivavolombelona nomeny na nilaza zavatra izay mety niteraka ahiahy mikasika ny fahamarinany.

“Ho fanampin’izany dia hita fa tsy nifanohitra tamin’ny tenivavolombelona nomen’ny vavolombelona valo mihitsy ny an’izy ireo. Mety handà izany ny olona iray, nefa ahoana no hanazavana ny firaisan-kina sy ny fikirizana nananan’ny olona tsara laza telo amin’ny fampahafantarana ny tenivavolombelon’izy ireo, eny fa na dia niantraika tamin’ny fiainany teo anoloan’ny esoeso lehibe sy ny fahavoazana manokana aza? Tahaka ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy misy fanazavana tsaratsara kokoa noho izay nomen’ilay tenivavolombelona, ilay fanambarana natao am-boninahitra nomen’ny lehilahy tsara sy mari-toetra izay nilaza fa marina ny zavatra hitany” (“The Witness: Martin Harris,” Ensign, mey 1999, 36).

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny hevitrao no mahatonga ny tsy fandavany mihitsy ny tenivavolombelona nomeny manamafy ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo, na dia taorian’ny nanesorana azy ireo tsy ho mpikamban’ny Fiangonana aza? (Hazavao fa taty aoriana dia natao batisa indray i Oliver Cowdery sy i Martin Harris.)

Asaivo mijery indray ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6 ny mpianatra, ary antitrantero fa ity andininy ity dia ahitana ny mety ho tenivavolombelona lehibe indrindra momba ny Bokin’i Môrmôna. Io andininy io dia mirakitra ny tenivavolombelon’ Andriamanitra Tenany mihitsy, izay nianiana tamin’ny velirano, fa ny Bokin’i Môrmôna dia marina.

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe azo ampidirina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tsirairay avy ny fijoroana ho vavolombelona an’izy ireo manokana momba ny Bokin’i Môrmôna. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra izay mety hanampiany ny tenivavolombelony na ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Asao ny mpianatra hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray, alohan’ny fotoam-pianarana manaraka.

Vakitenin’ny Mpianatra