Tahirim-pitaovana
Lesona 24: Ny nandaozana an’i Nauvoo sy ny dia niankandrefana


Lesona 24

Ny nandaozana an’i Nauvoo sy ny dia niankandrefana

Fampidirana

Teo ambany fitarihana nentanim-panahy an’i Brigham Young dia vitan’ny Olomasina ny fanorenana ny Tempolin’i Nauvoo, izay toerana nanaovan’izy ireo fanekempihavanana masina talohan’ny nanombohan’izy ireo ny dia tena mafy nankany amin’ny fonenany vaovao tany amin’ny Montagnes Rocheuses. Nanome hery sy fitaomam-panahy ho an’ireo Olomasina ireo fanekempihavanan’ny tempoly ireo tamin’ny fiatrehana ireo zava-tsarotra teny amin’ny lalany. Amin’ny maha-mpandova ny lova napetrak’ireo Olomasina mahatoky ireo antsika dia afaka mianatra avy amin’ny ohatr’izy ireo isika ka manomana ny fomba ahafahan’ny hafa mandray ny fitahian’ny filazantsara.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Gordon B. Hinckley, “True to the Faith,” Ensign, mey 1997, 65–67.

  • M. Russell Ballard, “You Have Nothing to Fear from the Journey,” Ensign, mey 1997, 59–61.

  • Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 (Boky fampianarana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003), 302–14, 329–36.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fahavitan’ny Tempolin’i Nauvoo

Tempolin’i Nauvoo
Tempolin’i Nauvoo Illinois

Asehoy ny sarin’ ny Tempolin’i Nauvoo voalohany, na ampiasao ny sarin’ny Tempolin’i Nauvoo Illinois vaovao (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 118). Lazao ireo mpianatra fa taorian’ny nandaozan’ireo Olomasina an’i Nauvoo dia ravan’ny afo ny tempoly izay naorin’izy ireo tamin’ny 1848 ary saika narodan’ny rambon-danitra tanteraka izany tamin’ny 1850. Tokony ho 150 taona taty aoriana dia nisy tempoly vaovao izay tena nitovy tamin’ny tempoly tamin’ny voalohany naorina ary notokanana tamin’ny jona 2002.

Hazavao fa taorian’ny nahafaty maritiora an’i Joseph Smith dia niasa teo ambany fitarihan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Olomasina mba hamita haingana araka izay vitany ilay Tempolin’i Nauvoo tany am-boalohany. Asehoy ity fanambarana manaraka ity ary asao ny mpianatra hamaky izany mafy. Asao ireo mpianatra handray naoty ireo sorona nataon’ireo Olomasina mba hanamboarana ny Tempolin’i Nauvoo.

“1.000 mahery ireo olona nanome ny andro fahafolo hiasana. I Louisa Decker, tovovavy kely, dia nihetsi-po tokoa nahita an-dreniny nivarotra ny vilia bakoliny sy ny lambam-pandrianany tsara tarehy ho fandraisany anjara amin’ny fananganana ny tempoly. Ny Olomasin’ny Andro Farany sasany dia nanome soavaly, kalesy, omby, kisoa ary voamaina mba hanampiana amin’ny fananganana ny tempoly. Ny vehivavy tao Nauvoo dia nasaina nandoa ny anjara vola keliny amin’ny vola hanamboarana tempoly” (Ny Lovantsika: Tantara fohy mikasika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany [1996], 72).

I Elizabeth Terry Kirby Heward dia nanome ny hany fananany izay azony nomena—ny famantaranandron’ny vadiny izay maty vao tsy ela. “Nomeko izany mba hanampiana ny Tempolin’i Nauvoo sy ireo zavatra hafa rehetra izay azoko nomena ary ny vola kely farany izay mba nananako tamin’izao tontolo izao, izay raha natambatra dia nanome 50 dôlara” (voalaza ao amin’ny Carol Cornwall Madsen, In Their Own Words: Women and the Story of Nauvoo [1994], 180).

Hazavao fa noho ny fitombon’ny fanenjehana ny olomasina sy ny fandrahonana avy amin’ireo fahavalon’ny Fiangonana, dia nilaza ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana tamin’ny 24 septambra 1845 fa tokony handao an’i Nauvoo ireo Olomasina ny lohataona manaraka. Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona araka ny hevitrao no fiantraikan’ny fanapahan-kevitra ny handao an’i Nauvoo teo amin’ny ezaky ny Olomasina tamin’ny famitana ny tempoly?

Hazavao amin’ny mpianatra fa na dia efa nahafantatra aza ny Olomasina fa tokony handao an’i Nauvoo, dia nampitomboiny ny ezaka nataony mba hamitana ny tempoly alohan’ny niaingany. Notokanana ireo efitrano tao amin’ny tempoly rehefa vita mba hahafahana nanatanteraka ôrdônansy faran’izay aloha. Talohan’ny nahafatesany, dia nanatanteraka fombafomban’ny fanafiana masin’ny tempoly ho an’ny andiana lehilahy sy vehivavy vitsy ny Mpaminany Joseph Smith. Tamin’ny 10 desambra 1845, dia nanomboka nanatanteraka ordônansin’ny tempoly ho an’ny mpikambana hafa ireo lehilahy ireo tao amin’ny efitranon’ny tempoly voatokana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireto andinin-tsoratra roa ireto, izay manoritsoritra ny ezak’ireo Olomasina sy ny mpitarika azy ireo mba nahafahan’ny olona farany izay betsaka indrindra nandray ireo ôrdonansin’ny tempoly mialohan’ny nandaozana an’i Nauvoo:

Nanomboka tamin’ny 1844 ka hatramin’ny 1846, dia nataon’ny Filoha Brigham Young sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho laharam-pahamehana ny famitana ny Tempolin’i Nauvoo. Nisy ny fanafiana masina izay notanterahina tao na dia talohan’ny nahavitan’ny fanamboarana aza. Ny Filoha Brigham Young (1801–77) dia nilaza hoe: “Lehibe aok’izany ny hetahetan’ireo olomasina handraisan’izy ireo ireo ôrdônansin’[ny tempoly], ary lehibe aok’izany koa ny hetahetanay nanatanteraka izany ho azy ireo, ka nahatonga ahy nanolo-tena tanteraka ho amin’ny asan’ny Tompo tao amin’ny Tempoly andro aman’alina, ary tsy natory nihoatra ny adiny efatra teo isan’andro, ary tsy nody tany an-trano afa-tsy indray mandeha isan-kerinandro” (ao amin’ny History of the Church, 7:567).

Ankoatr’ireo lehilahy izay niasa tao amin’ny Tempoly, dia “vehivavy enina amby telopolo no lasa mpisahana ny fanaovana ôrdônansy tao amin’ny Tempolin’ny Nauvoo, niasa andro aman’alina nandritra ny ririnina 1845–46 mba hanatanteraka ny ôrdônansy ho an’ny olona farany izay betsaka mialohan’ny fifindrana. ‘Niasa tsy an-kijanona tao amin’ny tempoly aho isan’andro mandra-pikatony,’ hoy Elizabeth Ann Whitney, iray tamin’ireo enina amby telopolo. ‘Nahafoy ny tenako sy ny fotoanako ary ny saiko aho ho amin’izany asa izany.’ Vehivavy hafa am-polony maro no nanasa ny akanjo sy nikarakara ny sakafo izay nanohana izany asa miavaka izany” (Carol Cornwall Madsen, “Faith and Community: Women of Nauvoo,” ao amin’ny Joseph Smith: The Prophet, The Man, ed. Susan Easton Black sy Charles D. Tate Zanany. [1993], 233–34).

Hazavao fa teo anelanelan’ny 10 desambra 1845 sy ny 7 febroary 1846—daty izay nanombohan’ireo Olomasina niainga ho amin’ny dia nankany andrefana—dia Olomasina niisa 5.615 no nandray ny ôrdônansin’ny fanafiana masina tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo ary maro ireo fianakaviana izay nofehezina tao.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fahafoizana izay nataon’ireo Olomasina mba hamitana ny tempoly, na dia fantany aza fa tsy ho ela dia hiala an’i Nauvoo izy ireo? (Mety hahita fitsipika isan-karazany ireo mpianatra, toy izao manaraka izao: Mendriky ny ezaka marina sy ny fahafoizana rehetra ataontsika ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly. Soraty eny amin’ny solaitrabe izany ho fanamafisana.)

  • Tamin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mety nahafahan’ny fandraisana ireo ôrdônansy ireo nanomana an’ireo izay nandao an’i Nauvoo nandeha mihoatra ny 1.600 km mba hikaroka fialofana tany amin’ny faritra andrefan’i Etazonia?

Mba hanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io, dia asehoy ireto fanambarana manaraka nataon’ny Rahavavy Sarah Rich sy ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sarah Rich

“Raha tsy ny finoana sy ny fahalalana izay nomena anay tao amin’io tempoly io tamin’ny alalan’ny fitaomana sy ny fanampian’ny Fanahin’ny Tompo, dia ho tahaka ny olona iray izay mitsambikina ao anatin’ny haizina ny dianay” (Sarah Rich, voalaza ao amin’ny Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’Oeuvre de la Société de Secours [2011], 34).

Loholona Robert D. Hales

“Nofehezina tamin’ny naha-fianakaviana azy ireo razambentsika mpamaky lay tao Nauvoo. Nitondra fiarovana ho azy ireo nandritra ny diany niankandrefana ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo, tahaka izany koa ho antsika tsirairay ankehitriny sy mandritra ny fiainantsika. …

“Ho an’ireo Olomasina tany am-boalohany ireo, dia nanan-danja tamin’ny fijoroany ho vavolombelona ny fandraisany anjara tamin’ireo ôrdônansin’ny tempoly ireo rehefa niatrika ny zava-tsarotra, ny mpihetraketraka, ny fandroahana azy ireo hiala ny fonenany tsara tao Nauvoo, ary ny dia lava sy sarotra hataony. Nandray ny fanafiana masina tamin-kery tao amin’ny tempoly masina izy ireo. Nofehezina ny mpivady. Nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny ny ankizy. Maro tamin’izy ireo no namoy fianakaviana teny an-dalana, kanefa fantatr’izy ireo fa tsy mbola tapitra teo ny an’izy ireo. Nofehezina ho amin’ny mandrakizay tany amin’ny tempoly izy ireo” (Robert D. Hales, “Temple Blessings,” New Era, feb. 2014, 4).

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no fiantraikan’ny fandraisana ireo ôrdônasin’ny tempoly teo amin’ireo Olomasina tany am-boalohany izay voatery nanao dia lava niankandrefana? (Rehefa mizara ny valinteniny ny mpianatra, dia ampio izy ireo hahatakatra ity fitsipika manaraka ity: Afaka mitondra fiarovana sy hery ho antsika ireo ôrdônansin’ny tempoly rehefa miatrika fotoan-tsarotra sy fahoriana isika.)

  • Ahoana no efa niarovana sy nampaherezan’ny fitsaohana any amin’ny tempoly anao na ny olona fantatrao nandritra ny fotoan-tsarotra?

Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra izay azony atao mba hahita fiarovana sy hery bebe kokoa amin’ny alalan’ny fitsaohana any amin’ny tranon’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136

Ny toromariky ny Tompo ho an’ireo izay nandeha niankandrefana

saritany, Ny Dia Miankandrefana nataon’ny Fiangonana

Asao ny mpianatra hijery ny ao amin’ny sarintanin’ny toerana manan-tantara ho an’ny Fiangonana lah. 6, “Ny Dia Miankandrefana nataon’ny Fiangonana,” ary asao izy ireo hitady an’i Nauvoo sy Winter Quarters. Hazavao fa noho ny orana be tafahoatra sy ny tsy fahampian’ny fitaovana, dia nandany efa-bolana ireo Olomasina izay nandao an’i Nauvoo tamin’ny febroary 1846 nanaovana ny 480 km namakivaky an’i Iowa. Nandritra io fotoana io dia lehilahy Olomasin’ny Andro Farany mihoatra ny 500—izay lasa fantatra tamin’ny hoe Andia-miaramila Môrmôna—no nanaiky ny fiantsoan’ny Filoha Brigham Young ka nirotsaka tao amin’ny Tafika Amerikanina mba hanompo nandritra ny ady nifanaovan’i Etazonia sy i Mexique. Nanaraka ny sasany tamin’ireo lehilahy ireo ny vady aman-janany. Nahazoana vola ny fanompoan’izy ireo mba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana mahantra hanao ny dia niankandrefana, kanefa fianakaviana maro no tsy nisy vady na ray nandritra ny ampahany tamin’ny dian’izy ireo niankandrefana. Noho ireo antony ireo dia nanapa-kevitra ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny tsy nanohy niankandrefana ho any amin’ny Montagnes Rocheuses raha tsy ny lohataonan’ny 1847. Nanorim-ponenana tao amin’ny toerana izay nantsoin’izy ireo hoe Winter Quarters ireo Olomasina. Tao no nandraisan’i Brigham Young ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:1–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady mitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo mba hataon’ny Olomasina hiomanana amin’ny fanohizana ny dia niankandrefana.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nandaminana ireo andiany? Ahoana araka ny hevitrao no nanampian’io fandaminana io ny Olomasina tamin’ny dian’izy ireo?

  • Ahoana no itovizan’io fandaminana io amin’ny fomba izay andaminana ny Fiangonana ankehitriny? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra, dia azonao atao ny manoratra ity famaritana ity eny amin’ny solaitrabe: Alamin’ny Tompo ho vondrona ny Olomasiny mba ahafahan’ny olona tsirairay ho voatarika sy voakarakara.)

  • Inona no ampianarin’ny andininy 4 momba ny fomba hahazoan’ny Olomasina hery rehefa miezaka manatanteraka ny sitrapon’ny Tompo izy?

Asaivo mamaky am-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:6–11 ny mpianatra, sady mitady ny fomba nandaminana ny Olomasina mba hifampijery ny filàn’ny tsirairay ka hanampy ireo mahantra sy ny sahirana nandritra ilay dia niakandrefana. Rehefa nanome fotoana ampy, dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hitarihana ny ady hevitra:

  • Inona ao amin’nyandininy 6–11 no teny na andian-teny izay manondro ny fomba nifampikarakaran’ireo Olomasina sy ny nikarakarany ireo mahantra? (Azonao hamafisina ny teny hoe “manomana” ao amin’ny andininy 6 sy 7 ary 9. Hanintona ny saina amin’ilay fahaiza-mandalina ny soratra masina amin’ny fijerena ny teny miverimberina izany.)

  • Araka ny andininy 11, inona avy ireo fampananten’ny Tompo ho an’ireo izay mikatsaka ny hanampy ny hafa sy manomana ny lalana ho azy ireo? (Rehefa mamaly ny mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Hitahy antsika ny Tompo rehefa manampy ny hafa sy manomana ny lalana ho azy ireo isika.)

  • Iza no nanomana ny lalana ho anao mba handraisanao ireo fitahian’ny filazantsara? Inona no nataon’izy ireo nanomanana ny lalana ho anao?

Azonao atao ny manazava fa ny hoe mpamaky lay dia azo faritana amin’ny hoe olona iray izay mialoha lalana mba hanomana na hanokatra ny lalana harahin’ny hafa, izany hoe isika rehetra dia afaka ny ho mpamaky lay amin’ny heviny hafa. Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsainany ny zavatra azony atao mba hanampiana ny hafa sy hanomanany ny lalana ho azy ireo handray ireo fitahian’ny filazantsara. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny hevitr’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa maniry antsika ny Tompo mba hiezaka mandritra ny fiainantsika hanampy amin’ny fanomanana ny lalana ho an’ny zanany tsirairay mba handray ny filazantsara sy hiverina hiaina miaraka aminy indray.

Hazavao fa nankatò ny didin’ny Tompo ireo Olomasina tamin’ny fifanampian’izy ireo sy ny fanomanana ny lalana ho an’ireo izay mbola ho avy aorian’izy ireo. Niainga avy tao Winter Quarters tamin’ny 5 aprily 1847 ny andiany voalohany tamin’ireo mpamaky lay. Nandeha nihoatra ny 1.600 km izy ireo ary tonga tao amin’ny tany lemak’i Salt Lake tamin’ny faramparan’ny jolay 1847. Niditra tao amin’ilay tany lemaka i Brigham Young tamin’ny 24 jolay 1847 ary nahazo fanamafisana fa nahita ny fonenany vaovao ny Olomasina.

Asehoy ity fanambarana manaraka avy tamin’ny Loholona William R. Walker, mpikambana teo aloha tao amin’ny Fotopololahy, ity ary asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy izany:

Loholona William R. Walker

“Na taranak’ireo mpamaky lay ianareo na tsia dia lovanareo ny lovan’ny finoana sy ny fahafoizan-tenan’ny mpamaky lay Môrmôna. Izany no lova sarobidin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (“Aoka Ianao Hiaina ao anatin’ny Fifikirana amin’ny Finoana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 97-98).

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe amin’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay ny mahatakatra fa lovan’izy ireo ny “lovan’ny finoana sy ny fahafoizan-tenan’ny mpamaky lay Môrmôna,” na inona na inona razambeny?

  • Amin’ny fomba ahoana no anentanan’ny fianarana momba ny dian’ireo mpamaky lay Môrmôna an’ireo mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny amin’ny ezaka izay ataony hanompoana ny hafa sy hanampy azy amin’ny dia miverina mankany amin’ny Ray any An-danitra?

Asehoy ity fanambarana manaraka avy tamin’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Filoha Gordon B. Hinckley

“Mpandray ny ezaka lehiben’ireo [mpamaky lay] isika ankehitriny. Manantena aho fa feno fankasitrahana isika. Manantena aho fa misy fahatsapana lalina hankasitraka ny zavatra rehetra izay nataony ho antsika ao anatin’ny fontsika. …

“Ry rahalahiko sy anabaviko malala, tena voatahy isika! Endrey izany lova tena tsara izay ananantsika! Nitaky sorona, fangirifiriana, fahafatesana, fahitana, finoana ary fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona an’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay sy ny Zanany, ilay Jesoa Kristy Tompo nitsangan-ko velona izany. …

“Manome voninahitra an’ireo izay efa lasa teo aloha isika rehefa manompo tsara ao amin’ny asan’ny fahamarinana” (“True to the Faith,” Ensign, mey 1997, 66–67).

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay dia efa notahian’ny hafa izay nanomana ny lalana ho azy mba handray ireo fitahian’ny filazantsara. Amporisiho ny mpianatra mba handinika ny zavatra izay azony atao mba hanomana ny hafa, anisan’izany ny taranany, mba hiaina ao amin’ny finoana sy ny fankatoavana an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Vakitenin’ny Mpianatra